FANAOVANA KOFEHY
Fisintonana sy fanolanana fibra avy amin’ny zavamaniry toy ny rongony sy landihazo, na avy amin’ny biby toy ny volonondry sy volon’osy, mba ho lasa kofehy hanjaraina, hanenomana, hanaovana peta-kofehy na tady.
Nampiasa fangoronan-kofehy sy ampela ny Hebreo sy ny hafa, rehefa nanao kofehy. Hoy ny Ohabolana 31:19 momba ny vady tsara: “Atsotrany ny tanany handray ny fangoronan-kofehy, ary ny tanany koa no hihazonany ny ampela.” Hazo lavalava ihodinan’ny fibra efa voadio sy voahogo na voakira (Is 19:9), saingy atao goragora, ny fangoronan-kofehy. Nohazonina tamin’ny tanana havia, ohatra, izy io, ary nosintonina ny kofehy teo amin’ilay izy ka nafatotra tamin’ny ampela. Hazokely kosa ny ampela, ka ny tendrony iray misy faraingo fihazonana kofehy, ary ny ilany misy diska mavesatra, ohatra hoe vato. Nahodinkodina tamin’ny tanana havanana ilay ampela, ka niolana lasa kofehy ireo fibra. Nahorona tamin’ny tahon’ilay ampela avy eo ny kofehy, ary nofatorana. Toy izany no natao mandra-pahalanin’ny fibra rehetra tamin’ilay fangoronan-kofehy, ka nahazoana kofehy lava be.
Samy nanao kofehy ny Ejipsianina fahiny, na lahy na vavy, fa ny Hebreo kosa toa ny vehivavy ihany no tena nanao. Nanao sy nanome kofehy ny vehivavy israelita, rehefa haorina ny tranolay masina.—Ek 35:25, 26.
Niresaka fanaovana kofehy i Jesosy Kristy rehefa nampirisika ny mpianany tsy hanahy be loatra momba ny fitafiana, fa hatoky an’Andriamanitra. Hoy izy: “Diniho tsara ange ny fanirin’ny lisy e! Tsy misasatra na manao kofehy ireny, nefa lazaiko aminareo fa na i Solomona tamin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy toy ny iray amin’ireny.”—Lk 12:27, 28; Mt 6:28-30.