FILALAOVANA ODY
Zavatra atao noho ny finoana fa afaka mifandray sady tena mifandray amin’ny velona ny fanahin’ny maty, amin’ny alalan’ny mpanelanelana izay ipetrahan’ilay fanahy. Efa ela be no nisy filalaovana ody, rehefa dinihina ny Baiboly sy ny tantara. Niroborobo izy io teo anivon’ny fivavahana tany Ejipta (Is 19:3) sy tany Babylona (izay foibe ara-pivavahan’i Asyria koa).—Is 47:12, 13.
Avy amin’ny teny grika hoe farmakia ny hoe “filalaovana ody.” Hoy ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (1981, Boky Faha-4, p. 51, 52): ‘FARMAKIA ... Midika hoe fampiasana fanafody, zava-mahadomelina, ozona; fanapoizinana; famosaviana, Gal. 5:20, R.V., “famosaviana” (A.V.: “filalaovana ody”), ary anisan’ny “asan’ny nofo.” Jereo koa Apok. 9:21; 18:23. Ao amin’ny [Fandikan-tenin’ny Fitopolo] kosa Eks. 7:11, 22; 8:7, 18; Isaia 47:9, 12. Matetika ny mpilalao ody no mampiasa zava-mahadomelina, na mahery izany na tsia. Miteniteny na mihirahira sy miantso fanahy izy ireo, sady mampiasa vakana na tapa-kazo, sns. Mody atao hoe fiarovana amin’ny herin’ny demonia izy ireny, nefa mahatonga ny olona ho eo ambany fahefan’ilay mpilalao ody sy ny herin’ny maizina.’
Ny niandohany. Mihambo ho mahay mifampiresaka amin’ny maty ny mpilalao ody. Tsy afa-miresaka anefa ny maty satria “tsy mahalala na inona na inona.” (Mpto 9:5) Noraran’ny lalàn’Andriamanitra ny Israelita tsy hanontany amin’ny maty, ary novonoina ho faty ny mpamoha angatra. (Le 19:31; 20:6, 27; De 18:9-12; ampit. Is 8:19.) Resahin’ny Soratra Grika Kristianina koa fa “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny mpilalao ody. (Ga 5:20, 21; Ap 21:8) Mandainga izay mihambo ho mahay miresaka amin’ny maty. Indraindray koa anefa misy miresaka aminy tokoa, saingy fanahy ratsy manohitra an’i Jehovah Andriamanitra ilay izy.
Milaza ny Baiboly fa demonia ireo fanahy ratsy ireo. (Jereo DEMONIA; OLONA MISY DEMONIA.) Manaporofo izany ny nitranga tamin’ny “mpanompovavy anankiray” tany Filipy. “Nahay naminany” izy, ka nahazo tombony be avy tamin’izany ny tompony. (De 18:11) Milaza ilay fitantarana fa fanahy ratsy na “demonia mpilaza ny hoavy”, fa tsy Andriamanitra, no nahatonga an’ilay ankizivavy hahay haminany. Tsy nahay intsony àry izy, rehefa navoakan’ny apostoly Paoly ilay fanahy ratsy. (As 16:16-19) Ny teny grika hoe pytôna no nadika hoe “demonia mpilaza ny hoavy” teo. Hoy ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (Boky 1, p. 328) momba an’io teny io: “Bibilava na dragona ilay hoe Pitôna, araka ny angano grika. Tany Pytho, teo am-pototry ny tendrombohitra Parnasse, hono, izy io, ary niambina ny toerana masina tao Delphes. Novonoin’i Apollon anefa izy io, ka i Apollon indray no nantsoina hoe Pitôna. Mpisikidy na mpilaza ny hoavy noheverina fa nitoeran’ny fanahin’i Apollon no nantsoina toy izany tatỳ aoriana. Mampirisika ny olona hanompo sampy ny demonia, 1 Kor. 10:20, ka azo inoana fa demonia nampirisika ny hivavahana tamin’i Apollon no tao amin’ilay ankizivavy resahin’ny Asa. 16:16. Nisy ‘fanahy mpilaza ny hoavy’ àry izy.”
Tany Israely. Nisy mpamoha angatra ihany indraindray tany Israely, na dia efa voararan’ny lalàn’Andriamanitra aza izy ireny. Hafa firenena angamba izy ireny, na tompon-tany tsy naringan’ny Israelita. Nesorin’i Saoly Mpanjaka tsy ho eo amin’ilay tany ny mpamoha angatra nandritra ny fotoana nanjakany. Nisy indray anefa izy ireny rehefa hifarana ny fanjakany. Na i Saoly aza nankany amin’ny ‘vehivavy mahay mamoha angatra tao En-dora’, ka hita amin’izany fa niala tamin’Andriamanitra tokoa izy.—1Sa 28:3, 7-10.
Nankany amin’ny mpamoha angatra i Saoly Mpanjaka. Efa elaela i Saoly no tsy nahazo ny fanahin’i Jehovah, tamin’izy nankany amin’ilay mpamoha angatra. Tsy namaly azy koa Andriamanitra, na tamin’ny nofy na tamin’ny Orima (nampiasain’ny mpisoronabe), na tamin’ny alalan’ny mpaminany. (1Sa 28:6) Tsy nifandray taminy intsony Andriamanitra, ary efa talohan’ny nanosorana an’i Davida ho mpanjaka i Samoela mpaminany no tsy nihaona taminy. Tsy ho avy hanoro hevitra an’i Saoly mihitsy àry i Samoela, raha toa ka mbola velona teo. Tsy ho nirahin’Andriamanitra hiresaka taminy koa i Samoela efa maty, satria tsy nanao izany izy na dia tamin’i Samoela mbola velona aza.—1Sa 15:35.
Tsy nankasitraka ny nataon’i Saoly mihitsy i Jehovah sady tsy nanampy azy. Hoy mantsy izy, tatỳ aoriana: “Mety hisy hiteny aminareo hoe: ‘Manontania mpamoha angatra na olona itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely sy mibitsibitsika.’ Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany? Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona? Ao amin’ny lalàna sy ny teny fanamarinana ihany!”—Is 8:19, 20.
Izay hitan’ilay mpamoha angatra fotsiny ilay resahin’ny Baiboly hoe: “Rehefa nahita an’i ‘Samoela’ ravehivavy, dia nikiakiaka faran’izay mafy.” Voafitak’ilay fanahy nihambo ho Samoela mantsy izy. (1Sa 28:12) Tanteraka tamin’i Saoly kosa ny tenin’i Paoly hoe: “Satria tsy sitrak’izy ireo ny hahalala marina tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra hanana toe-tsaina tsy ankasitrahany izy ireo, hanao zavatra tsy mendrika ... Fantany tsara tokoa ilay didin’Andriamanitra ara-drariny hoe mendrika ny ho faty izay mpanao ireo, nefa mbola manao ihany izy sady mankasitraka an’izay mpanao izany koa.”—Ro 1:28-32.
Milaza ny Fanazavana ny Testamenta Taloha nataon’i C. Keil sy F. Delitzsch (1973, Boky II, Samoela Voalohany, p. 265), fa miampy hoe “ary namaly azy i Samoela mpaminany” ny 1 Tantara 10:13 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Bagster). Manaiky an’ireo teny tsy avy amin’ny fanahy masina ireo ilay boky. Hoy koa anefa izy io: “Eken’ny ankamaroan’ny rain’ny eglizy sy ny mpitondra fanavaozana ary ny teolojianina kristianina voalohany anefa fa tsy tena i Samoela io niseho io. Nanazava i Éphrem avy any Syria fa nofitahin’ny demonia i Saoly, ka hoatran’ny hoe i Samoela ilay hitany. Izany koa no nolazain’i Luther sy Calvin sy ireo teolojianina protestanta voalohany, izay niaiky fa angatra ilay izy na devoly mody niseho ho Samoela. Avy amin’ny devoly koa, hoy izy ireo, ny zavatra nambaran’i Samoela. Nisy marina ihany ny nambarany saingy tsy afaka nilaza izany izy raha tsy navelan’Andriamanitra.”
Hoy ihany ilay boky ao amin’ny fanamarihana ambany pejy (Samoela Voalohany, p. 265, 266): “Nilaza àry i Luther hoe ... ‘Azo antoka fa asan’ny devoly ny nahafahan’ilay mpilaza ny hoavy na mpilalao ody nampiakatra an’i Samoela, voalaza ao amin’ny 1 Sam. 28:11, 12. Milaza mantsy ny Soratra Masina fa vehivavy nisy devoly no nanao an’ilay izy (iza moa no hino hoe eo ambany fahefan’ny devoly na olona ... ny fanahin’ireo mpino, izay eo am-pelatanan’Andriamanitra?), ary nandika ny didin’Andriamanitra i Saoly sy ilay vehivavy rehefa nanontany tamin’ny maty. Tsy afaka manohitra an’izany didy izany ny Fanahy Masina, sady tsy manampy an’izay mandika izany.’ Angatra fotsiny koa no fiheveran’i Calvin an’ilay niseho tamin’ilay vehivavy ... ‘Azo antoka’, hoy izy, ‘fa tsy tena i Samoela ilay izy, satria tsy hamela ny mpaminaniny hobaikoin’ny devoly mihitsy Andriamanitra. Mpilalao ody mantsy teto no niantso an’ilay olona maty avy tao am-pasana. Andriamanitra ve dia hamela ny mpaminaniny ho afa-baraka toy izany, ka toy ny hoe manan-kery amin’ny vatana sy fanahin’ireo olo-masina eo ambany fiahiany ny devoly? Miala sasatra ... any amin’Andriamanitra ny fanahin’ireo olo-masina, mandra-panangana azy ireo amin’ny maty. I Samoela koa ve dia hitondra ny akanjony ivelany any am-pasana? Angatra fotsiny àry ilay niseho tamin’ilay vehivavy, rehefa jerena ireo antony rehetra ireo. Voafitaka tanteraka izy ka nihevitra fa i Samoela no hitany, nefa tsy izy mihitsy ilay izy.’ Tsy nino koa ireo teolojianina ortodoksa tany aloha hoe i Samoela efa maty ilay izy, noho ireo antony ireo ihany.”
Manana fahefana amin’ny demonia i Jesosy. Namoaka demonia i Jesosy tamin’izy teto an-tany, mba hanaporofoana fa izy ilay Mesia na Voahosotr’Andriamanitra. Tsy nanao fombafomba izy, na namory olona vitsivitsy mba hifandray amin’ny fanahy, na nampiasa herin’ny maizina. Nandidy an’ireo demonia hivoaka fotsiny izy, dia nankatò azy izy ireo. Nanaiky tsy satry ny fahefany ireo demonia (Mt 8:29-34; Mr 5:7-13; Lk 8:28-33), toa an’i Satana izay tsy maintsy nanaiky rehefa noraran’i Jehovah tsy hamono an’i Joba, na dia navelany hampahory sy hitsapa azy aza izy. (Jb 2:6, 7) Tsy nitaky vola koa i Jesosy rehefa namoaka demonia.—Mt 8:16, 28-32; Mr 1:34; 3:11, 12; Lk 4:41.
Nolaviny ny fiampangan’ny Fariseo. Niampanga an’i Jesosy toy izao ny Fariseo, indray mandeha, rehefa avy namoaka demonia izy: “Tsy misy amoahan’ilehio demonia, afa-tsy amin’ny alalan’i Belzeboba, lehiben’ny demonia.” “Fantatr’i Jesosy anefa ny eritreritr’ireo, ka hoy izy taminy: ‘Ho foana izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na ankohonana miady an-trano. Toy izany koa fa raha i Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy, koa ahoana no haharetan’ny fanjakany? Ambonin’izany, raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako demonia, amin’ny alalan’iza kosa no amoahan’ny zanakareo azy? Noho izany, dia ny zanakareo no hitsara anareo.’”—Mt 12:22-27.
Niaiky ny Fariseo fa tsy vitan’ny herin’olombelona samirery ny mamoaka demonia, saingy tsy tian’izy ireo hino an’i Jesosy ny vahoaka. Nilaza àry izy ireo fa ny herin’ny Devoly no namoahan’i Jesosy demonia. Namaly azy ireo i Jesosy fa raha mpanompon’ny Devoly ny tenany nefa mandrava ny asan’i Satana, dia hiady an-trano i Satana (tsy hisy mpanjaka olombelona hanao izany), ka tsy haharitra. Nilaza ho namoaka demonia koa ny ‘zanak’ireo Fariseo’ na ny mpianatr’izy ireo, hoy izy. Raha marina ny tenin’ny Fariseo hoe ny herin’i Satana no amoahan’ny olona demonia, dia izany hery izany koa no amoahan’ny mpianatr’izy ireo demonia. Tsy hanaiky izany mihitsy anefa ny Fariseo. Nilaza àry i Jesosy fa ny ‘zanak’izy ireo’ ihany no hitsara sy hanameloka azy ireo. Noporofoin’i Jesosy tamin’izay fa tsy mitombina ny hevitr’izy ireo. Hoy izy avy eo: “Fa raha amin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako demonia, dia efa eo aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy fantatrareo.”—Mt 12:28.
Nilaza koa i Jesosy fa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny lehilahy matanjaka (Satana) ka haka an-keriny ny entany, raha tsy manan-kery hamatorana an’ilay lehilahy izy. Ny fiampangan’ireo Fariseo no nahatonga an’i Jesosy hampitandrina momba ny fahotana amin’ny fanahy masina. Ny fanahin’Andriamanitra mantsy no nanampy an’i Jesosy hamoaka demonia, nefa notsiratsirain’ny Fariseo izany. Tsy hoe nankahala an’i Jesosy fotsiny àry izy ireo, fa niteny nanohitra ny fiasan’ny fanahy masina koa.—Mt 12:29-32.
Tsy te hilaza akory i Jesosy Kristy fa nampiasain’Andriamanitra ny ‘zanaky’ ny Fariseo sy izay rehetra nihambo ho namoaka demonia. Nilaza mantsy i Jesosy fa hisy olona hanontany azy hoe: “Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao, sy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao, ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?” Hamaly azy ireo anefa izy hoe: “Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.” (Mt 7:22, 23) Tsy tena mpianatr’i Jesosy Kristy ireo mpandika lalàna ireo, fa zanaky ny Devoly. (Ampit. Jn 8:44; 1Jn 3:10.) Ny herin’ny Devoly àry fa tsy ny herin’Andriamanitra no amoahan’izy ireo demonia. Tsy miady an-trano i Satana raha mampiasa olona toy izany, na dia ataon’ilay olona amin’ny anaran’i Jesosy aza ilay izy. (Ampitahao amin’izay nataon’izy fito lahy zanak’i Skeva, ao amin’ny As 19:13-16.) Miseho ho toy ny “anjelin’ny mazava” kosa izy satria toa asa tsara ny mamoaka demonia, ka vao mainka mora aminy ny mifehy ny olona voafitany.—2Ko 11:14.
“Izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.” Hoy ny apostoly Jaona tamin’i Jesosy: “Mpampianatra ô, nisy lehilahy hitanay namoaka demonia tamin’ny anaranao, ka nandramanay nosakanana izy satria tsy niaraka tamintsika.” Azo inoana fa vitan’ilay lehilahy ny namoaka demonia, satria hoy i Jesosy: “Tsy misy hanao fahagagana amin’ny anarako ka vetivety eo dia ho afaka hanevateva ahy.” Nandidy an’ireo mpianany àry izy mba tsy hisakana an’ilay lehilahy, satria “izay tsy manohitra antsika dia momba antsika”, hoy izy. (Mr 9:38-40) Tsy niara-nanompo tamin’i Jesosy sy ny apostoliny daholo akory izay nino an’i Jesosy. Mbola tsy nanao ilay fifanekena vaovao tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy mantsy Andriamanitra. Mbola navelany hanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna, ary mbola tsy naoriny ny fiangonana kristianina. Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa avy nofoanan’i Jesosy tamin’ny alalan’ny sorona nataony ny Lalàna, vao notakina ny hiarahan’ireo mpanara-dia an’i Kristy tamin’ny fiangonana. Natao batisa ho amin’i Kristy ny tsirairay teo anivon’izy io. (As 2:38-42, 47; Ro 6:3) Tsy nifandray tamin’ny firenen’Israely intsony àry Andriamanitra nanomboka teo, fa ny fiangonana kristianina indray no nekeny ho “firenena masina.”—1Pe 2:9; 1Ko 12:13.
Asan’ny nofo. Mieritreritra angamba ny mpilalao ody fa ‘mifandray amin’ny fanahy’ izy ireo. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe asan’ny fanahy na vokatry ny fanahy ny filalaovana ody, fa asan’ny nofo. Miara-voatanisa amin’ny fanao maharikoriko hafa izy io: “Fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena baranahiny, fanompoan-tsampy, filalaovana ody [a.b.t.: fampiasana fanafody na zava-mahadomelina], fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta, fitsiriritana, fibobohan-toaka, lanonana feno filibana, ary ny toy ireo.” Ny fanirian’ny nofo mpanota, fa tsy ny zavatry ny fanahy, no omen’izy io fahafaham-po. Nampitandrina àry i Paoly fa “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.”—Ga 5:19-21.
Ho ringana mandrakizay ny mpilalao ody. Hatsipy mafy any an-dranomasina i Babylona Lehibe ka tsy ho hita intsony. Homelohina izy satria ‘voafitaky ny filalaovany ody ny firenena rehetra.’ (Ap 18:23) Ho ringana mandrakizay ny mpilalao ody. Hoy ny Apokalypsy 21:8: “Fa ny kanosa sy ny tsy manam-pinoana sy ny olona maloto sady maharikoriko sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpilalao ody [a.b.t.: mpampiasa fanafody na zava-mahadomelina] sy ny mpanompo sampy sy ny mpandainga rehetra kosa, dia ao amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara no anjarany. Tsy inona izany fa ny fahafatesana faharoa.”
Misy ifandraisany amin’ny fampiasana herin’ny maizina. Betsaka ny Efesianina lasa mpino rehefa nitorian’i Paoly, ary “maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra.” (As 19:19) Avy amin’ny teny grika hoe perierga (“fitia te hahafantatra”) ny hoe “herin’ny maizina”, ary midika ara-bakiteny hoe “zavatra manodidina ny asa”, ka tsy tena ilaina. Io teny io no ilazana ny hery ananan’ireo midikiditra amin’ny zavatra tsy azo atao, noho ny fanampian’ny fanahy ratsy.—Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, Boky 1, p. 261.
Fanamelohana an’i Jerosalema. Nomelohin’i Jehovah toy izao i Jerosalema nivadika: “Dia hietry ianao ka hiteny avy ao amin’ny tany, ary ho iva kely ny feonao, toy ny hoe avy ao amin’ny vovoka. Ho toy ny an’ny mpamoha angatra ny feonao avy ao amin’ny tany, ary ho toy ny feom-boronkely no fandrenesana ny teninao avy ao amin’ny vovoka.” (Is 29:4) Hanafika an’i Jerosalema sy hampietry azy ny fahavalony, ka toy ny hoe hosihosena amin’ny tany mihitsy izy. Ho toy ny avy amin’ny toerana ambany dia ambany àry ny feon’ny mponina ao. Hoatran’ny hoe misy mpamoha angatra miteny, ka toy ny hoe feo iva kely sy tsy mazava no re mibitsibitsika avy ao amin’ny vovoka. Hovonjena anefa i Jerosalema.—Is 29:5-8.