SOKITA
(Sokìta).
Anisan’ny tafik’i Sisaka mpanjakan’i Ejipta, rehefa nanafika an’i Joda izy tamin’ny fotoana nanjakan’i Rehoboama. (2Ta 12:2, 3) Misy manam-pahaizana mihevitra fa resahin’ny soratra ejipsianina tranainy sasany ny Sokita, ary avy any Libya izy ireny.