MIANTOKA
Manome toky fa hamita adidy; olona milaza hoe tompon’andraikitra momba ny olon-kafa. Niangavian’ny mpanao salamo ho “antoka” ho azy i Jehovah, ka hiaro azy amin’ny mpanambaka.—Sl 119:122.
Efa hatry ny ela no nisy niantoka olon-kafa. Hoy i Joba loham-pianakaviana fahiny: “Tehirizo any aminao re ny fiantohana ahy e! Fa iza indray moa no hifandray tanana amiko amin’izany?” (Jb 17:3) Hoy koa ny Ohabolana 17:18: “Mifandray tanana ho mariky ny fifanekena ny tsy ampy saina, ka miantoka olona nisambo-bola, eo anatrehan’ny namany.” Niantoka olon-kafa àry izay nikapoka na namihina na nandray ny tanan’ilay mpampisambotra, ka nampanantena teo anatrehan’ny vavolombelona fa izy no handoa ny trosa raha tsy voaloan’ilay nisambotra ilay izy. Nikapoka ny tanana na nifandray tanana koa ny olona tany Atsinanana, rehefa nanao fifanekena ara-barotra na hafa. (Oh 11:21) Toa nifandray tanana i Jeho sy Jonadaba rehefa hoy i Jeho: “Atolory ahy àry ny tananao.” Vao avy novalian’i Jonadaba hoe eny mantsy ny fanontaniany hoe: “Mahitsy amiko ve ny fonao, tahaka ny foko amin’ny fonao?”—2Mp 10:15.
Te hitondra an’i Benjamina tany Ejipta i Robena, ka nanome antoka an’i Jakoba hoe: “Azonao vonoina ho faty ny zanako roa lahy raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy.” Tsy nety anefa i Jakoba. Nanaiky kosa izy rehefa nilaza i Joda hoe: “Izaho no hiantoka azy, ka ho azonao sazina aho.” Rehefa saika natao andevo tany Ejipta àry i Benjamina, dia vonona hisolo azy i Joda, satria izy no niantoka azy. Izany no antony nitalahoany tamin’i Josefa hoe: “Fa izaho mpanomponao no niantoka an’ilay zaza nisaraka tamin-drainy ... Koa ankehitriny, avelao re ny mpanomponao no hijanona ho solon’ny zaza hanompo ny tompoko.”—Ge 42:37, 38; 43:8, 9; 44:32, 33.
Nihamaro ireo niantoka olona rehefa niroborobo ny varotra tany Israely. Nampitandrina anefa ny bokin’ny Ohabolana hoe hadalana sy mampidi-doza ny miantoka olona, satria mety hafoy hatramin’ny zavatra tena ilaina ao an-trano.—Oh 6:1-5; 11:15; 22:26, 27; jereo ANTOKA.