TATIMA-HODSY
(Tatìma-hôdsỳ).
Toerana nandalovan’ireo nirahin’i Davida hanisa vahoaka. (2Sa 24:4-6) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy io. Tononina eo anelanelan’i Gileada sy Dana-jana anefa izy io, ka noho izany dia tany amin’ny ilany avaratry ny Tany Nampanantenaina. Tsy Tatima-hodsy no hita ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (fanontana Lagarde) fa hoe: “Tanin’ny Hitita manandrify an’i Kadesy.” Izany koa no hita ao amin’ny Baiboly sasany.—BFC; Jé.