TAMOZA, II
Volana jiosy fahefatra tamin’ny kalandrie ara-pivavahana, taorian’ny sesitany, fa fahafolo kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana. Nadikan’ny Targoman’i Jonatana hoe “volana Tamoza” àry ny “volana fahafolo.” (Ge 8:5) Anaran’andriamanitra babylonianina ny hoe Tamoza. (Ezk 8:14) Ataon’ny Baiboly hoe “volana fahefatra” fotsiny fa tsy hoe Tamoza ilay volana. (Ezk 1:1) Mampiasa hoe volana Tamoza kosa ny Mishnah Jiosy (Taanit 4:6) sy ny asa soratra hafa taorian’ny sesitany. Mety ho mora kokoa tamin’ny Jiosy fotsiny ny niantso ny volana fahefatra hoe Tamoza (anaran-tsampy), sy ny nampiasa anaram-bolana hafa taorian’ny sesitany. Nozanahin’ny firenen-kafa mantsy izy ireo tamin’izany, ka tsy maintsy nifandray tamin’ireny sy nanaiky azy. Tsy mahagaga àry raha anaram-bolana nampiasain’ireny no nampiasain’izy ireo. Nomena ny anaran’i Janus sy Marsa andriamanitra sy Junon andriamanibavy ary Jolio sy Aogosto mpanjaka romanina ireo volana ao amin’ny kalandrie gregorianina ankehitriny, kanefa ampiasain’ny Kristianina noho izy manaiky “ny manam-pahefana.”—Ro 13:1.
Mifanitsy amin’ny faramparan’ny Jona sy voalohandohan’ny Jolay ny volana Tamoza. Nihanafana be ny andro tamin’izay, ary masaka ny voaloboka vokatra voalohany.—No 13:20.
Ny andro fahasivin’ny volana fahefatra (Tamoza) i Nebokadnezara no nanagorobaka ny mandan’i Jerosalema (607 T.K.), rehefa avy nataony fahirano herintaona sy tapany. (2Mp 25:3, 4; Je 39:2; 52:6, 7) Nifady hanina tamin’io andro io ny Jiosy tany an-tsesitany nandritra ny 70 taona, ho fahatsiarovana an’izany. (Za 8:19) Nifady hanina ny faha-17-n’ilay volana indray izy ireo rehefa rava fanindroany i Jerosalema (70 A.K.), satria tamin’izay no nogorobahan’i Titus, jeneraly romanina, ny mandan’ny tempoly. Tsy nisy fety nasain’i Jehovah nankalazaina tamin’io volana io.