FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kotroka”
  • Kotroka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kotroka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Varatra, Zanaky ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fampisehaoana mahavariana eny amin’ny lanitra
    Mifohaza!—1990
  • Nantsoina hoe “Zanaky ny Varatra” Izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Feo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kotroka”

KOTROKA

Fipoaka na firefotry ny varatra na tselatra. Lasa mahamay be ny rivotra eo amin’izay andalovan’ny herinaratra avy amin’ny tselatra, ka mitombo tampoka ny hadiriny. Voatosika mafy hiala amin’ny lalan’ilay tselatra ilay rivotra ary miverina amin’ny toerany indray avy eo, ka mirefotra. Iny feon’ilay varatra mirefotra iny no atao hoe kotroka.​—Jb 28:26; 38:25.

Ilay matoanteny hebreo hoe raʽam no midika hoe kotroka. Voalaza fa mampirefotra kotroka i Jehovah. (1Sa 2:10; 2Sa 22:14; Sl 18:13) Mampiasa ny kotroka mantsy izy indraindray mba hanatanterahana ny sitrapony. Nampiasa kotroka (heb.: raʽam), ohatra, izy tamin’ny andron’i Samoela, mba hampisahotaka ny Filistinina. (1Sa 7:10; ampit. Is 29:6.) Adika hoe “kotroka” koa indraindray ny teny hebreo hoe kôhl. (1Sa 12:17, 18) Midika hoe ‘feo’ izy io matetika.​—Ek 32:18, 19, Prot.; De 21:18, Prot.; 1Mp 19:12.

Mampahatahotra ny feon’ny kotroka, ary ampitovina amin’izany ny feon’i Jehovah. (Jb 37:4, 5; 40:9; Sl 29:3-9) Nandre an’i Jehovah niresaka tamin’i Jesosy avy tany an-danitra ny Jiosy sasany, indray mandeha, ka nisy nihevitra fa kotroka ilay izy, fa ny hafa kosa nihevitra hoe feon’anjely ilay izy. (Jn 12:28, 29; ampit. Ap 6:1; 14:2; 19:6.) Matetika ny kotroka no fambara fa hisy oram-baratra. Ampiasaina an’ohatra àry ny “kotroka” mba hilazana fampitandremana avy amin’Andriamanitra.​—Ap 8:5; 10:3, 4; 16:18.

Nandre kotroka ireo Jiosy teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay, ka takatr’izy ireo fa nanatrika teo Andriamanitra. (Ek 19:16; ampit. Ap 4:5; 11:19.) Io zava-nitranga io angamba no resahina ao amin’ny Salamo 81:7 hoe: “Namaly anao aho [Jehovah], tao amin’ny toerana miafina fonenan’ny kotroka.” Mety ho ny nitarihan’Andriamanitra ny Israely tamin’ny alalan’ny andry rahona (toerana ivoahan’ny kotroka) koa anefa no lazaina eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara