FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Rantsantongotra”
  • Rantsantongotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rantsantongotra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Ankiben-tanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fametrahana Mpisorona eo Amin’ny Toerany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mpisorona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mpisoronabe
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Rantsantongotra”

RANTSANTONGOTRA

Ireo rantsana eo amin’ny tendron’ny tongotra. Ilazana rantsantongotra indraindray ny teny hebreo sy aramianina nadika hoe rantsantanana. (2Sa 21:20; 1Ta 20:6; Da 2:41, 42) Ilay teny hebreo nadika hoe “ankiben-tanana” no nadika koa hoe “ankiben-tongotra” indraindray.​—Ek 29:20; Le 8:23, 24; 14:14, 17, 25, 28.

Mora mianjera ny olona mandeha, raha tsy eo ny rantsantongony. Tena ilaina koa ny rantsantongotra rehefa mivily lalana. Ampiasaina ara-bakiteny sy an’ohatra ny rantsantongotra, ao amin’ny Soratra Masina. Fahiny, dia notapahina indraindray ny ankiben-tanana sy ny ankiben-tongotry ny fahavalo rehefa azo babo izy, mba tsy hahafahany hiady intsony.​—Mpts 1:6, 7.

Nisy ondrilahy natao sorona teo amin’ny Israely, mba hametrahana mpisorona teo amin’ny toerany. Nakan’i Mosesy ny ran’ilay ondry ary nataony teo amin’ny ravintsofin’i Arona ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana. Nataony toy izany koa ny tsirairay tamin’ireo zanakalahin’i Arona. (Le 8:23, 24) Ny ankiben-tongotra no lehibe indrindra amin’ny rantsan-tongotra, ka ilay ra natao teo amin’ny ankiben-tongotra ankavanana àry dia midika hoe tokony handeha tsy misy tsiny sy tsy hivadika ilay mpisorona, ary hamita ny andraikiny araka izay tsara indrindra vitany. Nanambara mialoha an’izay hataon’i Jesosy Kristy izany, ary nanatanteraka izany tokoa io Mpisoronabe io tetỳ an-tany. (Mt 16:21-23) Tokony hanaraka akaiky ny diany ireo mpisorona lefitra, izay rahalahiny ara-panahy.​—He 7:26; 1Pe 2:5, 8; Ap 20:6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara