TORKOAZY
(torkoàzy).
Vatosoa manga tsy tena sarobidy, sy tsy tantera-pahazavana, ary misy lavadavaka kely. Manga isan-karazany ny lokony ary misy torkoazy maitso mihitsy aza. Fosifatina alminiôma misy rano ny torkoazy, ary misy varahina faran’izay kely (mahatonga an’ilay lokony ho manga) sy vy faran’izay kely (mahatonga an’ilay lokony ho maitso). Mivadika ho maitso ny torkoazy manga rehefa hafanaina na tratran’ny hainandro. Mitranga koa izany indraindray raha lasa maina izy io, rehefa ela ny ela. Mety ho izany no nahatonga ny torkoazy maitso ho be mpitia, fahiny. Nataon’ny Ejipsianina tamin’ny firavaka ny torkoazy, taloha. Any amin’ny Saikinosin’i Sinay no ahitana azy io, ao anaty vatovary mena, ary amin’ny endriny boribory toy ny kanety maro be.
Mora atao sokitra ny torkoazy, satria somary malemy. Nisy vato torkoazy ny “saron-tratra fitsarana” nanaovan’i Arona mpisoronabe. Natao sokitra teo amin’ilay izy ny anaran’ny iray tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. Vato voalohany tamin’ny laharana faharoa izy io, teo amin’ilay saron-tratra. (Ek 28:2, 15, 18, 21; 39:11) Voalaza fa “rakotra” vatosoa isan-karazany ny fitafiana an’ohatra nanaovan’ny mpanjakan’i Tyro, ary anisan’izany ny vato torkoazy. (Ezk 28:12, 13) Nifanao “raharaham-barotra” i Edoma sy Tyro, ary vonona hanome ny entam-barotra tany aminy i Tyro ho takalon’ny vatosoa torkoazy.—Ezk 27:2, 16.