FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Domohina”
  • Domohina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Domohina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Voromailala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Jereo Tsara ny Voro-manidina”
    Mifohaza!—2014
  • Fahaterahana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Domohina”

DOMOHINA

[Heb.: tôr, tôhr; gr.: trygôn].

Voromailaladia kely, mazàna mpifindra monina. Mitovy amin’ny feo mitoreo ataony hoe “tur-r-r tur-r-r” ny fanononana ny hoe tôr na tôhr (heb.).

Fahita matetika any Palestina ny domohina mavo elatra (Streptopelia turtur), sy ny domohina tiorka (Streptopelia decaocto) izay misy tsipika kely mainty eo amin’ny hatony. Mihamiparitaka any Israely ny domohina senegaley (Streptopelia senegalensis) tato ho ato.

Anisan’ny vorona “manaja tsara ny fotoana fahatongavany”, dia ny fifindra-monina isan-taona, ny domohina. (Je 8:7) Tsy maintsy ho ny domohina mavo elatra izy io, satria tsy mifindra monina mihitsy ny karazany hafa any Palestina. Io domohina io no famantarana fa akaiky ny lohataona any. Avy any atsimo izy io ary tonga eo am-piandohan’ny Aprily, ka ‘re eo amin’ilay tany ny feony.’​—To 2:12.

Malemy paika sy saro-tahotra ny domohina, ka manidina mitsoaka haingana raha misy fahavalo. (Sl 74:19) Betsaka domohina eran’i Palestina. Mora samborina amin’ny fandrika eo amin’ny tany izy ireny, satria mihinana voamadinika sy voa hafa ary kidiadiamborona. Nisy domohina ny sorona nataon’i Abrahama, tamin’izy “nanaovan’i Jehovah fifanekena.” (Ge 15:9, 10, 17, 18) Nilaza ny Lalàn’i Mosesy tatỳ aoriana fa azo natao sorona ny domohina, rehefa nanao fanatitra sy fombafomba fidiovana sasany. (Le 1:14; 5:7, 11; 12:6, 8; 14:22, 30; 15:14, 15, 29, 30; No 6:10, 11) Domohina na zana-boromailala roa no natolotr’i Maria ho fanatitra tao amin’ny tempoly, taorian’ny niterahany an’i Jesosy.​—Lk 2:22-24; jereo VOROMAILALA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara