ZANANIMA
(Zananìma).
Anarana hita ao amin’ny hoe “ilay hazobe tao Zananima.” Toa teo amin’ny ilany atsimo tamin’ny sisin-tanin’ny fokon’i Naftaly io hazobe io. (Js 19:32, 33) Maty novonoina tao an-tranolain’i Jaela vadin’i Hebera Kenita i Sisera, “teo akaikin’ilay hazobe tao Zananima any [“anilan’i” (Prot.) na “akaikin’i” (Kat.)] Kedesy.” Io angamba ilay Kedesy tany atsimoatsinanan’i Megido, tao amin’ny faritanin’i Isakara. (Mpts 4:11, 17, 21; 5:19) Mbola tsy fantatra anefa izay tena nisy an’i Zananima.