ZELA
(Zèla) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “taolan-tehezana; ilany”].
Tanànan’ny fokon’i Benjamina. (Js 18:21, 28) Tao Zela no nalevina ny taolambalon’i Saoly sy Jonatana. Efa tany koa no nandevenana an’i Kisy rain’i Saoly. (2Sa 21:14) Tsy fantatra ny tena toerana nisy an’i Zela. Misy manam-pahaizana milaza fa tokony hakambana ny hoe “Zela” sy ilay anarana tanisaina ao aoriany hoe “Ha-elefa.” Jereo anefa HA-ELEFA.