FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Zoba”
  • Zoba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zoba
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Hadadezera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tibata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Beta, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jigala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Zoba”

ZOBA

(Zòba).

Fanjakana syrianina (aramianina) antsoina koa hoe Arama-zoba. (Sl 60:t.m.) Anisan’ny mpanjaka tany i Hadadezera. (1Mp 11:23) Mety ho nifanila ny fanjakan’i Hamata sy Zoba ka nantsoina hoe “Hamata-zoba.” (2Ta 8:3) Toa tany avaratr’i Damaskosy i Zoba, izay hatrany amin’ny faritr’i Hamata tany avaratra ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata tany atsinanana.​—2Sa 8:3.

Niady tamin’ireo mpanjakan’i Zoba i Saoly Mpanjaka. (1Sa 14:47) Nanakarama Syrianina avy any Zoba sy miaramila hafa hiady tamin’i Davida ny Amonita tatỳ aoriana, nefa resin’i Davida daholo ireny. (2Sa 10:6-19; 1Ta 19:6-19) Azo inoana fa tamin’io ady io i Davida no nandresy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba ka nahazo babo avy taminy, anisan’izany ny varahina be dia be (nampiasaina tamin’ny fanorenana ny tempoly) avy tany Beta (toa nantsoina koa hoe Tibata) sy Berotahy (Kona?). (2Sa 8:3-12; 1Ta 18:3-9) Zanak’i Natana avy any Zoba i Jigala, iray tamin’ireo lehilahy maherin’i Davida.​—2Sa 23:8, 36; jereo ARAMA No. 5; HADADEZERA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara