Ahoana no fomba ahitan’ny antokom-pivavahanao vola?
Mba hampandroso ny raharaha atao, mba hahavoatsangana ny trano, mba hahamafy orina ny fanjakana, dia tsy maintsy ilaina ny vola. Ilaina toy izany koa ny vola mba hanohanana ny asam-pivavahana. Be dia be tokoa ary samy hafa no fomba ampiasain’ny Fiangonana mba ahitana vola ho enti-manohana ny asam-pivavahana. Inona amin’izany fomba marobe ampiasain’ny Fiangonana izany ary no fomba ahitan’ny antokom-pivavahanao vola? Ary ny zava-dehibe noho izany dia ity: moa va io fomba fitadiavam-bolan’ny antokom-pivavahanao io mifanaraka amin’ izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly?
Ny fomba ampiasain’ny antokom-pivavahana mandrakariva, mba ahitana vola ho enti-manao ny raharaham-pivavahana, ary iaraha-mahita, dia ny fivarotana ny fiantrana atao. Tsy asiana ady hevitra akory fa tsy misy tsininy akory izay fomba ampiasaina, kanefa raha izany fomba izany kosa no atao fototra fitadiavam- bola ho enti-manao ny raharaham-pivavahana, dia voatery avy hatrany ny kristiana mba hikaroka andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina ho entina manaporofo io fomba io. Ho sasa-poana sy ho lany andro anefa raha hanao izany fikarohana andinin-teny izany, izay manohana io fomba fitadiavam-bola amin’ny alalan’ny fivarotana ny fiantrana io, amin’ny Soratra Masina, satria tsy Jesosy akory na ireo apostoliny no nanorina izany fomba fitadiavam-bola amin’ny alalan’ny fivarotana fiantrana izany. Ny porofo manamarina izany, dia ny namahanan’i Jesosy maimaim-poana ireo olona an-arivo maro tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa.—Marka 6:35-44; 8:1-9.
Ao indray koa ny olona sasany mitady vola ho an’ny Fiangonany amin’ny alalan’ ny fanaovana kilalao kisendrasendra, toy ny bingo, ny tombala, ny loteria, ets. Velon’ahiahy fatratra erỳ ny mpikambana sasany ao amin’ny Fiangonan’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, no sady mikorotan-tsaina nony injay mahita ny fanankianana azy amin’ny gazety, toy ny hoe: “Natsahatry ny polisy ny tombala nokarakarain’ny Fiangonana” ary “Noraofin’ny polisy ireo zava-mihodina filokana tao amin’ny asam-piantrana”. Misy olona sasany izay tsy mihevitra izany fomba fitadiavam-bola izany akory, fa tena filokana vola tsotra izao. Tena izany tsy firaharahiana izany no ao an-tsain’ireny olona ireny, satria io lalao amim-bola io, dia akambana amin’ny asan’ny Fiangonana, kanefa dia tsy mandefa fisainana kely akory ireny olona ireny mba hihevitra fa zavatra maloto izany’. Ary angamba ny marina dia heverin’izy ireo hoe: inona moa no ratsy atao amin’izany satria ny vola tsinona tsy ho entina hampanan-karena ny tsirairay. Ny fisainana segondra iray monja anefa, dia hanambara amintsika, ny momba izany fomba izany, fa raisy olona vaky tratra ary koa fongam-bola mihitsy. Satria ny zavatra kendrena, dia tsy misy afa-tsy ny hahitana vola ho an’ny Fiangonana, dia tsy maintsy ny Fiangonana izany no mahazo ny loka. Ary satria ny Fiangonana no mahazo ny loka, dia tsy maintsy misy ny very vola sy lany harena izay tsy iza fa ny nandany ny volany ho azy. Dia sahala amin’izany va no fomba ho enti-manampy ny olona hahay mitantana ny volany sy ny hareny ao an-tokantranony sy any ivelany? Angamba koa hihevitra ilay olona mpanome vola ny Fiangonana fa izany fomba ataony izany, dia fomba amolahany tena mba hahay manefa ny adidiny amin’ny Fiangonany, ary fomba tsy hisakana azy handrotsaka ny anjarany izay mety ho zakany ao amin’ny Fiangonana koa. Ny iankinan’izany rehetra izany anefa, dia ny hoe: tsy fidiny va no hanomezany sa vokatry ny fifaliana satria ny fanomezana amim-pifaliana na vokatry ny fo no fanomezana baikon’ny Baiboly, araka ny voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:35. Tena miharihary mihitsy amin’izany fa tsy ilaina ny fiheverana fotsiny, izay tokony handoavan’ny olona vola ho an’ny Fiangonana. Be dia be mihitsy ny olona miray amin’ny Fiangonana izay ny antony, dia ny hanakaikezana an’Andriamanitra. Koa amim-pahamendrehana fotsiny izao, azo atao va ny hilaza fa mahatonga ny olona hanakaiky an’Andriamanitra ny fitadiavam-bola amin’ny alalan’ny kilalao kisendrasendra sy ny filokana? Andriamanitra dia milaza tsotra ny hanjo ireo izay mamelatra ‘‘latabatra ho an’i Gada [andriamanitry ny kisendrasendran’ ny Syriana]”.—Isaia 65:11, Li.
Mba ahitana vola dia misy indray ny Fiangonana sasany manao ny fomban’irony olona zadraharaha izay mampiasa tetika vaovaon’ny fahaiza-mivarotra mba hahatonga ny olona ao amin’ny Fiangonana handoa vola betsaka, ka amin’izany dia terena fotsiny izy ireo hanao izany. Afa-tsy izany, dia ao indray koa ny “hafetsena psykolozika” ambarain’ny fikambanana maro, toy ny American Institute of Motivation Research, ary amidy amin’ny klerjy. Fa mba ahoana kosa hoy ny olona rehefa mahalala izany “tetika” sy ‘’hafetsena” atao azy isaky ny alahady izany, ary inona no vokatr’izany amin’izy ireo? Eny, hanome angamba izy ireo. kanefa moa va dia mpanome amim-pifaliana sy vokatry ny fo izy ireo arak’izany?
MANANA TRANOM-BAROTRA NY FIANGONANA
Maro amin’ireo Fiangonana koa no manao ny raharaha fanaon’izao tontolo izao mba ahazoam-bola. Ny mikasika izany indrindra no nanaovan’ny gazety tao Milwaukee any Etazonia, tamin’ny 25 febroary 1962, hoe: “Manangon-karena amin’ny raharaha fanaon’izao tontolo izao ny Fiangonana” ary “Antokom-pivavahana maro be mihitsy no mahazo tombom-barotra izaitsizy amin’ny raharaham-barotra samy hafa ajorony ivelan’ny raharaham-pivavahana ka hita voalohany amin’izany, ny tanim-boaloboka midadasika. Toy izao no filazan’io gazety io manaraka ireo lohateny ireo: “Eo amin’ny makarakara iray ao amin’ny toeram-pilalaovana iray lehibe ao New Jersey, dia misy relijiozy vavy miankanjo mainty ary mipetraka eo ambony seza azo aforotra; isaky ny misy vola latsaka ao amin’ilay vata fipetrahan-tsigara napetrany eo ambony lohany, dia maneho fisaorana izy ary miteny hoe: Andriamanitra hitahy anao! Tsy menatra akory izy mangataka ohatr’izany. Raha vola, eny raha vola no tadiaviny na tena katsahiny, dia tsy mifanaraka velively amin’izay niseho sy natao tao amin’ny Fiangonana tamin’ny taona 1962 no ataony. Ohatra, ho azony atao ny hitady tombom-barotra ho an’ny Fiangonany raha tahiny izy manana tany azo volena, na trano fialana hetaheta, na trano ahofa ho fitobian’arina. (...) Santionany fotsiny ihany ireo amin’ireo raharaha mampidi-bola ataon’ny Fiangonana ankehitriny eto amin’izao tontolo izao.”
Fa angaha ny fanaovana raharaha hafa mampidi-bola ohatr’izany ilaina mba hanohanana ny raharaham-pivavahana? Marina aloha fa tsy ratsy akory ny fanaovan’ ny kristiana iray ny raharahan’izao tontolo izao. Ny apostoly Paoly sy ireo kristiana voalohany, dia samy niasa na nanao ny raharaha fanaon’izao tontolo izao mba ahazoam-bola raha nisy tsy maintsy nilàna ny nanaovana izany. Inona ary no antony tsy maintsy nanaovan’izany? Mba ahazoam-bola ikarakaran’izy ireo ny tenany, ividianany hanin-ko hanina, kanefa tsy mampiova ny maha-minisitra mpitory ny Tenin’Andriamanitra azy akory izany. Tsy misy mihitsy na kely aza teny ao amin’ny Soratra Masina milaza fa ny Fiangonana kristiana tamin’ny taon-jato voalohany, dia nanokan-tena ho amin’ny fanaovana ny raharahan’izao tontolo izao mba ahazoany vola ho enti-mikarakara ny Fiangonany. Jesosy dia nilaza fa tsy misy fahasoavana akory ny manangona vola betsaka ho foto-karena mba hanatanterahana ny asam-pitoriany. Araka ny voalazan’ny Soratra Masina, dia nisy tokoa lehilahy iray mpanan-karena avy nanatona an’i Jesosy mba hanontany azy ny zavatra tadiavin’Andriamanitra; raha namaly azy Jesosy dia tsy ny fanangonana na fampitomboan-karena ho enti-mikarakara ny asam-pitoriana no nambarany taminy. Mifanohitra amin’izany aza no nolazainy fa tsara ho an’ilay lehilahy mpanan-karena ny mivarotra ny hareny rehetra ary rehefa izany, dia manolo-tena hanao ny raharahan’ny mpitory amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy azy.—Matio 6:19, 20; 19:16-25.
MANGATAKA NY FIANGONANA
Ny artikila voalaza etsy aloha, izay nalaina tao amin’ny Gazety tao Milwaukee, dia nilaza ny amin’ilay vehivavy relijiozy iray izay nangataka ho an’ny Fiangonany. Indray andro Roger Lloyd, filoham-piangonan’i Guardian ao Manchester, dia nanambara fa nihoraka indroa izy nony efa nitsahatra. tamin’ny maha-filoham-piangonana azy nandritra ny roapolo taona. Ny fiorahana iray tamin’ireo fiorahana roa ireo, dia nankalaza ny fifaliany fa tsy voatery hangataka vola intsony izy. Tena tsy misy isalasalana akory na kely aza, fa ny anankiray amin’ireo fomba maro fanaony mba ahazoam-bola ho an’ny Fiangonany, dia ny mampiasa ny lovia fanatazan-drakitra. Mandrakariva dia tsy heverin’ny ankamaroan’ny olona ho fangataham-bola io fomba fanatazan-drakitra efa mahazatra azy io, kanefa io fomba tsy mendrika io dia tsy hafa akory fa fangataham-bola tsotra izao.
Matetika dia amin’ny alàlan’ny ny paositra no itadiavan’ny Fiangonana sasany vola, ka amin’ny taratasy alefany no iangaviany ny olona, sahala amin’ny ataon’i Billy Graham, izay mandefa karatra paositaly mba hangatahana fanampiana amim-bola ho enti-manentsina ny fahabangana na ny vola lany tamin’ny fampielezan-kevitra nataony. Nisy taratasy iray na lefan’ireo Maopera Passionnistes ary mitoetra any amin’ny faritra atsimon’i Etazonia, manomboka amin’izao teny izao: “Ry sakaiza malala, moa efa mba nangataka fiantrana hianao. Tsy sitrak’Andriamanitra na oviana na oviana ny hanaovanao izany. Anankiray amin’ireo asa izay tena maharikoriko mihitsy izany, asa izay mahita matetika: fandavana mandratra fo, teny henjana ary asa izay tsy maintsy mifanehitra amin’ny zavatra saro-pantarina. Kanefa dia tsy maintsy mangataka izahay. Ny pretra amin’ny fanaovana ny raharahany, dia voatery tsy maintsy mangata-bola ho an’i Kristy.”
Dia mety ve ny isaintsainana izay zavatra momba an’Andriamanitra ao anatin’izany fahantrana izany izay mahavoatery ny mpanompony hangata-bola ho fivelomany? Ny fangataham-bola ho an’Andriamanitra ve dia zavatra ara-dalàna? Moa va dia mety eken’ny saina ny vola ho an’Ilay tompon’izao rehetra izao, ‘‘tompon’ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra”? Ny pretra sy ny levita teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy, dia samy tsy nihevitra fangataham-bola mihitsy na oviana na oviana. Tamin’ny andron’i Nehemia koa, raha nataon’ny Isiraelita tsirambina ny fikarakarana ny fampandrosoana ny fanompoana tao amin’ny tempoly, dia niasa tany an-tsaha ny Levita mba ahazoany vola ivelomana.—Salamo 50:10-12; Deoteronomia 12:19; Nehemia 13:10.
Izany fomba izany koa no mbola nataon’ny apostolin’i Jesosy tamin’ny androny. Nony adinon’ireo kristiana mpiaraka taminy ny nanome vola fivelomana ho an’ny apostoly Paoly tamin’ny fanaovany raharaham-pitoriany, dia niasa ny apostoly Paoly: nanao lay izy. Ny fitsipi-piaina nambaran’i Jesosy no narahany tsara, dia ny hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Paoly dia nampijoro fakan-tahaka ho an’ny kristiana.—Asan’ny Apostoly 18:3; 20:35; I Korintiana 11:1.
NY FAHAFOLON-KARENA
Angamba ny Fiangonanao dia isan’ny irony Fiangonana mitady vola amin’ny alalan’ny fahafolon-karena. Misy mantsy ny ankamaroan’irony antokom-pivavahana madinika, toy ny Advantista mitandrina ny andro fahafito mbamin’ny Mormona (Mormons) maka ny fahafolon-karena efa hatramin’ny elabe mihitsy, kanefa araka ny voalazan’ny Our Sunday Visitor, dia maka io fahafolon-karena io koa amin’ny olona ny Eglizy katolika romana sy ny Fiangonana protestanta. Izao no fanambarana ataon’i “Maopera” Joseph Payne: “Efa fandaharana nataon’Andriamanitra fa tsy nataon’olombelona, ny fandrotsahan’ny tsirairay izay manana fidiram-bola, ny fahafolon-karenany. (...) Raha tahiny lavintsika ny fahamarinan’ny fahafolon- karena, dia naman’ny manda ny fahendren’Andriamanitra koa isika”. Misy milaza fa ny fianakaviana rehetra dia tsy maintsy mandoa ny ampahafolon’ny vola rehetra miditra ao aminy avy, ary izany dia tsy misy fijerena tavan’olona mihitsy na ny fahabetsahana sy fahakelezan’ny vola miditra ao amin’ny tsirairay.
Moa va marina fa “fandaharana nataon’ Andriamanitra” ny fahafolon-karena? Tsia, hoy ny filazana marina nataon’ilay teolojiana katolika atao hoe: Gregory Baum, mpampianatra teolojia ao amin’ny kolejy “Masindahy Misely” any Toronto. Tena mampidi-doza tsotra izao ny fihamboana fa fandaharan’Andriamanitra izany, hoy izy, “satria tsy vitan’ny hoe manao fampianaran-diso fotsiny fa mbola mamitaka ny fisainan’ny olombelona koa ary miteraka alahelo sy tsy fahamendrehana. Efa foana ny fampianarana nataon’Andriamanitra ho an’ny Zanak’Isiraely manokana. (...) Amin’ny maha-kristiana antsika, dia tsy eo ambanin’ny lalàn’i Mosesy intsony isika. Ny famorana, ny fahafolon-karena ary ireo didy maro hafa koa, dia tsy milahatra amintsika intsony. Moa va lalàna nataon’ny Fiangonana ny fangalana ny fahafolon-karena? Tsotra ny valiny: Tsia!” Ny kaonsilin’i Trente anefa, tamin’ ny taon-jato fahaenina ambin’ny folo, dia nanome baiko ny tsy maintsy hangalana ny fahafolon-karena fa raha tsy manao izany, dia ho roahina tsy ho isan’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana.
Mety ho diso Gregory Baum raha ny amin’ny fampianarana katolika romana mikasika ny fahafolon-karena kanefa kosa tsy diso izy akory raha ny amin’ny fampianarana omen’ny Baiboly momba io. Tamin’i Jesosy Kristy nanafoana, tamin’ ny fahafatesany, ny “Lalan’ny didy natao ho tandremana”, no nanafoanany koa ny fahafolon-karena.—Efesiana 2:14, 15; Romana 6:14.
Raha tahiny natao ho an’ny kristiana ankehitriny koa ny lalana mikasika ny fahafolon-karena, dia tsy maintsy ho nasehon’ny Soratra grika kristiana ny mikasika izany, kanefa dia zava-poana na fotoana very maina ny hitadiavantsika andinin-teny ao mikasika izany. Na dia miverina in-efapolo eo ho eo aza ny tony hoe: fahafolon-karena ao amin’ny Baiboly, dia tsy misy afa-tsy safelin-teny anankitelo monja momba azy no ao amin’ny “Testamenta Vaovao”.
Ny voalohany, dia tamin’i Jesosy nilaza hoe: “Lozanareo mpanora-dalana sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, kanefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalana, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana.” Mbola ahitana safelin-teny momba ny fahafolon-karena koa ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy ny amin’ilay Fariseo mpihatsaravelatsihy: “Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’izay azoko rehetra anio”. Ary ny fahatelo dia hita ao amin’ny Hebreo izay misy fandinihana ny amin’ny fahafolon- karena: voalaza ao izany ho fanehoana ny fahambonian’ny sorona nataon’i Jososy, fa tsy entina milaza akory fa ny fahafolon- karena, dia mbola ampiharina amin’ny kristiana.—Matio 23:23; Lioka 11:42; 18: 12; Hebreo 7:4-9, MN.
Ny fisaintsainana marina momba io toe-javatra iray io, dia mitsipaka tsotra izao ny fahafolon-karena fa tsy zavatra azo anohanana ny asan’ny kristiana. Ny asan’ny kristiana, dia raharaham-pitiavana, ary ny fitiavana dia tsy azo adika amin’ny fanomezana am-pahany. Ny lehilahy iray izay manam-pitiavana marina ny vadiny, dia tsy mila izany didy izany mba itiavany ny vadiny ary tsy mionona amin’ny fanomezana am-pahany azy raha tahiny izy afaka manome mihoatra raha ilaina izany. Ary ny vehivavy iray manam-pitiavana marina ny vadiny, dia tsy hitaky am-pahany, amin’izay karaman’ny vadiny ho azy manokana, amin’ny tsy firaharahana na azon’io lehilahy vadiny io atao na tsia izany. Andriamanitra dia manana rariny be lavitra noho izay tsara indrindra amin’ny renim-pianakaviana.
Afa-tsy izany koa, ny fiotazana ny fahafolon-karena, dia fandaharana tsy manaraka ny rariny mihitsy. Noho ny tsy fitovian’ny vola miditra eo amin’ny tsirairay amin’izao fotoana izao. dia sahala amin’ny parasy manaikitra, raha azo lazaina, ny fahafolon-karena amin’ny anankiray be vola miditra. ary enta-mavesatra kosa izany amin’ny anankiray hafa izay kely ny vola miditra aminy. Noho izany indrindra no ahitana, amin’ny lafiny anankiray, fa ny fandoavana ny fahafolon-karena dia toa ohatry ny tsy mampaninona ny be vola miditra, kanefa kosa amin’ny lafiny ,iray dia enta-mavesatra ho an’ny kely vola miditra.
Koa tsy misy tokony hahagaga akory ny filazana fa ny fangalana ny fahafolon-karena, dia tsy fampianarana kristiana. Tamin’ny andro fahagola. ny lalana nataon’Andriamanitra dia nandidy ny Isiraelita hanaraka io fandoavana ny fahafolon-karena io, kanefa dia fandaharana ara-drariny loatra no nampiharina tamin’izany. Amin’ny voalohany, ny Isiraelita tsirairay dia mahazo zaran-tany antonona azy avy, ary raha tahiny veriny na tsy eo am-pelatanany intsony io zaran-taniny io. dia averina aminy indray amin’ny taonan’ny jobily, araka ny fandaharana efa natao. Afa-tsy izany, tamin’ny voalohany ihany, ny fahafolon-karena dia natokana ho an’ny levita izay tsy mba isan’ny nomena zaran-tany tao amin’ny firenena. Ireo fepetra ireo anefa, dia tsy nampiharina intsony tao amin’ny fiangonana kristiana. Noho izany indrindra no tsy ahitantsika intsony na dia kely aza fepetra mikasika ny fangalana ny fahafolon-karena tao amin’ny Fiangonana kristiana taorian’ny andron’ny apostoly. Izao no filazan’ny Encyclopedia of Religion and Ethics: “Ny fangalàna ny fahafolon-karena, dia tsy nampiharina intsony nandritra ny taon-jato maro nifanesy. (...) Ary araka ny filazan’ny Epiphane kosa, dia izao: ny fandoavana ny fahafolon-karena dia tsy zavatra tsy maintsy atao noho ny famorana.” (Tome XII, pejy 348). Tamin’ny fotoana nisian’ny fivadihana tamin’ny fivavahana marina anefa, araka ny efa nambaran’ny apostoly Paoly, dia nivily tamin’ ny lala-marina ny Fiangonana kristiana tamin’ny fomba nampiasainy mba ahitana vola ho enti-mameno ny banga tamin’ny lany teo amin’ny fitoriana ny filazantsara. Na izany aza anefa. dia tsy talohan’ny taon-jato fahaenina akory no namoahan’ny kaonsily ekleziastika sasany didy fa ny fandoavana ny fahafolon-karena, dia tsy maintsy atao ary tamin’ny faraparan’ny taon-jato fahavalo koa vao namoaka didy ho an’ny Empira Masina romana i Charlemagne fa ny fandoavana ny fahafolon-karena, dia lalàna mihitsy.
Kanefa na dia tamin’ny andro fahagola aza, dia fomba tsotra no nampiasaina ary tena nahomby tokoa: vata kely na vatan-kazo kely loak’aty no namboarina ho fandraisana ny fanomezana an-tsitrapo ataon’ ny olona. Tsy misy hafa amin’izany koa no natao tamin’ny andron’ny mpanjaka Joasy sy ny mpisoronabe Jehojada. Io vatan-kazo voaloaka io koa, na mitovitovy amin’izany no atao ao amin’ny trano fianarana Soratra Masin’ny vavolombelon’i Jehovah. Vata kely iray na roa no apetraka ery amin’ny zoron-trano akaikin’ny varavarana fidirana mba handraisana izay fanomezana an-tsitrapo ataon’ny olona, ka ny tsirairay dia afaka mandrotsaka ao izay vola tiany omena, kanefa koa tsy an-tery akory izany.—II Mpanjaka 12:9, 10; Lioka 21:1.
Ny ilaina dia izao: ny hanjakan’ny fisainana marina kristiana, izay dia izay. Mba ahitam-bola dia tsy ilaina ny manao ireo fomba maro voalaza fa tsy mendrika hita teo aloha ireo. Ny tsy maintsy atao dia ny mampahafantatra bebe kokoa ny endrik’ Andriamanitra amin’ny olona, izany hoe: ny fahendrena, ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny hery, ary ny mampianatra ny fahamarinana amin’ny olona, izany hoe: mampianatra azy ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny fanamarinana ny anarany sy ny fampijoroana tany paradisa vaovaon’ny fahamarinana. Aoka tsy hadinointsika koa ny ohatra voalazan’ny Baiboly ny amin’ireo fanomezana an-tsitrapo, nataon’ny Zanak’Andriamanitra sy ireo olona sasany natahotra an’Andriamanitra na dia tsy lavorary aza. Ny olona rehetra maharay izany fampianarana izany, dia maika tokoa hanao fanomezana. Koa araka ny efa nambaran’ny apostoly Paoly: “Fa raha misy fahazotoana dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany”.—II Korintiana 8:12, MN.