Inona moa no zavatra ilaina mba hahafaly an’Andriamanitra?
Inona moa no zavatra ilain’Andriamanitra aminao? Fomba manao ahoana moa no hahafantaranao izany?
MANANA ilay antsoina hoe: fiainana “mahitsy”, ny ankamaroan’ny olona. Tsy mba mangalatra izy ireny, tsy mijangajanga, tsy mamono olona ary tsy mba manana toetra tsy tia firaisana. Tsapan’izy ireny ny ilàna antokom-pivavahana iray, ka dia mandeha any amin’ny fiangonana izay nofidiny izy.
Heverina mandrakariva, fa izany fomba fiaina izany dia mifanaraka indrindra amin’izay ilain’Andriamanitra amin’ny olona. Noho ny fielezan’izany fiheverana izany eran-tany, dia mety ny hametrahana ity fanontaniana manaraka ity hoe: Izany marina tokoa ve no ilain’Andriamanitra mba hahafaly Azy?
Mailaka tokoa angamba hianao hamaly hoe: Eny! Kanefa, alohan’ny zavatra rehetra, dia tsara ny handinihanao fanontaniana iray hafa koa, izay tena mavesa-danja tokoa, manao hoe: Fantatrao marina tokoa ve izay ilain’Andriamanitra mba hahafaly Azy?
Tokony hitandrina tsara hianao, ka tsy hamela olon-kafa hamaly izany fanontaniana izany hisolo anao. Mampidi-doza tokoa ny famelàna olon-kafa na anankiray amin’ireo mpitondra fivavahana aza, hamaly izany ho anao. Satria nahoana? Satria olona marobe no mahafantatra ankehitriny, fa tsy afaka manome ho an’ny mpikambana ao aminy ny zavatra ilaina mba hahafantarana ny fikasan’Andriamanitra sy izay ilainy, ny Fiangonana. Toy izao no nolazain’ny revio Look, tamin’ny 24 Septambra 1963, momba ny Fiangonana any Amerika: “Nataony tsirambina ny fananarana, ary ny tsy fahombiazana dia mivandravandra kokoa noho ny andraikitra mavesatra eo aminy. Niteny toy izao ingahy Miller, ao amin’ny sekoly fianarana teolojia ao Harvard: ‘Tsy misy azo antenaina intsony ny Fiangonana. Noraisiny ny fampianarana amin’izao androntsika izao, ka dia nateliny izany. Tena mampalahelo tokoa ny mahita fa aleon’ny Fiangonana miaro fikambanana toy izay hanompo ny olona’. Ingahy Coffin ao amin’ny oniversiten’i Yale, dia nanamafy izany filazana izany ka nanao hoe: ‘Isika, olom-piangonana, dia mahery isika raha hanova ny divay ho rano sy hampihena ny fivavahana.’”
Aorian’izany fiekena izany, dia aza mino hianao fa fantatrao marina tsara ny zavatra ilaina mba hahafaly an’Andriamanitra, noho ny antony tokana, dia noho hianao mandeha tsy tapaka any am-piangonana.
AIZA MOA NO AHITANA NY VALIN’IREO FANONTANIANTSIKA IREO?
Fomba manao ahoana moa no hamantaranao izay ilain’Andriamanitra aminao mba hahazoana sitraka Aminy? Aiza no ahitana ny valin’izany fanontaniana izany? Ahoana moa no hahafantaranao fa manao ny sitrapon’Andriamanitra hianao?
Izao toro-hevitra manaraka izao no omen’ny Tenin’Andriamanitra ho antsika: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra. fa aza miankina amin’izay sainao ihany.” (Ohabolana 3:5, AC). Eny, tian’ Andriamanitra tokoa ny hitokisan’ny olona aminy. Koa raha tian’Andriamanitra ary izany, dia tena mety tokoa ny milaza fa nanao fepetra mba hahafahan’ny zava-boahariny hahalala, tsy ao anatin’ny aizina, ny momba azy sy hianatra ny zavatra ilainy Izy. Raha misy zaza iray milaza amin-drainy hoe: “ Dada ô, inona no tokony hataoko mba hahazoako sitraka aminao?” moa mety araky ny hevitrao ny handavan’ilay ray ny zanany sady tsy hamaly azy, tsy hiteny na dia indray am-bava aza, ny zavatra ilainy amin-janany? Tsia, ny ray be fitia dia manazava tsara amin’ny zanany izay zavatra ilainy aminy. Dia ho voasazy ilay zaza, raha tahiny tsy miraharaha izany zavatra ilain-drainy aminy izany; fa raha manao arak’izany kosa izy, dia hahazo teny mamy sy fankasitrahana ary matetika aza valisoa.
Moa va Andriamanitra tsy hikarakara fatratra, amim-pitandremana tokoa, izay zavatra ilain’ny olona mba hahafaly Azy, dia Andriamanitra izay namorona ny olona sy nanome azy ny fahaiza-mandajalanja? Noho ny fitiavany dia tsy handao tokoa ny olona izay nohariany sy nomeny saina tia karokaroka, ny Mpamorona. Tsy isalasalana fa tian’Andriamanitra omena ny olona, ary efa nomeny azy izay zavatra ilainy mba hahafahany mandeha mifanaraka amin’ny sitrapon’ny rainy any an-danitra.
Moa va nanomana marina tokoa io fanampiana io, Andriamanitra? Eny. Manoro antsika no tokony hanovozana izany toro-hevitra izany, ny lehilahy iray tamin’ny fotoana fahiny natahotra an’Andriamanitra, raha nanoratra izy hoe: “Ny Soratra rehetra dia nome-tsindrimandrin’ Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fanitsaina zavatra, ho famaizana araka ny fahamarinana, ho mahay tsara ny olon’Andriamanira, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” Nanome tsindrimandry olona maromaro Andriamanitra, noho ny fanahiny, mba hitana an-tsoratra ny sitrapony sy ny zavatra ilainy, ka izay rehetra te-hahafaly Azy, dia mahazo mianatra mba hahafantatra Azy sy hahalala mazava tsara izay zavatra ilainy amin’ny olona.—II Timoty 3:16, 17, MN.
FOMBA MANAO AHOANA NO AMPIASANA NY BAIBOLY?
Toerana manao ahoana moa no isian’ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly, eo amin’ny fiainanao? Zavatra hafa ny hoe manana Baiboly, ary zavatra hafa koa ny mahafantatra ny fampiasana azy. Sahala amin’ny manana fantsakana feno rano mahavelombelona izany. Tsy maintsy manovo ao, mba hahazoana izany rano izany. Tsy misy hafa amin’izany koa ny Baiboly. Ny fananana azy fotsiny dia tsy milaza velively, fa mahafa-ketaheta anao sy tena mahasoa anao tokoa izy. Tsy misy hafa amin’ilay fantsakana, dia tsy maintsy mankamin’ny Baiboly hianao ary manovo ao, ny rano mahavelombelona sy mampahatanjaka avy amin’ny fahamarinana.
Mba hahitana ny fahamarinana ao amin’ ny Baiboly, dia tsy maintsy manao fiezahana hianao sy mikaroka amim-pahazotoana, sahala amin’ny ataonao mba hanovozana rano ao amin’ny fantsakana. Tsy ifantsitsitra ho azy avy eo amin’ny fantsakana ho ao anaty kaopinao akory ny rano. Fanampin’izany, dia tsy maintsy misotro tsy tapaka amin’io rano io hianao, isan’andro isan’andro, satria tsy ampy ny misotro indray mandeha. Torak’izany koa, dia tsy maintsy mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra hianao ary tsy hitandro hasasarana amin’ny fiezahanao.
Aza mba kivy na oviana na oviana amin’ny fahitana, amin’izao androntsika izao, ny ankamaroan’olona, ao anatin’izany ireo mazoto mivavaka, tsy mianatra amim-pahazotoana ny Baiboly. Tsy maintsy manovo ao amin’ireo ranon’ny fahamarinana ireo isika, mba hahafaly an’Andramanitra. Tsy mahafaly Azy isika raha mihataka amin’ny fitsipiny. Izao no voalaza ao amin’ny Ohabolana 28:9: “Raha misy mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.” Izay mampivily sofina amin’ny fampianarana hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy mahafaly an’Andriamanitra, na dia mivavaka aza izy! Izany dia sahala amin’ny ankizy tsy mety hihaino ny ana-drainy, kanefa manantena hahazo tombon-tsoa sesehena avy aminy.
Tsy hihady tany iray amin-kerimpo va hianao, raha tahiny fantatrao fa misy harem-be nafenina ao amin’ny toerana iray, ary ho anao io harem-be io raha hitanao? Rakitra misy harena ara-panahy ny Baiboly. Atorony ny mpamaky azy ny fomba hahafantarana an’Andriamanitra. Izao manaraka izao no voalaza ao amin’ny Ohabolana 2:1-5: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka ny toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.”
Eny, azontsika atao tokoa ny mamantatra ny fitsipi-pitondrantena izay ankasitrahan’Andriamanitra, kanefa tsy maintsy mampiasa ny Teniny isika amin’izany. Olona marobe, ankehitriny, no mianatra ny Baiboly miandalandalana, miaraka amin’ny minisitra kristiana izay nahazo fianarana manokana. Hafaliana manao ahoana moa ny azy ireo manovo izany fifaliana mahavelona izany!
AMPIFANARAO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA NY FIAINANTSIKA
Ampy ve ny ananantsika fahalalana betsaka ao an-tsaintsika ao, kanefa tsy mampiasa izany na oviana na oviana? Tsia, tsy maintsy hampiarina amin’ny fiainantsika ny zavatra nianarana mikasika ny sitrapon’Andriamanitra. “Ary ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao isan’andro isan’andro.” (II Mpanjaka 17:37, Da). Mitarika ny fahatezeran’Andriamanitra hianjera amintsika, ny tsy fanaovana izany. Rehefa nentin’ny Herim-panjakana faharoa teto amin’ izao tontolo izao, dia i Assyria, ho babo ny Isiraely fahagola, izany dia noho ny famelan’Andriamanitra, arak’ity andinin’ny Baiboly manaraka ity: “Satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny ary tsy nohenoiny na narahiny izay rehetra nandidian’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah.”—II Mpanjaka 18:12, AC.
Nosorintan’i Jesosy ny ilana hiaina mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra, raha nilaza izy nanao hoe: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: ‘Tompoko, Tompoko’, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.” (Matio 7:21, MN). Toy izao manaraka izao no nanamafisan’i Jakoba, iray amin’ireo mpanoratra ny Baiboly, izany fitsipika izany: “Ny finoana tsy misy asa dia maty.”—Jakoba 2:26, MN.
Hitantsika ao amin’ny valin-tenin’i Jesosy ho an’ireo nanontany Azy ny didy lehibe indrindran’ny Lalàna, izany hoe ny sitrapon’Andriamanitra amin’ireo izay te-hahafaly Azy. Hoy Jesosy: “ ‘Tokony ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy ny tenanao rehetra ary ny sainao rehetra hianao.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ary inty ny faharoa, izay tahaka azy ihany: ‘Tokony ho tia ny namanao tahaka ny tenanao hianao.” (Matio 22:37-39, MN). Ny dikan’ny hoe tia an’Andriamanitra, dia ny mametraka azy ho loha-laharana eo amin’ny fiainantsika sy mianatra ny hahafantatra Azy ary manaiky amim-pifaliana ny didiny rehetra. Tsy ho tia tena sy hitana izany fahalalana lehibe izany ho antsika samy irery isika, arakaraky ny hitombon’ny fahalalantsika ny fikasana lehiben’Andriamanitra mikasika ny olombelona, fa ho tiantsika kosa ny hamindra izany amin’ny namantsika. Izany no fampisehoana fitiavana lehibe indrindra izay azontsika atao amin’ny namantsika. Amin’ izany no hahazoany fahalalana marina sy manompo an’Andriamanitra ary manao izay zavatra hahafaly Azy.
Mampitombo ny toetra kristiana ao amintsika mba hitafiantsika ny olom-baovao, sy manampy antsika hiray amin’ireo manana toetra mendrika, mba hifampaherezana ao amin’ny finoana, izany fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana izany. Ary inona moa no ho vokatr’izany rehetra izany? Andriamanitra hitahy izany fiezahana marina izany ary hahatonga ao amintsika ny vokatry ny fanahiny masina. “Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fahononam-po”.—Galatiana 5:22, 23, MN.
Tsy ho ela dia handrotsaka fahasoavana sesehena amin’ireo izay manao zavatra hahafaly Azy Andriamanitra, amin’ny fanomezana azy ireo ny fiainana mandrakizay sy ny fahasalamana tanteraka ao amin’ny paradisany ho voahorina indray: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina.” “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny lalàny dia hanandratra anao handova ny tany Izy; rehefa ho haringana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany.” Fahitan-javatra manao ahoana ho an’ireo izay ankasitrahan’Andriamanitra!—Ohabolana 14:27; Salamo 37:34, AC.
Zavatra tokana mendrika ny fiezahana rehetra tokoa, ny fiainana ao anatin’io fandamin-javatra vaovao io. Kanefa tsy ho azontsika na oviana na oviana izany, amin’ny fanaovana fotsiny izay tsara heverin’ny saintsika; tsy maintsy manorina ny finoantsika an’Andriamanitra isika, amin’ny fianarana ny Teniny ary avy eo dia manao izay tsara arak’izay ilain’Andriamanitra. “Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6, MN). Eny, fiainana mandrakizay no fanomezana tsy manam-paharoa ho an’izay mino an’Andriamanitra sy mitandrina ‘‘ny didiny” ary manao “izay ankasitrahana eo imasony”.—I Jaona 3:22, MN.