Amin’ny fotoana toy inona no tokony hisaron-doha ny vehivavy?
“Ny lehilahy dia tsy tokony hisaron-doha satria endrika sy voninahitr’Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.”— I Korintiana 11:7, MN.
1. a) Ahoana no mety hahatonga ny lehilahy ho “voninahitr’Andriamanitra” ary ahoana no fomba hanampiany ny vavy amin’izany? b) Ahoana no mety hahatonga ny vehivavy ho “voninahitry ny lehilahy”?
REHEFA manompo an’Andriamanitra araka ny fitsipiny ny lehilahy sy ny vehivavy, dia manaja sy midera ny Mpahary azy. Raha manatanteraka tsara ny andraikiny amin’ny maha-filohan’ny fianakaviana azy ny lehilahy, tsy amin’ny fanomezana ho an’ny vady aman-janany izay ilain’ny tenany fotsiny ihany, fa amin’ny fanomezana amim-pitiavana sy faharetana izay ilainy ara-panahy koa, dia tena voninahitr’ Andriamanitra izay nahary azy araka ny endriny sy tahaka ny tarehy tokoa izy. (Genesisy 1:26). Tsy isalasalana fa mitondra soa ho an’ny ankohonany koa izy, ary manamaivana ny asan’ny vadiny sady namany. Toy izany koa, fa raha manaiky ny toerana tandrifina azy oharina amin’ny an’ny vadiny izay lohany ny vehivavy, ka manaja azy sy manohana azy amim-pahatokisana sy hitsim-po, dia tonga voninahitry ny lehilahy.— I Korintiana 11:7.
2. a) Noho ny fitsipika inona no tokony hisoronan’ny vehivavy kristiana loha? b) Inona no tena zava-dehibe amin’ny fisaronan-doha?
2 Tsy mety ho “voninahitry ny lehilahy” ny vehivavy raha tsy mijanona amin’ny toerana natokan’Andriamanitra ho azy, oharina amin’ny an’ny lehilahy, ary koa tsy mitady haka ny fahefan’ny lehilahy. Izany no mahatonga ny fisian’ny fotoana ilana isaronan’ny vehivavy kristiana loha. Araka ny efa hitantsika tamin’ny nomeraon’ny Tilikambo Fiambenana talohan’ity, ny fanazavana nomen’i Paoly momba ny ilana ny hisaronan-doha, dia miankina amin’ny fitsipika momba ny fahefana araka an’Andriamanitra izay nolazainy toy izao eo amin’ny andininy fahatelo: “Kristy [Jesosy; fa tsy ny fikambanana] no lohan’ny lehilahy rehetra; (...) ny lehilahy no lohan’ny vehivavy; (...) Andriamanitra no lohan’i Kristy.” Tokony hisaron-doha ary ny vehivavy kristiana rehefa manao asa izay raha ny tena marina, dia tokony hataon’ny vadiny na ny lehilahy kristiana nanolo-tena, kanefa ataony amin’ny fotoana tsy maharitra sy tsy araka ny fanao, noho ny antony manokana. Noho izany, ny tena zava-dehibe dia tsy ny fisaronan-doha, fa ny toe-po sy ny fieritreretana tsara araka an’Andriamanitra ananan’ny vehivavy manao azy. Tokony hanaiky ny fandaharan’Andriamanitra izy ka hisaron-doha mba hanehoany, voalohany indrindra, fa manaja an’Andriamanitra sy ny fitsipiny momba ny lehilahy sy ny vehivavy izy. Tsy tokony hadio ny fieritreretan’ny vehivavy amin’izany, raha tsy sady misaron-doha araka ny tokony hatao izy no manaja tsara koa ilay manana fahefana voahaja amin’izany fomba izany.
3. Inona avy ireo toe-javatra telo tokony hisaronan’ny vehivavy nanolo-tena loha?
3 Hatramin’ny taona 1926, dia nisaron-doha ny vehivavy rehetra tao amin’ny fikambanana raha nanatrika fivoriana (jereo ny L’Age d’Or, fanontàna anglisy tamin’ny 8 Septambra 1926, pejy faha-780 ka hatramin’ny faha-791; La nouvelle création (fanontàna anglisy navoaka tamin’ny taona 1904), pejy 71, 72 amin’ny fanontàna frantsay; Ny Tilikambo Fiambenana, fanontàna anglisy tamin’ny 1 Desambra 1907, pejy 360, 361). Raha ny tena marina dia misy karazany telo ny toe-javatra tsy maintsy hisaronan’ny vehivavy loha. Raha fintinina dia toy izao: 1) rehefa voatery hivavaka na hampianatra eo anatrehan’ny vadiny izy; 2) rehefa mampianatra olona maromaro izy ka misy rahalahy efa nanolo-tena ao anatin’ireo; 3) rehefa voatery hivavaka na hitarika fivorian’ny fikambanana izy noho ny tsy maha-eo ny rahalahy tokony hanao izany. Ao amin’ity fizarana ity sy ao amin’ny manaraka koa, dia handinika ny tsirairay avy amin’ireo toe-javatra ireo isika.
NY FISARONAN-DOHA SY NY FANEKEN’NY VEHIVAVY
4. Inona no fifandraisana amin’ny lehilahy sy ny vehivavy nahatonga ny fanontaniana momba ny fahefana sy ny fanekena hipetraka?
4 Ny fanambadiana no fototry ny fifandraisan’ny vehivavy sy ny lehilahy, dia ny vehivavy amin’ny vadiny. Raha niteny ny apostoly Paoly (ao amin’ny I Timoty 2:11-13 sy I Korintiana 11:3-16) momba ny faneken’ny vehivavy ao anatin’ny fikambanana kristiana, dia nampahatsiahy ny amin’ny mpivady voalohany izy. Mba hampisehoany ny toerana natao ho an’ny tsirairay avy amin’ny mpivady, dia notsahivin’ny apostoly fa ny lehilahy no nohariana voalohany, ka nahazo andraikitra hampihatra fahefana. Tokony haneho fanekena ary ny vehivavy kristiana, na mpitory ny vaovao tsara ny vadiny na tsia.
5. a) Iza no tokony hivavaka amin’ny anaran’ny fianakaviana sy hitarika azy amin’ny fianarana ny Baiboly, raha ny tena izy? b) Arak’izany, amin’ny fotoana toy inona no tokony hisaron-doha ny vehivavy?
5 Amin’ny fotoana toy inona ary ny vehivavy manam-bady no tokony hisaron-doha ho mariky ny fanekeny ny vadiny sa dy lohany? Mba hamaliantsika izany, dia apetratsika ity fanontaniana hafa iray ity: Rehefa mivory ny fianakaviana, dia ny lehilahy sy ny vady aman-janany, mba hiara-mianatra na hivavaka, iza no mitarika ny fivoriana raha ny tena tokony ho izy? Tsy isalasalana fa ny lehilahy! Amin’ny maha-loham-pianakaviana azy, dia ny ray mandrakariva no mitarika ny fampianarana ny ankohonany sy ny fitaizana ny zaza “amin’ny fifehezana sy ny fananarana nanomezan’i Jehovah alàlana”, ary izy no mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny anaran’ny fianakaviana raha ny tena tokony ho izy (Efesiana 6: 4 MN). Noho izany, raha tsy kristiana nanolo-tena ny lehilahy kanefa manaiky hanatrika fampianarana tarihin’ny vadiny efa nanolo-tena sy anaovany fivavahana koa, dia tokony hisaron-doha ravehivavy rehefa manao izany asa izany, satria raha ny tena izy dia ny vadiny no tokony hanao izany. Mazava arak’izany, fa raha tsy eo ny lahy, dia tsy voatery hisaron-doha izy satria manana tombon-tsoa sy adidy hampianatra ny zanany koa izy, ka raha nanatontosa izany andraikitra izany izy, dia tsy maka ny tombon-tsoa ananan’ny lohany. Fa raha mitarika ny fampianarana sy mivavaka kosa izy amin’ny maha-eo ny vadiny, dia tokony hisaron-doha satria vonjy maika ihany no anaovany izany asa izany, mandra-panaikin’ny vadiny ny fahamarinana ka hahafahany hanao izany.
6. Inona no mety hatao raha miaraka amin’ny vadiny any amin’ny tokantrano hanaovany fampianarana ny Baiboly, ny lehilahy tsy mbola nanolo-tena?
6 Azo ampiharina koa izany fitsipika izany any ivelan’ny fianakaviana. Raha olona be zotom-po ny lehilahy ka miaraka amin’ny vadiny manao fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano hafa, dia tokony hisaron-doha ny vehivavy rehefa mivavaka sy manao ny fampianarana. Mety hisy lehilahy hafa tsy mbola nanolo-tena manatrika eo, toy ny lohan’ny tokantrano hanaovana ny fampianarana, ohatra, kanefa tsy noho izy no hisaronan’ny vehivavy kristiana loha, satria sady tsy lohany izy io no tsy ao anatin’ny fikambanana. Amin’ny fotoana toy izany ny fisaronan-doha, dia mariky ny fanekena ny vady sady loha ihany.
7. Inona no tokony hatao amin’ny fisakafoanana?
7 Toy izany koa amin’ny fotoam-pisakafoanana. Raha mangataka ny vadiny hivavaka ny lehilahy, dia mahazo manao izany ravehivavy kanefa tokony hisaron-doha. Fa raha tsy eo kosa ny vadiny, dia mahazo mivavaka tsy misaron-doha izy raha tsy ampy taona tsy mbola nanolo-tena ny zanany rehetra.
RAHA MISY ZANAKALAHY EFA NANOLO-TENA
8. Iza no manao ny fivavahana ao amin’izay misy zanakalahy efa nanolo-tena ary amin’ny fotoana toy inona no tokony hisaron-doha ny reny?
8 Kanefa na dia tsy eo aza ny lahy, inona no tokony hataon’ny vehivavy kristiana eo anatrehan’ny zanakalahy efa nanolo-tena? Raha efa olon-dehibe io zanakalahy io, dia tsotra ho azy fa tsy misy zava- manahirana ny amin’izay tokony hatao: izy no tokony hanao ny fivavahana. Kanefa mety ho mbola kely ilay zanakalahy, vao tonga amin’ny fahatanorany. Amin’ izany dia ny reny no manapa-kevitra raha mety ny hampanaovany azy ny vavaka.
Mbola eo ambany fahefany izy, ka tokony “hanaja” ny reniny (Efesiana 6:2). Anjaran’ny reny ny manapa-kevitra na ho azony hatao ny hampivavaka ny zanany lahy kely efa nanolo-tena, na izy ihany no mety raha manao izany noho ny tsy mbola fahaizan’ny zanany sy arakaraky ny fotoana. Kanefa raha ity fomba faharoa no fidiny, dia tokony hisaron-doha izy, ary izany koa no tokony hataony raha manao fampianarana miaraka amin’ny zanany lahy efa nanolo-tena izy. Satria nahoana?
9. Rehefa maninona no tokony hisaron-doha ny reny eo anatrehan’ny zanakalahy efa nanolo-tena ary nahoana ny fisaronan-doha no nanamafy ny toeran’ny reny?
9 Satria efa mpikambana izao ilay zanakalahy nanolo-tena, dia tokony ho avy amin’ny rahalahy efa nanolo-tena sy matotra ny fampianarana raisiny sy ny vavaka henoiny. Ao an-tokantranony dia ny rainy no tokony hanao izany raha ny tena izy. Raha manao izany asa izany ny reny ka misaron-doha, dia mampiseho fa nanao mihoatra noho ny adidy maha-reny azy izy. Ny saron-dohany dia marika na fanehoana fa amin’ny anaran’ny vadiny, rain’ny zanany lahy no anaovany izany. Azo lazaina ary fa ny fisaronan-doha, dia manamafy ny toerany ary mahatonga azy ho afaka hanao asa ara-panahy araka an’Andriamanitra mikasika ny zanany lahy nanolo-tena, sady tsy handika ny fitsipika amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Amin’ny fotoana hafa ivelan’ny fotoam-pivavahana ao an-tokantrano, dia mahazo mampiseho ny maha-reny azy amin’ny zanany lahy izy amin’ny famaizana sy ny fananarana azy, ka tsy ilana fisaronan-doha izany.
10. Inona no ohatra tsara omen’ny reny toy izany ho an’ny zanany lahy efa nanolo-tena ary inona no andraikitra lehibe ananan’ny ray nanolo-tena?
10 Ny vehivavy manao toy izany dia mampiseho ohatra tsara amin’ny zanany lahy efa nanolo-tena. Noho izy mahita izay tokony hataon’ny vehivavy, araka an’Andriamanitra, dia ho fantany any aoriana izay tokony hataon’ny vadiny rehefa manana ny tokantranony izy. Ary koa tsy ho afaka hitaraina izy fa ny reniny, dia manao zavatra tsy tokony hatao na maka ny toeran’ny rahalahy efa nanolo-tena. Tokony hanampy ny zanany lahy hihamatotra koa ny reny efa nanolo-tena, mba hahafahany misolon-tena tsara ny fianakaviana raha mivavaka amin’i Jehovah izy, amin’ny fotoana ilana izany. Hita avy hatrany fa raha vavolombelon’i Jehovah nanolo-tena koa ny lehilahy, dia tokony hanao arak’izay azony hatao izy amin’ny fanatontosana ny adidiny noho ny maha-lohan’ny fianakaviana azy, indrindra fa satria misy zanakalahy nanolo-tena ao. Ny ray tokoa mantsy no afaka sy tokony hanome ny fampianarana fanampiny ilain’ny zanany lahy.— Ohabolana 23:19, 24.
FIVAVAHANA ATAON’NY OLONA TSY MBOLA NANOLO-TENA
11. Inona no tokony hataon’ny vehivavy kristiana manam-bady olona tsy mbola nanolo-tena, ka mivavaka raha: a) olona be zotom-po ny lahy ka manao fivavahana tsara? b) mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fivavahana ataony?
11 Mety hisy vehivavy manaiky ny fahamarinana ka tonga vavolombelon’i Jehovah, ary ny vadiny, na dia tsy manao tahaka azy aza, dia mbola manao ny fivavahana amin’ny anaran’ny fianakaviana ihany alohan’ny sakafo. Raha olona be zotom-po izy ka mandroso ho amin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra ary maneho fahatsoram-po ny fivavahany no sady mifanaraka amin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, dia azon’ny vehivavy nanolo-tena atao ny miteny “amena’’, amin’ny fieritreretana madio. Mbola lohan’ny fianakaviana ihany izy, ka tsy mahagaga raha mitarika ny fotoam-pivavahana ao an-tokantrano. Fa raha tsy miraharaha ny Tenin’Andriamanitra kosa ny lehilahy iray, ka manana finoana mifanohitra amin’ny Baiboly, izay hita amin’ny fivavahana ataony, dia tsy tokony hiteny “amena” ny vadiny izay efa nohazavain’ny fahamarinana. Rehefa mivavaka izy dia azon-dravehivavy atao ny mivavaka am-po amin’ny anaran’ny zanany ka mahazo matoky izy fa hihaino ny fangatahany Jehovah.
12. a) Raha maninona no tsy tokony hifampitantana amin’ny mpiara-misakafo aminy ny kristiana rehefa mivavaka? b) Nahoana no azo lazaina fa tsy fiheverana mihoatra ny mety akory izany?
12 Misy fianakaviana sasantsasany zatra ny mifampitantana rehefa mivavaka ao an- tokantrano. Noho izany fomba izany mampiseho firaisana ao amin’ny fivavahana, dia tsy mety raha mandray anjara amin’izany ny kristiana raha olona tsy nanolo-tena ka tsy manaraka ny fivavahana marina amin’i Jehovah Andriamanitra no manao ny fivavahana. Arak’izany, raha fantatrao fa misy fianakaviana tsy ao anatin’ny fahamarinana, manaraka izany fanao izany, ka manasa anao hiara-misakafo aminy, dia aoka hianao hieritreritra tsara izay tokony hatao. Aza adinoina fa tsy fantatrao akory izay holazainy ao amin’ny fivavahana, koa raha tsy mamela anao hiteny “amena” ny fieritreretanao, dia tsy hamela anao hampiseho firaisan-kevitra amin’ny fifandraisan-tanana amin’ny mpiara-misakafo koa. Misy mpamaky sasany angamba hilaza fa mihevitra izany fihetsehana izany ho zava-dehibe loatra izahay. Kanefa mety ny mahatsiaro fa anisan’ny fanompoam-pivavahana ny vavaka ka tsy tokony hataotao foana. Noho ny maha- zava-masina azy, dia tokony hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fivavahana. Raha te-hanana fieritreretana madio ny kristiana nanolo-tena, dia tokony tsy hiseho ho mandray anjara amin’ny fombam-pivavahana hafa, afa-tsy ny fivavahana madio amin’i Jehovah.— I Korintiana 10:20, 21; II Korintiana 6:14-18.
13. a) Inona no tokony hataon’ny vehivavy izay manam-bady voaroaka, ka mivavaka eo am-pihinanana? b) Tokony hanaiky ny fangatahan’ny lahy azy hivavaka amin’ny anaran’ny fianakaviana ve izy? d) Inona no azo lazaina momba ny fisaronan-doha amin’ny toe-javatra toy izany?
13 Sarotra ny toerana misy ny vehivavy raha voaroaka tao amin’ny fikambanana kristiana ny vadiny. Noho ny mbola maha-vadiny azy ihany, dia tokony hanaiky ny lahy izy, kanefa ny Soratra Masina mandrara ny fifandraisana ara-panahy aminy (Romana 16:17). Inona ary no tokony hataony rehefa mivavaka eo am-pihinanana? Raha mikiry hivavaka ny vadiny, dia tsy tokony hanaiky ny vavaka ataony ny vehivavy ka hiteny “amena”, na malemilemy na mafy. Azony atao ny mivavaka mangina ho azy sy ny zanany, na mandritry ny fivavahan’ny vadiny na aoriana, araka ny fotoana. Raha mangataka ny vavy hivavaka amin’ny anaran’ny fianakaviana eo anatrehany ilay voaroaka, dia voatery handà ilay vehivavy kristiana. Mahazo mivavaka mangina ho azy sy ny zanany izy, na dia eo aza ny vadiny, fa tsy ho valin’ny hataka nataon’ny lahy. Mazava amin’izany àry, fa tsy misy zava-manahirana ny momba ny fisaronan-doha amin’ny toy izany, satria tsy hila hampianatra na hivavaka mafy eo anatrehan’ny vadiny voaroaka, ny vehivavy kristiana.
AHOANA NO TOKONY HATAO AMIN’NY VADY TSY MPINO
14. a) Inona no tokony hotsarovan’ny vehivavy kristiana raha misaron-doha izy, mba hitanany ny hasoany eo imason’i Jehovah? b) Inona no tokony hataony raha manao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipika tsara ny lahy?
14 Tokony hisaron-doha ary ny vehivavy mpitory mahatoky manam-bady olona tsy ao anatin’ny fahamarinana, amin’ny fotoana sasantsasany, kanefa tokony hitandrina koa izy mba hifanaraka amin’ny marika ivelany mampiseho fanekena, izay ataony. Ny hasoan’ny vehivavy kristiana eo imason’i Jehovah, dia tsy miankina amin’ny fomba fanehoana fanekena amin’ny fisaronan-doha fotsiny; miankina amin’ny fijanonany amim-pahamaotinana eo amin’ny toerany sy ny fanehoany “fanajana feno ny vadiny” lalandava izany (Efesiana 5:24, 33, MN). Mety ho tonga ao an-tsainao anefa izao fanontaniana izao: Ahoana no hanajan’ny vehivavy ny vadiny izay manohitra ny fahamarinana sy ny fanarahana ny fivavahana amin’i Jehovah? Marina fa tsy afaka hanaja ny hevitry ny vadiny ny vehivavy raha manohitra an’Andriamanitra izy no sady manao teny ratsy sy maloto. Kanefa raha maneho fanajana ny maha-lohany ny vadiny izy, dia hampiseho fa tsy mikomy amin’ny fandaharan’i Jehovah. Ohatra, na dia manana vady ratsy toetra aza ny vehivavy kristiana, dia tsy tokony hiresaka azy amim-panesoana izy.
15. Iza no olona nijaly tsy ara-drariny azon’ny vehivavy nanolo-tena tahafina?
15 Ny vehivavy manam-bady olona tsy mifanaran-tsaina aminy na misetrasetra, dia mety hahazo hery amin’ny fandinihana ny ohatra nomen’i Jesosy. Andeha hovakintsika indray ny tapany voalohany amin’ny I Petera toko fahatelo: “Toy izany koa hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo.” Toy ny inona? Afa-tsy ny zavatra hafa, dia vao avy nilaza Petera ny amin’ ny mpanompo kristiana izay mijaly tsy amin’ny rariny noho i Jesosy, dia i Jesosy izay namela fianarana ho antsika raha tratry ny fijaliana isika. Izao no nosoratan’i Petera momba an’i Jesosy: “Raha notevatevaina izy, dia tsy mba nanevateva. Raha nijaly, dia tsy nandrahona fa nanankina ny tenany hatrany tamin’ilay mpitsara marina.” Toa an’i Jesosy sy ireo mpanompo kristiana koa, ny vehivavy hampijalina tsy ara-drariny, dia mahazo manankina ny tenany amin’i Jehovah izay hamaly soa azy amin’ny fotoan’andro noho ny fitondran-tenany mendrika.— I Petera 2:18-23, MN.
16. a) Karazam-panekena inona no nolazain’i Petera ka nanomezany anatra ahoana? b) Raha manome fanekena voafetra ny lahy, ny vehivavy kristiana, inona ireo zavatra roa tokony hoheveriny ary inona no tokony ho fanapahan-keviny?
16 Kanefa mandrakariva ireny mpanompo ireny, dia voatery hanaiky tompo “sarontsarotiny”. Izao koa no nanampin’ny apostoly momba izany: “Fa raha misy olona tsy mety kivy amin’ny zava-tsarotra ka mijaly tsy ara-drariny, noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra, dia zavatra ankasitrahana izany. Fa inona no laza raha tahiny kapohina noho ny fahadisoana hianareo ka mandefitra amin’izany? Fa raha tahiny manao ny tsara hianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia ankasitrahan’Andriamanitra izany.” (I Petera 2:18-20, MN). Toy ny mpanompo amin’ny tompony, ny vehivavy dia tokony haneho fanekena voafetra ihany amin’ny vadiny, satria tsy maintsy mihevitra koa ny sitrapon’Andriamanitra izy etsy an-daniny, ary ny fieritreretany etsy an-kilany. Na dia sarontsarotiny aza ny lahy, ka manohitra mihitsy ny maha-kristiana nanolo-tena ny vavy, ny vehivavy mpitory, dia tokony tsy hivadika amin’ny fianianany hanao ny sitrapon’i Jehovah. Kanefa tokony hiezaka koa izy mba hijanona amin’ny toerany eo anilan’ny vadiny, araka ny fandaharan’i Jehovah, na dia tena sarotra tokoa aza izany indraindray.
17. Amin’ny fitondrantena manao ahoana no mety hitaoman’ny vehivavy kristiana ho amin’ny fahamarinana, ny vadiny tsy mpino?
17 Soa ihany fa tsy dia ratsy loatra toy izany ny lehilahy rehetra. Matetika dia tsy miraika amin’ny fahamarinana fotsiny ny lehilahy, ka tsy maneho faniriana ho tonga anisan’ny fikambanan’izao tontolo izao vaovao. Inona ary no tokony hatao amin’ny toy izany? Tsarovy izay novakintsika teo aloha tao amin’ny I Petera 3:1, 2 (MN): “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondran-tenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza raha tahiny misy tsy manaiky ny teny, rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondran-tenanareo amin’ny fanajana feno.” Raha misy zavatra mety hahataona ny lehilahy toy izany amin’ny fahamarinana tokoa mantsy, dia anisan’izany ny fitondrantenan’ny vadiny izay manaiky azy amim- pahatokisana sy amin’ny fanajana feno.— I Korintiana 7:16.
18. Noho ny tsy fivadihany sy ny fanekeny, inona no ho voatanan’ny vehivavy kristiana, ary iza no handray fitahiana lehibe avy amin’izany?
18 Noho ny tsy fivadihany amin’izany lafiny izany, dia hitana ny hasoany ara-panahy eo imason’i Jehovah sy ny fikambanana kristiana, ny vehivavy kristiana. Tokony ho feno fankasitrahana ny lehilahy nanolo-tena manam-bady tahaka izany, satria tena “voninahiny” tokoa izy. Raha mbola tsy nanaiky ny fahamarinana ny vadiny, dia tokony hitana ny fitondrantenany madio sy ny fanajany azy feno izy, satria mety ho tsinjony indray andro any fa manana vady faka-tahaka izy ary mety hitarika azy hanaiky ny fahamarinana izany. Fitahiana manao ahoana moa izany ho azy sy ny vadiny!