FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/6 p. 140-143
  • Mpitory ny fanjakan’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitory ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ATAOVY IZAY AHAZOANAO FAHALALANA HANDRAISANAO ANJARA AMIN’NY FITORIANA
  • NY AMPISEHON’NY ZAVATRA ILAIN’ANDRIAMANITRA
  • Hamaly ny Fitiavan’i Jesosy ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • ‘Aza Mitsahatra Mikatsaka Voalohany Indrindra ny Fanjakana’
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • ‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/6 p. 140-143

Mpitory ny fanjakan’Andriamanitra

NAMELA soritra tsy azo vonoina tao an-tsain’ny mpianany Jesosy Kristy, alohan’ny hiakarany indrindra, ny amin’ny andraikitr’izy ireo noho ny maha-vavolombelona azy, eo anatrehan’ny hafa. Nasehony azy ireo mazava tsara fa ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra no fototra iray lehibe ijoroan’ny fivavahana marina. Hoy ny fampanantenana nomeny: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko eran’ny Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany”.—Asan’ny Apostoly 1:8, MN; Matio 28:19, 20.

Fantatr’i Jesosy anefa fa tsy mora ny mijoro ho vavolombelon’ny fanjakan’Andriamanitra eo afovoan’izao tontolo izao mankahala izany, koa nampiomaniny ny mpianany. Hoy izy: “Raha nanenjika Ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20, MN). Fomba ahoana ary no hahefan’ ny mpianany mizaka ny fanoheran’izao tontolo izao ary koa mitandrina araka izay tokony ho izy ireo olona oharina amin’ny ondry ka mandray amim-pitiavana ny fitoriana? Fitiavana an’i Jehovah latsa-paka sy ilay notendreny ho filohan’ny ondry, dia Jesosy Kristy, no hany ahazoany manatanteraka izany andraikitra maha-kristiana izany eo anivon’ny fanoherana.

Tokony ho marihina ny fomba nanambaran’i Jesosy indray mandeha, ny anjara toeran’ny fitiavana eo amin’ny fitoriana. Ny ampitso marainan’ny nitsanganany, nisy mpianany fito niaraka nisakafo teo amoron’ny ranomasin’i Galilia. Andro vitsivitsy talohan’io Simona Petera, iray amin’ny apostoly dia nandà an’i Jesosy tao anaty fotoana fahalemena. Teo anatrehan’ izy rehetra no nitenenan’i Jesosy nitsangana tamin’ny maty, taminy hoe: “Ry Simona zanak’i Jaona, tia Ahy va hianao?” Hoy izy taminy: “Eny Tompoko, fantatrao fa tia anao aho” ary hoy Izy: “Fahano ny ondriko”.—Jaona 21:15, MN.

Fantatr’i Jesosy fa nalahelo tokoa Petera, nefa tiany marina ho tsapany sy ireo mpianatra hafa koa, ny halehiben’ny fitiavana sy ny fanolokoloana ireo olona tahaky ny ondry ka mihaino ny hafatra. Hoy Izy: “Simona zanak’i Jaona, tia Ahy va hianao? Hoy izy taminy: “Eny, Tompoko, fantatrao fa tia anao aho” Ary hoy Izy: “Tohano ny ondriko”.—Jaona 21:16, MN.

Fomba ahoana no nanipihan’i Jesosy mafy ny andraikitra iantsoroan’ny mpianany amin’ny fitandremana ny tombontsoan’ny hafa? Nanao izany teny izany tamin’i Petera Izy, raha ny tena marina, hampibaribary ny halehiben’ny fitoriana, tsy tamin’ireo mpianany teo anilany tamin’ io fotoana io ihany, fa amintsika miaina amin’izao andro izao koa. Tia ny Tompo Jesosy va hianao? Raha eny, dia tsy maintsy mampiseho ny fitiavanao hianao amin’ ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy. Hoy Izy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fnjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra”.—Matio 7:21, MN.

Tsy navelan’i Jesosy hisy fisalasalana miorim-paka ny sitrapon’Andriamanitra tao am-pon’ireo mpianany teo amoron’ny ranomasin’i Galilia tamin’io maraina io. Tsy maintsy mikarakara ny ondry izy, izany hoe, tsy mainty mitory. Mba hampifantoka tsara izany hevitra izany tao an-tsai- ny dia hoy Jesosy fanintelony tamin’i Petera: “Tia ahy va hianao? Ary hoy izy taminy: “Tompoko, hianao mahalala ny zavatra rehetra, fantatrao fa tia anao aho”. Hoy Jesosy taminy: “Tohano ny ondriko”.—Jaona 21:17, MN.

Rehefa avy namaky izany tantara ao amin’ny Baiboly izany hianao, moa va mbola misalasala foana fa ny sitrapon’i Jesosy, dia ny hahita an’i Petera sy ny mpianatra rehetra manohy ny fitoriana ny Fanjakana efa natombony? Noho izany, tsy manana andraikitra kristiana koa va hianao, hanampy ny olona tahaka ny ondry. mba handray fahalalana mikasika ny fanjakan’Andriamanitra? Nilaza Jesosy fa “Ity filazantsaran’ny fanjakana ity dia ho torina eran’ny tany onenana rehetra, mba ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra” alohan’ny fahataperan’izao fandehan- javatra ratsy izao. Satria ny zava-mitranga, mandalo eo anoloan’ny masontsika mampiseho fa ao anatin’ny andro farany isika, tsy handray anjara amin’ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra va hianao?

ATAOVY IZAY AHAZOANAO FAHALALANA HANDRAISANAO ANJARA AMIN’NY FITORIANA

Hilaza angamba hianao, amin’ny famalianao voalohany, fa tsy mahay manazava amin’ny hafa ny “filazantsaran’ny fanjakana”? Raha izany dia mahereza! “Aza matahotra, hoy Jehovah, fa Izaho homba anao; eny hanampy anao Aho”. Im-betsaka Adriamanitra no efa nitana ny fampanantenany ary nanampy ny mpanompony tamin’ny fanatanterahana ny asa izay nomeny hataony. Hanampy anao koa Izy, nefa tsy maintsy miezaka, ary mampiseho ny faniriana hanatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra hianao.—Isaia 41:10, Da,

Noho izany, raha mihevitra hianao fa tsy afaka hitory ny Fanjakana noho ny tsy fahampian’ny fahalalanao sy fahaizanao, dia tsy maintsy mangataka ny hanampiana anao hianao. Mitodia amin’Andriamanitra amin’ny vavaka, ary angataho aminy ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina. “Mangataha tsy mijanona, hoy Jesosy, dia homena hianareo”. Hoy ny mpanoratra nome-tsindrimandry anankiray: ‘‘raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina, dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra”.—Matio 7:7, MN; Ohabolana 2:4, 5, AC.

Ny dikan’izany dia tsy maintsy mizatra mianatra ny Baiboly mifanaraka amin’ny vavakao hianao, mba hanampianao ny namanao ahazoany fahalalana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany, apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto, rehefa mianatra hianao: Oviana Andriamanitra no niomana hanorina Fanjakana? Fitondram-panjakana manao ahoana moa izany? Iza no notondroin’Andriamanitra ho mpanjakan’io Fanjakana io? Fanjakana etỳ an-tany sa any an-danitra? Iza no vahoakany? Rahoviana Andriamanitra no hanadio ny tany amin’ny faharatsiana? Inona no tsy maintsy hatao mba hahazoana fiainana eo ambany fahefan’io Fanjakana io?

Mba ahazoana valiny mahafa-po amin’ ireo fanontaniana ireo, dia tsy maintsy mianatra ny Baiboly amin’ny olona izay mahalala tsara ny fampianarana an-tsoratra momba ny Fanjakana. Aza misalasala mangataka amin’ny vavolombelon’i Jehovah hiara-mianatra aminao, fa ho faly tokoa izy hanampy izay manam-paniriana ho tonga mpitory ny fanjakan’Andriamanitra. Manao izany asa izany maimaim-poana izy. Namporisika izany karazana fihadian-kevitra araky ny Baiboly izany indrindra Jesosy, raha hoy Izy: “Ao amin’ izay misy roa na telo mivory amin’ny anarako, dia eo afovoany Aho”.—Matio 18: 20, MN.

Angamba hianao mety efa miaraka mianatra sahady ny Baiboly amin’ny vavolombelon’i Jehovah, nefa mihevitra fa mbola tsy hampy fahaizana hitory. Raha izany, tohizo hatrany ny fianaranao ny Baiboly, satria izany no lalana iray tsara indrindra, miaraka amin’ny fotoana, hanampy anao amin’ny fanatonana ny olona sy ny fitenenana aminy, tahakan’i Jesosy sy ny mpianany. Manambara amintsika ny Baiboly, fa Jesosy dia nandany fotoana betsaka tamin’ny fampianarana ny mpianany ny fomba fitory ary vokatr’izany fandaharam-potoana momba ny fanomanana izany, dia ampy fahaizana handeha “isan-trano, isan-trano, hitory ny filazantsara” izy.—Asan’ny Apostoly 5:42, MN; 20:20; Matio 10:5; 11:1; Lioka 8:1.

Ambonin’izany toe-javatra azonao araraotina izany amin’ny fianarana ny Baiboly any an-tokantrano, dia mbola azonao atao koa ny mahazo fanomanana maimaim-poana ao amin’ny fivoriana momba ny asam-pitoriana sy ny fianarana ny asam-pitoriana izay misy isan-kerinandro ao amin’ny Efitrano fivorian’ny vavolombelon’i Jehovah. Mety ho any amin’ny faritra misy anao angamba izany fivoriana izany. Ny zava-kendren’ny fivoriana momba ny asampitoriana, dia ny fampisehoana ny fomba fanolorana ny hafatra momba ny Fanjakana, fanairana ny sain’ny olona hifantoka amin’ny Tenin’Andriamanitra, fanaovana fitsidiana, ary fitarihana fianarana Baiboly any an-tokantranon’izay olona mankasitraka izany. Ny fianarana ny asam-pitoriana dia manome fanomanana fampianarana, ary mikendry ny fanitarana ny fahaiza-mandaha-teny. Omena anjara ny mpandaha-teny tsirairay avy, izay lahateny fohy mandritry ny enina na fito minitra, ataony eo anatrehan’ny fikambanana. Misy mpitory za-draharaha iray manome torohevitra amin’izay fanovana ilaina. Raha manatrika tsy tapaka izany fivoriana izany hianao, ary mandray anjara dia tsy ho ela, dia ho vonona handray anjara amin’ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra. Misy mpitory efa masaka ara-panahy hiaraka aminao amin’ny fitoriana, mba hanampy anao amin’ny fanaovana ny dingana voalohany, rehefa vonona hitsanga-ko vavolombelona isan-trano isan-trano hianao.

Na dia izany aza, raha te-ho havanana amin’ny raharaham-pitoriana ny Fanjakana, dia tsy ampy ny fahaizana manazava ny fahamarinana ao anatin’ny Baiboly. Tsy maintsy mampifanaraka ny fomba fiainanao amin’ny ilain’ny Tenin’Andriamanitra, momba ny fitondrantena tsara hianao. Henjana ny Baiboly amin’izany: “na ny mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin’olona, na sodomita, (lehilahy mandry amin’ny lehilahy) na mpangalatra, na mpiteny ratsy, na mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra”. Ny olona tahaka izany dia tsy miendrika ho mpitory ny fanjakan’Andriamanitra. Mba hahavonona amin’izany asa izany, dia tsy maintsy manana fiainana araky ny lalam-pitondrantena madio, mifanaraka amin’ny ilain’ny Baiboly.—I Korintiana 6:9,10, MN.

NY AMPISEHON’NY ZAVATRA ILAIN’ANDRIAMANITRA

Aza mihevitra amin’izany fa hoe be loatra ny zavatra angatahina amin’ny mpitory ny fanjakan’Andriamanitra. Azonao atao ny manampy ny ondry hahazo fahalalana momba ny fanjakan’Andriamanitra na dia reny manana zanaka karakaraina, na loham-pianankaviana voatery misahana ny ilain’ny fianakaviana aza hianao. Tsy maintsy mikarakara ny fianakavianao aloha hianao, ary miantoka fa mahazo ny fampianaran’ny Soratra Masina momba ilay Fanjakana izy. Ny fampianarana azony tao anatin’ny fahazazany tamin’i Loisa renibeny sy Eonika reniny no nahatonga an’i Timoty ho lehilahy manana finoana mahagaga araka ny voatantaran’ny Baiboly. Ny tokony ho zava-kendrenao dia ny hanome fanomanana mafy orina noho ny azon’i Timoty, ny zanakao.—II Timoty1:5; 3:14, 15.

Hahita angamba hianao fa tsy hisy fotoana hanampianao ny olon-kafa ankoatry ny fianakavianao intsony noho hianao manala ny andraikitrao momba ny Soratra Masina amin’ny ankohonanao. Fantatra tokoa izany. Ny vavolombelon’i Jehovah koa anefa, dia manana andraikitra amin’ny ankohonany ary na izany aza dia miezaka izy manokana ora folo amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra raha kely indrindra, mitarika fianarana Baiboly any an-tokantranon’ny olona raha azo atao. Ekena tokoa, fa ny Vavolombelon’i Jehovah izay afaka manokana fotoana lehibe kokoa, dia tsy misalasala handany 100 na 150 ora isam-bolana. Manana adidy handinika ny toerana misy azy avy ny tsirairay ary handamina ny raharahany mba ahazoany manao ny asa izay mahafinaritra an’Andriamanitra.—Romana 12:1.

Raha manao ny fanompoana an’Andriamanitra ho loha-laharana hianao, dia ho feno tokoa ny fiainanao, nefa hitondra soa ho anao raha antony tsara no manosika anao hanompo Azy. Tsy ho tretrika hianao raha ny hiseho ho marina eo anatrehan’ny hafa fotsiny no handanianao ora maro amin’ny fitoriana. Fa raha fitiavana an’Andriamanitra no mahatonga anao ho mpitory ny Fanjakana, ary manampy amim-pitiavana sy fahatsoram-po ny hafa hianao mba hahazoany famonjena, dia hahita ny fahasambarana marina hianao!—Matio 22:37-39.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara