Nahoana no maty ny olombelona?
Samihafa ny hevitra. Nefa inona no valiny omen’ny Tenin’Andriamanitra ?
TSY te-ho faty ny olombelona. Maniry hiaina sy hifaly amin’ny fiainana izy. Izany no antony iezahany mafy itadiavany lalana handevonana tanteraka ny aretina ary koa hanalavana ny fiainana. Nefa na dia eo aza izany fiezahana izany dia tombanana eo amin’ny 142 000 ny olona maty isan’andro. Izany hoe ara-keviny, roa isa-tsegondra. Tamin’ny 1932, tany Etazonia fotsiny dia mponina 608 082 no matin’ny aretim-po ary 278 562 no voan’ny cancer. Nefa tsy ampy ho fiononana ho an’izay mitomany ny famoizany ny hava-tsy foiny, ny fahafantarany fotsiny fa miampatra amin’ny olon-drehetra ny fahafatesana.
Mihoatra noho ny fandaharana tsotra fotsiny ny fahafatesana raha ao anaty fisaonana. Fahavalo tsy miantra izy, ary eo anatrehany dia torotoron’ny fahatsapana ny tsy fananan- tsika hery tanteraka isika ka mihika hoe: Nahoana? Nahoana no tonga izao toe-javatra izao? Nahoana no tsy maintsy maty ny havan- tsy foiko ?
FIHEVERANA SAMIHAFA
Manontany tena ny olona rehefa mikapoka ny fahafatesana, raha toa ka sitrapon’Andriamanitra ny ahafaty ny olombelona. Zavatra hafahafa ihany, fa ny fampianaran’ny ankabeazan’ireo fandaminana ara-pivavahan’izao tontolo izao dia mitarika ny sain’ny olona hihevitra fa sitrapon’Andriamanitra ny fahafatesana. Toy izany, tamin’ny desambra 1962, nanazava ny antony namonoan’ny anadahiny an’i Margaret Cadigan, zazavavy mahafatifaty, ny kardinaly katolika romana, Richard Cushing: “Mino aho, hoy izy, fa nahazo ny valiny, ary hany valiny izay azony raisina avy amin’Andriamanitra Tsitoha izy”. Ahoana moa izany valiny izany? ‘‘Tiako hianao ary tiako ho eo anilako”.
Nefa izany ve no antony nanosika an’i Thomas Cadigan hanakenda ny anabaviny? Andriamanitra ve no nanome hevitra azy hamono azy, satria tiany ho eo anilany any an-danitra izy? Izany ve no antony marina nahatonga ny fahafatesana mahery vaikan’i Margaret Cadigan, ary nahoana no olona an-arivony maro isan-taona no maty toy izany koa? Izany koa ve no fanazavana ny fahanterana sy ny fahafatesana? Ny olona misaina dia te-hahazo valiny marim-pototra.
Mihambo ho nahita valiny raha ny amin’ny fahafatesana vokatry ny fahanterana ny siansa: “manana cellules betsaka noho ny tena ilaintsika isika raha mbola tanora” hoy ny fanambaran’ny dokotera Alastair Ward, masoivohon’ny gazety Evening Citizen any Glasgow amin’ny vaovao siantifika. Nefa noho “ny fahasimban’ny cellule mitombo isa hatrany dia misy fotoana izay tsy mahampy isa azy ireny intsony ao amin’ny enti-manao (organe) iray na fitambaran’enti-manao manokana.” Nampiany indray taty aoriana: “Voasarika haingana ho ao anaty fahasimbana isika ary ilay fandaminana sarotry ny vatan’olombelona dia miha-levona ho amin’ny fahafatesana.”
Tsara anefa ny manamarika fa ny manam- pahaizana dia tsy mihevitra ny fahanterana sy ny fahafatesana ho toy ny tsy azo ialana, fa hoatry ny aretina izay antenainy ho sitranina. “Tsy mahita antony aho, hoy ny fanambaran’ny biochimiste William Beck, ao amin’ny maha-izy ny zavatra rehetra, izay maha-tsy azo ialana ny fahafatesana”. Nanamarika koa ny manam-pahaizana Hans Selye, mpitsabo malaza eran’izao tontolo izao, fa azo raisina ho aretina ny fahanterana, ary angamba azo atao ny misakana sy manasitrana azy toy ny aretina hafa rehetra.” Nilaza koa ny dokotera Linus Pauling, nahazo valim-pahaizana tamin’ny loka Nobel, “fa tsy mety maty ny olona araka ny fiheverana. Mifandamina ho azy ny zavatra ao amin’ny tenany. Milina mivoatra samirery izy.” Nefa mbola mitohy maty ihany ny olombelona na eo aza izany fananany fiainana mandrakizay voalaza nefa tsy mbola tanteraka izany. Inona no antony?
Lalana ahazoana miakatra ho amin’ny fiainana any an-danitra, sy fotoana ilan’Andriamanitra ilay olona maty, ho any an-danitra ve ny fahafatesana? Sa tsotra fotsiny kosa, satria, rehefa miha-antitra ny olona dia manimba cellules betsaka noho ny voaforon’ny tenany ny poizina (chimique) ao amin’ny vantana? Izany ve no valiny sa misy fahamarinana marim-pototra kokoa manazava ny antony mahafaty ny olombelona? Ara-drariny mihitsy ny faniriana ahafantatra izay lazain’ny Mpamorona ny olombelona momba izany.
NY VALIN-TENY OMEN’NY BAIBOLY
Tsy azo lavina fa ny tenan’ny olombelona izay iorehana ny namoronana azy dia asa-tanan’ilay Mpamorona lehibe izay mikendry ny fiadanana sy ny hasambaran’ny voahariny. Diniho ireo raharaha mahagagan’ny vatana, indrindra ny fahazoany mitombo, araky ny ambaratonga voafaritra, cellule iray faran’ izay kely ambara-pivoakany avy ao an-kibon- dreniny ho zaza vao teraka manana cellule an-tapitrisany maro. Adalana ny mihevitra fa ireo asan’ny vatana, hoatra ny fiterahana, dia vokatry ny fivoarana miandalana an-jambany ary tsy misy zava-kendreny nandritry ny taona an-hetsiny maro. Tsy tongatonga foana ny olombelona fa asan’ilay Mpampiana- draharaha marani-tsaina.
Mifanaraka amin’izany foto-kevitra araka ny fahamarinana izany ny fampianaran’ilay Boky tranainy indrindra eto ambonin’ny tany, izay mirakitra ny tantara marina mikasika ny olombelona voalohany sy ny namoronan’Andriamanitra azy. Manamarina fa namorona ny olona ho tonga lafatra sy afaka hiaina mandrakizay Andriamanitra, ilay Boky malaza fantatry ny besinimaro amin’ny anarana hoe Baiboly, na hoe koa Soratra Masina fotsiny. Vakintsika izao teny izao ao amin’ny fizarana voalohany amin’izany boky izany, izay antsoina hoe Genesisy: “Ary vovo-tany no namoronan’Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorona ka tonga olombelona izy”. Tonga lafatra izany no namoronana ny olombelona satria hoy ny Baiboly milaza an’Andriamanitra: “Tanteraka ny asany”. — Genesisy 2:7, AC n. m.; Deotoronomia 32:4.
Ny namoronana ny olona ho tanteraka dia milaza fa mahazo manampo ny hiaina mandrakizay tao amin’ilay paradisa teto an-tany ralehilahy sy ny vadiny. Miambina azy, mba ahatanterahan’ny vatany ara-dalana ireo asa izay namoronana azy Ilay Rainy izay any an- danitra raha mbola mankato azy koa izy ireo. Ho voatana ny fifandanjana mba hampiova mandrakariva ny cellules ao amin’ny tenany hampivoaka ny poizina. Manana fahasalamana namirapiratra sy tanjaka lehibe ny vatana ary tsy voasembatsemban’ny aretina. Tsy maintsy nisy zavatra nitranga tao nampiova izany milina tsara izany. Inona no nahatonga ny aretina sy ny fahafatesana hanjaka amin’ny olona?
Tsy afaka ahita ny valiny amin’izany fanontaniana izany ireo manam-pahaizana miakanjo fotsy, manao fanandramana amin’ny tavoahangy kely ao amin’ny trano fiasany. Tsy ao anatin’ny fampianarana ara-pilojofian’ireo mpitondra fivavahana, mahay mandambolambo ny sofin’izay mitomamy ny fahafatesan’ny hava-malalany, ny fahamarinana.
Ny aretina sy ny fahafatesana ary fandroahana ivelan’ny fianakavian’Andriamanitra izany no vokatry ny tsy fankatoavan’ireo ray aman-drenintsika voalohany. Toy ny tsy ahazoana milina tsara rafitra sy milamina amin’ ny lasitra simba no tsy ahazoan’i Adama sy Eva tonga tsy tanteraka hiteraka zaza lavo-rary sy afaka amin’ny fihilanana ho amin’ny ota. Voababon’ny aretina sy ny fahafatesana tabaka azy ireo koa ny taranany rehetra. — Joba 14:4.
Izany fihilalanana ho amin’ny ota izany no niavian’ny herisetra manjaka ankehitriny, toy izay niseho tamin’io zazalahy namono ny anabaviny io. Izany koa no iavian’ny faharatsiana amin’ny tenan’ny olona izay miafara amin’ny fahafatesana ary amin’ny fahanterana sy ny aretina. Mampiseho amintsika mazava tsara izany Paoly apostoly kristiana: “Koa izany, hoy izy, dia tahaky ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria efa samy nanota izy rehetra”. Izany no valin-teny manana fahefana izay omen’ny Baiboly an’izay manontany ny antony maha-antitra ny olombelona sy mahafaty azy ankehitriny. — Romana 5:12, MN.
FANANTENANA HO AN’NY MATY TSY MAHATSIARO TENA
Tsy Andriamanitra, toy ny filazan’ny mpitondra fivavahana maro, fa ny olombelona no manana andraikitra amin’ny herisetra izay mampisaraka ny havan-tsy foy amin’ny fianakaviana. Manao fandaharana Andriamanitra mba hiainan’ny olombelona sy hifaliany amin’ ny fiainana, nefa nikomy ireo mpivady voalohany ary nitarika fanamelohana ho faty ho azy ireo sy ny taranany izany. Tsy milaza izany fa ho any an-danitra izy, satria ny Baiboly mampianatra fa amin’ny fotoana ahafatesana dia miala ilay herin’ny fiainana izay mahavelona ny olombelona ary “miverina ho amin’ny tany izy, ary amin’izay indrindra no ahafoanan’ny fikasany.” — Salamo 146:4, Li.
Hita amin’izany fa mamitaka ny olona ny mpikambana ao amin’ny klerjy ary mandainga raha milaza fa ny fahafatesana dia toerana manelanelana, fahafahan’ny fanahy, mialoha endri-piainana hafa. Fanahy ny olombelona “tonga manan’aina izy”. (Genesisy 2:7, AC n.m.; I Korintiana 15:45). Milaza im-betsaka ny fanahy (ậme) ho toy ny mety maty ny Baiboly; ohatra, vakintsika ao amin’ny Ezekiela faha-18 andininy faha-4: “ny fanahy (ậme) izay manota no ho faty”.
Marina fa tsy mahatsiaro tena ny olona rehefa maty, tsy afaka mandre na inona na inona, nefa manome fanantenana lehibe momba ny fitsanganana amin’ny maty ny Soratra Masina. “Aza gaga hianareo fa ho avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony ary dia hivoaka izy”. Mampahery ny mahafantatra ny fampanantenana tsara omen’Andriamanitra momba ny fitsanganana ho amin’ny fiainana na dia fahavalo mahatahotra aza ny fahafatesana. — Jaona 5:28, 20, MN.