Mampahatezitra ny hafa va hianao?
TSY ISALASALANA fa efa nahita olona betsaka nanaonao foana izay tsy tokony nataony sy niteniteny foana izay tsy tokony noteneniny hianao, noho ny hatezerana. Koa rehefa mahatsiaro tena izy fa nentin’ny fahatezerana, dia manao teny fialan-tsiny. Angamba efa nahatsapa ny fahatezerana toy izany hianao ary voaporofonao arak’izany ny vokatra ratsy ateraky ny asa tsy misy fiheverana, natao tamin’ny fibaikon’ny fahatezerana.
Ao amin’ny Baiboly dia misy ohatra iray azontsika jerena, dia lehilahy iray nitondra tena tamin’ny fomba tsy voatandrina, noho ny fibaikon’ny fahatezerana. Tsy iza fa Mosesy izay nomen’ny Isiraelita fahatezerana tamin’ny fotoana nandehanan’izy ireo ho any amin’ny Tany nampanantenaina. Ny Isiraelita, izay nitabataba aok’izany, dia nangataka rano hosotroina. Dia nilaza tamin’i Mosesy Andriamanitra hiteny amin’ny vatolampy mba hampivoaka rano io vatolampy io. Mosesy anefa nisafoaka ka nilaza tamin’ny Isiraelita hoe: “Mihainoa ry mpiodina! Moa amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?” (Nomery 20:10). Tena misy hadisoana lehibe tokoa nataon’i Mosesy tamin’io fitenenana io. Hoy izy raha nentin’ny fahatezerana: “Hampivoahanay rano ho anareo”, izany hoe nofoanan’i Mosesy tamin’io teny nataony io ny voninahitra izay tokony ho an’Andriamanitra noho io asa io, ary nomarihin’Andriamanitra taminy izany tamin’izao teny izao: “Satria tsy nino ahy hianareo hanamasina ahy eo imason’ny zanak’Isiraely.”—Nomery 20:12.
Nohana ary Mosesy no nanota tamin’ny molotra? Nahoana izy no nanao zavatra tsy tamim-pitandremana? Ho betsaka mihitsy angamba ny olona hanome tsiny an’i Mosesy avy hatrany, ka hilaza fa tsy nahay nanindry ny fony izy. Kanefa, moa va Mosesy efa nanana toetra ratsy izay mitady antony mandrakariva hanamarinan-tena? Mifanohitra amin’izany! Ny tantara ara-tsindrimandry ao amin’ny Baiboly, dia milaza amintsika fa “Mosesy dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra aty ambonin’ny tany”. (Nomery 12:3, Da). Tsia, tsy olona tsy manam-piheverana akory Mosesy, saingy nanao asa tsy tamim-piheverana kosa izy tamin’io indray maka io noho ny faneren’ny Isiraelita sy ny fanebahany azy. Dia tezitra Mosesy, eny, nirehitra ny fahatezerany noho ny asa ratsin’ny Isiraelita mpiodina.
Nirehitra tokoa ny fahatezeran’i Mosesy, araka ny voalazan’ny Salamo 106:32, 33 (Da) manao hoe: “Nampahatezitra an’i Jehovah teo anilan’ny ranon’i Meriba ireo, ka nisy nanjo an’i Mosesy noho ny nataon’ireo; fa niodina tamin’ny fanahin’i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.” Ny Isiraelita arak’izany no tompon’andraikitra lehibe amin’ny fahatezerana nampitroatra an’i Mosesy.
Im-betsaka mihitsy koa ny Isiraelita no efa nampahatezitra an’Andriamanitra mihitsy. “Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan’i Jehovah ny olona, ary nony ren’i Jehovah izany dia nirehitra ny fahatezerany.” (Nomery 11:1, AC). Ao amin’ny Deoteronomia 32:21 koa, dia ahitantsika izao teny izao: “Izy efa nampahasaro-piaro ahy tamin’izay tsy Andriamanitra, sy nampahasosotra ahy tamin’ny zava-poanany.” Eny, na Andriamanitra aza dia tezitra koa. Inona no antony? Noho ny lalan-dratsy nizoran’ny Isiraelita. Saingy nahafehy tena tamin’ny hatezerany Andriamanitra; fa ny an’i Mosesy kosa tsy toy izany.
Izany rehetra izany dia mampiseho fa fahadisoana ny mampahatezitra ny hafa. Ny olona tezitra dia mety hiteniteny foana sy hanaonao foana tsy amim-piheverana, satria tsy manana fahaiza-manindry fo tanteraka tsy hitroatra sahala amin’Andriamanitra izy. Raha manao izany izy, dia hitondra tena ratsy, kanefa inona no antony mahatonga izany toetra ratsiny izany? Nisy olona nampahatezitra azy tao tamin’ny fitenenana na fanaovana zavatra izay nanafintohina azy. Moa va tsy manan-tsiny ny olona nahatonga izany fahatezerana izany? Tsia! Raha tahiny tsy nanafintohina ilay olon-kafa izy, dia tsy nanana fahatezerana angamba io olona io ary tsy nanao zavatra tsy tamim-pitandremana, sahala amin’ny nanjo an’i Mosesy. Mosesy dia “olona malemy fanahy mihoatra ny olona rehetra”, ary tsy ho very taminy mihitsy akory ny fahaiza-manindry fo raha tahiny tsy tafahoatra ny zavatra nampahatezeran’ny Isiraelita azy.
Koa na dia azonao atao aza ny milaza fa izy olona tezitezi-poana tsy amin’ny antony, dia tsy mampihatra ny fitiavana kristiana, dia tokony fantatsika koa fa ny olona manao zavatra miteraka fahatezerana ho an’ny olon-kafa, dia manao fahadisoana lehibe tokoa. Marina fa, amin’ny fiainana andavanandro dia manao fahadisoana lehibe tokoa. Marina fa, amin’ny fiainana andavanandro, dia “tsy mora sosotra” ny fitiavana kristiana (I Korintiana 13:5, MN). Kanefa dia marina loatra koa, fa ny fitiavana kristiana dia tsy manao izay hahasosotra ny olon-kafa. Araka ny marina, ny fampahasosorana ny hafa amin’ny tsy antony, dia fanehoam-pankahalana. Hoy tokoa mantsy ny voasoratra hoe: “Ny fankahalana dia manetsika ady.” (Ohabolana 10:12). Eny iaraha-mahalala fa ireo olona izay manana andraikitra amin’ny fitondran’olona, dia matetika voatery hanao fananarana sy fanitsiana, izay na dia ataony amim-pitiavana izao aza, dia mety hahatezitra ny hafa. Kanefa izany fahatezerana izany dia tsy ny fahatezerana tsy misy antony izay mateti-pitranga amin’ny fiainana andavanandro akory, ary fahatezerana fakafakaintsika eto.
Ny olona tsy manan-katao afa-tsy ny manaratsy ny hafa, fa tsy mba manao tenim-pitiava-namana, izany hoe tia ny manao fanakianana fa tsy mba ny famelana ary tsy mba miraharaha ny tsy fahalavorarian’ny olombelona fa manao izay hahatezitra lava ny hafa, dia olona tia ady. Tokony ho fantatry ny olona manana toetra toy izany fa tsy ho faly aminy akory ny olon-kafa, satria mifanohitra amin’ny maha-olombelona ny olombelona ny zavatra ataony, dia ny maha-olombelona izay tsy tia ny fampahatezerana amin’ny tsy antony ataon’ny hafa aminy. Koa mitovy amin’inona ary ny olona miteniteny foana tsy amim-piheverana arak’izany? Izao no avalin’ny Baiboly: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana, ka tonga toy ny fanindronan’ny sabatra.” (Ohabolana 12:18). Inona no ho vokatr’ izany toetra izany? “Ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1). Raha tahiny ataonao izay hampahatezitra ny hafa, dia aza gaga hianao arak’izany raha mahita azy tezitra.
Koa tsy toetra kristiana arak’izany ny mampahasosotra ny hafa tsy misy antony, amin’ny heviny sy ny asany. Fanaovana tsinontsinona ny didy fototra lehibe nolazain’i Jesosy Kristy izany, dia ilay manao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39). Ny fanorisorenana ny hafa dia mety hitarika azy hanao fahadisoana, toy ny nanjo an’i Mosesy tao Meriba. Ary mba ahoana no itsaran’Andriamanitra ny olona tompon’andraikitry ny fivilian’ny hafa ho amin’ny lalan-dratsy? Izao no ambarany amintsika ao amin’ny Teniny: “Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ny lalan-dratsy, dia ho lavo amin’ny lavaka nataony.”—Ohabolana 28:10.
Ny olon-kendry dia mitondra fanasitranana amin’ny teny ataony sy ny asany fa tsy manao izay hahatezitra ny hafa. “Ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” (Ohabolana 12:18). Fantatry ny olon-kendry mantsy fa ny fanahy iniana sy fihatsiana, dia mahatonga fahatezerana ho an’ny hafa ka handosirany mandrakariva ny hanao izany. Iezahany hatrany izay hahatsindriny ny fony mba hanaovany zavatra tsara, fa tsy zavatra ratsy. Alohan’ny hanarahana fitsipi-pitondrantena mety hampahatezitra ny hafa, dia manadin-tena ny olon-kendry amin’ny fanontaniana hoe: “Moa va ho tiako ny hilazan’ny olon-kafa na hanaovan’ny olon-kafa izany amiko?”
Manahafa ary ny olon-kendry. Miezaha arak’izay azonao atao mba tsy hanao izay hahatezitra ny hafa. Ampiaro ny teny nataon’i Jesosy momba ny fifandraisan’ny olona, dia ilay manao hoe: “Koa amin’izany, na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.”—Matio 7:12.