Nahoana no misy fanekena roa momba ny hanomezana ny herin’ny Fanjakana?
NY fanekena dia mety ho fifanarahana amin’ny andaniny roa, na mety ho faneken’ny andaniny ara-dalàna hanao zavatra ho an’ny ankilany. Raha vao vita ara-dalàna ny fanekena tsy azo tsoahina intsony, dia toa tsy misy antony na dia kely akory aza tokony hanamafisana azy amin’ny fanekena hafa iray koa na hamerenana azy. Ao amin’ny Baiboly anefa, dia hitantsika fa nanao fanekena roa Andriamanitra mba hanomezana ny herin’ny Fanjakana ho an’i Jesosy Kristy Zanany. Ny iray dia nataony tamin’ny alalan’i Davida, ary ny iray tamin’i Jesosy Kristy izay nasehon’i Melkizedeka an-ohatra. Nahoana no misy ireo fanekena roa ireo ? Mitovy ve izy ireo?
NY FANEKENA TAMIN’I DAVIDA
Tamin’ny fanekena nataony tamin’i Davida, dia izao no nolazain’Andriamanitra, ankoatry ny zavatra hafa: “Ary rehefa tapitra ny andronao ka hodimandry any amin’ny razanao hianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay naterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany. (...) Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.” — II Samoela 7:12-16.
Tsy nivadika tamin’ny teny nataony Jehovah, ka taty aoriana dia nataony izay hipetrahan’ny taranak’i Davida ara-nofo teo amin’ny seza fiandrianana, tetỳ an-tany, tany Jerosalema, ho toy ny solon-tenany. Nanjaka ny taranak’i Davida, hatramin’ny andron’i Zedekia, ilay mpanjaka ratsy fanahy; namoaka didy ary Jehovah fa tsy hisy intsony io fanjakana an-ohatra io, “ambara-pahatongan’ilay tena tompony tokoa.” Ilay tena tompony tokoa dia ny Zanak’Andriamanitra; naterak’i Maria virijinina, avy tamin’ny taranak’i Davida izy. Noho izany, raha nilaza ny nahaterahany ny anjely Gabriela, dia nanantitrantitra, arak’izany hoe: “Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy, ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” — Ezekiela 21:32; Li; Lioka 1:32, 33, MN.
Inona no fampanantenana hentitra nataon’Andriamanitra tamin’ireo mpandova an’i Davida tamin’io fanekena io? Nomen’Andriamanitra fahefana hanjaka teo amin’ny seza fiandrianana tetỳ an-tany ihany izy ireo. Tsy nampanantena na inona na inona, ambonin’izany izy: tsy afaka nanantena zavatra hafa ireo mpandova an’i Davida. Nisy fomba niheverana ny amin’izany toy ny fiheverana nananan’ny apostolin’i Jesosy koa, izay niharihary tamin’ny fanontaniana napetrak’izy ireo tamin’i Jesosy, taorian’ny nitsanganany, rehefa niseho tamin’izy ireo nitafy nofo izy: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakan’Isiraely?’’ Mbola nandrasana ihany ny hijoroan’ny fanjakan’i Davida tetỳ an-tany, izay rava tamin’ny taona 607 talohan’i J.K., satria tsy fantany fa tsy izany no fampanantenana tamin’ilay fanekena tamin’i Davida. — Asan’ny Apostoly 1:6, MN.
Tamin’io resadresaka io ihany, izay nataon’i Jesosy tamin’ny mpianany, dia nanome azy ireo izao toro-hevitra izao izy: “Aza miala eto Jerosalema, fa miandrasa hatrany izay nampanantenain’ny Ray.” (Asan’ny Apostoly 1:4, MN). Tanteraka ilay teny fikasana, taoriana kelin’izay, tamin’ny andro Pentekosta, tamin’ny taona faha-33 amin’izao fanisantsika taona izao, rehefa nandatsaka ny fanahin’Andriamanitra tamin’izy ireo Jesosy; tamin’izay fotoana izay vao nanomboka nahafantatra ny zavatra ara-panahy izy ireo. Tamin’ny herin’ny fanahy masina, dia nahariharin’ny apostoly Petera tamin’ireo mpihaino azy ny fahambonian’ny toerana misy an’i Jesosy, oharina amin’ny an’i Davida nodimbiasany, raha nilaza toy izao izy: “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, (...) ary nasandratra ho eo an-kavanan’Andriamanitra izy (...). Raha ny marina dia tsy niakatra ho any an-danitra Davida, nefa izy ihany no nilaza hoe: ‘Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: “Mipetraha eo an-kavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.” ” (Asan’ny Apostoly 2:32-35, MN). Arak’ireo andalan-teny ireo, dia handray seza fiandrianana ambonv noho ny seza fiandrianana nanjakan’i Davida tetỳ an-tany, Jesosy. Ho any an-danitra ny Fanjakany ary hanapaka ambonin’ny tany manontolo izy.
Na dia Davida koa aza, rehefa nomen’Andriamanitra tsindrimandry, dia nampiseho fa ambony kokoa ny toerana ho tanan’ny Zanak’Andriamanitra atỳ aoriana, noho izay mety hampandovainy azy; izany no antony nilazany azy tamim-paminaniana hoe “Tompony”. (Salamo 110:1.) Ary ny amin’ny Fanjakana izay holovan’ny Zanak’Andriamanitra, dia izao no voalaza mialoha ao amin’ny Daniela 7:13, 14:“Ary nijery aho tamin’ny fahitako tamin’ny alina, ka indro nisy toy ny zanak’olona, avy tamin’ny rahon’ny lanitra; ary nankeo amin’ny Fahagola izy, ka nampana-kaikeziny azy. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana izy; ary nanompo azy ny olona rehetra, sy ny firenena, sy samy hafa fiteny. Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava mihitsy.”
Rehefa vitan’i Jesosy ny asany tetỳ an-tany, dia “natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izy ka (...) nampitoeriny eo an-kavanany, any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’izao fandehan-javatra izao ihany, fa amin’ilay ho avy koa.” (Efesiana 1:20, 21, MN). Tamin’io daty io, izany hoe tamin’ny taona faha-33 amin’izao fanisantsika taona izao no nampiharina ny Salamo 110:1 (AC). Izao no vakintsika ao amin’io andininy io: “Jehovah niteny tamin’ny Tompoko hoe: ‘Mipetraha eo an-kavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ ” Sivin-jato sy arivo taona tatỳ aoriana, tamin’ny fifaranan’ny “fotoana voafetra ho an’ny firenena”, izany hoe tamin’ny taona 1914, dia nanome ny baiko voalaza ao amin’ny andininy manaraka, ao amin’io Salamo voalaza etsy aloha io, ho an’ny Zanany Mpanjaka, Jehovah: “Manjakà eo afovoan’ny fahavalonao”. Ny toerana tanan’i Jesosy amin’ny maha-mpanjaka azy ary, dia ambony lavitra noho ny an’i Davida tamin’ny fotoana nanjakany.
NY FANEKENA MOMBA NY FANJAKANA ANY AN-DANITRA
Mampiseho zavatra hafa koa ve izany toeran’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka azy izany? Eny. Ao amin’io Salamo io ihany, andininy roa aoriana, dia izao no nambaran’i Davida tamin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra: “Ny Tompo [Jehovah] efa nianiana ka tsy hanenina: ‘Hianao no mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka.”’ (Salamo 110:4, AC). Mirakitra fampanantenana ara-dalàna hafa iray koa momba ilay Mesia ho avy, io teny ao amin’ny Baiboly io, dia fampanantenana natao tamin’ny fianianana, ary nolazaina voalohany, tamin’ny andron’i Davida Tsy hoe ho ambony noho ny an’i Davida fotsiny ny Fanjakan’i Jesosy, fa ho mpisorona sady mpanjaka koa Jesosy, ary izany, dia zavatra tsy nety tamin’ny fanekena tamin’i Davida, satria ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraely, dia nampisaraka tsara ny fanjakana sy ny fisoronana. Ny toetry ny asa manokana nataon’i Melkizedeka dia nahatonga izany tsy ho azo afindra. Nofoanana io raharaha io araka ny fandaharan’Andriamanitra, mandra-pahatongan’ny fotoana voafetra izay nananganan’Andriamanitra an’i Jesosy ho mpanjaka sy mpisorona ara-panahy. Tsy voatonona ao amin’ny Soratra Masina izany raha tsy tamin’ny andron’i Paoly, raha nanadihady ny amin’io zavatra io izy, ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny kristiana hebreo tany akaikikaikin’ny taona faha-61 amin’izao fanisantsika taona izao.
Misy angamba hamaly hoe: “Moa azo atao ve ny milaza fa ny fanekena momba ny fanjakam-pisoronana dia manome alàlana an’i Jesosy handray fanjakana sy fisoronana any an-danitra, nefa Melkizedeka dia olona toa an’i Daniela ihany?” Jesosy dia tsy nandova ary tsy mandova an’i Melkizedeka. Nefa nisy toe-javatra hita teo amin’i Melkizedeka, izay toa ninian’Andriamanitra natao, indrindra noho ny antony ara-paminaniana. Hita tamin’izany fa tsy avy tamin’ny ray amin-dreniny ara-nofo, ny raharahan’i Melkizedeka. Mampahatsiaro izany toe-javatra izany Paoly, ao amin’ny Hebreo 7:3 (MN): “Tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan’andro na faran’ny fiainana [satria tsy voatantara ny momba ireo filazalazana ireo] fa natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra, izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay.” Toy izany koa, ny fanokanana an’i Jesosy ho Mpisoronaben’Andriamanitra dia tsy miankina amin’ny fianahana ara-nofo, na ny firazanana. Tsy azon’i Jesosy natao velively ny ho tonga mpisorona jiosy, tetỳ an-tany, satria ny faneken’ny Lalàna nanankery mandra-pahafatiny, dia mametra ny fisoronana jiosy ho an’ireo taranak’i Arona, avy amin’ny fokon’i Levy ihany. Nefa tonga mpisorona ara-panahy, Jesosy.
Fantatry ny apostoly Paoly koa fa tsy ho tonga tanteraka Jesosy, ao amin’io raharaha ara-panahy io, raha tsy amin’ny fitsanganany avy amin’ny fahafatesana ho sorona sy ny fanandratana azy ho eo an-kavanan’Andriamanitra, any an-danitra; hita izany amin’ny fampiharan’i Paoly, amin’i Jesosy Kristy tsy nanendry tena, na nanandra-tena, ny teny faminanian’i Davida, momba an’i Melkizedeka; izao no nolazainy: “Tsy Kristy no nanandratra ny tenany ho tonga mpisoronabe, fa ilay nanao taminy hoe: ‘Zanako hianao, tonga rainao aho androany.’ Toy izany koa no nolazainy eo amin’ny teny hafa: ‘Hianao no mpisorona mandrakizay, araka ny fanaon’i Melkizedeka.’” — Hebreo 5:5, 6, MN.
Tamin’ny nanehoany tsi-fivadihana dia nahariharin’i Jesosy, tamin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho any an-danitra, fa izy dia mendrika fisoronana sy fanjakana ambony sy tsara lavitra, amin’ny halehibeny, noho ny an’ireo mpisorona levita sy mpanjaka jodiana. Ny fandaharan’Andriamanitra any an-danitra mikasika ireo asan’i Jesosy ireo dia ao anatin’ilay fanekena momba ny fanjakam-pisoronana. — Hebreo 7:4-17.
Voalazan’ny Baiboly fa misy mpanjaka 114 000 nofidina tao anatin’ny olombelona maro, hiara-hanjaka amin’i Kristy any an-danitra. Ny omalin’ny ahafatesany dia izao no nambaran’i Jesosy tamin’ireo apostoliny izay nahazo fiantsoana voalohany ho any an-danitra, tamin’io kilasin’ny handray fanjakana io: “Manao fanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Ray fanekena tamiko, momba ny fanjakana.” (Lioka 22:29, 30, MN). Ireo mpandova ny Fanjakana 144 000 ireo, dia tsy taranak’i Davida mpanjaka ary tsy mpandova ara-nofo ny seza fiandrianany. Tsy voafaoka ao ana- tin’ny fanekena momba ny fanjakana, natao tamin’i Davida izy ireo. Nefa toy ny nanjakan’Andriamanitra teo amin’ireo foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely ara-nofo, dia toy izany koa no hanjakan’izy ireo miaraka amin’i Kristy, eo amin’ireo izay nasehon’ireo foko “roa ambin’ny folon’ny Isiraely” an-ohatra, izany hoe ny olona rehetra izay hiaina etỳ an-tany mandritry ny hanjakany arivo taona.
Ho tonga mpanjaka sy mpisorona ireo mpiara-mandova amin’i Kristy ireo, tsy noho ny fandovana ara-nofo, fa noho izy ireo nofidin’Andriamanitra sy nosorany. Araka ny fanambaran’ny apostoly Petera, dia tonga “fanjaka-mpisorona” izy ireo (I Petera 2:9, MN). Tonga mpisorona manjaka miaraka amin’i Kristy izy, toy ny nanehoan’ilay fanekena momba ny fanjakam-pisoronana azy. Izao no voasoratra momba azy ireo: “Ho mpisoronan’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy mandritry ilay arivo taona.” — Fanambarana 20:6, MN.
Ahoana ary ny amin’ilay fanekena tamin’i Davida, momba ny fanjakana etỳ an-tany? Foana ve izany? Tsia dia tsia. Toy ny nolazain’ny anjely Gabriela, dia manjaka “eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Kristy, ka ny fanjakany dia tsy hanam-pahataperana”. Nefa ny fanjakana dia avy any an-danitra, amin’ny alalan’ilay notendren’Andriamanitra ho mpanjaka sady mpisorona, noho ny fandaharana ao amin’ilay fanekena momba ny fanjakam-pisoronana. Mandra-pahoviana no haharetan’izany? “Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka” izy. Noho izany, ilay fanekena momba ny fanjakan’i Davida, sy ilay fanekena momba ny fanjakam-pisoronana any an-danitra dia samy natao ho fanatanterahana — mba hanasoavana ny olombelona — ny fandehan-javatra vaovao izay ho ambony lavitra noho izay hitan’ny olona hatramin’izay.