FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/7 p. 153-159
  • Ario ny toetra taloha raha te-ho velona mandrakizay hianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ario ny toetra taloha raha te-ho velona mandrakizay hianao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka ny vokatry ny fanahy hanova ny toetranao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • “Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Afaka Manala ny ‘Toetra Taloha’ Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • ‘Velona ny Tenin’Andriamanitra’
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/7 p. 153-159

Ario ny toetra taloha raha te-ho velona mandrakizay hianao

“Ario ny toetra taloha sy ny asany ka tafio ny toetra vaovao.”—Kolosiana 3:9,10, MN

1, 2. Inona no hevitra mahavariana azo tsoahina avy amin’ny sary momba ny hazo namoa voa tsara sy ny tsy namoa voa tsara?

NAHITA saha noheveriny fa haolo ity lehilahy iray, raha nitsangatsangana tany ambanivohitra. Ny marina anefa, dia an’ny olona kamo ratsy, tsy miraharaha na inona na inona, io saha io. Heniky ny ahidratsy ny tanimboly ary tsy nahazoana afa-tsy voankazo feno olitra ny sahan’ny hazo fihinam-boa. “Fanaovana tsirambina re izany!”, hoy ny eritreritr’ilay mpitsangatsangana nararirary ovana. Rehefa tonga teo amin’ny fiolahan-dalana anefa izy. dia nisava ny alahelony, satria tonga teo anoloan’ny fonenana iray voakolokolo tsara, voahodidina tanimboly sy saha nisy hazo fihinam-boa vokatra tsara izy. Raha nahatsikaritra ny ratsan’ny hazo tsirairay avy navesatry ny voany tena tsara dia tsara ilay lehilahy, dia tsy naharitra fa niloa-bolana hoe: “Hakanton’izay zavatra re izany! Mahalasa ny fisainana hieritreritra ny amin’ny Paradisa!”

2 Taty aoriana dia novidin’ilay mpamboly be herim-po ny saha nisy hazo fihinam-boa tsy voa kolokolon’ilay mpiara-monina taminy, ka natsarainy ny tany ary nokolokoloiny ny hazo. Niasa niafy izy mba handrantsana ny hazo maina sy ny tsiriny tsy nilaina. Nataony izay hahalonaka ny tany manodidina ny fototry ny hazo ary notofiriny fanafody ny hazo mba hiarovana azy amin’ny aretina sy ny bibi-kely mpanimba. Rehefa izany, dia nisaotra ny Mpamorona azy io mpamboly natahotra an’Andriamanitra io nony nanomboka namoa voa tsara ny hazo. Fantatry ny mponina tamin’io faritany io tamim-pahagagana fa nahavita izany fanovan-javatra mampitolagaga izany izy. Tonga nahavokatra ilay saha nisy hazo fihinam-boa tsy zarizary teo noho ny asa niafy nataon’ny mpamboly be herim-po iray izay notahin’i Jehovah ny fikelezan’aina!—I Korintiana 3:6, 7.

3. Inona no fiovàna misy amin’izao fotoana izao mbola mahavariana kokoa noho ny niasana indray ny tany misy hazo fihinam-boa iray?

3 Mbola tsy nahita fiovana toy izany tamin’ny saha misy hazo fihinam-boa mihitsy angamba hianao. Nefa na iza hianao na iza ary na toerana aiza na toerana aiza misy anao, na inona na inona fiteninao, dia ampy ho anao ny mijery ny manodidina mba handinika fiovana mbola mahavariana kokoa noho izany. Fa sary mampiseho izay misy any amin’ny tany sy nosy maherin’ ny 190, eo amin’ny olona miteny amin’ny fiteny maherin’ny 160, io tantara kely momba ny saha nisy hazo fihinam-boa io. Olona an-hetsiny eran’izao tontolo izao no eo an-dalan’ny fanovana ny fomba fiheviny sy fiasany. Mikely aina izy ireo mba hanova ny toetrany hahazoany miaina mandrakizay!

4. Inona no mahagaga ny ankamaroan’ny olona amin’ ny vavolombelon’i Jehovah?

4 Ny olona manova ny toetrany toy izany, dia fantatra amin’ny anarana hoe: vavolombelon’i Jehovah. Tsy isalasalana fa rehefa mandom-baravarana ao aminao izy ireny, dia voamarikao, amin’ny firesahana aminy fa miavaka amin’ny olon-kafa izy amin’ny lafiny maro: eo amin’ny fiheverany ny fiainana, ny fomba fiteniny, ny fitondrantenany, ets... Fa izay mahagaga ny ankamaroan’olona dia ny fahalalana fa nisy fotoana tamin’ny fiainan’izy ireny, indraindray vao taloha kely foana, izay nitenenany sy nitondrany tena tsy misy hafa amin’ny olon-kafa. Nefa rehefa tonga vavolombelon’i Jehovah izy, dia nanova ny toetrany ho tena vaovao. Moa tsy zava-mahagaga va izany ?

5, 6. Inona no fehin-kevitra azontsika tsoahina rehefa avy nandinika ny toe-piainana manjaka eto amin’ izao tontolo izao ankehitriny isika?

5 Mazava kokoa ny maha-zava-dehibe izany fiovan-toetra izany rehefa atao ny fampitahana ny vavolombelona amin’ny an-kapoben’olona. Jereo kely ny mponina eo amin’ny tanànanao. Inona no hitanao ? Karazan’olona inona no hifaneraseranao ao amin’ny fonenana sy ny toerana fiasanao ? Mamoa voa tsara sa voa ratsy ny toetran’ ny ankamaroan’ireny olona ireny? Raha monina any ambanivohitra hianao, na ao amin’ny tanana kely hijoalajoalan’ny tilikambom-piangonana, dia mety tsy hahatonga fandrahonana amin’ny ainao sy ny fanananao angamba ny mpiara-monina.. Na izany aza anefa, dia mahatsikaritra matetika hianao fa tia fifampiandaniana, tsy mifandefitra ary mpihatsaravelatsihy ny olona. Tsy mahalana no andrenesana azy manoso-potaka ny mpiara-belona aminy sy ahitana azy manao valifaty amin’ny fomba hafa. Indraindray izy ireny dia manao zavatra maizimaizina eo amin’ny ara-tsosialy ary tsy zarizary fitondrantena. Isan’ andro hianao dia mandre azy ireny manao teny maloto na teny tena tsy mendrika mihitsy aza.

6 Raha toa kosa hianao monina ao amin’ ny tanan-dehibe, dia hahatsapa mora foana fa lò ny voa azo avy amin’ny olombelona miharatsy, amin’izao fotoana izao. Matahotra ny mpiara-belona aminao hianao, ka manidy mafy ny varavarambe amin’ny hariva. Raha manan-janaka hianao, dia matahotra sao hopaohin’ny olon-dratsy izy. Na dia eo amin’ny fanaovana fifampiraharahana aza, dia vitsy ny olona azonao ametrahana ny fitokisana. Porofon’izany ny fisian’ny fanamafisana an-tsoratra eo amin’ny ankamaroan’ny fifanekena mba hanerena ny mpifanaiky hitana ny teny nataony, fa tsy ampy intsony ny fifanarahana am-bava fotsiny. Ny vaovao vakina amin’ny gazety, heno amin’ny fampielezam-peo, sy hita amin’ny televiziona ary koa ny fanisana ny heloka bevava sy ny faniavana, dia mampiharihary fa mamoa voa ratsy sy misy poizina ny taranaka ankehitriny. Ahitana olona tia tena eo amin’ ny toerana ara-tsosialy sy ara-pitondrana. Mifanditra sy miady toy ny bibi-dia ny olona. Ny maro aminy, dia mpandainga, mpanao an-keriny, mpangalatra sy mpisoloky. Ny sasantsasany dia olo-meloka sy mpilefa. Matetika no andrenesana ny amin’ ny mpamono olona amin’ny fampijaliana na olona adalam-pijangajangana izay mamely olona tsy afaka hiaro tena. Mihamilomano amin’ny fijangajangana, ny fakam- badin’olona sy ny karazam-pitondrantena maloto eo amin’ny lehilahy samy lehilahy, ny olombelona. Na dia ao amin’ny toerana ambony aza, dia misy vehivavy janga manao izany ho asany, misy mpanera vehivavy janga sy mpanao fitondrantena maloto amin’ny zazalahy kely. Olona an-arivony no milomano amin’ny fisotroana sy ny fifohana. Tsy hoe mampitombo zavatra raha milaza fa kirihitr’ala maloto, feno olona mifanahim-biby izay manao ny mpiara-belona aminy ho rembiny, ny tany manontolo.

NY ANTON’IZ ANY TOE-JAVATRA RATSY IZANY

7. Manao ahoana no fiasa maherin’ny fandovan-toetra eo amin’ny toetoetsika?

7 Tsy mianina amin’ny sarintsarim-panazavana fotsiny ny olona tia mandini-javatra. Te-hahafantatra ny tena fototr’izany toe-javatra maharikoriko izany izy, ary te-hahalala ny fanafodiny raha toa misy fanafodiny izany. Ho hitany fa ny toetra ratsy voatonona etsy ambony dia mety ho nolovaina, na mety ho avy tamin’ny herin’ ny manodidina. Nafindran’ny ray aman-dreny tamin’ny zanany ny fitohizan’ny taom-pahotana miavosa sy taom-pahafatesana efa ho 6000. “Ary tamin’ny olona iray [Adama] no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka (...) nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” “Ny tsi-ankatoavan’ny olona iray no nahatonga ny maro ho mpanota.” (Romana 5:12, 19, MN). Noho izany no niaiken’i Davida fa teraka “tamin’ny ota” izy na dia “olona nankasitrahan’ny” fon’i Jehovah aza. (Asan’ny Apostoly 13:22, MN; Salamo 51:7.). Ny amin’ny taranak’i Adama mpanota dia izao no voasoratra: “Tsy misy marina na dia iray akory aza.” Nanontany koa Joba hoe: “Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio?”—Romana 3:10, MN; Joba 14:4.

8. Inona no vokatry ny herin’ny manodidina?

8 Ny zavatra manodidina sy ny tany anirian’ny zana-kazo iray indrindra, no antoky ny fitomboany sy ny hatsaran’ny voany. Marina koa izany fitsipika izany eo amin’ny olona. Raha mbola eo amin’ny fahazazany izy, dia efa miaina eo afovoan’ ny toe-piainana ratsy eto amin’izao tontolo izao simba. Mety ho tsara ny toe-piainana tarihin’ny ray aman-dreny ao an-tokantrano (na dia mahalana aza izany amin’izao androntsika izao), nefa any ivelan’ny akanim-pianakaviana, dia ianjadian’ny fitarihana mahery vaika sy lozabe, ny tanora. Voatery hifampikasoka amin’ny zaza tsy dia tsara taiza loatra ny zaza tsara taiza. Na ao anatin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana na any ivelany, ny fianarana omena dia avy amin’ny fandehan-javatra ratsy tarihin’i Satana, Devoly sy ny demoniany.—Jaona 12:31; II Korintiana 4:4; Efesiana 2:2, MN.

9. Nahoana no niharatsy ny toe-piainana, Indrindra fa hatramin’ny taona 1914?

9 Aza adinoina fa nanomboka tamin’ny taona 1914, daty niatombohan’ny Ady Lehibe voalohany, dia mandia fotoam-pahoriana sy fahasahiranana isika. Toy izao no nanambaran’ny Baiboly mialoha ny zavatra hiseho nanomboka tamin’io taona io: “Dia nazera tany ivelan’ny lanitra ary ilay dragona lehibe, ny menarana voalohany ilay atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany onenana rehetra, nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-nazera taminy. (...) [Noho izany] loza ho an’ny tany sy ny ranomasina fa nidina ho any aminareo ny Devoly manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.”—Fanambarana 12:9, 12, MN.

10. Ahoana no filazalazana marina nataon’i Paoly momba ny toetry ny olona miaina amin’izao androntsika izao?

10 Amin’izao fotoana izao isika dia miaina ao amin’io “andro kely sisa” io, na ny andro faran’ny fandehan-javatra tapahin’ ny Devoly. Izao no fampiomanan’i Paoly apostoly nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra, momba izao androntsika izao : “Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro sarotra, tsy ho mora setraina.” Rehefa izany, tamin’ny fanehoany fa tena ho sarotra sy tsy ho mora setraina tokoa izany fotoana izany, dia nanao fanazavana momba ny ho toetoetra mahatsiravina hananan’ny olona miaina ety an-tany amin’izany andro farany izany, Paoly. Tena marina tokoa ny fitantarany azy, ka toy ny mamaky pejin’ny gazety ankehitriny fa tsy taratasy nalefan’i Paoly ho an’i Timoty, taon-jato sivy ambin’ny folo lasa izay. Toy izao no filazalazany: “Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, mamitaka, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa mandà ny herin’ izany.”—II Timoty 3:1-5, MN.

FOTOTRA MAFY AHAZOANA MANANTENA

11, 12. Na dia ao aza ny toe-piainana eran-tany, nahoana no tsy mampamoifo ny toe-javatra?

11 Na dia ratsy fiandoha aza isika rehetra noho ny fandovan-toetra sy ny hery mpanimban’izao tontolo izao anjakan’ny demonia tezitra, dia tsy mampamoifo akory ny toe-javatra. Misy fototra mafy ahazoana manantena nomena antsika tamin’ny fanambarana mendri-pitokisana nataon’i Jesosy tamin’i Nikodemosy, lohan’ny Jiosy. Izao no nambaran’i Kristy taminy: “Tia dia tia izao tontolo izao tokoa Andriamanitra ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16, MN.

12 Izao tontolo izao inona no tian’Andriamanitra? Ny fitambaran’ny olombelona niharatsy, ny taranak’ilay mpanota nikomy, dia Adama. Nanoratra ho an’i Timoty Paoly fa “tonga teto amin’izao tontolo izao Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota”, fa tsy olona tsy manana ota. Toy izany koa dia nanambara tamin’ny kristiana tany Roma Paoly hoe: “Fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika Kristy.” Noho izany, ny tombon-tsoa lehibe hahazoana miditra ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao be voninahitra tonga lafatra sy marina nampanantenain’i Jehovah sy hahazoana ny fiainana mandrakizay eo ambanin’io fandehan-javatra vaovao io, izany tombon-tsoa izany dia tsy omena ny taranak’olombelona tsy manana ota fa omena ny olombelona voahary teraka tao anatin’ ny fahotana sy voataiza tao anatin’ny fandehan-javatra ratsy anjakan’ny demonia.—I Timoty 1:15; Romana 5:8, MN.

13. Azo lazaina avy amin’izany ve fa hiaina ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra ny olona ratsy toetra?

13 Azo tsoahina avy amin’izany ve fa olona manana toetra maharikoriko toy ny an’ ny ankamaroan’olona ankehitriny, no hamponenin’Andriamanitra ao amin’ny Paradisa tafaverina? Tsia dia tsia! Izay te-hiaina eo ambany Fanjakan’Andriamanitra marina sy tsy misy ota. dia tokony hanova, eny tokony hanova tanteraka ny toetrany.

14, 15. a) Inona no fifandraisan’i Jesosy tamin’ny mpanota, ary inona no vokatr’izany? b) Inona no lesona azo tsoahina avy amin’izany?

14 Nanafoana izay mety hampisalasala ny amin’izany Jesosy, tamin’ny raharaham-pitoriana lehibe nataony tany Galilia, na ny marina kokoa angaha dia tany Kaperinaomy. Araka ny fitantarana dia “nahatsinjo mpamory hetra iray natao hoe Levy [na koa Matio] nipetraka tao amin’ ny toerana famorian-ketra”, Kristy. Tamin’izany fotoana izany anefa, dia ratsy laza ny mpamory hetra noho izy noheverina fa mpanambaka olona. Na izany aza anefa, dia “hoy Jesosy taminy: ‘Avia manaraka ahy’. Navelany ny zava-drehetra ka nanaraka azy izy. Nanao fanasana nandraisana azy tao an-tranony koa Levy; ary nisy mpamory hetra maro sy hafa koa niaraka nihinana taminy. Dia nimonomonona tamin’ny mpianatra ny Fariseo sy mpanora-dalana ka nanao hoe: ‘Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy mpanota hianareo?’ Jesosy namaly hoe: ‘Tsy ny salama no mila mpitsabo, fa ny marary. Tsy avy hiantso ny marina aho, fa ny mpanota hibebaka’”. Tany Jerosalema, andro vitsivitsy talohan’ ny nahafatesany, dia nanamafy izany fahamarinana izany indray Jesosy. Izao no nambarany teo anatrehan’ny Fariseo mpitondra fivavahana tamin’ny androny: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa mialoha anareo ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga [olona mpanota sy faneso]”—Lioka 5:27-32; Matio 21:31, MN.

15 Mampahafantatra antsika zava-dehibe maro ireo tenin’i Jesosy ireo. Nisy mpanota nantsoin’i Jesosy ho tonga mpianany, ary tahaka an’i Matio dia tonga iray tamin’ny apostoly roa ambin’ny folo. Nefa raha nantsoina ireny mpanota ireny, dia tsy ny hanohizany ny fiainan-dratsy sy feno ota teo aloha akory. Nantsoina ho amin’ny fibebahana izy ireny. Ny mpanao an-keriny sy ny vehivavy janga dia hiaina mandrakizay ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra, tsy hoe noho izy niseho mety hanetry tena ka hiaiky fa mpanota fotsiny, fa koa—ary indrindra—satria ho vonona hanova ny fomba fisaina sy fiasany teo aloha izy, eny ho vonona ny hanova tanteraka ny toetrany.

16. Inona ary no fepetra tadiavina amin’izay manantena ho velona mandrakizay?

16 Ny fanovan-toetra ary dia fepetra tadiavin’Andriamanitra amin’izay te hiaina mandrakizay ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenainy. Nefa tsy hoe rehefa ringan’i Jehovah i Satana, ka foana ny fitarihan-dratsiny eo amin’ny olombelona, vao hampiharina voalohany io fepetra io. Raha te-ho tafita velona hianao amin’i Haramagedona, dia tokony, hanaraka io fepetra io dieny, eny, alohan’ io ady lehibe io, “dieny tsy mbola tonga aminao ny fahatezeran’i Jehovah”.—Zefania 2:2, AC.

TSY FEPETRA VAOVAO IZANY

17. Ny kristiana amin’izao andro izao ihany ve no asaina manary ny toetra taloha? Hazavao.

17 Ny ilàna ny fananana toetra vaovao tanteraka, dia tsy fepetra natao ho an’ny kristiana miaina amin’izao taon-jato faha- roapolo, aloha kelin’i Haramagedona izao ihany. Ny mpianatr’i Kristy izay niaina tamin’ny taon-jato voalohany koa, dia tsy maintsy nanova ny fomba fiainany. Mariho izay nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ireo anisan’ny fikambanana tao Korinto tamin’ny taona 55 amin’izao fanisan-taona arahintsika izao: “Ahoana ary! Tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aoka tsy ho diso hevitra hianareo: Na ny mpijangajanga na ny mpanompo sampy na ny mpaka vadin’olona na ny lehilahy ampiasaina amin’ny zavatra tsy tokony hatao, na ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy, na ny mpangalatra, ny ny mpierina, na ny mpimamo, na ny mpanaratsy, na ny mpanao an-keriny, dia samy tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Nefa toy izany taloha ny sasany aminareo.”—I Korintiana 6:9-11, MN.

18. Ahoana no nosoratan’i Paoly ho an’ny Kolosiana, momba izany?

18 Raha nanoratra ho an’ny fikambanana hafa iray, “ho an’ny olona masina sy ny rahalahy mahatoky ao amin’i Kristy izay tany Kolosia”, ny apostoly Paoly dia izao no nambarany, tamin’ny taona 60-61 amin’ izao fanisan-taona arahintsika izao: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an- tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitsiriritana, izay toy ny fanompoan-tsampy. Fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra. Izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy hianareo. Fa ankehitriny, esory tanteraka aminareo avokoa ny fahatezerana, ny fiafonafonana, ny lolom-po, ny fitenenan-dratsy ary ny teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo. Aza mifandainga hianareo.”—Kolosiana 1:2; 3:5-9, MN.

19. Nanala ny tenany tsy hanaraka izany fepetra nomen’Andriamanitra izany ve Paoly?

19 Paoly, na dia apostolin’ny Tompo Jesosy Kristy aza, dia tsy nihevi-tena ho hafa noho izany, fa nampiray laharana ny tenany tamin’ny kristiana hafa izy raha nanoratra toy izao: “Fa isika koa , dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, andevon’ny filana sy ny fahafinaretana samihafa, ary velona tao amin’ny lolom-po sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.” Ao amin’ny taratasiny hafa iray, dia mbola nampiray laharana ny tenany tamin’ny rahalahiny indray io apostolin’i Kristy io, raha nilaza hoe: “Hianareo no novelomin’ Andriamanitra na dia matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo izay nalehanareo fahiny aza, araka ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao, arak’ilay mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ilay fanahy miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsi-fanarahana. Eny, teo amin’ ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika izay irin’ny nofo sy ny saina, ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.”—Titosy 3:3; Efesiana 2:1-3, MN.

20. Ahoana no nosoratan’i Petera momba izany?

20 Ny apostoly Petera koa dia nitantara ny fomba nanovan’ny tena kristiana tamin’ny taon-jato voalohany ny toetrany. Izao no nolazainy: “Fa ampy izay ny andro lasa nanaovanareo ny fanaon’ny jentilisa, fony hianareo nandeha tamin’ny fijejojejoana, ny fanirian-dratsy, ny fimamoana, sy ny filalaovan-dratsy, ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy manohitra ny lalana. Koa satria hianareo tsy manohy miara-mihazakazaka aminy amin’izany lalana izany, ho amin’ny honahonan’ny fanaranam-po ratsy, dia tsy azoazony izany ka tsy mitsahatra ny manaratsy anareo izy.”—I Petera 4:3, 4, MN.

21. Ho an’izay te-hanao izany ihany ve ny fanariana ny toetra taloha sy ny asany. eo amin’ny tena kristiana amin’izao fotoana izao?

21 Raha ny kristiana voalohany nandefasana izany teny izany aza tsy maintsy nanova tanteraka ny toetrany, mba hananany fanantenana hiaina mandrakizay, maika fa isika koa, dia tokony hanao toy izany satria isika miaina amin’izao taon-jato faha-roapolo be setrasetra sy feno faharatsiana izao sady efa eo an-tokonan’ ny fandaharan-javatra vaovao nandrasana hatramin’ny ela! Azo ampiharina amintsika ny lalàn’i Jehovah, toy ny tamin’ny Eefesiana sy ny Kolosiana izay nahazo izao baiko izao: “Tokony harianareo ny toetra taloha, araka ny fitondrantenanareo fahiny (...); tokony hitafy toetra vaovao hianareo.” “Ario ny toetra taloha sy ny asany ka tafio ny toetra vaovao.”—Efesiana 4:22-24; Kolosiana 3:9, 10, MN.

ARIO DIENY IZAO NY TOETRA AVY AMIN’I BABYLONE

22. Inona no porofo manambara fa azo atao ny manary ny toetra taloha?

22 Ny ankamaroan’ny olombelona izay mamoa voa lò an-karihary avy amn’ny toetra ratsiny, dia toa faly manohy ny fanaovana ny asan’ny andrianany sy tompony, dia ny Devoly (Jaona 8:44). Noho izany, ny kristiana na vavolombelon’i Jehovah dia miavaka amin’ny olon-kafa, satria faly izy manaiky ho fananana sy ho asain’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Ireny vavolombelona ireny, izay efa maherin’ny iray tapitrisa ny isany, dia mihamaro, eran’izao tontolo izao. Nandritry ny taom-piasana 1963, dia olona maherin’ny 62000 no natao batisa mba ho mariky ny faniriany hanolon-tena ho an’ny Tompony, dia Jehovah.

23. a) Avy aiza ireo vavolombelon’i Jehovah izay mitombo isa hatrany? b) Nanao ahoana no toetry ny vavolombelona, taloha?

23 Avy aiza ireo vavolombelona ireo ? Avy amin’ny karazam-pivavahana eto amin’izao tontolo izao indrindra izy ireo, dia avy amin’izay antsoin’ny Soratra Masina amin’ ny anarana itambarana hoe: “Babylona Lehibe, ilay renin’ny mpijangajanga sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany”. Ireny olona tonga vavolombelon’i Jehovah ireny, dia mankatò miaraka amin’izay ity antson’ Andriamanitra ity: “Miala aminy, ry oloko.” Manao izany izy ka manary ny toetra taloha araka ny fitondrantenany fahiny, fony izy mbola teo ambany fanapahan’ ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Raha natao an-tsoratra tao amin’ny boky angamba ny hevitra, ny teny ary ny asan’ ireny olona ireny araka an’i Babylona, dia tsy isalasalana fa ho nitantara zava-maharikoriko ilay boky. Ho nasehony fa teo aloha ny sasantsasany tamin’izy ireo, dia mpanaratsy be fialonana, tia ady sy mpierina, tia resaka tsy tsara. Ary mbola ratsy noho izany aza, dia ho nasehon’io boky io fa ny sasany taloha dia mpandainga, mpangalatra, mpamono olona, sodomita. mpanao fitondrantena maloto, mpijangajanga, mpifoka rongony sy ny karazany ary mpimamo. Tena hazo dia, namoa voa nampahamenatra an’Andriamanitra sy ny olona tokoa izy ireny taloha!—Fanambarana 17:5; 18:4, MN.

24. Ahoana no fiheveran’ny olona ny vavolombelon’i Jehovah, eran’izao tontolo izao, rehefa nanary ny toetra araka an’i Babylona izy?

24 Jereo anefa ankehitriny ny fihevitry ny olona azy ireny, hatramin’izay nifaneraserany tamin’ny vavolombelon’i Jehovah. Na eo amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, na eo amin’ny firenena mpanompo sampy sy kaomonista, dia fantatra amin’ny hitsim-pony ny fahadiovany ary ny hatsaram-panahiny, ny vavolombelon’i Jehovah. Vahoakan’ny fahamarinana sy ny fahitsiana ahitana lehilahy sy vehivavy masina, no ahafantarana azy, ary ny zanany dia miavaka amin’ny finoany, ny tsi- fivadihany ary ny herim-pony. Ny olona izay mamoa voa tsara toy izany, dia toy ny toerana kely misy zava-maniry, eo afovoan’ny efitry ny olombelona. Marina tokoa fa “ny hazo terebintan’ny fahamarinana nambolen’i Jehovah” no mety hanome voa saro-bidy sy mahavelona toy izany!—Isaia 61:3, AC.

25. Ahoana no antso andondomana ny olona rehetra?

25 Na iza hianao na iza ka misento sy mitoloko noho ny zava-betaveta atao ety an-tany ary maniry ho velona mandrakizay, dia afaka hiala amin’i Babylona Lehibe koa, ka hifidy ny fahafahana sy ny fiainana ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’i Jehovah. Afaka manaisotra ny toetra taloha araka an’i Babylona sy ny asany mitondra ho amin’ny fahafatesana koa hianao. Nefa aza mitaredretra! Tsy misy afa-tsy fotoana fohy sisa alohan’ny handringanan’Andriamanitra ilay “renin’ny mpijangajanga” ratsy sy izay rehetra mialoka eo aminy.—Fanambarana 17:1, 2, 15, 16, MN.

26. Inona no fanontaniana mipetraka ary aiza no hahitantsika valiny mahafapo?

26 Ahoana anefa, hoy hianao, no hahafahan’ny olona iray hanao izany fanovan- toetra tanteraka izany? Ahoana no fomba hahatongavany amin’izany amin’izao andro sarotra izao izay aneren’ny zava-drehetra azy hanaraka ny fisainana sy ny asan’izao tontolo izao? Ahoana no nahavitan’ireo vavolombelon’i Jehovah an-hetsiny, avy amin’ny firenena samihafa, izany fanovana izany? Ny olona rehetra izay maniry hiaina mandrakizay dia hahita ny valin’ireo fanontaniana lehibe ireo, araka ny Baiboly, ao amin’ny fizarana manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara