NY BAIBOLY sy NY FAMORONANA eo anatrehan’ny siansa anatrehan’ny siansa ankehitriny
“Aoka ho fantatrareo fa ny Mandrakizay [Jehovah] no Andriamananitra. Izy no nanao antsika, fa tsy isika.’’ - Salamo 100:3, Da.
1, 2. Nahoana no betsaka ny olona mihevitra fa mihevitra ny Baiboly ny siansa?
MANINTONA ny sain’ny olona hitodika amin’ny siansa sy ny zava-bitany, ny fihazakazahana hanatratra ny volana sy haka toerana eny amin’ny habakabaka. Mitady izay hiarovan-tena ny firenena, amin’ny alalan’ny fandrosoana ara-tsiansa, eo amin’ny lafinv mikasika ny fitaovam-piadiana. Ny tany tsy mbola mandroso loatra, dia miantehitra amin’ny milina noforonin’ny siansa mba hampandrosoany ny taozavany. Manantena koa ny olombelona, fa hahafoana ny aretina ny siansa ara-pitsaboana. Eny, ny fandrosoana vitan’ny siansa, eo amin’ny lafiny sasantsasany, dia mitarika olona marobe hiatehitra aminy, amin’ny fitadiavana fanafodin’ny zava-manahirana farany eo amin’ny lafiny hafa.
2 Arak’izany voalaza teo aloha izany, rehefa milaza ny amin’ny niandohan’ny olombelona ny manam-pahaizana fanta-daza, dia heverina, matetika, fa zavatra marina tsy azo lavina no asehony. Noho ny ankamaroan’ny manam-pahaizana mino sy mampianatra fa avy amin’ny biby ambany ny olombelona, dia marobe ny olona manaiky ny evolisionisma na ny fivoarana miandalana ho fahamarinana ara-tsiansa. Izao no hevitra nomena ny teny hoe “siansa”: “fitambaran’ny fahalalan’olombelona mikasika ny zava-boahary, ny fikambanana ary ny fihevitra azo avy amin’ny fahitana lalànan-javatra hita fototra sy ny fanazavana azy.” Noho izany, rehefa milaza ny manam-pahaizana sasantsasany, fa avy amin’ny biby ny olombelona, dia mihevitra ny tsy mpanao siansa fa miankina amin’ny zavatra misy izy ireny. Ary satria io fampianarana io dia manohitra ny Baiboly izay mampianatra fa noharin’Andriamanitra ny olombelona, dia betsaka ny olona milaza fa tsy afaka hino ny Baiboly intsony izy. Heveriny fa tsipahin’ny siansa ankehitriny, ny Baiboly.
3. Inona no asehon’ny toe-javatra misy?
3 Nefa tsy nitsipaka na dia an-dalana iray amin’ny Baiboly aza ny siansa, na oviana na oviana. Ny mifanohitra amin’ izany kosa aza no mitranga. Marina fa tsy boky fianarana siansa fizika ny Baiboly nefa rehefa mikasika foto-kevitra momba ny siansa izy, dia mifanaraka amin’ny zavatra misy, sady manohitra ny fampianarana sy hevitr’olombelona tsy voaporofo. Ny “fahitàna lalànan-javatra hita fototra” dia tsy nanohitra mihitsy ny Baiboly sy ny fitantarany ny nahariana ny olombelona. Fa matetika dia matetika kosa ny “lalàna hita fototra”, avy amin’ny alalan’ny siansa, no manamafy ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ny teninao no fahamarinana.’’—Jaona 17:17, MN.
NAHOANA NO MISY TSY MPINO BETSAKA?
4, 5. Nahoana ny olona sasantsasany no tsy mino ny Baiboly?
4 Nefa raha manamafy ny Baiboly ny siansa, nahoana no misy olona maro manda tsy hino io Boky io sy tsy hanaiky azy ho ny Tenin’Andriamanitra afaka hitarika azy amin’ny fiainany? Tsy isalasalana fa tsy noho ny siansa nitsipaka ny Baiboly, na dia misy olona sasany mihevitra izany aza ka mandà ny Baiboly. Misy antony hafa anefa mahatonga hisalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly, ka tsara raha ataon’ny kristiana ao an-tsaina izany mba tsy hahadiso lalana azy amin’ny filazana tsy ara-tsiansa sasantsasany ataon’ny manam-pahaizana fanta-bahoaka. Izao no lazain’ny Baiboly, amin’ny kristiana momba izany: “Tehirizo izay natolotra anao, miala amin’ny fibedibedena foana manimba izay masina, sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe “fahalalana” kanjo tsy izy. Nampiseho fahalalana toy izany ny sasany ka nania tamin’ny finoana”. — I Timoty 6:20, 21, MN.
5 Tsy mino ny Baiboly ny olona sasany noho izy tsy mahalala izay ao anatiny fotsiny, satria tsy mbola nianatra azy, tsy tamin’ny fitompoan-teny fantatra. Ny sasany namela ilay Boky masina noho ny fanazavana mahatsikaiky omen’ny kristiana anarana azy. Ampianarina, ohatra, fa ny andro famoronana voalaza ao amin’ny Genesisy, dia andro efatra amby roapolo ora, ampianarina koa fa misy afobe mirehitra, fa Andriamanitra no Tompon’andraikitra amin’ny faharatsiana, ny ady, ny fampijaliana ireo izay tsy manaiky ny fampianarana ara-pivavahana, ny fiokona ara- politika. Noho izany dia maro tamin’ny olona nihevitra fa mifototra amin’ny Baiboly ny fitambaramben’ny kristiana anarana, no nandà ny Baiboly sy io fivavahana io. Nefa maro amin’ireny olona ireny, raha tsara fo izy, no hanaiky ny hafatra-fahamarinana, raha vao tsapany fa manameloka ny fampianaran-diso sy ny fanao-ratsin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, ny Baiboly.
6-8. Inona no antony mampiseho fitiavan-tena mahatonga ny sasany handà ny Baiboly?
6 Misy mamela ny Baiboly, noho ny lalàna madio lazainy. Tsy hiaiky izany izy ireo, nefa raha ny marina dia tsy mitady afa-tsy ny hanaram-po amin’ny filàny sy ny fitiavany vola, fahefana, voninahitra, fahafinaretana ary filalaovan-dratsy izy. Manameloka ny faniriana toy izany, ny Baiboly, ka manakantsakana izay te-hanatontosa izany. Aleon’ireny olona ireny mampihataka ny Baiboly sy manome toerana voalohany ho an’ny filàny, toy izay hanao ny tsara. — II Timoty 3:1-4; II Petera 3:3.
7 Misy olona hafa mandà tsy hino ny Baiboly satria mandona ny hambom-pony izany. Te-ho tsara laza eo amin’izao tontolo izao izy. Raha manaiky ny Baiboly anefa izy, dia tsy maintsy hanetry tena sy hanaiky an’i Jehovah sy ny Zanany ary ny fandaminany hita maso. Tsy azony ekena izany satria tsy ho afaka hidera tena na hanao izy hideran’ny manodidina sy hitiavany azy intsony izy. Ho voatery hanaiky koa izy fa maro amin’ny fiheviny no diso. Tsy zakan’ny avonavony izany. Mitovy amin’ ireo mpanapaka tamin’ny andron’i Jesosy izy ireny, izay nahatonga izao teny voasoratra ao amin’ny Jaona 12:42, 43, MN izao: “Tsy nanaiky ireo, fandrao voaroaka hiala amin’ny synagoga; fa tia ny voninahitra avy amin’ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.”
8 Misy olona hafa koa mihevitra fa mamizana loatra ny manaraka ny Baiboly. Ho voatery hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy sy hiaraka amin’ny fandaminany hita maso ary handray anjara amin’ny fitoriana sy hianatra mba handroso ho amin’ny fahamasahana ara-panahy. Mahatonga havizanana izany rehetra izany, ka dia mifidy ny lalana mora izy amin’ny fanarahana fivavahana moramora kokoa, na amin’ny fialàna amin’izay rehetra mety ho fivavahana.— Lioka 13:23.
9. Nahoana ny kristiana no tsy tokony ho very hevitra noho izany tsi-finoana rehetra izany?
9 Ireo no antony vitsivitsy mahatonga ny olona sasantsasany tsy hino ny Baiboly. Mazava, arak’izany, ny antony mahamaika azy hanaraka ny fampianarana momba ny evolisiona, satria manamarina azy izany, amin’ny fiodinany amin’Andriamanitra sy ny fepetra marina omeny. Aza very hevitra noho ny habetsahan’ny tsy mpanaiky ny Baiboly anefa. Izany dia manamafy ny filazana fa miaina ao amin’ny andro faran’izao fandehan-javatra ankehitriny izao isika. Nolazain’i Jesosy mialoha izany toe-javatra izany, arak’izao teny izao: “Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.’’ (Matio 24:12, MN). Fantatr’i Satana, Devoly, ilay andriamanitr’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, fa kely sisa ny androny. Manao izay hampihodina ny olombelona rehetra amin’Andriamanitra izy. Tokony hahagaga ve raha tsy manaiky ny Baiboly ny ankamaroan’ny olombelona? Olom-bitsy ihany no hino izany. ‘‘Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.” (Matio 7:14, MN). Tsy raràna ny fidirana amin’io lalana io, nefa tsy manao izay ahitana azy akory ny ankamaroan’ny olombelona. Nolazain’i Jesosy fa izay mitady marina tokoa ny lalana tsara dia hahita azy. “Mangataha mandrakariva, hoy izy, dia homena hianareo, mitadiava mandrakariva, dia hahita hianareo, dondòny mandrakariva, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.” — Matio 7:7, 8, MN.
ANDRIAMANITRA DIA NAHARY
10. lnona no azon’ny olona mikatsaka ny fahamarinana itokiana?
10 Izay mitady ny fahamarinana, dia mahazo matoky fa “ny Soratra rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra.” (II Timoty 3:16, MN). Mahazo matoky izy satria nanamafy ny Baiboly tamin’ny fomba tena mampitolagaga tokoa ny siansa ankehitriny. Marina izany, indrindra fa eo amin’ireo toko voalohany ao amin’ny Genesisy, izay fototry ny fanoherana lehibe natao tamin’ny Baiboly, avy amin’ireo mpaniratsira milaza fa notoherin’ny siansa ireo. Nefa aza adinoina fa ny siansa dia “fitambaran’ny fahalalan’olombelona (...) azo avy amin’ny fahitana lalànan-javatra hita fototra.” Ny tokony hatao ary, dia ny manavaka ny fahamarinana ara-tsiansa amin’ny zavatra atao ho marina ao an-tsaina fotsiny (hypothèse).
11. Ahoana no nanamarinana ny teny voalohany ao amin’ny Baiboly?
11 Nisy fotoana namazivazin’ny mpankasitraka ny evolisiona mpanohana ny fiovan’endrika, ny teny voalohany indrindra ao amin’ny Baiboly izay manambara hoe: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra dia nahary”. Toy ireo filozofa grika fahiny, dia nilaza izy ireo fa ny tenan-javatra dia efa nisy hatrizay, noho izany, dia tsy nanam- piandohana na oviana na oviana izao rehetra hita maso sy re izao. Nefa amin’izao andron’ny ataoma izao, dia fantatra fa misy zavatra sasany avy amin’ny tany, mamoaka piti-javatra tsikelikely (radioactifs). Raha marina fa efa nisy hatramin’izay ny tenan-javatra, dia ho efa vita hatramin’ny elabe izany fahapotipotehana tsikelikely izany. Nefa mbola nitohy ihany izany hatramin’izao. Arak’izany dia fantatra, amin’izao androntsika izao, fa nanam-piandohana izao rehetra izao, ka tombanana ho efa an-arivo tapitrisa taonany maro no nisiany, fanombanana tsy lavin’ny Baiboly mihitsy izany. Izao no nambaran’ny antokon’ny manam-pahaizana iray, vao haingana, momba izany: “Mahavariana ny manamarika fa nialoha lalana ny siansa ankehitriny an-arivo taonany maro ny Baiboly raha nilaza fa nanam-piandohana izao rehetra izao.”a
12. Ahoana no nanamafisana ny tantaran’ny niandohan’ny aina, hita no amin’ny Genesisy?
12 Ny zava-tsarotra hafa koa tsy maintsy nitadiavan’ny mpankasitraka ny evolisionisma valiny dia ny amin’ny niandohan’ny aina. Nolaviny ny fitantaran’ny Baiboly ny famoronana, ao amin’ny Genesisy ka nolazainy fa mipoitra ho azy, avy amin’ny tenan-javatra tsy manan’aina. Niray hevitra tamin’i Aristote filozofa izay nanoratra toy izao izy ireo: “Ny zavatra maina rehetra miha-mando, ary ny zavatra mando rehetra miha-maina dia mahatonga aim-biby.” Tsy nanao vazivazy raha nilaza Virgile poety latina fa indraindray dia misy tantely teraka avy amin’ny tsinain’omby mihalò. Izao no nosoratan’ny fizisiana fanta-daza iray tamin’ny andron’i Louis XIV: “Ny fofona mivoaka avy amin’ny fanambanin’ny heniheny dia mahatonga sahona, lelosy, dinta, bozaka na zavatra hafa koa.”b Taorian’izany, Louis Pasteur simista frantsay malaza, dia nanao fanandramana izay tokony ho nandrava tanteraka ny fiheverana fa misy zava-manan’aina mety hipoitra ho azy avy amin’ny tenan-javatra tsy manan-aina. Noporofoin’i Pasteur tokoa mantsy fa tsy mipoitra ho azy ny zavatra tsotra manan’aina, fa avy amin’ny zava-manan’aina vao miandoha (gèrme) efa misy ihany. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia izao: ny zava-manan’aina hita etỳ ambonin’ny tany dia avy amin’ny zava-manan’aina hafa.
13, 14 . Nahoana no tsy mety ho avy amin’ny kisendrasendra ny efitra bitika amin’ny tenan-java-manan’aina?
13 Nikiry nilaza ireo mpanohana ny fiovan’endrika na mpankasitraka ny evolisionisma tsy mino an’Andriamanitra, fa avy amin’ny kisendrasendra ny efitrefitra bitika (céllules) amin’ny tenan’ny zava-manan’aina, na dia tao aza ny porofo nampiseho ny mifanohitra amin’izany. Nefa na dia ny manam-pahaizana kalazalahy indrindra, manana fitaovana fanaovana fanandramana hary fomba aza, dia tsy mbola nahaforona na dia iray akory aza amin’ireny efitrefitra bitika amin’ny tenan’ny zava-manan’aina ireny! Niaiky toy izao ny “manam-pahaizana malaza iray momba ny evolisiona”, ny amin’izany: “Tsy misy simista afaka hanao karazan’androngo, tsy misy tanan’olombelona afaka hahatonga ny fisandrahandrahaky ny fiainan’ny efitra bitika tsotra indrindra amin’ny tenan’ny “amibe’’ (karazana biby bitika dia bitika any anaty rano) (Harper’s Magazine de mars 1964). Raha tsy voaforon’ny olom-belona tamin’ny fampiasana fitaovana fanaovana fanandramana hary fomba ary ny aina, ahoana no hahatonga azy amin’ny kisendrasendra? Nasehon’ny Baiboly miharihary ny loharanon’aina, raha nanambara toy izao izy, ao amin’ny Salamo 36:9: “Fa ao aminao [Jehovah] no misy ny loharanon’aina”.
14 Mety hisy hihevitra fa tsotra dia tsotra ny efitra bitika iray amin’ny tenan’ny zava-manan’aina. Nefa diso hevitra izy, satria nilaza marina ny manam-pahaizana iray fa ny tsirairay amin’ny efitra bitika dia “fitambaran-javatra be kojakojany sy maha ka mbola tsy fantatsika hatramin’izao ny fiasany.”c Izao koa no nosoratan’io ihany, momba ny fiasan’ny efitra bitika: “Miasa amim-pilantoana tsara ny tsirairay avy amin’ny efitra bitika, ka na dia ny famantaranandro tsara indrindra aza dia toy ny milina tsy zarizary raha oharina aminy.” Ny manam-pahaizana hafa iray kosa nilaza ny efitra bitika ho “izao tontolo izao kely misy fitambaran-javatra maro dia maro mitombo ho azy ary faran’izay bitika sy maro toy ny kintana eny amin’ny lanitra.”d Hita ao amin’ny boky amerikana mivoaka isam-potoana koa, ity fanambarana hafa ity: “Be kojakojany toy ny tananan’i New York ny efitra bitika.”e
15. Hazavao fa ny tenan-javatra voalamina rehetra dia tsy maintsy ho avy amin’ny mpandamina?
15 Tsy misy olona manan-tsaina sahy hilaza fa ny tanàna toa an’i New-York,Paris na Tokio, dia nisy ho azy tsy tamin’ny alalan’olombelona. Izao no nolazain’ny fizisiana iray: “ Tsy misy zavatra manam- batana miforona ho azy.”f Nefa ny iray monja amin’ny zava-manan’aina, dia misy zavatra madinika dia madinika an-tapitrisa tapitrisany maro, izay ny tsirairay aminy dia samy manao ho azy, asa mbola sarotra lavitra noho ny an’ny tanàna iray. Ary ny tanan’ny olon-dehibe dia misy efitrefitra bitika an-tapitrisany tapitrisany maro! Nefa dia asaina mino isika fa avy amin’ny kisendrasendra izany! Tsia izay voalamina tsara dia tsy mety ho tonga avy amin’ny kisendrasendra. Raha te-hanao mofomamy misy paoma ny vehivavy mpikarakara tokantrano iray, dia tsy hanantena izy fa hianjera avy amin’ny hazo ny paoma mba ho ao anaty lafaoro ka ho kisendrasendra no hiaonany amin’ny atody sy lafarinina ary zavatra hafa aharo aminy ao, ary dia hifangaro ho azy ao ireo ka hahavita mofomamy izay ho masaka amin’ny kisendrasendra koa. Fantany fa hahatsikaiky ny hevitra toy izany. Nefa mbola tsotra ny fanaovana mofomamy misy voankazo, raha oharina amin’ny an’ny efitra bitika iray amin’ny tenan’ny zava-mananaina. Raha zavatra tsotra dia tsotra aza tsy mety ho tonga amin’ny kisendrasendra, moa mety ve ny hinoana fa avy amin’ny kisendrasendra ny zavatra faran’izay be kojakojany?
16. Ahoana no ampihariharin’ny tenan’olombelona ny fisian’ny Mpahary?
16 Jereo koa ny fizarazaran’ny tenan’ olombelona sy ny faritra samihafa aminy. Raisintsika ohatra ny maso, faritra tena be kojakojany tokoa, hany ka afaka an-jato taonany maro ny manam-pahaizana vao nahafantatra ny sasany amin’ny fomba fiasany. Ny fakan-tsary dia nalaina tahaka avy tamin’ny maso amin’ny ambangovangony. Nila fikelezan’aina nandritry ny taona maromaro anefa ny mpamorona, ny mpanao marika ary ny teknisiana, mba hanambarany ny fakan-tsary misy ankehitriny. Mety ve ny hilazana fa ny mason’olom-belona faran’izay sarotra dia nivoatra ho azy satria indray andro dia tapa-kevitra ny “meduse” (biby kely any anaty rano) jamba iray, fa te-hahita ? Ahoana no nahazoany nitsiriritra izany fahazoa-mijery izany raha tsy fantany fa misy izany? Tsy azo lavina fa ny mason’olombelona dia zavatra voahary mahatalanjona nataon’llay efa nahita. Izao no voasoratra momba izany ao amin’ny Salamo 94:9: “Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?’’
17, 18. Nahoana ny famoronan-javatra ankehitriny no manampy antsika hahalala ny fisian’Ilay Mpahary izao tontolo izao?
17 Rehefa nahodidina ny tany im-betsaka ny mpamily fiaran-danitra iray, dia arahabaina toy ny olo-malaza izy ary deraina ny manam-pahaizana namorona ny fiara. Ahoana hoy ireny olona ireny raha holazaina fa nitambatambatra ho azy ireo sombim-by rehetra amin’ilay fiaran-danitra, ary feno ranon-javatra mampandeha azy fotsiny teo ny motera, dia nirehitra ho azy io tamin’ny fotoana nahatongavan’ny olona iray kisendrasendra tao anatin’ilay fiara izay nandeha tamin’ny kisendrasendra tany amin’ny lalana tsy voafetra mialoha? Hilaza izy fa tenin’ny mpanao vazivazy na tenin’adala izany. Nefa Andriamanitra dia nametraka amin’ny lalany ny tany izay milanja 6,5 tapitrisa tapitrisa tapitrisa taonina ary onenan’ny zava-manan’aina an-tapitrisany. Ireo rehetra ireo dia samy mahazo ny “oxygène” ilainy ary tsy voatery mihinana sakafo voatahiry anaty fantsona kely sady tsy sahirana amin’ny fivoahana. Nefa dia asaina mino isika fa avy amin’ny kisendrasendra izany!
18 Olona an’arivony no miasa tsy an- kijanona manaraka ny ora arahina amin’ny lalam-by sy ny lalam-piaramanidina ary manao izay tsy hitrangan’ny loza amin’ny mpandeha; nefa mbola misy loza mitranga ihany. Misy masoandro sy planeta goavana mikaretsadretsaka anefa eny amin’ny habakabaka amin’ny hafainganana sy ny filantoana tsy azo saintsainina, ary lazaina fa tonga tsy nisy mpamorona izany fitambaran-javatra tsy hita noanoa izany amin’ny habakabaka! Ny olona manan-tsaina dia manaiky ny fahamarinan’ireto tenin’Isaia ireto: “Asandrato ny masonareo ka mijere: iza no nahary ireny zavatra ireny? Ilay [Jehovah] mamoakany antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, dia tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.” (Isaia 40:26, Li). Davida dia loa-bolana hoe: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tananao sy ny volana aman- kintana izay noforoninao [Jehovah]: Inona moa ny olona?” (Salamo 8:3, 4). Amin’izao andro izao koa ny olona tsara dia miaiky fa ny fahitan-java-baovao sy ny famoronan-javatra amin’ny alalan’ny siansa ankehitriny dia manamafy ity fahamarinana-fototra voalaza ao amin’ny Genesisy ity hoe: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra dia nahary”. Izao no nosoratan’ny mpanao salamo momba ireo izay tsy mety manaiky izany fahamarinana izany: “Ny adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra.” — Salamo 14:1.
TSANGAN-KEVITRA VOATSIPAKA
19, 20. Inona no tsangan-kevitra niovaova nasehon’ireo mpanohana ny evolisionisma?
19 Nandritry ny taon-jato lasa teo, dia nino ny mpanohana ny fiovan’endrika fa avy amin’ny fiovàna miandalana sy mitohy, ny karazan-java-manan’aina. Ny sasany tamin’izy ireny, ohatra, dia nihevitra fa lava tenda ny “girafe” noho izy nanalava azy foana mba hanakarany ravin-kazo, ary dia nanaranaka io toetra azo io. Nihevitra koa izy ireny fa ny olona monina any akaikin’ny ekoatora dia nivalomaintin’ny hainandro ary nafindrany tamin’ny zanany izany toetra izany. Tatỳ aoriana, dia nahita ny lalànan’ny fandovana toetra izay nitsipaka ireo zavatra noheverina fa marina tao an-tsaina fotsiny ireo, Gregor Mendel, manam-pahaizana aotrisiana momba ny zava-maniry. Nasehony tokoa mantsy ny fomba sarotra sy milamina ny fifindran’ny toetran-java-manan’aina iray ho amin’ny taranany, “araka ny karazany avy”, toy ny voalazan’ny Genesisy. Hita fa tsy mety ho marina ny hoe fiovan’ny karazan-java-manan’aina iray miandalana sy mitohy ho tonga karazana hafa, satria na dia mahatonga loko, habe, sy bika maro samihafa aza ny fandovan-toetra dia tsy mety hahatonga karazana vaovao.
20 Dia nilaza indray ireo mpanohana ny fiovan’endrika (transformistes) tatỳ aoriana, fa nitranga ny evolisiona tsy avy amin’ny fiovàna miandalana sy mitohy, fa noho ny fiovàna tampoka (mutation). Nefa izao no nambaran’ny manam-pahaizana iray, vao haingana:g “Na nitranga ho azy ny fiovàna tampoka, na niniana natao tamin’ny fampiasana taratra, (...), araka ny fahalalantsika ankehitriny, dia 99 isan-jato amin’ny fiovàna tampoka no tsy mitera-boka-tsoa.” Manimba ny karazan-java-manan’aina ny fiovàna tampoka; tsy mahaforona karazana vaovao izany.
21. Ahoana no maha-tantaran’ny famoronana ny fanambaran’ny vato mitahiry taolam-biby na zava-maniry?
21 Nikaroka vato mitahiry taolam-biby na zava-maniry tranainy hatraiza hatraiza izay mety hampiseho ny fifampitohizan’ny karazana, ireo mpanohana ny fiovan’endrika, mba hiarovany tena. Nefa mbola tsy hita mihitsy izay hoe taolam-biby ka ny vombony niova ho tanana na tongotra, na ny tongony niova ho elatra. Raha ny marina, matoa tsy voatototra ny hady mampisaraka ny karazana samihafa, dia satria fotsiny, samy niavaka ho azy hatramin’izay izy ireo! Izao no voalazan’ny lahatsoratra navoaka tao amin’ny Times any Londres tamin’ny 19 May 1963, momba izany: “Ny porofo avy amin’ny vato mitahiry taolam-biby na zava-maniry tranainy, dia tsy nahavonjy firy ny evolisionisma. (...) Hevi-dravina fotsiny, ny hoe mamita fiovàna mahomby eo amin’ny karazana iray (...) tonga ilay lazaina fa taranany ankehitriny.”
22. Inona no hitan’ny manam-pahaizana momba ny arkeolojia?
22 Toy ny biby ambaniny, dia noharìna avy hatrany, araka ny maha-izy azy ny olombelona. Nomena fahaiza-misaina ambony izay tsy hita eo amin’ny biby izy. Tsy nanaporofo velively ny siansa, fa nivoaka avy tamin’ny fotaka tamin’ny fiovàna miandalana ny olombelona, fa ny mifanohitra indrindra amin’izany kosa aza no hitany. Arak’izany dia nanambara toy izao ny boky New Discoveries in Babylonia About Genesis (Fahitan-java-baovao any Babylona, mikasika ny Genesisy): “Arakaraky ny maha-fahagola ny fotoana, no nanantenan’ny mpikaroka hahita soritry ny fiainana taloha elabe sy tsy fisian’ny sivilizasiona, ary fisehoan’ny olona nisy talohan’ny tantaran’olombelona. Nefa na tany Babylona na tany Egypta, nonenan’ny olona tranainy indrindra, fantatra hatramin’izao, dia tsy nisy nanamarina izany fanampoizana izany. (...) ‘Rehefa niseho ny sivilizasiona, dia efa tomombana avy hatrany’. (...) Eo anoloan’izany toe-javatra izany, dia manjary fanombatombanana tsy mari-pototra ny hoe fandrosoana niandalana teo amin’ny olona taloha elabe, ary tsy azo tohanana intsony ny hevitra fa, nisy fotoana lava dia lava, talohan’ny nitrangan’ny sivilizasiona?”
23, 24. Milazà zavatra manaporofo ny tsy fisian’ny olona lazaina fa nisy talohan’ny tantaran’olombelona (préhistorique).
23 Inona kosa no holazaina ny amin’ny olona heverina fa “nisy talohan’ny tantaran’ olombelona” (préhistorique) izay resahina matetika? Ny sasantsasany amin’ireny taolana ireny, dia taolam-biby fa tsy taolan’olona. Ny sasany kosa dia avy amin’ny olona niara-belona tamin’ny olona “toy ny karazana misy ankehitriny sahala amin’ny” fisian’ny karazan’olombelona maro samihafa, amin’izao androntsika izao. Nisy fotoana niheverana ny Olon’i Neanderthal ho razamben’ny olona ankehitriny “nisy talohan’ny tantaran’olombelona”, nefa mariho izay ambaran’ny boky iray misy ny fahaizana rehetra (encyclopédie) momba izany: “Tsy azo heverina ho razamben’ny olona ankehitriny intsony ny Olon’i Neanderthal. Ny Olon’i Neanderthal sy ny olona ankehitriny dia tokony hoheverina fa iray razana.”h
24 Maro amin’ny olona lazaina fa “nisy talohan’ny tantaran’olombelona” no tsy karazana “ambany” velively. Izao no nambaran’ny mpampianatra ao amin’ny oniversity iray momba ny olon’i Cro-Magnon: “Tsy mampitombo zavatra raha milaza fa ny karazan’i Cro-Magnon (...) dia afaka mitaha amin’ny olona tsara fototra indrindra amin’izao fotoana izao, eo amin’ny ara-tsaina sy ara-batana.”i Nanaraka izany hevitra izany koa ity manam-pahaizana hafa iray: “Mampiseho ny karazan’olona tsara indrindra nisy hatramin’izao, ireny olona ireny, amin’ny lafiny maro”j Namaky betroka ireo izay nikiry nino ny fanombatombanana momba ny fiovan-toetra, ny Science Digest, boky mivoaka isam-potoana, tamin’ny avrily 1960, raha nanonta ity filazana ity: “Hatramin’ny Olon’i Cro-Magnon (...) dia tsy mitsahatra mihena ny ati-dohan’ny olombelona.” Manao ahoana ny fahatsorana sy ny fahamarinan’ny tantaran’ny namoronana ny olombelona, ao amin’ny Genesisy, raha milaza ny nahalavoan’ny olombelona tao amin’ny fahotana sy ny fandrosoany hiharatsy izy!
25, 26. Inona koa no zavatra hafa manaporofo ny tsy fisian’ny olona lazaina fa “nisy talohan’ny tantaran’ olombelona (préhistorique)’’?
25 Ny mpanohana ny evolisionisma koa, dia nitety ny tany manontolo mba hitady olona miteny amin’ny fiteny lazaina fa nisy talohan’ny tantaran’olombelona izay heveriny fa hanamafy ny tsangan-keviny. Izao no voalazan’ilay boky hoe The Miracle of Languages (Ny zava-mahagaga eo amin’ny fiteny), momba izany: “Tsy nahita na inona na inona izy. (...) Ny fitenin’ny mponina tompon-tany [any Aostralia] sy ny Saris [any Basse-Californie], dia sarotra ary hita fa miharatsy. (...) Toa avy amin’ny fiteny iray ihany ny fiteny rehetra.” Nanamafy izany fanambarana izany ny gazety mivoaka isam-potoana atao hoe Science News Letter (tamin’ny 3 Septambra 1963) arak’izao: “Tsy misy ny lazaina fa fiteny talohan’ny tantaran’olombelona”. Diso ny fiheverana fa ny ‘olon-dia’ dia niresaka amin’ny alalan’ny kiakiaka ary tsy afaka manambara ny maro amin’ny hevitra mampiseho fandrosoana (...) Ny gramera amin’ny fiteniny, ohatra, dia sarotra kokoa (...) noho ny an’ny fiteny ankehitriny. Mifanaraka koa amin’ny fitataran’ny Baiboly izany, izay milaza fa tany am-boalohany dia fiteny iray ihany no nitenan’ny olombelona, nokorokoroina io fiteny io taty aorian’ny safo-drano, ka niteraka fiteny maro izay niely eran-tany sady niharatsy.
26 Ny olona lazaina fa “nisy talohan’ny tantaran’olombelona”, dia tsy misy afa-tsy ao an’eritreritr’ireo izay minia mikipy, satria ny manam-pahaizana momba ny arkeolojia dia tsy nahita na inona na inona izay manamarina ny tsangan-kevitry ny mpanohana ny fiovan’endrika. Nilaza toy izao ny lahatsoratra navoaka tao amin’ny boky Harper’s Magazine (jolay 1963): “Mbola tokony ho hitantsika ny taolan’ny rajako manan-tsaina nihavian’ny olombelona.” Nefa manohana ny tsangan-kevitra momba ny evolisiona io lahatsoratra voalaza io! Saino kely fa, zato taona mahery tatỳ aorian’ny fikarohana mafana nataon’ny mpanohana ny evolisionisma, dia manohy miantso mafy tsy misy toy izany ny fanambaran’ny vato, manao hoe: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra dia nahary.” Matoa tsy nahita “taolan’ny rajako manan-tsaina nihavian’ny olombelona” ny mpanohana ny fiovan’endrika, dia satria tsy nisy mihitsy io, afa-tsy tao “an’eritreritry” ny olona sasantsasany, toy ny nolazain’ny Times any Londres.
27. Inona no fahamarinana azo tsoahina avy amin’izay rehetra voalaza teo?
27 Ny olona tsara fo dia hanaiky izany porofo izany, fa tsy ho toy izany kosa ny be fisalasalana mifikitra amin’ny fahadisoany noho ny fitiavany izany. “Izany no amelan’Andriamanitra ny fiasan’ny fahadisoan-kevitra aminy, hinoany lainga, mba hohelohina avokoa izy rehetra satria tsy nino ny fahamarinana fa nankasitraka ny tsy marina.” (II Tesaloniana 2:11, 12, MN) Ny olona matahotra an’Andriamanitra dia tsy manaiky ho voafitaky ny tsangan-kevitra avy amin’i Satana izay manazimba ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, na manatsatso azy, izay milaza fa tsy mila an’Andriamanitra ho Mpamorona sy Mpanome ny zavatra ilaintsika ary tsy manaiky ny nahalavoan’ny olona tamin’ny fahotana sy ny ilàna fanavotana. Ny olona manetry tena dia miara-manambara amin’ilay mpanao salamo Fahagola hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” (Salamo 119:97). Fantatry ny olona toy ireny tsara araka ny fanaporofoan’ny siansa ankehitriny, fa Jehovah no “Andriamanitra. Izy no nanao antsika fa tsy isika.” — Salamo 100:3, Da.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Recent Theories of the Origin and Nature of the Universe’’ nataon’i W. E. Filmer, p. 32 (boky kely natonta tamin’ny fivoriana mahazatra faha-919, nation’ny Institut Vitoria, tamin’ny 7 desambra 1953, tao amin’ny Caxton Hall, any Westminster, Londres.)
b “How Did the World Begin?” nataon’i M. Price, pp. 35, 36.
c “The Evidence of God in an Expanding Universe”, pp. 122, 124.
d “Heredity and Environment” nataon’i Conklin, edis. faha 5, p 210, voatonona ao amin’ny “After Its Kind” nataon’i B.C. Nelson, p. 27.
e “Look” tamin’ny 16 Janoary 1962.
f “The Evidence of God in an Expanding Universe”, p.71.
g “Le Harald” an’i Nouvelle-Zélande, tamin’ny 17 Janoary 1963, p. 16.
h “The Encyclopedia Britannica”, tamin’ny taona 1946, XIV, P. 764.
i “Creation, Not Evolution” an’i Baker, p. 76.
j “Creation, Not Evolution” an’i Baker, p. 76.