Didiana isika dieny izao hanao fanapahan-kevitra tsy azo tsoahina
1. Inona avy no fandinihina nataon’ny mpanoratra tantara anankiray lazaina ato, momba ny firaiketam-po amin’ny tanindrazana?
NY FIRAIKETAM-PO amin’ny tanindrazana dia nampitondra ny mavesatra hatrany noho ny hery ananany, ary indraindray izy dia lian-drà tsy mifadi-trovana amin’ireo kristiana mivavaka amin’ny Andriamanitra marina, dia Jehovah. Ao amin’ny bokiny atao hoe: Christianity Among the Religions of the World (Ny kristianisma eo amin’ny fivavahan’izao tontolo izao), ny mpanoratra tantara Arnold J. Toynbee, dia nanoratra toy izao ao amin’ny pejy faha-69: “Ny fikambanan’ny hery tany Atena dia nivavahan’ny mponina, amin’ny sarin’ny andriamani-bavy Athéna. (...) Tamin’ny taon-jato faha-15 sy faha-16, tao amin’ny fanavaozam-panjakana grika tany amin’ny tandrefana, dia nampidirina sy nanjary nifangaro mihitsy tamin’ny fiainana tandrefana maoderina, avy amin’ny fomba tranainy grika, ny firaiketam-pon’ny Grika amin’ny taniny toy ny zavatra ivavahana ny tanindrazana. Fa izao fotsiny, isika tsy mba sahy mitsotra ampahibemaso hoe manao izany endriky ny fanompoan-tsampy izany, tsy tahaka an-dry zareo Grika, hany ka mitondra faisana sy mahita loza amin’io fanompoan-tsampy miova endrika io isika manoatra noho izy Grika nihohoka tamin’ny fivavahana amin’ny sampy nataony an-karihary tamin’ny Fanjakan’ny taniny.’’
2, 3. a) Inona no nozakain’ny vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, satria nandà hiarahaba an’i Hitler izy, ary inona no nolazain’ilay vehivavy nanoratra ny tantaran’ny tenany anankiray? b) Tahaka ny niseho tamin’ireo Hebreo telo lahy, ahoana no nanomezana safidy an’ireny kristiana ireny indray ka ahafahany “mandohalika na miankahoka’’ eo anatrehan’ny Fanjakana, kanefa inona no vokatry ny fitsapana?
2 Hamaly ny sasany hoe: Inona no ratsy amin’izany? Fohy fitadidy loatra ireo mpanaratsy antsika! Raha mitodika mijery ny lasa isika, hatreo amin’ny telo-polo taona any aoriana fotsiny, tamin’ny fotoana nitondran’i Hitler an’i Alemaina dia hahita porofo betsaka. Mba tsaroanao ny fomba nampiasainy hanerena ny olona rehetra hanompo ny Fanjakana, toy ny ivavahana? Raha misy fotsiny mandà hanainga ny sandriny hiarahaba an’i Hitler sy ny lakroa gamé dia nalefa tany amin’ny toby fampijaliana amorian-gadra, hahita fahafatesana any. Nanana ny lafaorony misy afo mivaivay koa i Hitler, sady nanana irony efitra misy gazy manempotra mahafaty irony koa izy, sy ny fandaharany hamoan’olona tsikelikely amin’ny hanoanana. Ao amin’ny bokiny mitondra ny anarana hoe: My Story (Ny tantarako), Gem, ma La Guardia Gluck dia nanoratra izao manaraka izao eo amin’ny toko faha-8: “Ankehitriny izao aho vao mihevitra mba hilaza ny amin’ireo Mpianatry ny Baiboly [vavolombelon’i Jehovah] voatana an-tranomaizina tamin’ny toby fampijaliana. Mpiandany na isan’ny antokom-pivavahana anankiray izy ireo ary mino ny fahamarinan’ny teny tsirairay ao anatin’ny Baiboly. Tsy nahalala io antoko io aho talohan’ny nahatongavako teto Ravensbruck. (...) Ny maro tamin’ireny Mpianatry ny Baiboly voatana an-tranomaizina tany Ravensbruck ireny dia vehivavy manam-bady daholo, renim-pianakaviana tsotra, mendri-pitokiana, mahery miasa. Nasaina niasa an-trano izy ireny ary izay asa tena sarotra no nofidina ampanaovina azy. Notantarainy tamiko fa isan’ny gadra tranainy tao Ravensbruck izy ireo ary nampihosena hanao izao karazan’asa rehetra izao tamin’ny nananganan’ny “nazis” ny toby. Midera azy ireo manokana aho noho ny tanjaky ny herim-pony. Manana risi-po sy finoana tsy azo hohozongozonina izy ireny. Efa voatana an-tranomaizina tao foana izy ireny, nisy valo, folo na roa ambin’ny folo taona aza ny sasany, hatry ny nanombohan’ny fitondran’i Hitler tamin’ny taona 1933 ka vao nandà hanao Didiana isika dieny izao hanao fanapahan-kevitra tsy azo tsoahinailay fiarahabana manokana navoakan’ny “nazis’’ hoe: “Heil Hitler!” ny mpikambana tamin’ny antokony. Nanaraka ny zony mba ho afaka tsy hiandany amin’ny atsy na ny aroa eo amin’ny raharaha politika, ny Mpianatry ny Baiboly ka tsy voatery hiarahaba izay fahefana noforonin’olombelona fa tsy noharin’Andriamanitra. Izao no fanekem-pinoany: ‘Aloavy amin’i Kaisara izay zavatra an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra izay zavatra an’Andriamanitra.’ Tsy afaka hanaiky karazan’ny tsi-fankatoavana toy izany ny fitondran’ny “nazis’’ tsy refesi-mandidy, hany ka an’arivony maro no voasambotra sy natao tany amin’ny toby fampijalian’olona ny Mpianatry ny Baiboly. Indray andro dia nalain’ny Gestapo fanahy izy ireny ka nilazany fa izay Mpianatry ny Baiboly mandà ny finoany ka manao sonia ny fanambarany momba izany, dia hahazo ny fahafahany ary tsy henjehina intsony. Tsy nisy nihontsana hanao sonia ny filazana toy izany na iray aza. Sarotra inoana izany, kanefa izany no tena marina. Naleony ihany miandry ny androm-panafahana amim-paharetana.”
3 Tamin’ny taona 1961 no nanoratan’i Gemma La Guardia Gluck, zokivavin’i Fiorello La Guardia efa maty, ben’ny tanàna taloha tao New York, io tantaran’ny tenany io. Mampiseho indray izany tantaran’ny fiainana hitany, nandritra ny fotoana nigadrany tany amin’ny toby fampijaliana amorian-gadra nataon’i Hitler izany fa tojo tarehin-javatra vaovao hampiova ny heviny ny vavolombelona kristian’i Jehovah tany Alemaina, ka hiankohoka amin’ny andriamani-tsy izy. Tsy nisy hafa tamin’ny nanomezana azy telo lahy Hebreo sakaizan’i Daniela, fotoana isafidianany fanindroany hiarahaba ny tsangambato. Maro amin’izy ireny no mbola velona ankehitriny. Nanao sonia ny fanambarana sy niteny hoe: “Heil Hitler!’’ fotsiny, dia nomena fahafaliana sy natao ambany fiarovan’ny Fanjakana izy ka tsy henjehina intsony! Kanefa tsy nanaiky “hiankohoka” koa ireo vavolombelona amin’izao fotoana ankehitriny izao ireo, tahaka azy telo lahy Hebreo. Nanaiky an’Andriamanitra ho Filoha noho ny olona izy. Tsy natahotra mihitsy izay mamono ny tena kanefa tsy afaka mamono ny fanahy izy.
TSY MATAHOTRA NY OLOMBELONA IZY IRENY
4, 5. Inona no rapaoro avy any Alemaina atsinanana, mampiseho fa ny olon’Andriamanitra dia tsy mba matahotra, eo anoloan’ny saina tia tanindrazana mahery vaika manjaka any?
4 Marina fa tsy eo intsony Hitler. Kanefa, foana toy izany koa ve ny saina voapoizin’ny fitiavan-tanindrazana, naoriny sy efa nihanaka eran’ny tany manontolo? Voahetsiketsiky ny saina tia tanindrazana miredareda izao ny ao Alemaina atsinanana ao, izay ao amin’ny faritry ny hery kaomonista, ka mifanohitra amin’ny fanompoana marina an’i Jehovah Andriamanitra. Vao haingana foana dia nisy zazavavy kely mpianatra, vavolombelon’i Jehovah, nahafaka fanadinana ary nasaina nivaofy ny lohateny hoe: “Nahoana ny antokon’ny mpiasa mpanao asa-tanana irery no manana ny zo hitondra ny firenena?”
5 Vonton’ny finoana ny Fanjakan’Andriamanitra izay iankinan’ny vavaka ataony ilay zazavavy ka tsy hitany koa izay antony hamaliany izany fanontaniana izany raha entina amin’ny lafin’ny fitiavan-tanindrazana, satria mazava tsara taminy fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany manana alalana hanapaka ny firenena rehetra. Koa novoasany arak’izany ilay lohateny ary nohazavainy fa ny Fanjakan’Andriamanitra no fanantenana tokana ho an’ny olombelona, ary Jesosy Kristy no Filohany marina, fa izao fitondrana tsy refesi-mandidy mody ankinina amin’ny sarababem-bahoaka izao, dia tsy hahasolo na oviana na oviana ny Fanjakan’i Jehovah Andriamanitra. Raha vao voatitra ny lahateniny, dia nampanantsoina ho eo anatrehan’ny komitin’olona telo izy, izay nampiseho fa tsy mifanara-kevitra velively tamin’izay nolazainy ka naniratsira ny finoany an’Andriamanitra izy ireo no sady nampiomana azy fa ho ratsy ny isa azony raha tsy miova ny heviny. Nambaran’ilay zazavavy kosa fa izay nosoratany dia mampiseho ny zavatra rehetra ijoroany eo amin’ny finoany; ary tsy afaka hanohitra ny eritreriny izy amin’izany. Raha nanontaniana izy dia namaly amim-pahamendrehana, araka ny marina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nahazo filazam-pankasitrahana ambony dia ambony izy no niafarany, noho ny fahamarinan’ny valin-teniny sy ny fahamendrehany.
6. Ahoana no anampian’ny andalan-teny no amin’ny Fanambarana 14:7 ny mpanompon’Andriamanitra hivavaka amin’i Jehovah?
6 Tokony ho nampiseho herim-po be io zazavavy kristiana io, hitanany ny fahatokiany tamin’ny lalam-pitondrantena araka ny Baiboly. Izany koa no toetra amam-pomba narahin’izy telo lahy Hebreo. Efa voaomana tamin’ny fianarana ny fahamarinana ny sainy hatramin’ny fahazazany. Isika koa, dia tokony hampiseho ohatra tsara amin’ny fanarahana ny fanompoana marina, ary eo imason’ny olona rehetra izany satria, na firenena, na fokom-pirenena, na fiteny samihafa dia tokony hankatò izao didy izao: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny ora fitsarany; ary mivavaha eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” (Fanambarana 14:7, MN). Izao ankehitriny izao no tsy maintsy hanapahan-kevitra. Inona no hataonao?
7. Inona koa no oha-pinoana hafa vao haingana azo lazaina?
7 Any am-badiky ny rindrim-by indray, dia raràna ny fampielezana ireo fahamarinana araka ny Baiboly, na fampianarana vita printy izany na fitoriana am-bava. An’arivony ny vavolombelon’i Jehovah no nasesika tany am-ponja, noho izy miteny Baiboly, nandritry ny taona maro. Farany teo dia vao nisy vavolombelon’i Jehovah navoakan’ny kaomonista rehefa nahiboka tany an-tranomaizina dimy ambin’ny folo taona. Noho ny nitoriany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra anefa no nahavoaheloka azy higadra mandra-pahafatiny tamin’izay. Efatra amby fito-polo taona ny anankiray tamin’izy ireo. Nandalo tranomaizina sivy taona tamin’ny fitondram-panjakan’i Hitler izy ary vao nanala ny dimy ambin’ny folo taona tamin’ ny fitondran-dry zareo kaomonista. Mba hevero ange! Efatra amby roa-polo taona izany no lanin’io lehilahy io tany an-tranomaizina, na ny am-pahatelon’ny andro niainany, noho ny fahasahiany nitory ny Baiboly. Nandà hiarahaba an’i Hitler sy ny nazisma na ny firaiketam-po amin’ny firenena izy ary tsy nanaiky hivadika tamin’ny Andriamaniny, hila sitraka amin’ny kaomonista. Eny tokoa, mbola misy olona manana herim-po hiteny hoe: “Tsy hanompo ireo andriamanitrao izahay.” — Daniela 3:18, NC.
8. Inona no nihatra tamin’ny zazavavy kely anankiroa, mpanompon’i Jehovah Andriamanitra, tany Espaina, tany katolika, ary inona no nanamelohana azy?
8 Tamin’ny 10 Jona 1964, dia nisy zazavavy anankiroa vavolombelon’i Jehovah, niala tao amin’ny tananany any Espaina, niakatra hividy zavatra tany Madrid. Niresaka ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny olona nifanena taminy izy ireo raha vao nisy fotoana azony nararaotina. Moa tsy namela izao hafatra izao tamintsika tokoa Jesosy: “Koa mandehana hianareo, ary ataovy mpianatra ny olona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 28:19, MN). Rehefa vita ny fiantsenany dia nandray ny fiarakodia hiverina izy. Kanjo nisy pôlisy nanaraka azy tao anaty fiara, nanerongerona azy hidina sy nitarika azy tany amin’ny birao foiben’ny pôlisy. Nofaninina, nametrahana fanontaniana tao izy roa vavy kely, hatramin’ny valo ora hariva ny 10 Jona ka hatramin’ny iraika ambin’ny folo ora marainan’ny ampitso 11 Jona, izany hoe nandritra ny dimy ambin’ny folo ora. Angaha moa matahotra io Fanjakana katolika io, sao ny Espaniola sasany mandre izay voasoratra ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ao anaty Baiboly katolika nampiasain’ireo zazavavy kely ireo! Mpikarakara ny fikambanan’ny vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tanàna kely akaikin’i Madrid ao, ny rain’ireo zazavavy roa ireo. Efa nampianarina ny fahamarinana izy izany, koa tsy natahotra ny hanambara izany. Hafaliana manao ahoana no an’ilay rainy rehefa nahita ireo zanany vavy nahajoro tamin-kerim-po ho vavolombelon’ Andriamanitra! Ary inona moa no antony nisamborana azy ireo, sy ny sazy natao taminy, hoy hianao? “Satria mpikambana amin’ny antokom-pivavahan’ny vavolombelon’i Jehovah izy ary miakatra any an-drenivohitra handray anjara amin’ny fampielezan-kevitra hitaomana olona hanaraka ny finoany.”
9. Nahasakana ny olon’Andriamanitra tsy hanao ny fanompoany ve ny fomba tsy refesi-mandidy sy tia tanindrazana nampiasaina tany Espaina? Inona no porofo?
9 Milaza izao didy izao, amin’ny teny fohifohy, amin’ny vahoakany i Espaina, tany tsy refesi-mandidy sady matimatin’ny firaiketam-po amin’ny firenena: “Aza manompo ny Andriamanitra ary aza manambara izay hevitrareo momba ny Tenin’Andriamanitra eto amin’ity tany ity.” Kanefa na fisamborana toy ny olo-meloka, na famaizana, na gadra, na inona na inona ampiasainy dia tsy nampijanona ny tena kristiana. Voalohan-toerana eo amin’ny fiainany, ny fanompoany an’i Jehovah. Tsy nisy afa-tsy olona 93 no nanambara ny filazantsara tamin’ny taona 1950 tany Espaina, kanefa ankehitriny dia efa misy 3052 no vavolombelon’i Jehovah mitory any amin’io tany io, ary izy roa kely dia isan’izany. Tsy nampangatsiaka velively ny zotom-pon’ny mpanompon’i Jehovah any Espaina ny fanenjehana, sa ahoana no fijerinao azy kosa? Tsy nampiahotra azy ireny koa ny fanenjehana, any amin’ireo tany hafa. Fa mba manao ahoana ny fihezahanao hanely ny hafatry ny famonjena amin’ny mpiray tanàna aminao?
10. Milazà koa ohatra iray mampiseho fanoherana nataon’ny fanjakana espaniola.
10 Tsy mahalana akory no ahitana zavatra toy ireo voalaza ireo. Betsaka ny andinidininy navoaka tamin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-Vous! momba ny fanenjehana ny vavolombelon’i Jehovah tany Espaina sy Portigaly, tany roa samy eo ambany fitondrana katolika tsy refesi-mandidy. Indro koa mbola misy hafa anankiray. Tamin’ny 2 Avrily 1964 no niseho izao tarehin-javatra izao, tany Espaina ihany. Nisy polisy betsaka no indray nirongatra tao amin’ny tokatrano iray, indray andro, namabo zavatra maro: Baiboly, boky ampianarana ny olona ny Baiboly, nanafina ny fanalahidin-trano sady nangadra ilay olona tao, vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny 27 taona eo. Efa voasambotra indray mandeha izy tamin’ny taona 1963 ary notanana nandritra ny telo-polo andro, fa nanao fampielezan-kevitra hono, nitory tamin’ny Baiboly. Raha mbola nanao ny fisavana ireo olom-panjakana ireo, dia tonga hitsidika tao amin’io trano io ihany koa ny minisitra tanora anankiray hafa. Voafaoka koa io zatovo vao fito ambin’ny folo taona io. Niara-voatana tany an-tranomaizina izy roa lahy nandritra ny roa-polo andro. Tsy nahafoana ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’ Andriamanitra tany Espaina akory ny hetraketraka karazan’izany. Mbola hanohy, hanao antso avo, hitory foana any amin’io tany io ny vavolombelon’i Jehovah, hiandahy hiambavy, na kely na lehibe. Raha mbola manoro vohony ny olona ny mpitondra fivavahana katolika hanome ny zavatra rehetra ho an’i Kaisara, ny vavolombelon’i Jehovah kosa tsy hiova famindra fa izay an’i Kaisara ihany no hatolony azy, ary izay an’Andriamanitra dia homeny ho an’Andriamanitra.
11. Inona no nihatra tamin’ireo mpanompon’i Jehovah tany Cuba, satria tsy nanao ambanin-javatra ny fahatokiany an’Andriamanitra Tsitoha izy?
11 Any Cuba, ny firaiketem-po amin’ny firenena dia antsoina mafy eny ambony tafo-trano hoe fitenenana, amin’ny fahitan-davitra, ny fampielezam-peo sy ny gazety rahateo. Heverin’ireo mpitondra ny tany ao fa ny fahatokiana amin’ny firenena no mialoha ny zavatra rehetra. Mila herim-po be raha te-ho kristiana, any amin’io nosy io. Nisy tera-tany roa lahy nivoaka nitory ny Fanjakan’Andriamanitra isan-trano isan-trano, mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Tranomaizina efa-bolana no vidin’izay asam-pitoriana izay taminy. Nanala roa volana tany amin’ny fonja koa ny minisitra mpitety faritany roalahy amin’ny nitoriany ny Fanjakan’Andriamanitra. Tany amin’ny faritra anankiray hafa any Cuba ihany, dia natao an-tranomaizina ny mpikarakara fikambanana enin-dahy; ny sasany, telo volana ary ny sasany, efa-bolana. Izany no mihatra aminao raha manambara ny marina mikasika an’Andriamanitra sy ny asany tamin’ny lasa sy ny ho avy, hianao! Nilaza tamin’ny vavolombelon’i Jehovah, ny Fanjakana, hampitsaharany ny asany ka hanaraka ny foto-pinoana kaomonista. Ahoana anefa no ahafahan’ny kristiana hilefitra ka hanaiky izany filam-boa tsy àry izany, raha ny Baiboly manambara hoe: “Ary hotorina amin’ny tany rehetra onenana ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, avy eo dia ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN). Raha izany no izy, mba iza no hankatoavinao ?
12, 13. a) Nahoana no nanenjika ny vavolombelon’i Jehovah ny antoko politika afrikana sasany ary inona avy no endrika nisaloran’izany fanenjehana izany? b) Saina toy inona no manetsika ny mpitondra?
12 Tao Afrika koa, ny vavolombelon’i Jehovah dia nahita loza tamin’ny herisetra ataon’ireo antoko politikan’ny tia tanindrazana, hanerena azy hirotsaka amin’ny fikambanana ajorony. Raha misy vavolombelon’i Jehovah tsy manaiky handoa fotsiny ny latsa-kemboka handraisana ny karatry ny mpanohana ny antoko politika anankiray, dia toraham-bato ny tranony ka potika tanteraka mihitsy aza indraindray; ny olona dia viravirainy. Tsy afaka hiaritra ny herisetra ara-politika toy izany, raha tsy manana finoana marina sy mazava ka hijoro mahatoky an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany. Tany Afrika koa dia nisy mpikarakara anankiray sy mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra maromaro efa voakapoka mafy loatra ka naiditra ny hopitaly mihitsy. Nodorana avokoa ny vokatry ny famboleny. Tany amin’ny toerana hafa, dia nodorana koa na trano, na Efitra malalaka natokan’ny vavolombelon’i Jehovah ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny tenany dia noroahina hiala ny tanànany ary ny sasany aza dia novelezin’ ny olona mpitondra ara-politika tsy ananany antra. Enjehina toy izany ny vavolombelon’i Jehovah noho izy tsy mety hifanosona amin’ny politika sy hivadika sy hivavaka amin’ny Fanjakana. Eo an-daniny kosa, ireo fandaminan’ny fivavahan-diso izay ao anatin’i Babylona Lehibe, ny fanjakan’ny fivavahan-diso, dia tsy mihambahamba na kely variraiventy aza manaraka ny fihetsiketsika ho amin’ny fitiavan-tanindrazana ka “handohalika sy hivavaka amin’ny tsangambato” volamena.
13 Tsy dia ankasitrahan’ny mpitarika loatra ny iresahana izany ampahibemaso. Voatery anefa hilaza sy hampahafantatra fa tsy misy ihoaran’ny olona amin’izao fotoana ankehitriny izao akory, amin’ny olona tamin’ny andron’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona fahizany. Saina mitovy ihany no manosika ny filoha eo amin’izy roa tonta ary raha atao bango tokana ny teniny, dia hoe: “Raha tsy manaiky hiankohoka sy hivavaka amin’ny sary, ohatry ny firenena efa natsangako hianareo, dia hatsipin’ny vahoaka ao anatin’ny lafaoro misy afo midedadeda.”
14. Nahoana ny tena kristiana no tokony ho vonona hisetra ireny zava-tsarotra ireny, ary inona no fanapahan-kevitra malina tokony hatao dieny ankehitriny?
14 Vonona hizaka sy hisetra ny zava- tsarotra rehetra ny kristiana marina. Ireo tarehin-javatra voalaza eo aloha ireo, dia ahazoantsika sary an-tsaina, izay miseho saika eran’izao tontolo izao, ary aoka ho fampiomanana antsika ireny. Tsy afaka hampandefitra ny fieritreretany ny vavolombelon’i Jehovah mpanara-dia an’i Kristy. Tsy mba afaka hitory an-kalalahana ireo vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany kaomonista. Arak’izany, raha hanao ny fivoriany amin’ny maha-fikambanan’Andriamanitra azy izy, dia voatery hiafina. Ny ankabeazan’olona hanao hoe: “Mpandray an-tendrony ny vavolombelon’i Jehovah: tena adala mihitsy izy ireny mihantsy fahasorenan-tsaina ho an’ ny tenany.” Kanefa, tsy ho finaritra amin’ny fanenjehana akory, sanatria ny vavolombelon’i Jehovah fa, ny fanontaniana mipetraka amintsika tsirairay izao dia miharihary: Iza no tianao ho tompoina: ny Fanjakana sa Andriamanitra? Kaisara sa Jehovah ? Raha maniry hiaina mandrakizay ao ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra hianao, na ho haingana na ho ela, dia tsy maintsy hanao fanapahan-kevitra ny amin’izany. Aleo valiana dieny izao fa aza odian-tsy fantatra io fanontaniana io. “Dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany.” (Zefania 2:2, 3 , AC). Enga anie ka ho tapa-kevitra hanompo Azy, dieny ankehitriny hianao!