Zava-tsoa ny asa
MOA zava-tsoa ve ny asa? Eny, zava-tsoa ny asa raha jerena araka ny mety ary raha toa tsy dia nampananosarotra loatra ny fomba anatanterahana azy.Noho ny antony maro no mahamarina izany, araka ny porofoin’ny Soratra Masina sy ny toe-javatra misy.
Mampahafantatra antsika ny Baiboly fa miasa Andriamanitra sy Jesosy Kristy ka sambatra izy. Izao no nolazain’i Solomona, mpanjaka hendry fahiny, momba ny soa entin’ny asa: “Indro efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin’ny asa rehetra izay isasaran’ny olona aty ambanin’ny masoandro (...) ary koa ny miravoravo amin’ny asany (mafy, NW).’’ “Fanomezan’Andriamanitra izany.”— Mpitoriteny 5:18, 19; 3:13, Da.
Voalohany indrindra aloha, dia zava-tsoa ny asa, satria ahazoantsika izay ilaintsika amim-pahamarinana. Ankoatr’izany, dia mahafaly kokoa ny manan-javatra azo tamin’ny asa, noho ny manan-javatra nomen’olona fotsiny. Tsy isalasalana fa zavatsoa ny asa ho an’ny olona tsy manana anton-draharaha ka mitady asa. Raha toa kosa misy olona afaka miasa nefa tsy mety manao izany, dia azo ampiharina aminy ity fitsipika araka ny Baiboly ity:
“Aoka tsy hihinana koa [izy].”— II Tesaloniana 3:10, MN.
Ny soa azo avy amin’ny asa, dia tsy voafetra ho amin’ny fanomezany antsika izay ilaina ara-batana fotsiny, toy ny sakafo, fitafiana, fonenana, fialam-boly, ets. Ilaina ny asa mba hitondra fiadanana ho antsika, na ara-batana na ara-panahy. Nomen’Andriamanitra fahaizana miasa ara-tena sy ara-tsaina isika, koa mba hahasambatra sy hahafaly antsika, dia tokony hampiasaintsika izany fanomezana nozaraina ho antsika izany. Noho izany, ny olona manana anto-pivelomana mampiasa saina fa tsy mampiasa tena, dia hahita fa ilainy ny mampiasa tena mba hahasalama azy.
Voadinika marina fa “tena ilain’ny olona ny miasa, toy ny ilany ny mihinana sy matory.” Raha ny marina dia izany no antony ilana ny mihinana sy matory. Raha manana ny faran’ny herinandro na ny alahady fialan-tsasatra sy ny fakan-drivotra ilaina isika, dia tsy ho azontsika hatao kosa ny hanana fialan-tsasatra tsy misy fetrany. Angamba hianao hiteny hoe: “Raha izay re aho no mba tsy voatery hiasa ny alatsinainy maraina fotsiny! Na, raha izay aho no mba nanana andro fakan-drivotra arak’izay tiako!” Tsy isalasalana fa ho tena soa sy tsara izany ao anatin’ny andro vitsivitsy, nefa tsy ho ela dia haniry mafy ny hanao zavatra mahasoa hianao.
Tsy afaka miala amin’izany isika. Ny fifaliana sy fahafaham-po ateraky ny asa mahafinaritra sy mahasoa, dia tena ilain- tsika tokoa. Taratry ny Mpamorona antsi- ka isika amin’izany, satria mampahafantatra antsika ny Tcniny fa rehefa vita ny famoronana dia “hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ary indro tsara indrindra izany.” Marina fa ny tsirairay avy amin- tsika dia tsy afaka hanao ny asa tiantsika hatao indrindra; mety ho asa vitsy mpa- nao izany, na asa tsy ahazoana karama tsara, na asa hafa koa izay tsy haintsika, toy ny mpitendry lokangam-bazaha faha-roa, maniry ny hitarika orkestra.— Genesisy 1: 31.
Nefa ny tsirairay avy dia samy tokony ho tia ny asa izay heveriny fa tsara atao, mba hivelomany sy hamelomany ireo izay miankina aminy. Ny zava-dehibe indrindra dia ny hanaovana asa mendrika sy mahasoa. Hevero ho toy ny anaovana fanamby ny asanao mba hanaovanao azy tsaratsara kokoa hahazoam-bokatra tsara, na mpiasa mpanao taozavatra hianao na mpanampy olona mpanao asan-tanana, na mpiasam-birao na mpikarakara tokantrano. Mankamamy ny fifaliana sy ny fahafahampo ateraky ny asa vita tsara, na manoratra taratasim-barotra amin’ny milina hianao, na mamboatra milina, na mikarakara sakafo, na manadio efitrano.
Noho ny habetsahan’ny olona tsy mahita ny soa azo avy amin’ny asa, amin’izany lafiny izany, dia ny amin’ny valisoa na karama, ny tombom-barotra, ny ora fiasana fanampiny, no hamafisina hatrany hatrany amin’izao androntsika izao. Tsy mahasambatra velively anefa ny fanaovana izany, fa mampiseho faharesena kosa. Satria nahoana? Satria arakaraky ny ananana no aniriana hanana bebe kokoa, toy izay hita amin’ny fitomboan’ny zavatra tadiavin’ny ankamaroan’ny sindika, tsy an- kijanona; ary arakaraky ny maha-kely ny asa atao, no niriana hampihena ny asa ihany, toy izay hita miharihary amin’ny adi-hevitra atao amin’izao fotoana izao ao amin’ny Kongresy any Etazonia, momba ny fiasana roa amby telo-polo ora ao anatin’ny herinandro. Ny fahamarinan’izany voalaza teo aloha izany, dia hamafisin’ny olona maro manana asa momba ny famoronan-javatra, toy ny artista sy ny mpanoratra. Porofoin’ny olona maro manana taratasy filazam-pahaizana koa izany, toy ny mpampianatra sy ny mpitsabo izay afaka hanao raharaha ahazoam-bola bebe kokoa, nefa aleony manao ny asany, noho ny valisoa tsy ara-bola azony amin’izany.
Manazava tsara izany fitsipika izany, ny hafetsen’ny mpampanonta ny iray amin’ ny gazety malaza indrindra any Etazonia. Araka ny nolazain’ny mpanoratra iray tao taloha, dia tsy mba mandroaka mihitsy izay mpanoratra noraisiny hiasa ao, izy ireo. Fa raha tsy mahafa-po azy kosa ny asany, dia ampanaoviny zavatra sarotra dia sarotra tsy noheveriny hatao mihitsy ilay mpanoratra, hany ka kivy ary farany, rehefa tsapany fa tsy ilaina izy, dia miala amin’ny asany. Ny taratasim-bola omena azy, dia tsy ampy ho valin’ny asany; ilainy koa ny hahatsiaro fahafahampo amin’ny fahatanterahana zavatra mahasoa.
Nefa eo amin’ny olon’Andriamanitra nanolo-tena hanao ny asam-pitoriana kristiana indrindra no ahitana ny maha-zava-tsoa ny asa; moa ve tsy azo ampiharina amin’izany tokoa ilay fitsipika hoe: “mahasambatra kokoa ny manome, noho ny mandray?” Izany tokoa. Ary izao koa no nolazain’i Jesosy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka ahy.” Na dia maro aza ny mpandinika no mihemotra rehefa mieritreritra ny hoe: andeha isan-trano, na hijoro eny an-joron-dalambe mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ireo izay manao izany amin’ny fony rehetra kosa, dia mandray soa tsy misy toa azy, amin’izany asa izany.— Asan’ny Apostoly 20:35; Jaona 4:34, MN.
Noho izany, satria ilaina ny asa ary voatery hiasa hianao mba hivelomanao sy hiadananao, dia tiavo ny asanao ary mankamamia ny fifaliana sy fahafaham-po ateraky ny asa vita tsara. Dia ho fantatro fa zava-tsoa ny asa, satria toy izany no nanomanan’ny Mpamorona azy!