Fanontanian’ny mpamaky
● Iza moa ireo “fanahy tao an-trano-maizina” nitorian’i Jesosy, araka ny I Petera 3:19? Oviana izy no nitory tamin’ireo, ary moa ve izany fitoriana izany nanome azy fahafahana hibebaka?
Araka ny I Petera 3:20, ny “fanahy tao an-trano-maizina (...) dia (...) tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa”. Ao amin’ny taratasy faharoa ara-tsindrimandry nosoratany ho an’ny kristiana, Petera dia miresaka ny amin’izy ireny ho ny “anjely (...) nanota”. (II Petera 2:4, 5.) Ary izao no nanampin’i Joda mpianatra: “Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe.” — Joda 6.
Ny amin’ny hoe tena nandaozan’ny anjely tokoa ny toerany tamin’ny voalohany, talohan’ny safodrano, dia miharihary amin’ny Genesisy 6:2, izay vakintsika toy izao: “Dia hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy.” Ireny zanak’Andriamanitra ara-panahy na anjely ireny dia afaka nitafy nofo mba handray bikan’olombelona; izany rahateo moa no nataon’ireo anjely mahatoky, araka ny baikon’Andriamanitra, mba hampita hafatra ho an’ny olona tetỳ an-tany (Genesisy 18:1, 2, 8, 20-22; 19:1-11; Josoa 5:13-15). Nefa rehefa nisy anjely maro ninia nandao ny toerany ka namela ny asa tany an-danitra mba hanana firaisana amin’ny zanakavavin’ny olombelona, dia nanao zavatra nifanohitra tamin’ny lalàn’Andriamanitra izy ireny. Nanjary meloka ho nanao faharatsiana izy ireny, araka ny miharihary amin’ny tenin’i Joda izay mampitaha ny fahotan’ireny anjely ireny amin’ny faharatsiam-pitondrantenan’ny mponina tany Sodoma sy Gomorra mbamin’ny tanàna teny amin’ny manodidina. — Joda 7.
Fa raha ny amin’ny fotoana nitorian’i Jesosy tamin’ireo “fanahy tao an-tranomaizina”, rehefa avy nanasoritra i Petera fa “novelomina tamin’ny fanahy (esprit) i Jesosy, dia notohizany ny teniny tamin’ny filazana hoe: “Tao amin’izany toe-piainana izany [izany hoe ny toe-piainan’i Jesosy tamin’ny naha-zavaboary ara-panahy] koa no nandehanany sy nitoriany tamin’ireo fanahy (esprits) tany an-tranomaizina.” (I Petera 3:18, 19, MN ). Araka izany, ny fitorian’i Jesosy dia tokony ho nataony taorian’ny nitsanganany ho amin’ny fiainana ara-panahy. Ary ny nitenenan’i Petera tamin’ny filazana ny lasa (“nitoriany”) dia mampiseho fa izany fitoriana izany dia natao talohan’ny nanoratana ny taratasiny voalohany (tokony ho tany amin’ny 62-64 amin’ny fanisan-taona iraisana).
Toy izao no andikan’ny Baibolin’ny kardinaly Liénart ny andinin-teny ao amin’ny I Petera 3:18, 19: “Novonoina araka ny nofo izy, nefa kosa natsangana ho amin’ny fiainana araka ny fanahy (esprit). Tamin’izany fanahy izany no nandehanany nanao ny fanambarany tamin’ireo fanahy tany an-tranomaizina.” Mikasika izany dia aoka hotadidiantsika fa ny harivan’ny Paska, talohan’ny namadihana sy nisamborana azy, dia izao no nolazain’i Jesosy tamin’ireo apostoliny: “Fa avy ny andrianan’izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.” “Ary raha tonga Izy [ny fanahin’Andriamanitra], dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana: (...) ny fitsarana, satria ny andrianan’izao tontolo izao dia efa voatsara.” (Jaona 14:30; 16:8-11). Araka izany, Jesosy tafatsangana dia afaka nanambara tamin’ireo anjely na fanahy tany an-tranomaizina, ny fitsaran’Andriamanitra voamarina tanteraka izao, izay notononina hanoherana azy ireny. Ny azon’i Jesosy natao ho an’ireny fanahy tao an-tranomaizina ireny, dia ny nanambara taminy ny fanamelohan’Andriamanitra, nefa tamin’io dia nisy antony mafy kokoa noho ny tamin’ny fotoana nisiany fony izy mbola tsy olombelona, izay nilazany toy izao tamin’ny Devoly, tamin’ny naha-fanahy azy: “Hananatra anao anie Jehovah.” (Joda 9). Mbola tsy tonga tamin’izay ny fotoana hanipazan’i Jesosy Kristy tafatsangana ireo fanany tany an-tranomaizina, ho any amin’ny lavaka tsy hita noanoa. Rehefa niditra tao amin’ny Masina Indrindra ao amin’ny tempoly any an-danitra izy mba hitondra ny vidin’ny sorom-panavotany eo amin’i Jehovah sy hipetraka eo ankavanany, dia tsy isalasalana fa izany akory tsy fotoana tokony hikarakarana ny amin’ireo fanahy tao an-tranomaizina sy hitoriana taminy. Tsy misy antony mihitsy tokony hiheverana fa rehefa tafatsangana Jesosy dia hanasa ny zavaboary ara-panahy ratsy rehetra mba hivory hihaino ny fanambarana ataony.
Mety ny mahatsiaro fa ny teny grika nadika hoe fitoriana (kêrussô) dia manisy fitenenana ny amin’ny hafatra tsara na ratsy, toy ny tamin’i Joda nanambara ny amin’ny fandringanana nananontanona an’i Ninive. Araka ny voalazan’i Joda, ireo anjely tsy nankatò dia voatokana ho amin’ny “andro fitsarana lehibe”. Noho izany, rehefa tafatsangana Jesosy ka nitory tamin’ireo anjely tsy marina, dia tsy afaka nitory afa-tsy fitsarana fanamelohana tamin’izy ireny.
Asehon’ny Soratra masina mazava fa ny fitoriana nataon’i Jesosy dia tsy afaka nanome ho an’ireny “fanahy tao an-trano-maizina” ireny, fahafahana hibebaka. Izao no vakintsika ao amin’ny Hebreo 2:16: “Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny [vonjen’i Jesosy].” Ankoatr’izany, ireo zavaboary ara-panahy nikomy dia tsy noforonina nanana fironana avy hatrany handika ny lalàn’Andriamanitra tanteraka. Nifidy malalaka ny hanota izy ireny. Ny toerany dia somary azo ampitahaina amin’ny an’ireo kristiana voahosotra izay miala amin’ny fivavahana marina. Izao no voalaza mikasika azy ireny ao amin’ny Hebreo 6:4-6: “Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana.” Araka izany, raha tsy azo atao ny hanampy ireny mpivadi-pinoana ireny hibebaka, na dia tsy tanteraka aza izy, dia tsy isalasalana fa tsy tokony hampoizina hibebaka ny zavaboary ara-panahy ninia nanota.