FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w75 1/9 p. 519
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandevenana zaza iray tany Gresy
  • Ny zava-miafina ny amin’ny fandehanana
  • Ry ray aman-dreny, aoka ianareo tsy hilefitra loatra
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Ny hasarobidin’ny fifehezana voamariky ny fitiavana
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Ampio ny Zanakao mba ho Lasa Vita Batisa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
w75 1/9 p. 519

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Fandevenana zaza iray tany Gresy

● Ny zazakely iray teraka tao amin’ny trano fiterahana any Nikea, any Gresy, dia maty, fotoana fohy taorian’ny nahaterahany. Rehefa naniry ny handevina azy ny ray aman-dreniny, dia tsy nanome lalana azy handevina ny mpanao ny sora-piankohonana. Nahoana? Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ka nivady tamin’ny naha-izany azy tamin’ny 1954. Nefa teo ambany fiadidian’ilay mpitondra tsy refesi-mandidy atao hoe Papadopoulos taloha, dia namoaka didy ny minisitry ny Ati-tany fa foana ny fanambadiana rehetra nosoratan’ny vavolombelon’i Jehovah, didy notohanan’ny Eglizy ortodoksa grika.

Nanambara tamin’ny ray aman-dreny àry ny mpanao ny sora-piankohonana fa tokony hambaran’izy ireo ho “zazasary” aloha ilay zaza mba hahazoan-dalana handevina. Nanda ilay ray tamin’ny filazana fa nosoratana ara-dalàna ny fanambadiany, toy izany koa moa ny nahaterahan’ireo zanany roa hafa, ka ny fieritreretany dia nandrara azy tsy handoto ny lazan’ny fianakaviany. Notehirizina nandritra ny hefarana tao anaty vata fampan-gatsiahina tao amin’ny hopitaly ny fatin’ilay zazakely, fa nanerana an’i Gresy kosa dia nisy fanoheram-bahoaka ny fandavana tsy hanome lalana handevina.

Anisan’ireo gazety tao Atena, ‘‘To Vimo” dia niresaka ny amin’ny “Moyen Age amin’ny faharatsian’endriny rehetra”, “Athinaiki” dia nilaza an’io fanapahan-kevitra io ho ‘zavatra mahatsiravina tsy azo vinavinaina na dia amin’ny saina tia fanaovana heloka bevava aza’, ary ‘‘Kathimerini” dia nanambara fa io didy “maizina sy tsy mifaditrovana avy amin’ny fitondrana tsy refesi-mandidy io dia tokony hofoanana miaraka amin’izay ka tsy tokony havela hisy intsony mihitsy ny fanaovan-javatra mampiseho habibiana toy izany”.

Tamin’ny farany, rehefa afaka ny efatra andro dia nodidian’ny “procureur de la République” ny hanomezana fahazoan-dalana handevina, ka maivamaivana aoka izany ireo ray aman-dreny sy ny Grika maro tia fahafahana.

Ny zava-miafina ny amin’ny fandehanana

● Hatramin’ny elabe tokoa ny olona no manontany tena ny amin’ny fomba mety hahavitan’ny voromailala mpandeha, an-jato kilaometatra maro eo ambony faritany tsy fantatra ka hahatongavany any amin’ny toerana hitodiany marina. Tsy ho ampy ny hahaizany mamantatra ny lalana tokony harahiny raha oharina amin’ny masoandro. Tokony ho fantany marina koa aloha ny toerana misy azy, oharina amin’ny toerana hitodiany.

Nasehon’ilay gazety mivoaka ara-potoana hoe ‘‘Scientific American” tamin’ny desambra 1974 fa sarotra aoka izany io raharaha io. Araka ny filazan’io gazety mivoaka ara-potoana io, dia tokony hanana “fahalalana marina ny fotoana sy hanana famantaranandro anaty” ny voromailala. Io famantaranandro io koa dia tokony hiankina amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa amin’ny toeran’ny masoandro eny amin’ny lanitra mba hahafahany mahafantatra marina ny lalana halehany, oharina amin’ny masoandro”. Mbola feno ihany anefa ny zava-miafina. Azon’ny voromailala atao tokoa ny manidina hatrany amin’ny toerana hitodiany na dia rehefa saron-drahona aza ny lanitra ka tsy hita maso ny masoandro. Manatsoaka hevitra avy amin’izany ireo manam-pahaizana fa amin’ny alalan’ny masoandro no amantaran’izy ireny [ny voromailala] ny lalana halehany, rehefa azo atao izany, nefa rehefa tsy azo atao izany, dia afaka mampiasa fanoroan-dalana avy amin’ny loharano hafa izy ireny ho solon’izany”. Inona izany loharano hafa izany? Asehon’ny fitsapana sasany fa ny vorona dia andairan’ny “champ magnétique” amin’ny tany sy ny fiovaovana faran’izay kely indrindra amin’ny “pressions barométriques”. Nefa, rehefa taona maro no nanaovana fikarohana, inona no valin’io fanontaniana io ? Izao no ambaran’ilay lahatsoratra: “Mbola zava-miafina ihany izany fanontaniana rehetra ny amin’ny fandehanan’ny vorona izany.”

Ny mbola vao mainka zava-miafina kokoa ihany, dia ny mety hisian’ny olona manandrana manazava ny fahaizana mandeha mahatalanjona toy izany amin’ny alalan’ny kisendrasendra sy ny evaolisiona. Asehon’izany tsy amim-pisalasalana kosa ny fisian’ny Mpamorona iray tonga lafatra amin’ny fahendrena.

Ry ray aman-dreny, aoka ianareo tsy hilefitra loatra

● Amin’izao androntsika izao dia mihafahita hatrany ny fileferan’ny ray aman-dreny loatra. Ireo fikarohana nataon’ny Dr John Coleman, lehiben’ny mpanao konferansa amin’ny psykolojian’ny fampianarana ao amin’ny Fianarana ho mpitsabo ao amin’ny hopitaly any Londres, dia nanome fanazavana tsy nampoizina. Ny fanadinkadinana tanora 800, 11 ka hatramin’ny 17 taona sy ny fitsapana natao tamin’izy ireny, dia nampiharihary tao aminy ny faniriana lehibe ny tsy hileferan’ny ray aman-dreniny loatra. Asehon’ny zava-mitranga fa ‘ao ambadiky ny fikomiana, ny fitomaniana sy ny fifandirana, ny ankamaroan’ny zatovo dia maniry mangingina ny tsy hanarahan’ny ray aman-dreniny ambokony azy’.​—“Daily Mail” any Londres.

Mamporisika ny ray aman-dreny tsy hilefitra hatrany ny Dr Coleman rehefa manohitra ny sitrapony ny zanany lahy na ny zanany vavy. Araka ny filazany, dia ‘tokony hanao zavatra amim-pahendrena izy ireny; tsy manoro hevitra ny hampiasana tsorakazo aho, nefa ny mampidi-doza dia ny fisehoana ho miraviravy tanana ka milaza hoe: “Tsy hita mihitsy izay anaovana an’ity zaza ity; avelao izy hanao izay tiany.”

Taonjato sivy ambin’ny folo lasa izay ny apostoly Paoly dia nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra mba hanome torohevitra ho an’ny ray aman-dreny kristiana. Nananatra azy ireny izy mba tsy hilefitra loatra sady hiseho ho maharitra sy feno fitiavana. Rehefa mifototra amin’ny fahalalana araka ny Baiboly sy amin’ny fiheverana amim-pahatsorana no ho avin’ilay zanaka izany fomba izany, dia manome ny vokatra tsara indrindra mety ho azo antenaina amin’izao andro izao.​—Efesiana 6:1-4; Kolosiana 3:20, 21.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara