Ny fanantenana miorina amin’ny fivelaran’ny fikasan’Andriamanitra
“Izay [ny fanantenana] ananantsika ho vato-fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika.”—Hebreo 6:19.
1. Inona moa no fiheveran’ny olon-kendry sasany araka an’izao tontolo izao, mikasika ny fanantenana?
TSY niraharaha ny fanantenana ny Grika taloha, hendry araka an’izao tontolo izao. Araka ny filazan’izy ireny dia hevi-dravina izany, satria tsy azo atao ny handositra ny anjara. Ny anankiray taminy aza dia niresaka ny amin’izany ho toy ny “ozona ho an’ny olombelona”. Vao haingana kokoa, ny mpanoratra anglisy iray dia nanambara fa “ratsy kokoa noho ny ngidin’ny fahafatesana ny fanantenana”. Fa i Nietzsche, filozofa alemana tsy mino an’Andriamanitra kosa, dia izao no nosoratany: “Amin’ny zava-dratsy rehetra, dia ny fanantenana no ratsy indrindra, satria manalava ny fijalian’ny olombelona izy io.”
2. Inona moa no fantatra tao anatin’izao taona faramparany izao, mikasika ny hasarobidin’ny fanantenana ho fitsaboana?
2 Nefa hatramin’izay, dia nisy olon-kafa koa nanatsoaka hevitra hafa tanteraka mikasika ny fanantenana. Ny mpanao fikarohana malaza iray ny amin’ny aretin-tena vokatry ny fikorontanan-tsaina dia nahatsikaritra fa ny olona manana fanantenana dia manana fiarovana kokoa mba hiaretana ny fanerena. Tamin’ny mpitsabo hafa iray, dia ny fanantenana no hany manazava an’ireo fahasitranana nahavaka ny mpitsabo. Ny anankiray tamin’ireo olo-mahay malaza indrindra amerikana teo amin’ny lafiny mikasika ny aretin-tsaina, dia nanokana pejy maro tao amin’ny boky iray nampisehonna ny herin’ny ny fanantenana ho fanasitranana.
3. a) Ahoana moa no niheveran’i Jehovah ny filantsika fanantenana? b) Ahoana moa no azo anazavana izany amin’ny alalan’ny ohatra?
3 Jehovah Andriamanitra Mpamorona antsika dia mahalala tsara kokoa noho ny olona rehetra fa mila ny hanantena ny olona, indrindra fa ho an’ny fahasalamany ara-panahy (Salamo 103:14). Noho ny hatsaram-po dia nanao fandaharana izy mba hanomezana faha-faham-po an’io zavatra ilaina iankinan’ny aina io. Tsy vitan’ny hoe nanome fampanantenana miteraka fanantenana izy, fa nanome filazana maro manaporofo ny tsy hivadihany amin’izany. Tamin’izany izy dia nanome antony tokony hanantenana mihamafy kokoa ihany. Ny fomba ataony dia azo oharina amin’ny an’ny ray iray izay hampahafantatra ny fikasany amin’ny zanany. Ohatra, io ray io dia mety hikasa ny hitondra ny ankohonany haka rivotra mandritra ny herinandro. Amin’ny fampahafantarana ny zanany an’io volavolan-kevitra io, dia manome azy ireny antony tokony hanantenana izy. Amin’ny famelana azy ireny hijery ny fanomanana ny dia, dia manatanjaka ny fanantenany izy. Voailika amin’izany ny fisalasalana nety ho nananan’izy ireo.
4. Inona moa no fikasan’Andriamanitra rehefa namorona ny tany sy ny olombelona izy?
4 Nety ho nieritreritra ny amin’izany fakan-drivotra miaraka amin’ny fianakaviana izany io raim-pianakaviana io talohan’ny niresahany ny amin’izany tamin’ireo zanany. Toy izany koa, Jehovah dia nanana fikasana mikasika ny tany sy ny olombelona talohan’ny namoronana azy ireny. Asehon’ny Baiboly antsika fa Andriamanitra akory ‘tsy namorona ny tany tsy misy endrika, fa nataony honenana’ izy ho an’ny zava-boary olombelona tanteraka izay tokony hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa. Rehefa avy namorona ny olona mpivady voalohany izy, dia nampiharihary ny fikasany ny aminy tamin’izao teny izao: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa (...) ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.”—Isaia 45:18; Genesisy 1:28.
5. Inona moa fampanantenana nomen’Andriamanitra tany Edena mba hampisehoana fa tsy niova ny fikasany tany am-boalohany mikasika ny tany sy ny olombelona?
5 Rehefa nikomy tamin’Andriamanitra ny anjely iray ka tamin’izany dia nanao ny tenany ho Satana Devoly, ary nanaraka azy tamin’ny fikomiany Adama sy Eva, moa ve Jehovah nanova ny fikasany mikasika ny tany sy ny olombelona? Tsy izany velively, satria nomeny tamin’izay ny faminaniany voalohany izay nanambara ny fahatanterahan’io fikasana io. Hoy izy: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” Io fampanantenana io (voasoratra ao amin’ny Genesisy 3:15) àry dia nirakitra fanantenana fa amin’ny farany dia handresy ny rariny ka ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah mikasika ny tany sy ny olombelona. Ny tapany sasany ao amin’ny Baiboly dia mampiseho fa io fampanantenana io izay niteraka fanantenana dia naminany ny amin’ny Fanjakana iray hotarihin’ilay ‘’taranaka” lehibe indrindra sy fikambanan’olo-mahatoky.—Efesiana 1:8-12; I Petera 1:18-21; 2:4-9; Apokalypsy 5:9, 10.
Hita fa marina foana ny Tenin’i Jehovah
6. Nahoana moa isika no afaka matoky tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah?
6 Nahoana moa isika amin’izao andro izao no mahazo matoky sy tsy misalasala fa tsy hivadika amin’izany fampanantenana nomeny izany Jehovah Andriamanitra. Voalohany indrindra dia noho izy manana ny fahefana sy ny fahendrena ilaina mba hanatanterahana ny fikasany. Izany no azony iheverana “ny tsy misy toy ny misy”. (Romana 4:17.) Ankoatr’izany dia afaka mino an’io faminaniana io sy io fampanantenana tany am-boalohany mikasika ny Fanjakana io isika, satria niseho ho mendrika itokisana sy tsy nivadika ny teny nataony foana Jehovah Andriamanitra (Josoa 21:45). Mahatoky Andriamanitra.—I Petera 4:19.
7, 8. Tamin’ny andron’i Noa ka hatramin’ny andron’i Solomona, inona avy moa no ohatra mampiseho fa tsy mivadika amin’ny teniny Jehovah?
7 Moa ve izay nambaran’Andriamanitra tamin’i Noa mikasika an’ilay safodrano lehibe sy ny fomba hahatafita velona amin’izany tsy tanteraka rehefa naringana ny ratsy fanahy (Genesisy 6:17-19; 8:15-19)? Moa ve ny fampanantenana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama nilazana fa hiteraka zazalahy izy sy Saraha tao anatin’ny fahanterany tsy tanteraka (Genesisy 17:19; 21:1-3)? Inona koa no holazaina ny amin’izay nambaran’i Jehovah tamin’i Mosesy? Nampanantena azy izy fa hanafaka ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana egyptiana ka hitarika azy ireo ho any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely. Nanao izany ve izy? Eny, ary nanamarina izany tamin’izao teny izao Josoa: “Ary fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.”—Josoa 23:14.
8 Taty aoriana dia nampanantena ny Isiraelita Jehovah fa raha mankatò azy izy dia ho fananana manokana ho azy, hahita fahombiazana ary hanana fiadanana sy fanambinana. Tanteraka indrindra io fampanantenana io tamin’ny andro nanjakan’i Solomona mpanjaka. Tamin’ny fitokanana ny tempoly Solomona dia afaka nilaza hoe: “Isaorana anie Jehovah, Izay nanome fitsaharana ho an’ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’izay teny soa rehetra nampilazainy an’i Mosesy mpanompony.”—I Mpanjaka 8:56; Deotoronomia 4:3-8, 37-40.
9. Inona avy moa ireo zava-nitranga tao am-pifaranan’ny tantaran’ny Isiraely, mampiseho fa mendrika itokisana ny tenin’i Jehovah?
9 Nampitandrina ny Isiraelita koa anefa Jehovah Andriamanitra fa raha niala taminy izy ireo, dia hosaziny. Nambarany aza ny fahababoan’izy ireo tany Babylona. Niseho ho tsy nivadika ny teniny Jehovah ka tena nanasazy tokoa ny Isiraelita rehefa nivadika izy ireo (Deoteronomia 31:29; Isaia 39:5-7; II Tantara 36:15-21). Toy izany koa, araka ny nampanantenainy, Jehovah dia namerina sisa tamin’ny Isiraelita nibebaka tao amin’ny taniny (Levitikosy 26:41-45; Ezra 1:1-3). Farany, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany mihitsy sady mpaminaniny lehibe indrindra, no nanambaran’i Jehovah fanafoanana indray an’i Jerosalema. Tanteraka ny teniny tamin’ny taona 70 amin’ny fanisan-taona iraisana, rehefa nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny nalaza ny tafika romana notarihin’ny jeneraly Titus (Lioka 19:41-44). Tsy azo lavina ary fa niseho ho tsy nivadika sy mendrika itokisana Jehovah tamin’ny fitanana foana ny teny nataony. Araka ny fanomezan-toky nataon’ny apostoly Paoly, dia ‘tsy mahay mandainga Andriamanitra’.—Titosy 1:2; Hebreo 6:18.
Antony hafa koa tokony hananana finoana
10. Inona moa no nataon’i Jehovah mba hampiorenana mafy ny finoantsika?
10 Ny fanantenantsika ny hahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah mikasika ny Fanjakany dia tsy vitan’ny hoe nohamafisin’ny nitanany ny teny nataony tamin’ny toe-javatra marobe tokoa, fa satria koa isika vavolombelon’ny fivelaran’ny fikasany ho amin’ny fahatanterahany mahatalanjona. Vao teo am-piandohana sy tamin’ny alalan’ny fanaovan-javatra mahagaga marobe, dia nomen’i Jehovah ho an’ny olona nahatoky ny porofo fa hanatanteraka ny faminaniany tany am-boalohany mikasika ilay Fanjakana izy.
11, 12. Ahoana moa no nahatonga ny safodrano sy ny nataon’i Jehovan nanomboka tamin’ny andron’i Abrahama ka hatramin’ny andron’i Mosesy, hanampy tamin’ny fampiorenana ny fanantenan’ny mpanompony an’ilay faminaniana natao tany Edena?
11 Tamin’ny andron’i Noa, ny safodrano dia nanamafy an’ilay faminaniana voalohany mikasika ny Fanjakana. Ahoana izany? Ny safodrano dia fisehoan’ny fiheveran’i Jehovah ny tany. Izany dia porofo tsy azo lavina fa tsy hamela foana ny faharatsiana hanapaka ny tany akory Andriamanitra, fa amin’ny fotoana voatendry kosa dia hanatanteraka ny fampanantenany mikasika an’ilay “taranaka” izy.—Genesisy 6:3.
12 Ankoatr’izany, Jehovah Andriamanitra dia nampiharihary fa nanao fandaharana izy mba hanomezana ny “taranaka” sy mba hiarovana ny taranaka hiaviany. Novelominy indray ny fahafahan’i Abrahama sy Saraha hitombo, ka tamin’izany izy ireo dia nataony afaka niteraka zazalahy, dia Isaka, tao anatin’ny fahanterany (Hebreo 11:11, 12). Taty aoriana, Josefa, zanak’i Jakoba sy zafikelin’Isaka, dia tonga andevo tany Egypta. Nampiasain’i Jehovah Andriamanitra izany toe-javatra izany mba hisakanana ny ankohonan’i Jakoba maro anaka tsy ho ringana mandritra ny mosary naharitra fito taona (Genesisy 45:4-7). Rehefa ela ny ela dia nitatra ny fianakavian’i Jakoba ka tonga firenena tany Egypta izay nahita fampahoriana tamin-kalozana. Tamin’ny fanirahana an’i Mosesy hanafaka ny Isiraelita tamin’izany fanandevozana izany, dia nanao dingana hafa iray koa Jehovah mba hanomezana an’io “taranaka” io. (Eksodosy 3:13-17; 19:3-6.) Nanomboka tamin’io fotoana io Jehovah dia nampiasa firenena iray manontolo mba hampiharihariana ny lafiny samihafa tamin’ny fikasany mikasika an’ilay “taranaka”.
13. Inona avy moa no antony tokony hanantenana azo avy amin’ny andro nanjakan’i Davida sy Solomona?
13 Teo amin’ny fifandraisany tamin’ny firenen’Isiraely Jehovah Andriamanitra dia nanome antony hafa tokony hananana finoana ny fampanantenany tany am-boalohany ny amin’ilay Fanjakana. Ny Lalàna sy ny fisoronana nomeny ny Isiraelita dia nanambara mialoha ny amin’ilay “taranaka” lehibe indrindra mbamin’ny zava-mahatalanjona hotanterahin’io “taranaka” io sy ireo mpanjaka sady mpisorona hampiarahina aminy, mba hanaovana ny tany ho fonenana kanto ho an’ny taranak’olombelona tonga lafatra mandrakizay (Kolosiana 2:17; Hebreo 10:1; Apokalypsy 5:9, 10; 21:2-4). Nandritra ny fotoana nanjakan’i Davida mpanjaka teo amin’ilay firenena manontolo, dia nanjary niharihary fa ilay “taranaka’’ lehibe indrindra dia hipoitra avy amin’ny taranany nanana fiandrianana (II Samoela 7:12-16). Ny fandresena ara-tafika azon’i Davida sy ny fanjakana be voninahitr’i Solomona zanany dia sary nampiseho izay ho toetr’ilay Fanjakan’io “taranaka” io. Sahala amin’i Davida, dia handresy an’izay rehetra hanohitra azy izy (Salamo 2:1-12; 110:1, 2; Matio 22:41-45; Asan’ny apostoly 4:24-30). Toy ny tamin’ny andron’i Solomona, ireo vahoakany be fandavan-tena dia hitoetra tsy hanana ahiahy sy hifaly amin’ny fomba feno amin’ny vokatry ny asany.—I Mpanjaka 5:5; Salamo 72:7, 8; Isaia 11:1-9.
14, 15. Inona avy moa no antony tokony hanantenana, nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany?
14 Tamin’ny fanirahana teto an-tany an’i Jesosy Kristy, Zanany lahy tokana, dia nomen’i Jehovah Andriamanitra ny porofo manakoako fa hanatanteraka ny fampanantenana nomeny tany Edena izy. Nanomboka nampiharihary haingana kokoa ihany an’ireo lafiny isan-karazany tamin’ny fikasany Jehovah tamin’izay. Tamin’ny fanolorana ny ain’olombelona tanteraka nananany, ho sorona, dia nametraka ny fanorenana ara-dalàn’ilay Fanjakana Jesosy. Tsy nivadika hatrany izy nandritra ny androm-piainany rehetra na dia tao aza ny fanerena sy ny fijaliana lehibe ka nasehony tamin’izany fa mendrika ny ho Mpanjakan’io Fanjakana io izy. Izany no nolazain’ny Baiboly tamin’izao teny izao: “Dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy.’’ ‘Nandresy izao tontolo izao’ Jesosy tamin’ny fandavana tsy hanahaka azy. Novalian-tsoa izy noho ny fifikirany tsy azo noravana tamin’ny Rainy tamin’ny fahatongavana ho “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”.—Hebreo 5:8, 9; Jaona 16:33; I Timoty 6:15; Apokalypsy 17:14.
15 Tamin’ny alalan’ny fahagagana maro no nampisehoan’i Jesosy tamin’ny fomba tsara fa handresy ny rariny amin’ny farany ka handray soa mandrakizay ny olombelona. Tsy nisy na inona na inona sarotra loatra taminy. Nanasitrana izao karazana aretina sy kilema rehetra izao izy, namahana vahoaka tamin’ny mofo vitsivitsy sy hazandrano vitsivitsy izy, nampitony ny rivotra sy ny ranomasina ary nanangana maty izay ny anankiray taminy dia efa maty hatramin’ny hefarana. Tena ‘nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery’ tokoa ny Zanany, ka tamin’izany ny olona rehetra dia nomeny antony iray amboniny tokony hanantenana ny fahatongavan’ilay Fanjakana azo antoka.—Asan’ny apostoly 10:38.
16. Inona moa no nataon’i Jehovah nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, mba hanohizana ny fahatanterahan’ny fikasany?
16 Fa inona no nataon’i Jehovah Andriamanitra taorian’ny nitsanganan’i Jesosy sy ny niakarany ho any an-danitra mba hahafahan’ny fikasany mikasika ilay “taranaka” hivelatra. Zavatra betsaka, araka ny asehon’ny bokin’ny Asan’ny apostoly sy ny tapany sisa amin’ny Soratra grika kristiana. Tamin’ny fanomezana ho an’ireo anisan’ny kongregasiona kristiana ny fahefana hanao fahagagana, dia nasehon’i Jehovah raha vao tamin’ny Pentekosta taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana fa ireny kristiana ireny dia hampiarahina amin’i Jesosy ho anisan’ny “taranaka” nambara tany Edena. Marina tokoa fa tao anatin’ireo 1900 taona lasa, Jehovah Andriamanitra dia nifidy an’ireo mpikambana ireo, 144 000 ny fitambarany. Amin’izao fotoana izao dia toa azo lazaina hoe feno io isa io.—Jaona 14:1-3; Asan’ny apostoly 2:1-47; Asan’ny apostoly 14:1, 3; 20:6.
Ny fikasan’i Jehovah eo an-dalam-pahatanterahana
17. Hatramin’ny nahataperan’ny andron’ny Jentilisa, inona avy moa no porofo niavosa mba hampisehoana fa ho tanteraka tsy ho ela ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona?
17 Porofo vaovao ny amin’ny maha-azo antoka ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona no niavosa hatrany tao anatin’izao taonjato faharoapolo izao. Tapitra ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” tamin’ny taona nipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany (Lioka 21:24). Hatramin’izay ireo zava-niseho,—ady, horohorontany, mosary sy areti-mandringana,—dia nanaporofo fa eo am-pahatanterahana ilay faminanian’i Jesosy lehibe (nosoratan’i Matio sy Marka ary Lioka). Ambonin’izany, araka ny nanambaran’i Jesosy azy, dia torina ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” (Matio 24:14, MN; Marka 13:10). Mpitory maherin’ny roa tapitrisa miteny amin’ny fiteny maherin’ny 160 no mandray anjara amin’io fitoriana io any amin’ny tany sy nosy 200 fara fahakeliny. Izany rehetra izany dia porofo fa handray anjara tsy ho ela ny Fanjakan’i Kristy hamely ireo fahavalony, ho fanatanterahana ny fampanantenana nomen’Andriamanitra tany Edena.
18. Ahoana moa no nampiharihariana ny anaran’i Jehovah, ary niasa ho an’ny fikasana inona izany?
18 Ny Baiboly, ary indrindra fa ny bokin’i Ezekiela, dia mampiharihary fa ny fikasan’i Jehovah dia ny hanao izay hahafantaran’ny olona rehetra eo amin’ny fahataperan’ny fandehan-javatra ankehitriny fa izy no hany Andriamanitra marina (Salamo 83:17, 18; Ezekiela 36:38; 38:23). Ara-dalàna tokoa ary tamin’ny 1931 ny nanaovan’Andriamanitra tao an-tsaina sy tao am-pon’ireo mpanompony eto an-tany, hevitra ny handray ny anarana nomen’ny tenany ny olony, efa elabe tokoa izay, dia ny hoe vavolombelon’i Jehovah, na amin’ny fomba feno kokoa, vavolombelona kristian’i Jehovah (Isaia 43:10-12). Niharihary fa fitahiana izany, tamin’ny lafiny roa fara fahakeliny. Voalohany indrindra aloha, ny fandraisana an’io anarana io dia nanampy tamin’ny fampahafantarana naneran-tany ny anarana tokan’ilay hany Andriamanitra marina. Faharoa, izany dia nahatonga ho afaka hanavaka ny tena mpianatr’i Jesosy, ny tena mpanompon’i Jehovah Andriamanitra, sy izay rehetra mihambo ho kristiana, nefa kristiana anarana fotsiny. Ny fiheverana ny maha-zava-dehibe an’io anarana io dia manampy amin’ny fanatanjahana ny finoantsika; manome toky antsika izany fa akaiky ny fotoana hanamarinan’i Jehovah Andriamanitra tena indray mandeha ao an-tsain’ny zavaboariny manan-tsaina rehetra, na ny hita maso, na ny tsy hita maso.
19. Ny fitomboan’ny fahalalana mikasika ny kilasin’olona inona moa no mampiseho fa manatona ny fara heriny ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra?
19 Ny fanazavana nomena tamin’ny 1935, mikasika ny toetra ahafantarana ny “olona betsaka” voatonona ao amin’ny Apokalypsy 7:9 dia nanampy koa tamin’ny fampiorenana mafy ny fanantenan’ireo mpanompon’i Jehovah ny amin’ny fahatanterahana fenon’ny fikasan’Andriamanitra. Noho ny fianarana tamim-pitandremana ny Soratra masina dia takatra fa ireo anisan’izany “olona betsaka” izany dia ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” amin’ny fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Ny fisehoan’izany “olona betsaka’’ izany,—indrindra fa nanomboka tamin’ny 1935, misy fitomboana haingana dia haingana eo amin’ny isan’ny mpikambana ao aminy amin’izao fotoana izao,—avy amin’ny firenena rehetra sy ny tany rehetra, dia porofo fanampiny fa tena akaiky dia akaiky tokoa ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah. Nahoana? Raha efa hitan’ny maso ny “olona betsaka”, izany dia milaza fa tokony ho akaiky dia akaiky ny “fahoriana lehibe” hahatafita velona azy. Ary koa, noho izany “olona betsaka” izany hahaforona ny votoatin’ny tany vaovao, dia tokony ho efa antomotra koa, araka ny fandrindran-kevitra, ny fanorenana an’ilay fandehan-javatra vaovao sy marina, misy ny “lanitra vaovao” sy ‘’tany vaovao”.—II Petera 3:13.
20. Inona moa no antso alefa ho an’ny olona tia ny rariny mbola ao anatin’i Babylona Lehibe, ary milaza inona izany, raha ny amin’ny androntsika?
20 Ny fahatakarana mazava kokoa fa “Babylona Lehibe” dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, dia anton-javatra hafa iray koa manatanjaka ny finoana sy ny fanantenan’ireo mpanompon’i Jehovah. Noho ny fianarana tsara ny Soratra Masina, dia fantatr’izy ireny fa ny “fahoriana lehibe” dia hanomboka amin’ny fandravana ny fivavahan-diso sy izay rehetra anisany. Izany dia nitarika azy ireny hahatakatra fa ilainy maika dia maika tokoa ny hampahafantarana an’ilay fampiomanana omena ao amin’ny Apokalypsy 18:4, manao hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” Ireo izay mijanona ao anatin’i Babylona Lehibe dia hiombona ota sy fahamelohana aminy. Hiharan’ny sazy miaraka aminy izy amin’ny fahazoana ny loza hanjo azy. Ny hoe anambarana maneran-tany an’io hafatra milaza ny fandringanana mananontanona ny fivavahan-diso rehetra io dia efa porofo fanampiny fa tokony ho akaiky ny “fahoriana lehibe”.
21. Ahoana moa no nampiorenan’i Jehovah maty ny fanantenan’ny vahoakany rehefa niharan’ny fampahoriana lehibe sy ny fanenjehana izy?
21 Ny fanantenan’ny vavolombelona kristian’i Jehovah amin’ny maha-fikambanan’olona dia mihamafy orina noho ny fiahiana sy ny fitiavan’Andriamanitra azy ireo. Ohatra, tao anatin’ireo taona 1930 izy ireo dia voatery niaritra fampahoriana sy fanenjehana tamin-kalozana tany amin’ireo tany tsy refesi-mandidy. Raha efa izany, taorian’ny nipoahan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia voatery izy ireny nisetra fanoherana lehibe saika tany amin’ny firenena rehetra. Tsapan’ny vavolombelona kristian’i Jehovah anefa fa nihatra tamin’izy ireny ny teny mampahery ao amin’ny Isaia 54:17; izao izany: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra.” Marina tokoa fa na dia tao aza ny fanoherana sy ny fanenjehana tamin’ny endriky ny fampidirana an-tranomaizina, ny fampijaliana ary na dia ny fahafatesana nahery vaika aza indraindray, ny mpanompon’i Jehovah, tamin’ny naha-antokon’olona azy, dia nivoaka avy ao amin’ny Ady Lehibe voalohany, natanjaka kokoa sy maro kokoa tsy toy ny teo aloha. Na dia ireo toby fitanana nahatsiravina tany Alemaina nazia aza dia tsy nahatapaka ny fahavononany hanohy hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana. Tamin’ny 3 may 1945, ny antokon’olona vavolombelona 230 izay tsy maty tamin’ny fitondrana tsy mifaditrovana tany amin’ny toby fitanana, dia nanao izao fanambarana izao:
“Aoka ho fantatra fa ny Andriamanitray lehibe manana anarana hoe Jehovah, dia nanatanteraka ny teniny teo amin’ny olony, indrindra fa tany amin’ny faritanin’ny mpanjakan’ny Avaratra. Misy fe-potoana fitsapana lava izao ao aoriantsika, ary izay voaro, azo lazaina hoe notsoahina avy ao amin’ny lafaoro mirehitra afo, dia tsy nisy fofon’afo akory taminy (jereo Daniela 3:27). Mifanohitra amin’izany, izy ireny dia feno ny tanjaka sy ny herin’i Jehovah.”
22, 23. a) Inona tamin’ny farany no takatr’ireo anisan’ny kongregasiona kristiana raha ny amin’ny fanendrena loholona sy mpikarakara momba ny asa? b) Amin’ny fomba ahoana moa amin’izao fotoana izao no anendrena ny loholona sy mpikarakara momba ny asa, ary soa inona no noraisin’ny kongregasiona avy amin’izany?
22 Izay mitranga ao anatin’ny kongregasiona kristiana dia porofo hafa iray koa fa mitarika ny vahoakany ny fanahin’i Jehovah tsy hay tohaina. Nandritra ny taona maro ireo kongregasiona dia notarihina tamin’ny fomba demokratika, ka ny tsirairay avy taminy no nifidy ny zokiolona tao aminy sy ny diakona (mpikarakara momba ny asa). (Asan’ny apostoly 14:23.) Nefa tamin’ny farany, noho ny fianarana tamim-pitandremana ny Tenin’Andriamanitra teo ambany fitarihan’ny vavaka sy noho ny fanampian’ny fanahy masina, takatr’ireo anisan’ny kongregasiona kristiana fa ireny fanendrena ireny dia tokony hataon’ireo izay mitana anjara asa sahala amin’ny nataon’ireo loholona tao amin’ny kolejy foiben’ny kongregasiona tany Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany, mbamin’ny loholona hafa sahala amin’i Paoly, na raharaha sahala amin’izay nataon’ireo solontenan’i Paoly, izany hoe Timoty sy Titosy namany (Asan’ny apostoly 6:2, 3; 14:23; I Timoty 5:22; Titosy 1:5). Tamin’izany fomba izany no nampiverena tamin’ny laoniny tsikelikely ny fandaminana nisy tao amin’ireo kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany.
23 Izany no mahatonga ny fanendrena ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa hataon’ny kolejy foiben’ireo loholona voahosotry ny fanahy, amin’izao andro izao, na mivantana, na amin’ny alalan’ny loholona hafa solontenan’io kolejy io. Ny lehilahy rehetra manana ireo toetra araka ny Baiboly takina, dia tendrena ho mpikarakara momba ny asa na ho loholona. Ny kristiana rehetra ary dia afaka “maniry’’ hanao ny andraikitry ny loholona amin’ny fiezahana hamboly ireo toetra takin’ny Baiboly (I Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9). Raha ny marina dia amporisihina ho amin’izany ny lehilahy rehetra. Izay rehetra miaraka amin’ireo kongregasiona maneran-tany dia nahatsapa fa ny fandaminana an’ireo kongregasiona araka ny ohatra omen’ny Baiboly dia natao tamin’ny fotoana nety indrindra. Hatramin’izao, ny andraikitra hiahy ny amin’izay ilain’ireo kongregasiona amin’ny ara-panahy, izay mihamaro hatrany ny isan’ny mpikambana ao aminy, dia tsy miankina indrindra amin’ny loholona na mpiandraikitra iray ihany, fa amin’ny kolejin’ny loholona miara-manana ny andraikitra. Amin’izany fomba izany ireo kongregasiona dia afaka mandray soa feno kokoa amin’ireo toetra isan-karazany ananan’ny lehilahy mahay.
Fitarana maneran-tany
24, 25. Manaporofo inona moa ny fitomboan’ny isan’ny mpanompon’i Jehovah?
24 Izay nitranga tato anatin’ny taona vitsivitsy tao amin’ireo kongregasionan’ny olon’i Jehovah dia mahagaga fotsiny. Atrehina ny fahatanterahana tampok’ireto teny ara-paminaniana ao amin’ny Isaia 60:22 ireto: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery.’’ Rehefa eritreretina ny amin’ireo mpivavaka marina amin’i Jehovah Andriamanitra an’arivony vitsivitsy izay fantatra ho toy izany nandaitra ny Ady Lehibe Voalohany ka ampitahaina amin’ireo mpitory ilay Fanjakana roa tapitrisa mahery amin’izao androntsika izao, dia tokony hekena fa tena tonga arivo tokoa ny kely, ary ny malemy, tonga firenena mahery. Tsy isalasalana mihitsy fa izany dia porofo fanampiny fa tena miaina tokoa ao anatin’ny fotoana fanapahan-javatra isika raha ny amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah mahatalanjona ny amin’ny olombelona.
25 Mampitolagaga ny fisian’ny fitomboana tsy fahita firy toy izany, amin’ny fotoana tsy ananan’ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana sy ny mpanompo sampy hery eo amin’ny olona intsony. Ireo fandaharana ara-pivavahana lehibe dia tsy afaka nahatohitra ny hevitra ara-politika mirehitra mafy sy ny filozofia manandratra ny zavatra ara-nofo na hedonista izay manao ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny nofo ho ny zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Nefa kosa, ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah Andriamanitra dia mahery kokoa noho filozofia rehetra, ny hevitra rehetra sy ny fivavahana rehetra eo amin’ny fandehan-javatra mikororosy ankehitriny. Noho izany antony izany, tao anatin’izao taona faramparany izao, dia olona ana hetsiny maro no nanaraka ny fanompoam-pivavahana marina ka mifaly noho ny nahitana ny tena fanantenana. Araka izany, tamin’ny 1 septambra 1973 ka hatramin’ny 31 aogositra 1974 fotsiny, dia olona 297 872 no nandray ho azy izany fanantenana izany ka nilatsaka hatao batisa ary nampiseho tamin’izany fa tonga mpianatr’i Jesosy Kristy Tompo izy ireny.
26. Nahoana moa isika no afaka mibanjina ny ho avy amim-pahatokiana?
26 Tena nanome antsika antony mafy orina tokony hanantenana tokoa ny fahatanterahana faran’ny fikasany mahatalanjona ny amin’ny olombelona Jehovah Andriamanitra. Hitantsika ny fomba imbetsaka nisehoany ho tsy nivadika tamin’ny teniny, ka nanaporofoany tamin’izany fa tsy mahay mandainga izy. Hitantsika koa fa nanomboka tamin’ny faminaniana voalohany mikasika ilay Fanjakana nomena tany Edena, dia nataon’i Jehovah Andriamanitra izay hivelaran’ny fikasany ho an’ny olombelona ary niasa ho amin’ny fanatanterahana azy izy tao anatin’ireo arivo taona maro. Nampiorina mafy an’ireo mpanompony koa ny nataony, mba hiaretan’izy ireny izay rehetra mety hotehirizin’ny ho avy ho azy. Afaka mibanjina ny ho avy amim-pahatokiana ary isika, noho ny fahazoana antoka fa handresy ny fikasany be voninahitra, hitondra fahasambarana mandrakizay ho an’ny olombelona mankatò.—Lioka 21:28.
[Sary, pejy 528, 529]
Ny fampanantenana tany Edena
Naringana ny ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa
Nanana zanakalahy Abrahama
Nafahana tamin’ny fanandevozana ny Isiraely
Nandresy ireo fahavalony Davida mpanjaka
Ny andro nanjakan’i Solomona nandry fahizay
Nanasitrana ny marary Jesosy
Ny nahafatesan’i Jesosy io fanati-panonerana noho ny ota
Torina manerantany ny vaovao tsara