Misy andro azo itsarana ve?
“AZA mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo.” Izany no nambaran’i Jesosy tamin’ny vahoaka mpihaino. (Matio 7:1). Te-hilaza ve izy fa tsy azo atao mihitsy ny manao fitsarana na karazany toy inona na karazany toy inona, sa misy fotoana tena mahamety tokoa ny hanononana fitsarana ka tsy mety hiharam-pitsarana manameloka avy amin’Andriamanitra ny tena?
Asehon’ny Baiboly mazava fa ny tarehin-javatra sasany ao anatin’ny kongregasionan’ny mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena dia mitaky ny hanononana fitsarana. Ohatra, mety hasaina hitsara ny sasany amin’ireo namany manao fahotana lehibe ireo loholona (I Korintiana 6:1-6). Tokony hofantariny amin’izay raha mibebaka amim-pahatsorana ireny mpanota ireny ary raha maniry hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Raha tsy mibebaka ireny mpandika lalàna ireny, dia tokony hanaraka an’ity baiko ao amin’ny Soratra masina ity ireo loholona: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy.”—I Korintiana 5:13.
Aoka homarihintsika anefa fa rehefa mitsara mpanota tsy mibebaka toy izany ireo loholona dia manao zavatra mifanaraka amin’ny fitsarana efa voatonona ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy manonona fitsarana manokana miorina amin’ny hevitry ny tenany izy ireo. Hampidi-doza ny fitsarana toy izany, satria hamela ny fitompoan-teny fantatra manokana hanan-kery eo amin’ny fanapahan-kevitra ny tena.
Tokony hanombana ny kristiana sasany koa ireo loholona, mba hahitana raha manana ireo fepetra takina hahatongavana ho mpikarakara momba ny asa na loholona ao anatin’ny kongregasiona izy ireny. Eo koa izy ireny dia tsy tokony hitsara araka ny fiheverany manokana, fa araka ny Tenin’Andriamanitra. Tokony hiaiky ireo loholona fa ny kristiana atolony na miandraikitra amin’izao fotoana izao, raharaha momba ny fanompoana, dia tena manana ireo toetra takin’ny Soratra masina tokoa.
Raha toa izao ka misy loholona manana fanoherana lehibe miorina amin’ny Baiboly tiany holazaina, dia tokony hanana herim-po hilaza izany izy, na dia manatrika eo aza ilay olona voakasika. Mety hisalasala ny hanao izany indraindray ny loholona iray, satria ny ankamaroany efa nilaza fanohanana ny fanolorana kristiana iray. Nefa tsy ho fahendrena izany. Mety tsy ho fantatr’ireo loholona hafa ny anton-javatra lehibe sasany mahatonga ho afaka hitsara raha tena mahafeno tokoa ireo fepetra takin’ny Baiboly mba handraisana andraikitra toy izao na izao ny kristiana iray. Mety tsy hanohitra intsony ilay loholona aorian’ny fandinihana fanampiny an’ilay raharaha. Na ahoana na ahoana, dia aleo manaiky avy hatrany ny hitenenan’ny fieritreretan’ny tena voataizan’ny Baiboly, toy izay hanenina any aoriana noho ny tsy nilazana na inona na inona raha toa miharihary fa tsy fahendrena io fanolorana io.—I Timoty 5:22.
Amin’ny toe-javatra sasany, ny kristiana dia tokony hanapa-kevitra manokana raha tsara ifaneraserana ny mpikambana toy izao na izao ao amin’ny kongregasiona, ho an’ny tenany na ho an’ireo zanany (I Korintiana 15:33). Nefa tokony hitandrina izy ireny mba hanaiky hotarihin’ny fitsarana iray efa voalaza ao amin’ny Baiboly fa tsy noho ny antony mampiseho fitiavan-tena. Tsy misy kristiana na dia iray aza, na loholona aza, omena lalana hitsara araka ny fomban’ny tenany.
Tao amin’ny taratasiny ho an’ny kongregasiona tany Tesalonika ny apostoly Paoly dia niresaka ny amin’ny fomba tokony hatao rehefa misy olona sasany maneho toe-tsaina ratsy. Nisy mpikambana kamo tao amin’ny kongregasiona. Nanararaotra loatra ny fitiavan’ireo rahalahiny mampiantrano vahiny izy ary nitsabaka tamin’ny raharaha tsy nikasika azy (II Tesaloniana 3:11, 12). Raha niresaka ny amin’ny fihetsika tokony hasehon’ireo mpikambana ao amin’io kongregasiona io isam-batan’olona eo anoloan’ilay nandeha hatrany tamin’izany lalana izany i Paoly, dia nanoratra toy izao: “Mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy. Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.”—II Tesaloniana 3:14, 15.
Ny fanamarihana olona iray satria tsy mety ny hiarahana aminy ao amin’ireo fivoriana fialam-boly, dia mitaky ny hanombanana azy, ny hitsarana azy. Ny fanombanana toy izany anefa dia fitsarana misy vidiny, satria ny antony dia ny faniriana hanampy an’io olona io hanova fitondrantena. Ary koa, izany dia misakana an’ilay tsy miaraka aminy intsony, tsy hiharan’ny fitaoman-dratsy.
Tokony hiahy ny amin’izany indrindra ny ray aman-dreny rehefa manampy ny zanany hahafantatra fa na dia ao anatin’ny kongregasiona aza dia mety hisy olona izay tsy fahendrena ny hiarahana aminy noho izy voatarik’izao tontolo izao aoka izany.
Nefa, raha toa ny kristiana iray mitsara olon-kafa araka ny fomba manokana, amin’izay izy dia manaraka fanombanana tsy anomezan-dalana. Amin’ny fitsarana an’io olona io araka ny fombany manokana, dia mipetraka eo amin’ny toerana ratsy dia ratsy eo anatrehan’Andrianmnitra izy. Izany no nasehon’i Jakoba mpianatra tamin’ny filazana toy izao: “Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna hianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara. Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa hianao, no mitsara ny namanao ?”—Jakoba 4:11, 12.
Nanana fahefana hampiasa fitenenana mafy toy izany Jakoba, satria ny kristiana nahazo baiko ho tia ny rahalahiny (Jakoba 2:8; I Jaona 3:14-17). Nefa, haneho fitiavana azy ireny ve ny tena amin’ny fanakianana azy sy amin’ny fitsarana ny ataony, ny antony manosika azy ary ny fomba fiainany, araka ny fomba hafa noho izay hita ao amin’ny Baiboly? Azo antoka fa tsia; izay hanao fitsarana toy izany kosa dia hihoatra ny lalàm-pitiavana omen’Andriamanitra (Matio 22:36-40; Romana 13:8-10). ‘Hitsara’ an’io lalàna io izy amin’ny fiheverana fa tsy mihatra aminy izany.
Nahoana ny olona iray no manjary mitsara tsy ara-drariny ireo rahalahiny? Angamba izy ta-handidy ny hanarahany ny fieritreretan’ny tenany mikasika ny raharaha manokana tanteraka, na miorina amin’ny fitiavan’ny tenany zavatra sy amin’ny fomba fanaovany zavatra izy mba hitsarana ny toetran’izy ireny sy ny antony manosika azy hanao zavatra.
Amin’izany io olona io dia tsy mihevitra fa tsy mitovy dia tsy mitovy ny olona ary isan-karazany ny ilainy sy ny fitiavany zavatra. Zava-dehibe tokoa ary ny hitandremana mba tsy hihevi-tena ho zavatra. Tsy misy olona tsy tanteraka afaka hitsangana ho mpitsara ny hafa mihitsy.
Toroana hevitra koa ny kristiana mba tsy hitsara ny tsy mpino eo amin’ny lafiny mikasika ny isam-batan’olona. Nampahatsiarovin’ny apostoly Paoly an’ireo kristiana tany Korinto fa “ny any ivelany dia tsarain’Andriamanitra”. (I Korintiana 5:13). Ny kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra dia tsy manana zo hanonona teny fanamelohana ny olona any ivelan’ny kongregasiona na hampihatra sazy amin’izy ireny. Nahazo izao baiko izao izy ireny: “Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah”.”—Romana 12:19.
Amin’izany lafiny izany ny kristiana dia afaka manaraka ny ohatra tsara nomen’i Mikaela arikanjely. Rehefa niady hevitra tamin’ny Devoly ny amin’ny fatin’i Mosesy Mikaela “dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: “Hananatra anao anie Jehovah.” (Joda 9). Tamin’izany fomba izany no nanajan’i Mikaela ny toeran’i Jehovah, ilay Mpitsara tampony.
Ankoatr’izany, ny kristiana dia tsy tokony hitsara ny olona sasany ho maloto fitondran-tena loatra ka tsy mendrika ny handre ny “vaovao tsaran’ny” Fanjakan’Andriamanitra. Fantany fa irin’Andriamanitra ny hahazoan’ny olona rehetra izay maniry izany, ny fahalalana tsara ny marina ka ho tonga amin’ny famonjena (I Timoty 2:3, 4). Tokony haneho fitiavana ny mpiara-belona aminy tsy misy fizahan-tavan’olona ary izy ireny, amin’ny fiezahana hanatratra ny olona tsirairay avy mba hampitana aminy ny hafatra mampahery ao amin’ny Baiboly.
Mazava àry fa ny kristiana dia tsy afaka manao fitsarana na fanombanana ny olona iray raha tsy manana antony araka ny Baiboly hanaovana izany. Raha amin’ny fiorenana amin’ny hevitry ny tenany na amin’ny zavatra tiany manokana no anaovany izany, dia mety hiharan’ny fitsarana manameloka avy amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpitsara tampony, izy.