FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w75 1/9 p. 543-544
  • Fanontanin’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanin’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Mitovitovy Aminy
  • Araho ny Lalana Tsara Indrindra, dia ny Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Avy Amin’Andriamanitra Daholo ve ny Fanasitranana Mahagaga?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Fanomezana avy Amin’Andriamanitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Miovaova Hevitra ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
w75 1/9 p. 543-544

Fanontanin’ny mpamaky

● Inona moa no tian’ny apostoly Paoly holazaina rehefa nanoratra toy izao izy: “Fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombin-tsombiny intsony”?

Ny teny manodidina an’ireo teny ireo dia mampisongadina ny lalan’ny fitiavana. Izao no vakintsika: “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana dia ho foana. Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika; fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony. Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana. Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.”​—I Korintiana 13:8-12.

Nasehon’i Paoly eo fa tsy naharitra akory ny fahaizana mahagaga mikasika ny faminaniana, ny fahalalana sy ny fiteny tsy fantatra. Tokony hitsahatra izany, ary tena nitsahatra tokoa. Miharihary tokoa fa ireny fahaizana ireny dia tsy nafindra raha tsy tamin’ny fanatrehan’ny anankiray na ny maromaro tamin’ireo apostoly nofidin’i Jesosy Kristy mivantana (Asan’ny apostoly 2:1, 4, 14; 8:9-20; 10:44-46; 19:6). Taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly ireo, dia nitsahatra ny famindrana ny fahaizana mahagaga.

Rehefa jerena ny tsy faharetan’ny fahaizana mahagaga, dia namporisika ny kristiana tany Korinto Paoly mba hanaraka ny lalana maharitra tsara kokoa, dia ny lalan’ny fitiavana ka tsy hihevitra an’ireny fahaizana mahagaga ireny ho ny lehibe indrindra amin’ny asan’ny kristiana.

Na dia nandray fahaizana mahagaga tamin’ny ambaratonga ambony aza ny tenan’i Paoly, dia niaiky izy fa sombintsombiny ihany ny fahalalany (I Korintiana 13:1, 2; 14:18).

Tokony handrasany ny fahatongavan’izay “tanteraka” mba hahafantarana amin’ny fomba tonga lafatra ny zavatra ara-panahy. Araka ny hitan’ny tenany manokana, izany dia tsy hitranga amin’ny andro ahavelomany eto an-tany. Nefa, rehefa haharay ny valisoa any an-danitra izy, amin’ny farany dia hahita ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana feno ny sitrapo sy ny fikasan’i Jehovah miharihary ao amin’ny Baiboly. Noho izany, rehefa nanambara izy hoe: “Rehefa tonga ny tanteraka”, dia tsy maintsy ho noeritreretiny ny fotoana hahafantarana amin’ny fomba tonga lafatra ny sitrapo sy ny fikasan’Andriamanitra.

Ny fahatongavan’ny “tanteraka” akory tsy hoe tsy maintsy ho tonga amin’ny fotoana hahazoana ny valisoa any an-danitra. Tsy misy na inona na inona ao amin’ny Soratra masina mampiseho fa asehon’i Jesosy Kristy amin’ireo anisan’ny ampakariny ny zavatra rehetra, raha vantany vao tonga any an-danitra izy ireny. Ny tenan’i Jesosy aza tsy maintsy niandry ny hampihariharian’ny Rainy taminy ny lafiny sasany amin’ny fikasany. Fony izy teto an-tany, dia izao no nambaran’i Jesosy’ mikasika ny andro sy ny ora hampiharana ny famalian’Andriamanitra: “Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” (Marka 13:32). Toy izany koa, ireo kristiana tonga zavaboary ara-panahy tsy mety maty any an-danitra dia tsy tonga amin’ny fahalalana feno alohan’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra mba hampiharihariana ny halehiben’ny fikasany rehetra. Marina koa izany amin’ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany.

Amin’izao andro izao isika dia miaina ao anatin’ny fotoana tokony hahatongavan’izay “tanteraka”. Ny zava-mitranga hita maso fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manamarina fa nandray ny fahefam-piandrianana eo amin’ny izao tontolo izaon’ny olombelona Jesosy Kristy tamin’ny 1914 (Apokalypsy 6:1-8). Tamin’io zava-niseho io dia “tanteraka” ny “tsiambaratelo masina” na “zava-miafina” izay an’Andriamanitra, tamin’ny heviny hoe io zava-niseho io dia nanaisotra ny endriny ‘misy zava-miafina’ ny amin’io Fanjakana io (Apokalypsy 10:7; jereo Matio 13:11; Lioka 8:10; Efesiana 3:3-9; Kolosiana 1:26, 27; 2:2; 4:3; I Timoty 3:16). Hatramin’izay ireo mpanompon’Andriamanitra dia nandray soa tamin’ny fahalalana ara-panahy sy ny fitomboan’ny fahazoana ny hevitr’ireo faminaniana. Izany dia mifanaraka amin’izay voasoratra ao amin’ny Daniela 12:4, manao hoe: “Ary hianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; maro no hazoto mandinika [ny boky], ka hitombo ny fahalalana.” Noho izany, ny fitenenana hoe “ny tanteraka” dia mikasika ny fahazoana feno ny hevitry ny fikasan’Andriamanitra araka ny ampiharihariana azy ao amin’ny Baiboly. Koa satria amin’izao androntsika izao misy fitomboan’ny fahazoana ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra ary tanteraka ny faminaniany, dia tokony ho antomotra tokoa “ny tanteraka”.

● Milaza toy izao mikasika an’i Jehovah ny Salamo 5:4: “Tsy hitoetra aminao ny ratsy.” Nahoana ary Jehovah no namela an’i Satana hijanona tany an-danitra nandritra ny an’arivo taonany maromaro ary hiseho teo anatrehany mihitsy aza indray mandeha?

Ahariharin’ny teny manodidina fa Satana akory tsy ‘nitoetra’ tao amin’i Jehovah amin’ny heviny andraisan’i Davida mpanao salamo azy. Ao amin’ny Salamo fahadimy Davida dia maneho ny fitokisany ny famalian’i Jehovah haingana ny vavaka ataony. Omeny ny anton’ny fitokisany amin’ny fampiharihariana ny fahamarinan’Andriamanitra: hoy izy: “Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.” (Salamo 5:3, 4). Ny dikan’ny hoe ‘mitoetra’ ao amin’i Jehovah eto dia hoe vahiny ampiantranoina ankasitrahana ao amin’ny tranony na tempoly masina (jereo Salamo 15:1-5). Izany no miseho mazava amin’ny teny notononin’i Davida nanaraka. Nampifanoherin’i Davida ny toerany sy ny an’ireo olona manao ratsy tsy avela “hitoetra” ao amin’i Jehovah, ka hoy izy: “Fa izaho kosa noho ny haben’ny famindramponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin’ny fahatahorana Anao aho.”​—Salamo 5:7.

Navela hitoetra tany an-danitra Satana Devoly nandritra ny an’arivo taonany maro ary, indray mandeha, (miharihary fa noho ny antony mazava tsara), dia navela hiseho tao amin’ny fivoriamben’ireo zanak’Andriamanitra (Joba 1:6, 7; 2:1). Nefa matoa noleferin’i Jehovah Andriamanitra ny fanatrehan’i Satana tany an-danitra, ny hany antony dia satria nisy raharaha tamin’ny lafiny ara-pitondrantena tokony hotapahina. Araka ny asehon’ny bokin’i Joba mazava, dia nilaza Satana fa tia tena tanteraka daholo ny zava-boary manan-tsaina rehetra ka hiseho hivadika amin’Andriamanitra raha toa ny fankatoavany ka tsy hita miharihary intsony ho loharanon-tombontsoa manokana na ara-nofo (Joba 2:4, 5). Mba hahafahana manapaka an’io raharaha lehibe eo amin’izao rehetra izao io, dia navelan’Andriamanitra Satana hanao izay rehetra azony natao mba hanaporofoana ny teny nolazainy. Nomeny lalana izy hampiasa ny fitaomany, mba hampanekena ny anjely zanaka hafa hanizingizina ny amin’ny fahaleovantenany, ka nosedraina tamin’izany ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra.

Anjely marobe no nanjary nivadika. Nefa na dia mbola afaka niditra tany an-danitra foana aza ireny anjely rehetra ireny dia namoy ny toeram-pitokisana sy nisy andraikitra nananany. Naetry izy ireny, napetraka teo ambany fameperana sasany ary tsy nomena izay rehetra mety ho fahazavana vaovao avy amin’Andriamanitra. Voalazalaza ara-panoharana ao amin’ny Joda 6 ny toerany, araka izao: “Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe.”

Voaroaka tsy ho anisan’ny fianakavian’ny zavaboary ara-panahy tsy nivadika tamin’Andriamanitra àry ireny anjely nivadika ireny. Na izy ireny, na Satana filohany, dia samy tsy nanohy nitoetra tao amin’i Jehovah Andriamanitra toy ny niarahany nitoetra taminy fony izy ireo zanany nankato. Na dia mbola nahazo niditra tany amin’ny faritry ny lanitra aza izy ireny dia voaroaka hatreo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara