Ny tena fibebahana—Ahoana no hahafantarana izany?
REHEFA MISY ANTI-PANAHY NA MPANAMPY AMIN’NY FANOMPOANA MANAO FAHADISOANA
16 Koa satria ireo anti-panahy miantsoroka andraikitra mavesatra ao anatin’ny fiangonana kristianina, dia tokony ho faka tahaka ny fitondrantenany. Noho izany, raha manao fahadisoana lehibe ny anankiray aminy, dia manana adidy ara-pitondrantena izy hampahafantatra izany amin’ny anti-panahy rehetra, na dia efa nibebaka aza izy. Nahoana? Satria tsy hoe tsy azo tsinina intsony izy ka noho izany dia tsy mahafeno intsony ireo fepetra takina mba hanompoana amin’ny maha-mpiandraikitra (1 Timoty 3:2). Tsy hifanaraka amin’ny oha-pahamasinana omen’Andriamanitra tokoa raha lehilahy manana kilema ara-panahy lehibe no manompo amin’ny maha-anti-panahy.—1 Petera 1:15, 16; ampitahao amin’ny lalàna voasoratra ao amin’ny Levitikosy 21:17-23 izay nandrara ireo lehilahy tao amin’ny fianakavian’i Arona nanan-kilema ara-batana, tsy hiantsoroka ny raharahan’ny mpisorona.
17 Mazava ho azy fa sahala amin’ny mpikambana hafa rehetra ao amin’ny fiangonana, ireo anti-panahy dia mety tsy hanome taratra tanteraky ny endrik’i Jehovah. Noho izy nanao fahadisoana maromaro, amin’ny farany ny anti-panahy iray dia mety hieritreritra fa tsy mahafeno intsony ireo fepetra takin’ny Soratra masina ka mampahafantatra ny fihetseham-pony amin’ireo anti-panahy hafa. Rehefa avy nandinika an’ilay raharaha sady nihevitra ny fieritreretan’ny fiangonana amin’ny fitambarany ireo anti-panahy hafa, dia angamba ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra fa ny karazam-pahadisoana nampahafantarin’io rahalahy io dia tsy mikasika ny fahamendrehany hanompo amin’ny maha-mpiandraikitra (jereo Galatiana 2:11-14 izay ilazana amintsika fa nanarina i Petera; izany anefa akory tsy nilaza hoe tsy nahafeno intsony ireo fepetra notakina mba hanompoana amin’ny maha-anti-panahy izy). Nefa, raha toa, noho ny fieritreretany, ka mino mafy hatrany io anti-panahy io fa tsy hoe tsy azo tsinina intsony izy, dia hanaja ny fihetseham-pony ireo ka hanaisotra ny andraikiny aminy.
18 Nefa kosa, raha toa ny anti-panahy iray ka iharan’ny fiampangana voamarina na raha miaiky fahotana lehibe izy, dia hiantsoroka amin’ny fomba feno ny andraikiny ireo anti-panahy hafa amin’ny fanesorana aminy ny andraikiny amin’ny maha-anti-panahy ary, raha ilaina izany, amin’ny fananarana azy sy amin’ny fanomezana azy fepetra hoheverin’izy ireo fa ilaina. Na koa, raha toa ny fihetsiny tsy misy fibebahana ka mahatonga ny zavatra tsy ho azo sorohina, dia tokony hanao ny fandroahana azy izy ireo.
19 Toy ny amin’ny anti-panahy, ireo mpanampy amin’ny fanompoana meloka ho nanao fahadisoana lehibe dia manana adidy ara-pitondrantena hampahafantatra izany amin’ireo anti-panahy. Ny lehilahy “tsy misy iampangana azy” ihany no afaka miantsoroka an’io raharaha io (1 Timoty 3:10, TV). Toy ny hatao amin’ny anti-panahy àry no hatao amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana hanao fahadisoana.
20 Raha toa Andriamanitra ka mitaky amin’ny mpikambana rehetra ao anatin’ny fiangonana kristianina mba hiezaka amim-pieritreretana tsara hanao izay hahazoana sitraka aminy sy hijanonana ho madio mba hanompoana azy, dia mazava ho azy fa tsy hoe tsy tokony hitandrina kokoa ny fitondrantenany ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. Amin’ny ankapobeny izy ireny dia manana fahazarana kokoa eo amin’ny fanarahana ny kristianisma, ary lehibe kokoa ny andraikiny eo imason’Andriamanitra, satria izy ireny ohatra ho an’ny hafa. (jereo Lioka 12:48; 1 Petera 5:2, 3). Na dia manao fahadisoana lehibe aza izy ireny, dia mbola ho ohatra ihany raha mibebaka amim-pahatsorana ka manaporofo izany amin’ny fialana amin’ny lalan-dratsiny sy amin’ny fiaikena ny fahadisoany amin’ny anti-panahy rehetra. Angamba izany fihetsika izany hanampy kristianina hafa resin’ny fahotana, hanaraka fihetsika mampiseho fibebahana toy izany. Ny zotom-pony hitady ny hanavo-tena eo imason’Andriamanitra, ny fiheverany ny fahadisoany tsy misy vazivazy, ny fahatezerana haterak’izany eo amin’izy ireo, ny fiezahana hataon’izy ireo mba hanonerana ny fahavoazana naterany, izany rehetra izany dia hitondra famonjena ho an’ny rehetra. Ambonin’izany, ny fampisehoany fihetsika toy izany dia hiaro ny fiadanana ao anatin’ny fiangonana, ny fihavanana eo amin’ireo mpikambana ao aminy sy amin’Andriamanitra.—2 Korintianina 7:11.
21 Iankinan’ny aina 1ary ny fibebahana amim-pahatsorana. Noho isika tsy tanteraka, isan’andro dia mety tsy hampiseho tanteraka taratry ny endrik’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa isika. Mety ny hanenenantsika noho izany. Na dia izany aza, dia tsy tokony ho very hevitra noho ny fahadisoana madinika rehetra mety hataontsika isika. Nefa raha tsapantsika fa matetika isika no manao fahadisoana amin’ny teny sy amin’ny atao, dia hanetry tena hatrany isika ka ho moramora amintsika kokoa ny hamindra fo amin’ireo izay mety hanota amintsika. Amin’izany, raha mivavaka amin’Andriamanitra isika mba hamela ny fahadisoantsika, dia ho azontsika antoka fa hankasitrahany ny vavaka hataontsika (Matio 2: 12, 14, 15). Amin’izany isika dia hanao ny sitrapony hatrany sady hanana fieritreretana madio. Eny, tena ho sambatra tokoa isika noho ny fahafantarana fa namela ny fahotantsika Jehovah ka mihevitra antsika ho mpanompony madio manana fanantenana ny fiainana mandrakizay eo anoloany.—Salamo 32:1, 2; 103:1-13.
[Loharanon-kevitra]
Fehintsoratra 16-21 ao amin’ny pejy 687-698 ihany.