FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w79 1/3 p. 17-20
  • Fitsanganana ho fiainana sy fitsanganana ho fitsarana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsanganana ho fiainana sy fitsanganana ho fitsarana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1979
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Andro Fitsarana sy izay hanaraka izany
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Inona Ilay Atao hoe Andro Fitsarana?
    Mifohaza!—2010
  • Fitsanganana Amin’ny Maty
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Misy Vokany eo Aminao ve ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1979
w79 1/3 p. 17-20

Fitsanganana ho fiainana sy fitsanganana ho fitsarana

12 Noho izany, ny fitsanganan’izay rehetra hovelomina indray ao amin’ny Fanjakan’i Kristy dia mety hiafara, na amin’ny fiainan’olombelona tanteraka, na amin’ny fitsarana, izany hoe amin’ny famoizana izay rehetra mety ho fiainana. Miharihary mazava izany amin’ny famakiana ny Jaona 5:29 ao amin’ny Fandikan-teny eokimenikan’ny Baiboly izay andikana an’io andinin-teny io toy izao manaraka izao: “[Izy ireo] dia hivoaka avy ao ho amin’ny fitsanganana mitarika ho amin’ny fiainana; (...) ho amin’ny fitsanganana mitarika amin’ny fitsarana.”

13 Ao anatin’ny fe-potoam-pitsarana arivo taona, Jesosy Kristy sy ireo mpitsara lefiny dia hitsara ny olombelona araka ny rariny. Izao no nolazain’i Jesosy: “Araka izay reko no itsarako.” — Jaona 5:30.

14 Izay ho ren’i Jesosy avy amin’i Jehovah Andriamanitra, mpitsara tampony, dia hampidiriny ao anatin’ny fitsaran’ny tenany. Hampihatra ny raharaha ara-pitsarany izy, mifanaraka amin’ny filazalazana ara-paminaniana nomen’Andriamanitra ara-tsindrimandry an’Isaia (11:1-5) mpaminany, mikasika azy. Fa raha ny amin’ireo mpitsara 144 000 hampiarahina aminy, izy ireo dia hanaraka ny ohatra nomen’i Jesosy Kristy. Araka izany dia tena ho voatonona tokoa ny fitsaran’i Jehovah, satria ny Zanany, Jesosy Kristy, dia hitady foana izay hanaovana, tsy ny sitrapony, fa ny sitrapon’ny Rainy. Noho izany, dia tsy hisy fangatahana fitsarana ambony amin’ny didim-pitsarana havoakan’i Jesosy. Amin’ny faran’ny fe-potoam-pitsarana arivo taona, dia hametraka ny Fanjakana amin’ilay Mpitsara tampony izy, ka tsy hisy mihitsy fiampangana ho mivadibadika ho azo atao aminy (I Korintiana 15:24-28). Amin’izany Jehovah Andriamanitra dia handray an-tanana ny zavatra ho amin’ny fitsapana farany sy raikitra hampiharina amin’ny olona rehetra ho napetraky ny Zanany aminy indray. — Apokalypsy 20:7-15.

[Loharanon-kevitra]

Fehintsoratra 12-14 ihany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara