Velona ny Tenin’Andriamanitra
Hihaino ireo torohevitra ve ianao?
EFA mba sendra nahazo torohevitra toa an’io zatovolahy io ve ianao? Angamba nisy nilaza taminao fa tsy tsara ny fiarahana amin’ny namana toy izao na izao na koa hoe ny endri-pitondrantena sasany dia nety hitondra fahasahiranana, eny, nety hitarika anao ho amin’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. Nihaino ireny torohevitra ireny ve ianao? Tao amin’ny tantaran’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny, dia nisy tantara kely izay nampiharihary ny maha-zava-dehibe ny tokony hiheverana amim-pitandremana ny torohevitra.
Rehefa avy nanafaka ireo Isiraelita tany Egypta Andriamanitra dia nampahafantatra azy ireo fa tsy tokony hifanerasera amin’ireo olona manompo andriamani-kafa izy ireo. Nanambara izy hoe: “Aza manao fanekena [na fifanarahana] aminy na amin’ny andrimaniny hianao.” Ankoatr’izany, ireny mpivavaka tamin’ny andriamani-diso ireny dia tsy nahazo lalana hijanona tao amin’ilay tany. Nilaza ny anton’ireny torolalana ireny Andriamanitra tamin’izao teny izao: “Fandrao hampanota anao amiko” izy. (Eksodosy 23:32, 33). Kanefa rehefa nadiva hiditra tao amin’ny Tany nampanantenaina izy ireo dia Isiraelita maro no tsy nanaraka io torohevitra io. Inona no nitranga tamin’izy ireo?
Balama, ilay mpaminany sandoka, dia nanoro hevitra an’ireo vehivavy tao Moaba sy Midiana, izay hitanao eo amin’ny sary eo, hanasa ireo Isiraelita ho amin’ny fanasana lehibe izay handrosoana sakafo fy sy divay tsara indrindra. Kanefa tena tsy fahendrena ny hanekena fanasana toy izany avy amin’ny mpanaraka fanompoam-pivavahan-diso. Isiraelita maro no azo inoana fa nahazo torohevitra izay nitaona azy ireo tsy handeha ho any. Nefa tsy nihaino izany izy ireo; nandeha tany amin’ilay fanasana lehibe ihany izy ireo.
Tany, noho ny vokatry ny sakafo sy ny zava-pisotro, dia nihamoramorainy ireo Isiraelita. Ambonin’izany, tsy isalasalana fa ireo vehivavy moabita sy midianita dia nanao dihy nanintona namoha ny fahamaimaizan’ireo lehilahy. Nitsahatra tsy niambina izy ireo, nanaiky ho voatarik’ireo vehivavy ary nanao firaisan’ny lahy sy ny vavy taminy. Vitan’izy ireo aza ny nampiankohoka azy ireo teo anatrehan’ireo andriamani-diso. Nanao ahoana ny vokany?
Nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Jehovah ary dia nandefasany loza izy. Kanefa ny Isiraelita anankiray dia nitondra an’i Kosby, zanakavavin’ny filoha midianita iray, tao afovoan’ny tobin’ny Isiraelita indrindra. Nampidiriny tao an-dainy io mba hananany firaisana aminy. Nefa Finehasa, zanaky ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely dia nitsofoka tao amin’ilay lay ary nanatrobaka azy roa ireo tamin’ny lefona. Tamin’izay fotoana izay indrindra dia natsahatr’i Jehovah ny loza. Na izany aza anefa dia Isiraelita 24 000 no maty satria tsy nihaino ireo torohevitra. — Nomery 25:1-15; 31:16.
Misy tarehin-javatra mitovy amin’izany ve amin’izao andro izao? Izany tokoa (I Korintiana 10:11). Eo an-tokonan’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra isika ankehitriny, vonona ny hiditra ao sahala amin’ny Isiraelita nadiva hiditra tao amin’ny Tany hampanantenaina. Raha mifototra amin’ireo ohatra tany aloha, inona no azo ampoizina avy amin’i Satana? Voavinaninao izany: ta-hametraka ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny tarehin-javatra izay hahavoan’ny fakam-panahy azy ireo hanao fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy izy, mba hitsaran’i Jehovah azy ireo tsy ho mendrika ny hiditra ao amin’ny fandaharan-javany vaovao sy marina.
Koa raha mahazo torohevitra natao hisorohana tarehin-javatra izay mety hitarika anao hanao fijangajangana ianao, dia inona no hataonao? Manehoa fahendrena: henoy izany.