Aoka isika hiseho ho velom-pankasitrahana an’Andriamanitra
Misaotra, Jehovah, isan’andro vao
Andraisanay ny fahazavanao!
Misaotra fa renao reo vavakay
Mameno sy miloaka ny fonay!
Misaotra, Jehovah, noho Jesosy
Izay mamonjy sy manoro dia!
Misaotra noho ny Fanantenana
Fa hiarina ny ao am-pasana!
Andriamanitra, misaotra be dia be
Noho ny rahalahy maro be!
Misaotra noho ny hery masinao
Mandavo izao tontolo izao!
Misaotra, Jehovah, satria tombontsoa
Ny manampy izay te-hankato!
Misaotra satria tsy ho ela Ianao
Dia hanova ny tany ho vaovao!
NY TENY eo ambony dia tonon’ny fihirana hoe “Misaotra Jehovah ô!”. Izy io dia hita ao amin’ny fitambaram-pihirana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah izay mitondra ny lohateny hoe “Mihira sy mikalo ao am-ponareo”. Io fihirana io dia manaporofo ny fanirian’ireny kristiana ireny haneho ny fankasitrahany an’Andriamanitra, ka izany dia mifanaraka amin’ny lazain’ny Soratra Masina izay manasa antsika mba ‘hihira sy hikalo ao am-pontsika ho an’i Jehovah sy ‘hisaotra an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika’. (Efesiana 5:18-20.) Fa inona avy no antony tokony hisaorantsika an’i Jehovah Andriamanitra sy hanehoana aminy ny fankasitrahantsika?
Nahoana no misaotra an’Andriamanitra?
Ny fiainana fotsiny dia efa fanomezan’Andriamanitra tokony hahavelom-pankasitrahana antsika. Raha ny marina, Jehovah dia mpanome ny zavatra tsara rehetra (Asa. 17:24, 25). Anisan’ny zavatra maro tononin’ilay fihirana, dia aoka homarihintsika izao: ny fahazavana ara-panahy sarobidy (Salamo 43:3; Jaona 17:3); ny tombontsoa hivavaka (Ohabolana 15:8); ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra (Romana 6:23; I Jaona 2:1, 2); ny fitarihana omen’ny Soratra Masina antsika mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra (Salamo 40:8; 119:9-16, 105); ny fitiavan-drahalahy asehon’ireo namantsika kristiana (I Petera 2:17); ny fitarihan’ny fanahy masina na hery miasan’Andriamanitra (Salamo 143:10); ary ireo fitahiana mandrakizay hoentin’ilay Fanjakana ho an’ny tany afaka amin’izay rehetra miteraka fahoriana (Matio 6:9, 10; Apokalypsy 11:15-18; 12:9-12). Ireo dia sasany amin’ny zavatra isaoran’ny Vavolombelon’i Jehovah an’Andriamanitra amin’ireo fivoriany.
Be dia be aoka izany ny antony tokony hisehoana ho velom-pankasitrahana an’Andriamanitra! Araka izany, rehefa mifoha ianao ny maraina dia mahatsapa indraindray fa hahafinaritra ny andro. Mibaliaka ny masoandro; renao ny kalom-boronkely sy ny fofon’ahitra vao voakapa na ny hanitry ny voninkazo. Feno hafanam-po ianao ka miteny anakampo hoe: “Endrey izany fahasambarana miaina!” Tena mety amin’izay ny hanehoanao ny fankasitrahanao an’ilay nahatonga izany rehetra izany hisy.
Eny, Andriamanitra dia nanao fandaharana maro mba hahasoa ny olombelona sy hahitany fahafinaretana. Eritrereto ny masoandro, ny volana sy ny kintana izay manome antsika ny fahazavany, ary koa ny rivotra fohintsika izay diovin’ny zavamaniry. Nomen’i Jehovah be dia be ny rano sy ny sakafo. Ary eritrereto ny vorona rehetra, ny karazam-biby velona rehetra izay mitondra fahafinaretana aoka izany rehefa mitsangantsangana mamakivaky any ambanivohitra ianao (Joba 37:5-16; Salamo 8:3-9; Asa. 14:15-17). Aoka hanampintsika fa Jehovah dia nanome antsika fahafahana hahita, handre, hitsapa, handre tsiro sy hanimbolo ka izany dia mahatonga antsika ho afaka hifaly amin’ny fomba feno amin’ny zavatra noforoniny. Tokony hiseho ho velom-pankasitrahana tokoa isika noho izany!
Ho an’ireo izay nanolo-tena ho an’i Jehovah, ireo fandaharana nataony teo amin’ny lafiny ara-panahy dia mbola zava-dehibe kokoa ihany. Ny sasany amin’izy ireny dia voatonona ao amin’ilay fihirana ery am-piandohana. Tena mety tokoa ny hampisehoantsika amin’Andriamanitra ny fankasitrahantsika noho ireny fitahiana amin’ny lafiny ara-panahy ireny.
Tsara koa ny hisaintsainana tsy tapaka ny amin’izay rehetra omen’i Jehovah Andriamanitra antsika, na eo amin’ny lafiny ara-nofo na eo amin’ny lafiny ara-panahy. Tsy isalasalana mihitsy fa ny fieritreretana toy izany dia hanosika antsika hiasa. Izany dia azo inoana tokoa fa hanosika antsika haneho ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra amin’ny teny sy ny atao. — Salamo 1:1-3; 77:11, 12.
Mankasitraka amin’ny teny sy atao
Miharihary tokoa fa amin’ny vavaka amim-pahatsorana ataontsika, dia afaka milaza ny fankasitrahantsika an’ilay manome antsika “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra” isika. (Jakoba 1:17.) Araka izany àry, moa ve isika misaotra an’Andriamanitra tsy tapaka ao amin’ny vavaka? Mety hahatsiaro ho voatosika hanao tahaka an’i Davida mpanao salamo izay nanambara toy izao isika: “Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô — tsy misy azo ampitahaina aminao — raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.” — Salamo 40:5.
Tapa-kevitra koa Davida ny hampiseho ny fankasitrahany an’Andriamanitra tamin’ny firesahana ny amin’izany tamin’ny hafa. Araka izany, dia nanambara toy izao izy: “Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.” (Salamo 9:1). Araka izany hevitra izany koa, ilay fihirana hoe “Misaotra, Jehovah ô!” dia mirakitra an’ireto teny ireto: “Misaotra, Jehovah, satria tombontsoa ny manampy izay te-hankato!” Eny, marina tokoa fa ny firesahana ny amin’Andriamanitra amin’ny namantsika, ny fizarana aminy am-bava ny fahamarinana ao amin’ny Teniny, dia azo inoana fa ny fomba tsara indrindra fampisehoana ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra.
Andeha ange isika hitodika any amin’ilay boka hany niverina mba haneho ny fankasitrahany satria sitrana. Tamin’ny fomba ahoana no nanaovany izany? Milaza amintsika toy izao ny fitantarana: “Ary ny anankiray tamin’ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery sady niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy ka nisaotra Azy”. (Lioka 17:15, 16). Tsy vitan’ny hoe nisaotra an’i Jesosy noho ny nanasitranany azy fotsiny io lehilahy io, fa nankalaza an’Andriamanitra, Loharanon’aina sy ny tena fanasitranana koa izy. Izany rehetra izany, dia nataon’ilay boka sitrana “tamin’ny feno mahery”. Araka izany, dia tsy maintsy ho nidera an’i Jehovah sy nanohy nitantara izay nitranga nandritra ny herinandro maro, angamba nandritra ny volana maro aza izy! Izany dia ohatra tsara ny amin’ny fomba azontsika anehoana ny fankasitrahantsika noho izay rehetra hitantsika sy rentsika ary nianarantsika ny amin’Andriamanitra.
Raha ny marina, dia noho izany antony izany koa no andehanan’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-trano. Ny fankasitrahany an’Andriamanitra dia manosika azy ireny hanatontosa asa tsara sy asa mampiseho fitiavam-pivavahana (Jakoba 2:26). Tamin’ireny asa ireny, dia tao ny fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny vavolombelona dia maniry fatratra ny hizara amin’ny namany izay nianarany tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, sy hanazava ny fomba nitondran’izany fahalalana izany ho azy ireo fanantenana ny amin’ny ho avy. Sahala amin’ilay boka nahay nankasitraka, dia tian’izy ireo ny hanome voninahitra an’Andriamanitra.
Moa ve ny tenanao mahatsiaro ho voatosika koa ny hiresaka ny amin’ny sasany amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Soratra Masina? Aza fefena izany fitaomana izany. ho fanombohana, dia azonao atao ny mizara ny fahalalanao amin’ny mpianakavinao, ny mpifanila trano aminao, ny mpiara-miasa aminao sy ireo sakaizanao. Amin’ny fanaovana toy izany, dia ho tsapanao fa hitombo ny fankasitrahan’ny tenanao ny zavatra ara-panahy, hihatsara ny fahatakaranao hevi-javatra ary hitombo ny fanirianao hahalala bebe kokoa ny amin’izany. Manantitrantitra toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Soratra Masina: “Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.” (Ohabolana 9:9). Olona an-tapitrisany maro no manana faniriana ny hampiseho amin’izany fomba izany ny fankasitrahany an’Andriamanitra, ary manao izany amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah izy ireo.
Miharihary àry fa afaka sy tokony haneho fankasitrahana an’Andriamanitra sy ny namantsika isika. Azontsika atao ny milaza ny fankasitrahantsika amin’Andriamanitra ao amin’ny vavaka sy amin’ny fampiakarana ho any aminy ny fiderantsika amin’ny alalan’ny vavaka. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia haneho ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra isika amin’ny firesahana amin’ny namantsika ny asany mahatalanjona.
Raha maniry hahazo fanampiana ianao mba hahafantarana sy hanarahana ny sitrapon’ilay namorona ny zavatra rehetra dia fantaro fa vonona ny hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah. Miaraka amin’izy ireny, dia ho azonao atao ny hahatsiaro ny fifaliana tsapan’ireo izay miseho ho mankasitraka amim-pahatsorana an’Andriamanitra.