Fahaterahan’ny firenena nana mpanjaka tao amin’ny tany vaovao iray
“Hisy tany hateraka indray andro va, na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.” — Isaia 66:8.
1. Inona moa no fanapahan-kevitra nataon’ireo Mpianatra ny Baiboly iraisam-pirenena tafavory tany Columbus tamin’ny 26 jolay 1931? Inona no nitranga nanaraka izany naneran-tany?
ANTSASA-TAONJATO mahery izay — raha ny marimarina kokoa dia ny alahady tolakandro 26 jolay 1931 — dia nisy vahoaka niseho teo amin’ny sehatra maneran-tany nanana anarana harovana. Tamin’io andro nanan-tantara io, ireo mpianatra ny Baiboly iraisam-pirenena an’arivony maro tafavory tamin’ny fihaonambe tany Columbus, any Etazonia, dia niara-nandany fanapahan-kevitra iray nifidianan’izy ireo ny hitondra manomboka hatreo ny anarana araka ny Baiboly hoe “vavolombelon’i Jehovah”. (Isaia 43:10-12.) Ireo kongregasionan’ny Mpianatra ny Baiboly nanerana ny gilaoby dia nanara-dia azy ireo tsy ela ka nandray ara-dalàna an’io anarana manokana io izay mbola entiny ihany hatramin’izao.
2. a) Niaritra inona moa, nanomboka tamin’ny 1931, ireo izay nitondra ny anarana araka ny Baiboly hoe “vavolombelon’i Jehovah”? b) Inona moa no teny mampahery mety ho hitany ao amin’ny Isaia 66:5?
2 Noho io anarana mendrika hohajaina io, ireo vavolombelon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra dia nankahalain’izao tontolo izao sy ny fivavahana lazaina fa kristiana, izay eo anivony no ilazana tena fa rahalahin’ny olona rehetra milaza ho mpianatr’i Jesosy Kristy. Io fankahalana ara-pivavahana io aza dia nanapoaka fanenjehana mahery vaika ka tamin’izany dia niteraka fahafatesan’ny kristiana marina maro. Mba hampaherezana an’izay rehetra mitondra ny anarany amim-pahamendrehana, Andriamanitra dia nampitahiry tao anatin’ny taonjato dimy amby roapolo, izao teny manome toky izao nataon’ny anankiray tamin’ireo mpaminany lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly: “Mihainoa ny tenin’i Jehovah, hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin’ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.” — Isaia 66:5.
3. Ahoana moa no ampisehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa mangovitra noho ny Tenin’Andriamanitra izy ireny? Moa ve izy ireny mpihaino izany teny izany fotsiny?
3 Ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao no hany ‘mangovitra noho ny tenin’Andriamanitra’. Noho izy ireo matahotra ny hanohitra ny Teniny voasoratra, dia mianatra tsy tapaka ny Soratra ara-tsindrimandry izy ireo. Ekeny ho Mpanao ny Baiboly ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompony sady Mpamonjy azy. Manaiky izy fa tenin’i Jehovah ireo boky sivy amby telopolo amin’ny Soratra hebreo sy ireo boky fito amby roapolo amin’ny Soratra grika kristiana, Soratra izay sady tokony hohenoiny no hampihariny.
4. a) Inona moa no antony tena lehibe manosika an’ireo anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana hankahala sy hanilika ireo rahalahiny? b) Inona no antony lazainy?
4 Fa inona no antony tena lehibe manosika ny fivavahana lazaina fa kristiana ihamboana ho rahalahin’i Jesosy Kristy, hankahala ny Vavolombelon’i Jehovah? Nahoana ny fivavahana lazaina fa kristiana no manilika azy tsy ho eo amin’ny laharan’ireo ekeny ho kristiana, ary nahoana, noho ny tsy fananany hevitra iombonana, no tsy tiany mihitsy ny hifampiraharaha amin’izy ireo? Ny tenan’i Jehovah mihitsy no mamaly amin’izao teny izao: “Noho ny anarako.” Nefa, ireo izay mankahala sy manilika ny vavolombelon’i Jehovah dia manome ny antony lehibe indrindra rehefa mihiaka hoe: “Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah!” Na koa, araka ireo fandikan-tenin’ny Baiboly izay manalavitra ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra. “Hankalazaina anie ny Tompo!” Tsy mihevi-tena fa ankalazaina velively anefa ny Tompo Andriamanitra rehefa ankahalaina sy lavina ireo vavolombelony.
5. a) Rehefa hita Jehovah amin’ny fisehoana amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, iza no rariny raha mifaly? b) Famantarana inona ho azy ireo moa ny henatr’ireo fahavalo?
5 Rehefa hita izy mampiseho amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa fa mankasitraka olona sasany ary tsy mankasitraka hafa, iza no manana antony tokony hifaliana? Iza no mahita henatra? Izao no lazain’i Jehovah amin’ireo izay ankahalaina sy ailika noho ny fanajana lalina ny anarany: “Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.” Izany dia nanambarana mialoha fahoriana lehibe ho an’ireo izay nankahala sy nanilika an’ireo mpanompon’Andriamanitra. Nefa io loza io dia nanambara koa ilay hamely mbola tsy nisy toy izany mihitsy an’izay rehetra mankahala sy manilika ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao “andro farany” izao. (Daniela 12:4.) Manisy fitenenana ny amin’io zava-niseho io Isaia rehefa milaza toy izao: “Injany! horakoraka any an-tanàna, ary feo ao amin’ny tempoly, dia feon’i Jehovah izay mamaly ny ataon’ny fahavalony.” — Isaia 66:6.
6. Iza moa ilay tanàna izay avy any no tokony hiakaran’ny “horakoraka”? Inona no hahatonga izany tabataba izany?
6 Ny tanàna iavian’ny “horakoraka” dia mazava ho azy fa Jerosalema, satria tao no nitsanganan’ilay tempoly natokana ho amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Milaza àry io andinin-teny io fa tonga ao amin’ny tempoliny Jehovah mba hanao fisafoana ary hitany fa fanompoam-pivavahana tsy ankasitrahany no atolotra azy ao amin’io trano io. Izany dia fanompoam-pivavahana ivelany fotsiny, misy fanaraham-pomba, feno fihatsarambelatsihy, izay manala baraka fotsiny ny anarany masina. Ny famantarana tsy fankasitrahan’i Jehovah dia ho “horakoraka” hateraky ny fanafihan’ireo mpanafika babyloniana hampiasain’i Jehovah ho fiasana mba hamaliana an’ireo fahavalony — ireo mpivavaka mpihatsaravelatsihy izay nandoto ny tempoliny — ‘noho ny nataony’. Ireny olona ireny dia fahavalon’i Jehovah satria nankahala an’ireo izay ‘nangovitra noho ny teniny’ ka nanilika azy ireny ‘noho ny anarany’. — Isaia 66:2, 5.
7. Inona moa no nitranga tamin’i Jeremia rehefa tanteraka ny faminanian’Isaia? Iza no afaka nahatsapa fa marina ny tenin’i Jehovah?
7 Tamin’ny taonjato nanaraka, tamin’ny andro nahaveloman’i Jeremia sy Ezekiela ary Daniela, Jehovah àry dia nampiasa ny tafika babyloniana mba ‘hamaliana ny nataon’ny Isiraelita izay nandika ny fanekeny. Toy inona moa ny “horakoraka” re tao Jerosalema tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, rehefa noravana ilay tanàna manontolo, anisan’izany ilay tempoly narevaka naorin’i Solomona mpanjaka hendry! Ireo Jiosy sisa velona dia nentina ho babo tany Babylona. Ny sasany nijanona tao amin’ilay tany, nefa tamin’ny farany dia nandositra nankany Egypta, ka nentiny niaraka taminy Jeremia mpaminany. Tamin’izay no tanteraka ny nambaran’ilay mpaminany: fahafoanan’ilay tany tanteraka. Ilay faritany izay nonenan’ny firenena iray hatreo dia nitsahatra tsy ho tanin’ny firenena iray velona sy teo ambany fanapahan’ny Mpanjaka any an-danitra, dia Jehovah Andriamanitra. Ireo Jiosy nahatoky izy ‘nangovitra noho ny tenin’Andriamanitra’ dia afaka nahatsapa fa marina izany teny izany.
8, 9. a) Mifanitsy amin’inona moa ilay Jerosalema naseho an’ohatra? b) Araka ny faminanian’i Jesosy, inona no hanjo azy? Nahoana?
8 Misy zavatra hiseho mbola hampisafotofoto kokoa ihany noho ireo tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana miandry an’ireo izay mankahala sy mandà ny Vavolombelon’i Jehovah izay mangovitra noho ny Tenin’Andriamanitra. Ny zava-niseho nampangitakitaka rehetra izay nitranga tamin’ny andron’i Jeremia, Ezekiela sy Daniela dia “anatra [na tandindona], sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao [faran’ny fandehan-javatra, “MN”]”. (I Korintiana 10:11.) Ho re amin’izay ny ‘horakoraka avy any an-tanàna’, dia ilay Jerosalema naseho an’ohatra voahelok’Andriamanitra, izany hoe ny fivavahana lazaina fa kristiana. Izy io dia mihambo, sahala amin’ny Isiraely taloha, ho ao anatin’ny fifandraisam-panekena amin’Andriamanitra, ao anatin’ny “fanekena vaovao” izay Jesosy Kristy no Mpanalalana (Hebreo 8:7-9). Nefa ny fitondrantenan’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy mifanitsy amin’ny fifandraisam-panekena lazainy fa tanana amin’Andriamanitra. Araka ny naseho an’ohatra tamin’ny loza aman’antambo namely an’ilay Jerosalema taloha, dia tsy maintsy hisetra “fahoriana lehibe” nambaran’i Jesosy tamin’izao teny izao izy:
9 “Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.”—Matio 24:21, 22; Marka 13:19, 20.
10. Ankoatra ny fivavahana lazaina fa kristiana, hamely an’iza moa ny fahoriana? Olona iza no hahaforona ny “nofo” tokony ho tafita velona?
10 Antomotra io fahoriana lehibe tsy mbola nisy toa izany io. Jehovah, Andriamanitr’ireo “olom-boafidy” no hahatonga izany. Tsy ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia ilay Jerosalema naseho an’ohatra ihany no hateliny, fa izay niarahan’ny fivavahana lazaina fa kristiana akaiky koa, izany hoe ny fandehan-javatra manontolo (Jakoba 4:4). Ny kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa izay mangovitra noho ny Tenin’i Jehovah no hahaforona ny “nofo” ho tafita velona.
Fahaterahana tsy maintsy mitranga sy tampoka
11. a) Vanim-potoana inona no tokony hialoha ny fahaterahan’ny olona iray? Zavatra toy izany ve no tokony hitranga raha ny amin’i Jerosalema voaorina indray? b) Iza moa no nandidy mba hanorenana indray ny Jerosalema hafa teo amin’ny toeran’ilay tanàna taloha? d) Nolazain’Isaia mazava ve hoe haharitra toy inona i Jerosalema no ho toerana foana?
11 Aoka isika izao hiverina any amin’ny faminanian’Isaia mahavariana. Mba hampaherezana an’ireo mpanompon’Andriamanitra eo anoloan’ny fahatsinjovan-javatra manjombona vao nasehony azy ireo ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia manambara zavatra hiseho mahafaly ilay mpaminany. Ny fahaterahan’ny zaza ara-dalàna iray dia zavatra tsy andrin’ny mpivady ara- dalàna rehetra ka ametrahany an’ireo fanantenana lehibe indrindra. Rehefa zavaboary olombelona no resahina, ny fahaterahana dia tsy mety hitranga raha tsy amin’ny fahataperan’ny andro noferan’Andriamanitra mba hitomboan’ilay zaza nandrasana amin’ny fomba feno. Nefa ilay Mpanao Lehibe izany fisehoan-javatra izany dia nanambara indrindra fahaterahana tsy fahita izay hitranga araka ny sitrapony. Isaia mpaminany dia nanambara ny handravana an’ilay Jerosalema nolotoina, ka nilaza izany fa tsy hisy intsony ilay tanàna tamin’ny voalohany niorina teo an-tendrombohitra Ziona. Ny tanàna hafa iray anefa dia tokony hitsangana teo amin’io tendrombohitra Ziona io ihany noho ny baikon’i Kyrosy Lehibe persiana, ilay ho mpanompon’i Jehovah mba hanongana ny Empira babyloniana (Isaia 44:28; 45:1). Tsy nolazain’Isaia mazava ny hoe mandritra ny fotoana toy inona Jerosalema no tsy hisy foana sy tsy hanana ‘zanaka’ na mponina. Tsy nambarany koa ny hoe haharitra toy inona ny tendrombohitra Ziona sy ny tany manodidina manontolo no ho toerana foana.
12. Amin’ny fomba ahoana ny tany vaovao iray no hiseho eo amin’ny sarintanin’izao tontolo izao fahizay? Ho tany nahaterahana ho an’iza moa io tany io?
12 Tamin’ny andron’i Kyrosy Lehibe, ny Jerosalema hafa iray dia tokony hitsangana ka ho tonga renin’ny ‘zanakalahy’ maro, izany hoe mponina sy vahoaka izay honina ao amin’ny faritra nanendrena azy. Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa ny “tany” iray dia hiseho eo amin’ny sarintanin’izao tontolo izao fahizay mba ho tany hahaterahan’olona tsy “firenena” teo aloha? Eny no valintenin’i Jehovah Andriamanitra ara-paminaniana.
13, 14. a) Rehefa tonga ny taona jobily nanaraka ny fahababoana, azo natao ve ny nanantena fiverenan’ny Jiosy tao amin’ny taniny? b) Moa ve Jerosalema tokony hiteraka ‘zazalahy’ noho ny fiezahana tsy vitan’olombelona hataon’ireo Jiosy lahy’ noho ny fiezahana tsy vitan’olombelona hataon’ireo Jiosy babo? Inona no nambaran’ny Isaia 66:7, 8 ny amin’izany?
13 Ny fanontaniana nipetraka izao àry dia ny hahafantarana hoe rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no hatao izany zavatra izany. Tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany, dia nambaran’i Jehovah fa ny tanin’ilay “firenena” taloha dia hijanona ho foana mandritra ny fitopolo taona, izany hoe mandritra ny vanim-potoana mihoatra roapolo taona noho ny fitsingerenan-jobily dimampolo taona. Rehefa tonga ny taona jobily 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia tsy nisy jobily mihitsy nankalazaina tao amin’ilay tanin’ny Joda taloha, ary tsy nisy Jerosalema mihitsy, tsy nisy Ziona, teraka mba hamoaka ‘zazalahy’, ‘zaza’, izany hoe mponina. Tamin’ny taona 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana vao nisy Jiosy babo niverina tany amin’ny taniny taloha. Tsy nila ny nanao fiezahana tsy vitan’olombelona tamin’izany ireo Jiosy babo tany Babylona. Andriamanitra no nandray anjara, araka ny fampanantenany ara-paminaniana. Na dia nety ho toa tsy azo ninoana aza izany, ny “firenena” iray hipoitra aorian’ny fahababoana dia ho teraka ao amin’ny tany natokan’i Jehovah Andriamanitra ho azy. Navelan’i Jehovah ho tsinjo ny zavatra hiseho toy izany rehefa nampitodika ny masony hihoatra ny loza nahazo an’ilay firenena tamin’ny 607 izy ka nampanoratra an’Isaia toy izao:
14 “Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy. Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.” — Isaia 66:7, 8.
15. Ampitahao ny fahaterahana voalazalaza ao amin’ny Isaia 66:7, 8 sy ilay voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 12:1-17.
15 Izany fahaterahana hafa dia hafa izany dia mifamadika indrindra amin’ny voalazalaza ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly masina. Izao tokoa no vakintsika ao amin’ny Apokalypsy 12:1-17: “Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ny tongony, ary misy satroboninahitra kintana roa ambin’ny folo amin’ny lohany, sady bavohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka. Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin’ny lohany. Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon’ny kintana amin’ny lanitra ka manjera ireny ho amin’ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka; ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin’Andriamanitra, dia ho any amin’ny seza fiandrianany. (...) Dia tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy.”
16. Mampiseho inona ilay vehivavy hita tamin’ny “famantarana” sy ny ‘zanany lahy’?
16 Koa satria tsy misy vehivavy eto an-tany mihitsy manana ny volana eo ambanin’ny tongony na satroboninahitra kintana roa ambin’ny folo eo amin’ny lohany, dia tokony ho ara-panoharana ilay vehivavy hita tamin’ny “famantarana”. Afa-tsy izany koa, satria Andriamanitra mandray sy manaiky an’ilay zaza aterany, dia tokony ho Izy no rainy. Ilay vehivavy hita tamin’ny “famantarana” tany an-danitra àry dia azo lazaina hoe vadin’Andriamanitra; amin’izany, mety hampiseho inona izy io fa tsy ny fandaminany voaforon’ny zavaboary ara-panahy any an-danitra izay Jesosy Kristy, Zanany lahy tokana, no mpikambana lehibe indrindra? Ara-panoharana koa ilay zanaka, “zazalahy”. Izy io dia mampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra, ka izany tokoa no asehon’ny nitondrana azy ho eo amin’Andriamanitra sy ny seza fiandrianany. Nefa mba tsy hijanonan’io Fanjakana io ho zavatra voavaka an-tsaina na ara-pahalalana fotsiny, dia tokony hisy olona velona ho mpanjaka ao aminy. Io olona io dia ilay nifanaovan’i Jehovah Andriamanitra fanekena ho amin’ny Fanjakana.
17. Ahoana moa no nahazoan’ny Zanaka lahitokan’Andriamanitra zo ara-dalàna hanjaka eo anilan’ny Rainy?
17 Eny, ilay olona resahina dia ny Zanaka lahitokan’Andriamanitra, Jesosy Kristy, izay, tamin’ny fahaterahany mahagaga ho olombelona tany Betlehema sy tao amin’ny taranak’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, dia tonga mpandova ara-dalàna ny Fanjakana (Isaia 9:5, 6; 22:29, 30; Matio 1:17-25). Rariny àry ny nilazan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mazava fa ny zanak’ilay “vehivavy” any an-danitra dia “zazalahy”, satria ny raharahan’ny mpanjaka dia voatokana ho an’ny taranaka lahy tao amin’ny terak’i Davida mpanjaka.
18. Inona moa no tsy fitoviana hita amin’ny fahaterahana voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 12:1-17 sy ilay voalazalaza ao amin’ny Isaia 66:7, 8, dia tsy fitoviana soritan’ny Baibolin’i Jerosalema?
18 Ny toe-javatra niseho nanodidina ny niterahan’ilay “vehivavy” any an-danitra ny “zazalahy”, dia hafa noho ny toe-javatra voalazalaza ao amin’ny faminanian’Isaia, indrindra amin’izay mikasika ny fananana anaka sy fihetsehan-jaza. Manana antony lehibe tokony hanatsoahan-kevitra àry isika fa ny ‘zazalahy’ voalaza ao amin’ny Isaia 66:7 dia ao anatin’ny teny ara-paminaniana hafa fa tsy toy ny “zazalahy” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 12:5. Ao amin’ny faminanian’i Isaia ny ‘zazalahy’ dia toa mifanitsy amin’ny “firenena” teraka tao amin’ny “tany” iray. Ny fampiharana ny fiandrianana na ny fanapahana tokoa dia tsy ny zava-kendrena lehibe indrindra tamin’ny fampiverenana ny Isiraelita tany Jerosalema tamin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana. Ireo akory tsy nametraka indray teo amin’ny seza fiandrianana, mpanjaka iray avy amin’ny taranak’i Davida. Koa satria tonga provansa persiana i Jodia, dia nijanona teo ambany fanapahan’i Kyrosy, ilay mpanjaka namoaka ny didy nibaiko ny hanorenana indray ny tempoly sy hampiverenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina tao Jerosalema izy. Na dia izany aza, dia nitranga tamin’ny fomba tampoka sy tsy nampoizina io fampiverenana tamin’ny laoniny io. Ny Baibolin’i Jerosalema dia mandika ny Isaia 66:7, 8 amin’izao fomba manaraka izao: “Raha mbola tsy nihetsi-jaza izy dia niteraka, talohan’ny nahatongavan’ny fanaintainana dia nitera-dahy izy. Iza no mbola nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Azo atao ve ny miteraka tany iray ao anatin’ny andro iray monja? Azo atao indray miteraka ve ny firenena iray? Zara raha vao narary hiteraka Ziona dia niteraka an’ireo zanany lahy.”
19. a) Teo imason’iza moa ny fahaterahan’ilay firenen’ny Israely taorian’ny fahababoana no nohafainganina? Nahoana? b) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa taranaka vaovao no niorim-ponenana tao amin’ilay tany? Tamin’ny heviny ahoana moa izy io no tany vaovao?
19 Mifanaraka amin’ilay faminaniana, ny fahaterahan’ny firenen’Isiraely taorian’ny fahababoany dia azo nolazaina hoe nohafainganina. Nitranga izany tamin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny fomba tampoka izay nahagaga an’izao tontolo izao fahizay. Ireo firenena mpanompo sampy dia tsy ho nieritreritra mihitsy fa ny Isiraely, vahoaka maty hatramin’ny ela, dia ho velona indray eo amin’ny tany nomen’Andriamanitra azy. Tena Ziona vaovao tokoa no teraka, niteraka firenena vaovao. Tsaroantsika fa imbetsaka ny Isiraelita no notaterina natao sesitany tany Babylona: milaza amintsika ny fitantarana ao amin’ny Baiboly fa nisy babo iray alina tamin’ny fiaingana voalohany ho amin’ny fahababoana, tamin’ny 617 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ary an-jatony maro hafa taty aoriana (II Mpanjaka 24:14; Jeremia 52:28-30). Nefa, ireo izay nalefa avy any amin’ny toeran’ny mpanompo sampy tany Babylona tamin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana ka nanorim-ponenana tao amin’ny tanin’ny razambeny, dia nahitana lehilahy 42 360, tsy resahina ny mpanompo sy mpihira nanao izany ho anton-draharaha rehetra. Azo antoka fa tamin’izany dia nisy lehilahy be taona sasany izay nahita ny tempoly naorin’i Solomona tany Jerosalema (Ezra 2:64, 65; 3:12). Ny ankamaroany anefa dia taranaka vaovao izay nanorim-ponenana tao amin’ilay tany noho ny fikendrena ny hanorina tempoly vaovao. Nisy Ziona vaovao nitsangana tao amin’ny tany vaovao iray ka tonga renin’ny firenena vaovao iray, dia ilay firenena taorian’ny fahababoana izay hatramin’izao dia nonina tao amin’ny provansa persian’i Jodia vaovao.
20. Inona moa no mifanitsy amin’izany amin’ny andro ankehitriny hita tamin’ny 1919?
20 Moa ve ny ‘nahaterahan’ny’ Isiraelita tafaverina indray tamin’ny naha-“firenena” tamin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana manana ny mifanitsy aminy amin’ny andro ankehitriny? Eny, satria tao anatin’ny taona izay nanaraka ny fahavitan’ny Ady Lehibe Voalohany (1914-1918), dia hita fa teraka koa ny “firenena” ara-panahy iray tamin’ny andro nanjakan’i Kyrosy Lehibe, Jesosy Kristy Mpanjaka nandray fiandrianana. Toy izao no nitrangan’izany: Nandritra ny ady, foiben’ny Fikambanana Watch Tower, fikambanana mpanonta pirinty an’ny Mpianatra ny Baiboly iraisam-pirenena, dia tsy maintsy nafindra avy tany Brooklyn, any amin’ny fanjakan’i New York, any Pittsburgh, any Pensylvanie, mba haorina any amin’ny trano kely kokoa. Norarana tany Kanada sy Etazonia ireo boky faramparany navoakan’io fikambanana io, ary ny prezidà, ny mpitantsoratra sady mpitahiry vola, mbamin’ny mpikambana enina hafa koa amin’ny birao, dia nohelohina hiditra an-tranomaizina naharitra. Ny zava-nokendren’ireo fahavalo, araka ny voalazan’ny Salamo 83:4, dia hoe: “Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’ny Isiraely.” Akory anefa ny fahagagan’ny fivavahana lazaina fa kristiana satria ny lohataonan’ny 1919 dia nitondra fanafahana. Tamin’io taona io, ireo Mpianatra ny Baiboly iraisam-pirenena izay nenjehina dia nanao ny fivoriambeny voalohany taorian’ny ady tany Cedar Point, any Ohio. Tamin’izay fotoana izay dia nambara indrindra tamin’ireo mpamonjy fivoriambe fa navoaka, ambonin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ny gazety vaovao iray mitondra ny lohateny hoe L’Age d’Or (fantatra amin’izao andro izao amin’ny anarana hoe Réveillez-vous!).
21. Inona no hita teraka taorian’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa? Tokony ho inona moa ireny kristiana ireny? Tamin’ny heviny ahoana moa izy ireny no tao amin’ny tany vaovao iray?
21 Araka izany àry, dimy taona taorian’ny fahataperan’ny “andron’ny jentilisa” tamin’ny 1914 sy taorian’ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tapahin’i Jesosy Kristy, ilay Kyrosy Lehibe, dia teraka ny “firenena” vaovao iray, ny “firenena” ara-panahy iray. Ireo anisan’io “firenena” vaovao io dia tokony ho ambasadaoron’ny Fanjakan’Andriamanitra vao teraka tany an-danitra sy vavolombelona ho an’ny anaran’Andriamanitra. Rehefa tonga amin’ny fahataperany izao ny fotoana nomena ny Jentilisa mba hanitsahana ny fandaminany hita maso, dia nampanorim-ponenana ny ‘fireneny’ tao amin’ilay “tany” izay azy, tao amin’ny ‘taniny’ ara-panoharana, dia ny sahan’asany eto an-tany, Jehovah. — Lioka 21:24.
22. Inona avy moa no fanontaniana napetrak’i Jehovah raha ny amin’ny fahaizana ho tonga Ray ho an’ny “firenena” iray? Ho valiny, inona moa no nataony taloha sy amin’izao androntsika izao?
22 Tompon’andraikitra tamin’izany fahaterahana mahagaga izany Jehovah Andriamanitra Tsitoha ary tapa-kevitra izy ny hanao izay tsy hisian-javatra na inona na inona hisakana izany. Izao no nolazainy ao amin’ny Isaia 66:9: “Izaho moa hahatonga ho eo amin’ny fiterahana [fahavakian’ny fonon’ny zaza ao am-bohoka anatiny indrindra] ka tsy hampiteraka va? hoy Andriamanitrao.” Nanomboka namaly an’ireo fanontaniana ireo Jehovah, rehefa nanafaka ny olony avy any Babylona tamin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana ka nampanorina indray an’i Jerosalema ary nameno azy tamin’ny mponina jiosy zanany. Nitondra ny valiny amin’ny andro ankehitriny, fahatanterahan’ny tandindona, izy rehefa nanao izay hampanana anaka ny fandaminany any an-danitra, dia Jerosalema naseho an’ohatra, ka nanao izay hiterahany “firenena” ara-panahy teto an-tany. Izany dia natao teo ambany fitarihan’ilay Kyrosy Lehibe, dia ilay Mpanjaka vao nandray fiandrianana tany an-danitra. Nitranga ilay fahaterahana tamin’ny taona 1919 nanaraka ny ady, ary ny teraka dia vahoaka, ‘zanakalahin’i Ziona, olona nanana fandavan-tena tanteraka ho an’ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina izay nitana fialanalanana tanteraka teo anoloan’ireo fitondram-panjakana ara-politika eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Nanomboka tamin’ny 1914 ka mandraka ankehitriny, ilay Andriamanitra Tsitoha dia tsy namela na inona na inona hisakana ny fahatanterahana fenon’ny fikasany.
Rehefa avy nandinika ny Isaia 66:5-8 ianao izao, ho hainao ve ny hamaly an’ireto fanontaniana vitsivitsy ireto:
Andininy faha-5: Amin’ny fomba ahoana moa ireo mpivavaka marina no ankahalaina sy ailik’ireo ‘rahalahiny’? Nahoana moa ireo rahalahiny ireo manana antony tokony hahamenatra?
Andininy faha-6: Inona no niteraka ‘horakoraka avy tany an-tanàna’ taloha? Amin’izao androntsika izao?
Andininy faha-7: Mampiseho inona moa ilay ‘zazalahy’ nateraky ny “vehivavy” iray tsy nisy ‘fanaintainana’? Moa ve io ‘zazalahy’ io ihany ilay “zazalahy” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 12:5?
Andininy faha-8: Amin’ny heviny ahoana moa ny “firenena” iray sy ny “tany” iray no teraka tampoka tamin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana?
[Sary, pejy 12]
Tamin’ny 1919, dia ‘teraka’ tampoka tao amin’ny ‘tanin’ny tenany’ ny Isiraely ara-panahy.