Ahoana no mety hahatoheran’ny fanambadiana iray an’ireo famelezana?
HOY ny vehivavy manambady iray indray andro: “Vitsy ny zavatra eo amin’ny fiainana mitovy hasarobidy amin’ny fanambadiana vanona. Nefa vitsy ny zavatra ratsy kokoa noho ny fanambadiana ratsy.” Izany dia mety hitarika antsika hino fa ny fanambadiana dia somary toy ny loteria: na hahazo fiainana sambatra amin’izany ny mpivady, na tsy hahita afa-tsy fiainana manahirana amin’izany.
Tsy tokony hampitovina amin’ny filokana anefa ny fanambadiana. Amin’ny fomba sasany izy dia azo ampitahaina amin’ny dia ho nataonao tao amin’ny faritra tsy fantatrao. Raha manjavozavo fotsiny ny fahalalanao ny lalana tokony harahina, dia azo antoka fa hisetra zava-tsarotra ianao. Ho afaka hampihena be dia be an’izany zava-tsarotra izany anefa ianao raha manatona olona efa nahita fahombiazana tamin’ny dia talohanao. Misy fanambadiana sambatra maro anefa manodidina antsika. Afaka mampianatra inona antsika izany?
Mpitari-draharaha za-draharaha
Tany Kanada, dia natao ny fandinihana teo amin’ny mpivady sasany efa niara-niaina nandritra ny dimy ambin’ny folo taona na mahery. Nanontany azy ireo ny profesora Schlesinger, avy any amin’ny oniversite any Toronto, ny amin’izay nitondra fahombiazana teo amin’ny fanambadian’izy ireo. Ny fandinihany dia nanazava ny anjara lehibe raisin’ny anton-javatra efatra: ny fitiavana, ny fanajana, ny fitokisana sy ny fifampiresahana.
Ny gazety iray dia manadinadina mpivady izay ny fanambadiany sambatra dia naharitra hatramin’ny fitopolo taona. Inona no tsiambaratelon’ny fahombiazan’izy ireo? Nilaza izy ireo fa nilaina ny hanana fitokisana ny vadin’ny tena, ny hanalavirana ny fiadian-kevitra tsy misy farany intsony, ny mifaneho firaiketam-po ary ny manana zava-kendrena iombonana, dia ny fanampiana ny hafa.
Mety ho toa lany andro ny fitsipika toy izany, nefa mandaitra. Raha mahalala olona nivady hatramin’ny taona maro izay nahomby tamin’ny fanambadiany ianao, nahoana no tsy hanontanianao izy mba hanoro anao ny fomba hahatongavana amin’izany? Azo antoka fa hanome anao torohevitra sahalahala amin’ny voalaza eo aloha izy.
Hanipika angamba anefa ianao fa izay miteraka vokatra tsara ho an’ny olona toy izao dia mety hiharihary fa tsy mandaitra aminao. Misy tsy fitoviana sasany amin’ny toe-javatra miseho manodidina, ny toetranao na ireo zava-manahirana anao. Raha mandeha ho any amin’ny faritra iray tsy fantatrao ianao, ny tsara indrindra dia ny hanananao eny an-tanana, boky fanoroana izay milaza ny loza rehetra mety ho hitanao. Araka izany, dia ho afaka hanao fandaminana mialoha ianao mba hanalavirana an’ireo zava-manahirana sarotra indrindra amin’ny fandehananao. Misy ve ny “boky fanoroana” karazan’izany ho an’ny fanambadiana? Eny, ary tsy misy mihitsy olona “handeha” ho amin’ny fanambadiana ka tsy tokony hijery azy io.
Ilay “boky fanoroana” tena ilaina
Tsy ela loatra izay, ny lehilahy tanora iray, Alex, dia nahita hoe inona io “boky fanoroana” io. Nanao fahadisoana izy teo aloha; nisotro sy nampiasa zavatra mahankona izy. Ambonin’izany, dia niady tany Vietnama izy ary tofoka rehefa niverina avy tany. Vao niteraka ny vadiny tanora, nefa nahita fotoana sarotra ny fanambadian’izy ireo. Indray maraina, raha namarana ny fisotroana alina nalamina tao an-tranony niaraka tamin’ireo namany taloha tao amin’ny tafika izy, dia hoy ny vadiny taminy: “Tsy raharahanao aho. Hadinonao fa mbola eto ihany aho.”
Soa ihany fa nizaha tao amin’ilay “boky fanoroana” noresahintsika i Alex sy ny vadiny. Taty aoriana kely, dia nitantara toy izao io lehilahy io: “Nafoinay ny ankamaroan’ireo namanay taloha, nefa sambatra izahay ... indrindra fa amin’ny maha-mpivady. Tsy ampy ny teny mba hilazako ny fahasambarako. Nanova ny toetranay izahay, ka izany dia niteraka fideran’ny manodidina anay.
Inona àry io “boky fanoroana” io izay nahatonga an’i Alex sy ny vadiny hahita ny fomba fandaminana ny tsy fifanarahan’izy mivady mba hahitana fanambadiana sambatra? Tsy inona izany fa ny Baiboly. Io boky io, na dia efa tranainy aza, dia manome torohevitra feno fahendrena sy azo ampiharina bebe kokoa noho ny boky hafa rehetra azo ampiasaina amin’izao andro izao mba hahavanona ny fanambadiana. Mba diniho kely ny sasantsasany amin’ireo toromarika omeny.
Toromarika feno fahendrena
Tsy misy tanteraka mihitsy. Eo amin’ny mpivady, ny tsirairay avy aminy dia samy tokony hanaiky ny fahalemen’ny iray. Izany no antony ilazan’ny Baiboly hoe: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha samy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo [Jehovah, MN] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.” — Kolosiana 3:12-14.
Moa ve izay rehetra mety ho fanambadiana tsy hahomby raha toa ka manaraka an’ireo torohevitra ireo ny mpivady? Azo antoka fa amin’izany izy ireo dia handresy zava-manahirana maro eo amin’ny fiainana andavanandro. Ary raha mamboly an’ireo toetra ireo izy, na dia ny mpivady vao tsy nifankahalala akory, tsy ela izay aza, dia tokony hanaraka ny lalan’ny fanambadiana sambatra.
Miharihary amin’ny fitantarana fa misy lehilahy miseho ho tsy mieritreritra, tia tena na lozabe mihitsy aza. Manome an’izao torohevitra izao anefa ny Baiboly: “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana (...). Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany.” (Efesiana 5:25, 28). Ny lehilahy iray manaraka an’io torohevitra io dia azo antoka fa handray anjara amin’ny fahavanonan’ny fanambadiany.
Ny lehilahy sasany dia mitaraina satria tsy maintsy miaritra fanebahana foana. Izao anefa no vakina ao amin’ny Baiboly: “Aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.” (Efesiana 5:33). Ny vehivavy iray manaraka an’io torohevitra io dia manampy be dia be amin’ny fitondrana fahasambarana ho an’ny tenany.
Ireo antony roa miteraka fahatapahan’ny fanambadiana, dia ny fimamoana sy ny fahalotoam-pitondrantena dia melohina mafy ao amin’ny Baiboly: “Fa ny mpijangajanga (...) sy ny mpaka vadin’olona (...) sy ny mpimamo (...) tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (I Korintiana 6:9, 10). “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” — Hebreo 13:4.
Inona no tokony hatao rehefa mitsabaka amin’ny raharahan’ny mpivady ny fianakaviana? Manazava ny Baiboly fa ny mpivady tanora dia tokony hanaja ny ray aman-drenin’izy roa tonta. Na dia izany aza, ny adidin’ny lehilahy iray dia mankamin’ny vadiny voalohany indrindra. Izao no nambaran’i Jesosy: “ ‘Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa’ (...). Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” (Matio 19:5, 6). Hanaiky amim-pifaliana ny torohevitr’ireo ray aman-dreniny ny mpivady tanora, nefa tsy tokony havelany hifehy ny fitondrantenany ireo.
Vokatra tsaran’ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly
Hieritreritra angamba ny sasany fa lany andro izany fomba fiheverana izany eo amin’izao tontolo izao misy antsika ankehitriny. Nefa moa ve azo atao ny milaza fa mahazo vokatra tsara izao tontolo izao eo amin’ny lafin’ny fanambadiana? Sarotra ny hanaiky izany. Nefa, efa novakinao tamim-pitandremana ve izay lazain’ireo nanao izay hahavanona ny fanambadiany? Ny fahasambarany dia ampifandraisiny amin’ny fampiharana toetra asain’ny Baiboly ambolentsika, na dia tsy fantatr’izy ireny aza fa miresaka ny amin’izany io boky io. Afaka mandà izany zava-misy izany ara-drariny ve ianao?
Raha toa, araka ny anoroan’ny Baiboly azy, ka mampitombo ny fahaizantsika manome isika, moa ve isika hahita fatiantoka amin’ny fomba sasany? Tsia. Tena ilaina tokoa ny fahaizana manome eo amin’ny fanambadiana. Izay rehetra manambady dia mamoy zavatra sasany, nefa, raha vanona ny fanambadiany, dia mahita fahasambarana tena mendrika ny namoizana izany izy. Inona no antony? Satria “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. — Asa. 20:35.
“Tsara dia tsara ny tsangan-kevitra, hoy angamba ianao, nefa mino mafy aho fa tsy misy mihitsy mpivady ho afaka ny tena hampihatra azy.” Ny marina dia mpivady maro aoka izany no sambatra amin’izao androntsika izao satria izy mivady samy miezaka hampihatra an’ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly. Na dia ao amin’izay misy zava-manahirana aza — toy ny hita tamin’i Alex sy ny vadiny — dia asehon’ny Baiboly izay tokony hatao. Raha miara-miasa amin’io lafiny io ny mpivady, tsy ho ela dia hisy vokatra tsara.
Inona no holazaina izao raha ny anankiray amin’ireo mpivady ihany no miezaka hampihatra an’ireo fotopoto-pitsipika ireo? Marina fa sarotra kokoa ny tarehin-javatra, nefa tsy hoe tsy misy fanantenana akory amin’izany. Tsaratsara kokoa ny tokantrano iray misy anankiray amin’ny mpivady ihany manao ny tsara, noho ny tokantrano tsy misy manao na inona na inona. Ambonin’izany, araka ny fandehan’ny fotoana, dia azo atao ny manantena ny hahazo vokatra tsara.
Tany Korea, ny lehilahy iray dia zatra ny namono ny vadiny rehefa mamo. Tsy nitady izay handaozana azy ny vadiny, na dia nanao izay hahasarotra ny fiainany aza ilay lehilahy. Nieritreritra izy fa mety ny manao izay rehetra azo atao mba hahatonga ny fanambadiany ho sambatra. Koa tetsy andaniny koa ny tenany dia nampihatra an’ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly, indrindra fa ilay manasa ny vehivavy mba hamboly “saina tony sy malefaka, izay sarobidy tokoa eo imason’Andriamanitra”. — I Petera 3:4, MN.
Niaritra toy izany izy nandritra ny iraika ambin’ny folo taona. Nisy nilana izany ve? Eny, satria tamin’ny farany ilay vadiny dia voataona handinika akaiky kokoa ny fampianaran’ny Baiboly. Nahoana? Rehefa nanontaniana ny amin’izany izy, dia namaly fa ny “saina tony sy malefaka” nananan’ny vadiny dia nitarika azy hahita hoe nahoana izy no nanana fitondrantena tsara. Tsapany fa feno fahendrena ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly ka niova fihetsika izy.
Ny fanambadiana dia tena mety ho “anankiray amin’ireo fomba fiaina mahafa-po indrindra”. Tsy tokony hahagaga antsika izany, satria Ilay nanome ny fiainana antsika mihitsy, dia Jehovah no Ilay nanorina ny fanambadiana koa (Salamo 36:9; Genesisy 2:18-24). Ary mbola izy ihany koa no nanome boky fanoroana iray, ny Baiboly, mba hanampiana antsika hahomby eo amin’ny fanambadiantsika.
Amin’izao androntsika izao, ny fanambadiana, amin’ny maha-fikambanana naorina azy, dia iharam-pamelezana noho ireo fanerena ampiharin’izao tontolo izao misy antsika. Nefa, noho izy avy amin’Andriamanitra, dia hahatohitra an’ireny fanafihana ireny izy. Raha mampihatra an’ireo torohevitra omen’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ianao, dia ny fanambadianao no hahatohitra ny famelezana. Fa raha ny tenanao, dia ho tsapanao koa fa izany dia anankiray amin’ireo fomba fiaina mahafa-po indrindra.