Velona ny Tenin’Andriamanitra
Ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra
FANTATRAO ve fa ny Tenin’Andriamanitra dia mety hanampy anao hanana fiainam-pianakaviana sambatra? Raha toa ny mpianakavy rehetra ka samy mampihatra ireo torohevitra omen’ny Baiboly azy ireo, dia handray soa lehibe dia lehibe avy amin’izany izy ireo. Lehilahy manambady ve ianao? Raha izany no izy dia henoy izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra aminao.
AZA MIVADIKA AMIN’NY VADINAO
“Ry lehilahy, tiavo hatrany ny vadinareo.” “Mifalia mandrakariva amin’ny fiaraha-miaina amin’ilay nofidinao tao anatin’ny fahatanoranao ary ataovy izay hahasambatra azy. (...) nahoana ianao no hitsiriritra ny vadin’ny hafa, nahoana ianao no hitady fahafinaretana eo anilan’ny vehivavy iray tsy anao?” — Efesiana 5:25, 28; Ohabolana 5:18-20, “A travers l’Ancien Testament.”
Raha manaraka torohevitra toy izany ny lehilahy iray, dia hitondra fanampiana lehibe amin’ny fanaovana izay hahasambatra ny fianakaviana. Afa-tsy izany, dia hamporisika ny vadiny mba hampihatra an’ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly koa izy. Inona izany torohevitra izany?
HAJAO NY VADINAO
Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Tokony hanana fanajana lalina ny vadiny ny vehivavy.” (Efesiana 5:33, “MN”). Matoa mahatsiaro fahasosorana amin’ny vadiny ny lehilahy sasany, dia satria indrindra ilay vehivavy manaraka ny torohevitra araka ny Baiboly eo ambony. Mampiseho ny fanajany ny vadiny ny vehivavy iray amin’ny fanohanana ny fanapahan-keviny sy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fomba feno aminy. Raha manatontosa ny anjara asany amin’ny maha-‘mpanampy sy fameno’ anendren’ny Baiboly azy ny vehivavy, dia ho tia azy avy hatrany ny vadiny — Genesisy 2:18.
Rehefa misy zanaka, amin’ny fomba ahoana no tokony hitaizana azy ireny? Inona avy no torohevitra omen’ny Tenin’Andriamanitra ny ray aman-dreny?
MILA FOTOANA SY FIFEHEZANA NY ZANAKAREO
Ry ray aman-dreny, tokony hanome avy amin’ny tenanareo ho an’ny zanakareo ianareo, tokony hiara-mandany fotoana feno tsara amin’izy ireny ianareo ka hampita aminy ny fampianarana mahasoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra (Deoteronomia 11:19). Hanana endrika fanitsiana indraindray izany fampianarana izany. Manazava toy izao ny Baiboly: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.” Izany fifehezana izany, na dia milaza fikapohana aza, dia porofon’ny fitiavan’ny ray aman-dreny; izao no lazain’ny Baiboly: “Izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.” — Ohabolana 22:15; 13:24; 23:13, 14; Efesiana 6:4.
Ny fitondrantenan’ny zanaka koa dia anton-javatra mametra ny fahasambaran’ny fianakaviana iray. Inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny zanaka?
MANKATOAVA NY RAY AMAN-DRENINAREO
Izao no lazain’ny Baiboly: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany.” Tena zava-dehibe tokoa ve ny fankatoavana toy izany? Mamaly amin’izao teny izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly. “Ny maso izay miandranandrana amin-dray sady tsy mety manaja reny dia hotsaingotsaingohin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka ary hohanin’ny zana-boromahery.” Araka ny tsapanao, Andriamanitra dia manantitrantitra mba hankatoavan’ny zanaka ny ray aman-dreniny sy hanajany azy. — Efesiana 6:1; Ohabolana 30:17.
Irinao tokoa ve ny hanana fiainam-pianakaviana sambatra? Afaka manao izany ianao; tsy hoe zava-miafina akory ny fomba hahatongavana amin’izany. Ny tenan’ilay Mpamorona ny fianakaviana mihitsy no nanome antsika fomba tokony harahina, boky fanoroana, ho an’ny fianakaviana. Raha toa ny tsirairay avy ao an-tokantrano ka mianatra sy mampihatra an’ireo torohevitr’Andriamanitra, dia tsy maintsy hahita fahasambarana ny fianakaviana.