Inona no mitari-dalana anao eo amin’ny fanapahan-kevitrao?
“Sambatra ny mahitsy làlana, izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah.”—Salamo 119:1.
1. Araka ny zava-misy, miankina amin’inona indrindra moa ny fahasambarana?
‘INONA no ilaina mba hahasambatra?’ Be dia be no hamaly amin’ny firesahana ny amin’ny fananana ara-nofo toy ny sakafo, ny fitafiana sy ny fonenana, na karazam-pialam-boly samihafa. Voamarin’ny zava-misy anefa fa miankina indrindra amin’ny fomba fijerinao zavatra sy ny fomba fiainanao ny fahasambaranao. Na eo amin’ny fifandraisanao amin’ny mpampiasa anao, ny mpiray raharaha aminao na ny fianakaviana, dia miverimberina matetika ny fanontaniana sahala amin’izao: Hilaza ny marina ve ianao? Haka izay tsy anao ve ianao? Handray anjara amin’ny asa iray na ny fanalana andro iadian-kevitra iray ve ianao?
2. Manaiky hotarihin’ny inona moa ny olona sasany? Mametraka fanontaniana hoe ahoana avy izany?
2 Eo anoloan’ny fanontaniana toy izany, dia aleon’ny sasany manaraka fitsipika hentitra efa hitany na tadiaviny rehefa ilainy. Ny hafa manao izay “heveriny” fa tsara araka ny anoroan’ny fieritreretany azy. Fa raha ny amin’ny tenany dia angamba ianao hanontany tena hoe: Koa satria ny Baiboly miresaka be dia be ny amin’ny “fieritreretana”, moa ve tsy ho azo atao ny hilaza ny dikany? Ahoana no fomba fiasany? Tena manana anjara lehibe raisina tokoa ve izy io eo amin’ny fanapahan-kevitsika sy eo amin’ny fikatsahantsika fahasambarana? Azo atao ve ny milaza, sahala amin’ny apostoly Paoly, hoe: “Izaho nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fieritreretana tsara mandraka andro-any.” — Asa. 23:1.
Inona moa no atao hoe fieritreretana?
3, 4. Inona moa no atao hoe “fieritreretana”? Manana izany daholo ve ny olona rehetra?
3 Ny ankamaroan’ny olona dia mihevitra ny fieritreretana ho toy ny fahatsapana amin’ny ankapobeny ny amin’izay tsara sy izay ratsy. Nefa hahita filazana hentitra lavitra ny amin’izany isika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ampahafantarin’ny Baiboly antsika fa ny fieritreretana dia tena vavolombelona anaty. Izao no nosoratan’i Paoly: “Saoly miara-milaza amiko ao amin’ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako.” (Romana 9:1). Eo ilay apostoly dia mampiasa ny teny grika hoe suneidesis, izay ny dikany ara-bakiteny dia hoe “fahalalana zarain’ny hafa iray [ny fieritreretana] amin’ny tena”. Ny fieritreretana àry dia ny fahaizana mijery tena, manao fitsarana na fanambarana ny amin’ny tena.
4 Ny fieritreretana dia tsy vokatry ny fivoarana ara-tsosialy tsotra izao, satria asehon’ny Baiboly fa efa nataon’Andriamanitra tao amin’ny mpivady voalohany io fahaizana io (Genesisy 3:7, 8). Raha nanazava i Paoly fa na Jiosy na tsy Jiosy dia samy tsy maintsy hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra, dia izao no nosoratany: “Fa na oviana na oviana ireo jentilisa [tsy Jiosy] tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany; fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza.” (Romana 2:14, 15). Eny, na dia olona tsy nandray lalàna voasoratra avy tamin’Andriamanitra aza dia nanameloka ny famonoana olona, ny halatra sy ny fandriana amin’ny havana akaiky. Ireo andininy ireo dia mampiseho koa fa ny fieritreretana dia vokatry ny fiasan’ny fo sy ny saina (ny ‘fisainana’).
5. Inona moa no anankiray amin’ireo raharahan’ny fieritreretanao?
5 Ny asan’ny fieritreretana fantatsika indrindra dia ilay itsarana ny fitondrantenantsika ‘aorian’ny fidonan-javatra’, izany hoe aorian’ny nanaovana zavatra ratsy. Rehefa tsapantsika fa ratsy ny nataontsika na nanao zavatra tamin’ny fomba tsy mendri-kaja loatra isika, dia miampanga antsika sy manameloka antsika ny fieritreretantsika (jereo II Samoela 24:10; I Jaona 3:20). Raha mihaino ny fieritreretantsika isika, dia ho afaka hanampy antsika izy amin’ny fanosehana antsika tsy hamerina an’ilay fahadisoana nataontsika. Hatosiny koa isika hibebaka, hiala tsiny na hanonitra ny fahavoazana mihitsy aza raha afaka manao izany isika. — Salamo 32:3, 5; Matio 5:23, 24; Lioka 19:1-8.
6. Inona koa moa no anjara asa hafa mety horaisin’ny fieritreretanao?
6 Afaka mandray anjara hafa koa anefa ny fieritreretantsika. Na dia misy milaza tokoa aza fa ny fieritreretana tsara dia fieritreretana mangina, rehefa eo anoloan’ny fanapahan-kevitra iray tokony hatao na ny zava-manahirana isika, dia tokony hampiakatra ny feony na hanosika antsika hanao tsara ny fieritreretantsika. Mahita ohatra tsara dia tsara amin’io anjara raisin’ny fieritreretana io isika araka ny hita tamin’i Josefa izay nanda ny fangatahan’ny vadin’i Potifara. Na dia tsy mbola nanome lalàna voasoratra manameloka ny fanitsakitsaham-bady mihitsy aza Andriamanitra tamin’izany fotoana izany, ny fieritreretan’i Josefa dia nampanda azy ny fahalotoam-pitondrantena (Genesisy 39:1-9). Raha mihaino ny feon’ny fieritreretantsika isika alohan’ny hanaovan-javatra, dia hitsimbina ny tenantsika amin’ny fijaliana noho ny fanenjehan’ny fieritreretana.
7. Inona avy moa no fanontaniana handramantsika hovaliana ao amin’ity fianarana ity?
7 Mbola tokony hovaliana izao ireto fanontaniana ireto: Aiza no mijanona ny anjara raisin’ny fieritreretana? Heverinao ve fa tokony hotapahina araka ny fieritreretan’ny tena ny ankamaroan’ireo raharaha ara-pitondrantena sy manokana? Moa ve tsy tsaratsara kokoa ny manaraka fitsipika? Zava-dehibe ny hahafantarana izany. Tsy izay ihany anefa: Misy loza sasany tokony hohalavirina ve? Koa satria ny Tenin’Andriamanitra ambara fa “mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”, inona no lazainy ny amin’izany? — II Timoty 3:16.
Ny roa mifanalavitra indrindra
8. Inona moa ireo roa mifanalavitra indrindra eo amin’ny fomba fiheverana ny toe-pitondrantena?
8 Ny fifanoherana amin’ireo fitsipika sy ny fieritreretana dia tsy vao amin’izao andro izao akory no misy. Manazava ny Encyclopédie britannique (fanontana faha-11) eo ambanin’ny lahatsoratra hoe “Casuistique” (fivoaboasana ny zavatra izay mampisalasala ny fieritreretana ahitana izay azo atao) fa ny fitsipi-pitondrantena dia “noheverina indraindray ho toy ny fandaharana anaty. (...) Ireo izay nirona ho amin’ny lalàna dia nametraka ny fitokisany tamin’ny fahefana sy ny fandrindran-kevitra. Ireo mpiaro ny fandaharana anaty dia mampiasa indrindra ny fahaizantsika tonga ho azy: ny fieritreretana, ny fahaiza-mitsara zavatra na ny fihetseham-po”. Tamin’ny fotoana naha-tety an-tany an’i Jesosy sy ireo mpianany, dia nisy ny roa mifanalavitra indrindra. Ho takatsika tsara kokoa ny fiheverana mety sy ny fahendrena araka an’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly amin’ny fandinihana ny tarehin-javatra nanjaka tamin’izany.
9, 10. a) Nanao ahoana ny fihetsiky ny Fariseo? b) Mifamadika amin’izany, inona no fiheverana hita matetika teo amin’ny Grika sy ny Romana?
9 Notorin’ireo Fariseo tamim-pirehetana ny fampiasana ireo fitsipika. Tsy nianina tamin’ny fananana ny Lalàn’i Mosesy izy ireo fa namorona “didin’olombelona” be dia be izay nanafoana ny didin’Andriamanitra. Ankoatra ny namoronany tamin’izany fitsipika nihoatra izay notakin’Andriamanitra, ireny Jiosy mpanaja tafahoatra ny soratra amin’ny lalàna ireny dia nampiely hevitra fa ny fahalalana sy ny fanajana ireny fitsipika olombelona ireny dia afaka nitondra fahamarinana. — Matio 15:1-20; 232:1-5; Lioka 18:9-12.
10 Nanoratra toy izao ilay mpandinika ny fomba aman-toetr’olombelona atao hoe Samuel Butcher: “Tetsy andaniny koa i Grisia fahizay. Teo amin’ny Grika dia tsy nahita mihitsy fielezan’ny tahirin-kevitra mamelabelatra fampianarana na fombafomba iray, na boky fianarana manome fitsipika ara-pitondrantena. (...) Nisakana tsy hiasa ny fitsipika tsy miova.” Raha ny amin’ny Romana, ny Encyclopédie britannique dia nilaza toy izao: “Nanaiky hotarihin’ny fahaiza-mitsara zavatra i Cicéron sy Sénèque. Nivaofy ny zava-nanahirana tsirairay avy nitokana izy ireo, ka nifikitra kokoa tamin’ny hevitra fa tsy ny soratra.” Izany filozofia grika sy romana izany dia be mpanaraka tokoa tamin’ny taonjato voalohany. Ho voan’ny fakam-panahy hanaraka izany ve ny kristiana? Izao no nosoratan’i Paoly: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana, (...) araka ny abidiam-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.” — Kolosiana 2:8; Asa. 17:18-21.
11. Tamin’ny endriny inona moa ireo roa mifanalavitra indrindra ireo no nipoitra indray taty aoriana teo amin’ny Tantara?
11 tao anatin’ireo taonjato nanaraka, ireo roa mifanalavitra indrindra dia mbola nanana ny mpiaro azy ihany, na dia teo amin’ireo izay nilaza tena ho kristiana aza. Ny Jesoita dia nitory fitsipika ara-pitondrantena nifototra tamin’ireo lalàn’ny Eglizy tsy tambo isaina. Taorian’ny Fanitsiana, ny protestanta dia nanantitrantitra ny amin’ny fiheverana ny isam-batan’olona sy ny fieritreretana, dia fandehan-javatra niteraka ny fahalalana ara-pitondrantena fantatra tsara antsoina hoe “fitsipi-pitondrantena araka ny tarehin-javatra” naelin’ny dokotera Joseph Fletcher avy ao amin’ny Eglizy episkopaliana. Izao no novakina tao amin’ny revio amerikana iray (The National Observer): “Ny dokotera Fletcher dia nanangana tena filazana ho an’ny vahoaka ny amin’ny fahafahana sy andraikitra manokana, dia filazana niadian-kevitra izay miankina amin’ny fahalalana ara-pitondrantena ny amin’ny fitiavan-drahalahy ka heverina ho manafaka ny olona ankehitriny amin’ny fitsipika henjana sy tranainy toy ny ‘Didy Folo’. (...) Tamin’ny dokotera Fletcher, noho ny fitiavana hany mpitari-dalana, ny fanaovan-javatra melohina amin’ny ankapobeny, toy ny fanalana zaza, ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana, ny fisaraham-panambadiana dia manjary azo ekena ara-pitondrantena ao anatin’ny tarehin-javatra sasany.”
12. Inona moa no fandrika tokony hohalavirintsika?
12 Ny olombelona dia hita ho voasinton’ny anankiray amin’ireto zavatra roa mifanalavitra ireto: ny lalàna na ny fieritreretana. Ireo izay mahatsikaritra ny fahalemen’ny anankiray amin’ireo fihetsika ireo dia mamaly amin’ny fivadihana tsotra izao ho amin’ilay mifanalavitra aminy indrindra, toy ny kapilim-pamantaranandro misavilivily eo analenelan’ny faritra roa mifanipaka indrindra. Ohatra, tamin’ny andro antenatenany, ny kipily dia niala avy eo amin’ny fihetsika feno fanajana tafahoatra ny soratra amin’ny lalàna nananan’ny Jesoita ho amin’ny fiheveran’ny mpanavao izay nanipika ny amin’ny fahafahana sy ny fieritreretana. Angamba koa ianao nahalala ray aman-dreny izay sarotiny aoka izany tamin’ireo zanany. Rehefa tonga lehibe kosa ireo zanany ireo dia nifidy ny mifanohitra amin’izany indrindra ka namela ny zanaky ny tenany hanao izay tiany tanteraka, ary nahita ny vokatra manimba fantatra tsara. Marina loatra izao fanamarihana ao amin’ny Baiboly izao: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” — Jeremia 10:23.
Mampiseho fihetsika mety amintsika Andriamanitra
13. Amin’ny fomba ahoana moa no anampian’ny Baiboly antsika handamina ireo zava-manahirana momba ny fitondrantena sy ny fieritreretana?
13 Ao amin’ny Soratra Masina Jehovah dia nanome antsika torohevitra mety mba hahafahantsika manalavitra ny 1) ho mpanaja tafahoatra ny soratra amin’ny lalàna sy hihevitra ho zava-dehibe loatra ireo fitsipika, ka izany dia mety hiafara amin’ny fiheverena henjana sy tery ny fiainana sy ny fanompoam-pivavahana; 2) tsy hanantitrantitra be loatra ny amin’ny fahafahana malalaka momba ny finoana, dia fihetsika nitarika olona sasany hitana fiheverana nahatonga azy hanala tsiny ny ratsy. Mba hahatonga antsika ho vonton’ny fiheverena mety ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy handray soa amin’ny fitarihany, dia tokony hitovy fihetsika amin’i Davida izay nanambara toy izao isika: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy”. — Salamo 25:4, 5.
14, 15. Mampahafantatra inona antsika moa ny Soratra grika kristiana ny amin’ny fomba niheveran’ny Jiosy ny Lalàna sy ny fiheveran’Andriamanitra mihitsy ny amin’izany?
14 Ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa tsy nankasitrahan’i Jesosy ny fihetsiky ny mpanora-dalàna sy Fariseo izay nampiasa fitsipika. Tsy maintsy ho hisy Jiosy vitsivitsy koa izay tsy tia ny hampiasa ny fahaizana mieritreritra nomen’Andriamanitra azy, nangataka ny hamerana ny amin’ny fomba hentitra ny haavon’ny tsy maintsy hanasana tanana, ny atao hoe “asa” amin’ny andro sabataa, vokatra inona no tsy maintsy naloa tamin’ny fahafolon-karena, ets. Izany toe-tsaina izany dia niteraka fitsipika navesatra, nahatonga filazana hevi-javatra tsy nisy farany ary nisakana tsy hahita ny hevitra sy ny lafiny tena lehibe amin’ny Soratra Masina. Izao no nambaran’i Jesosy tamin’ireo filoha ara-pivavahana: “Fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana [fahatokiana, MN].” — Matio 23:23; Marka 7:3, 4.
15 Ny Lalàn’i Mosesy dia nokendrena mba hiarovana ny fahasalamana ara-panahy, ny toe-pitondrantena ary ny fahasalaman’ny Jiosy, ary koa mba hanaporofoana fa izy ireny dia mpanota nila ny Mesia (Galatiana 3:19, 23-25; Romana 7:7-14). Koa satria izany fitambaran-dalàna tonga lafatra, dia tsy nisy Isiraelita na dia iray aza afaka nitandrina azy ara-bakiteny sy nanana fieritreretana tanteraka (Hebreo 9:9, 10). Na dia nomen’Andriamanitra aza io fitambaran-dalàna io, dia nofoanana raha vantany vao nahatratra ny zava-nokendreny. Nanomboka tamin’izay fotoana izay, ny fifandraisana notanan’Andriamanitra tamin’ireo izay nitondra ny anarany dia tsy niankina intsony tamin’ny fitambaran-dalàna voasoratra nitatra be; ‘nataony tao an-tsainy ny lalàny sady nosoratany tao am-pony’. — Jeremia 31:33; Hebreo 10:16; II Korintiana 3:5-11.
16. Mirakitra inona moa ireo fehintsoratra eo aloha a) ho an’ireo izay sarotiny loatra amin’ny tenany ary b) ny amin’ny fomba tokony hiheveran’ny kristiana amin’ny ankapobeny an’ireo fitsipika?
16 Rehefa heverina amin’izany voalaza eo aloha izany, ireo izay voatendry hanara-maso na hanao fandaharana ny asan’ny olon-kafa dia tokony hitandrina mba tsy hampitambesatra fitsipik’olombelona tsy ilaina amin’izy ireny. Mety ho voan’ny fakam-panahy hanao izany ny sasany, indrindra fa raha sarotiny aoka izany sy mitaky zavatra betsaka amin’ny tenany koa izy ka noho izany dia manantena ny hanaovan’ny hafa toy izany koa. Izao anefa no nosoratan’i Paoly tamin’ny kristiana: “Kanefa tsy mihambo ho tompon’ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.” (II Korintiana 1:24). Mifamadika amin’izany, ny kristiana amin’ny fitambarany dia hitandrin-tena mba tsy handeha hitady ireo izay manana fahefana sasany mba hangataka azy ireny hanao lalàna isaky ny tarehin-javatra. Ny tokony hataontsika dia ny mampitombo ny fahalalantsika ny Tenin’Andriamanitra mba hampiasana ny fieritreretantsika sy ny fahaizantsika manavaka. — Hebreo 5:14.
17. Inona moa no fiheveran-diso hafa iray koa tsy tokony harahintsika?
17 Ao koa ny loza amin’ny filatsahana ao amin’ny mifanalavitra indrindra amin’izany amin’ny fieritreretana fa ny kristiana tsirairay avy dia manana fahafahana hanao saika izay rehetra avelan’ny fieritreretany hataony. Tsy ela izay, ny sasany dia nanantitrantitra mba hampanjakana an’io fiheverana io, tamin’ny filazana fa “tsy fivavahana feno fitsipika akory ny kristianisma” sy tamin’ny fanononana andinin-teny sahala amin’ity: “Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ny fitiavana. Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.’” (Galatiana 5:13, 14). Marina fa tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy na eo ambanin’ny fitambaran-dalàn’Andriamanitra misy lafiny maro loha intsony ny kristiana. Na dia izany aza, dia tokony hitandrina isika mba ‘tsy hisy hampahadiso hevitra antsika amin’ny teny toa marina (“amin’ny fanjohin-kevitra mamitaka, miaraka amin’ny kabary mahasodoka”, Teny velona, dikan-tsoratr’i Kuen)’, satria ny fandinihana amim-pahamarinana ny Baiboly dia mampiseho fa izy io dia tena mirakitra tokoa lalàna na fitsipika mahakasika antsika. — Kolosiana 2:4.
Tsy hoe tsy manan-dalàna akory ny kristiana
18, 19. Moa ve ao amin’ny Baiboly misy lalàna sy fitsipika tokony hohajain’ny kristiana?
18 Paoly dia nanoratra ho an’ny Korintiana mba hilaza tamin’izy ireo fa nilain’izy ireo ny handroaka lehilahy iray meloka ho nijangajanga. Nanampy teny izy fa ny mpanompo sampy, ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra, ny olona fatra-pitia harena, ny mpimamo, ny mpanala baraka sy ny mpanao an-keriny dia ‘tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra’. (I Korintiana 5:1, 6, 7, 11-13; 6:9-11.) Vakintsika koa fa ny kristiana dia tokony ‘hifady ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana’, ka tokony holavina ireo izay milaza tena ho rahalahy, nefa mampiely fampianaran-diso (Asa. 15:28, 29; Titosy 3:10; II Jaona 9-11). Mazava fa lalàna izany. Ireo izay manao zavatra toy izany dia tsy afaka ho tonga kristiana marina, ary raha misy mpanompon’Andriamanitra manao izany ka tsy mibebaka dia tsy maintsy roahina izy.
19 Ny Baiboly dia manome fitsipika antsika koa amin’ny lafiny tsy misy firesahana ny amin’ny fandroahana. Ohatra, nanoratra i Paoly fa ny kristiana mpitovo dia tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany”, ary izao no nambarany: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.” (I Korintiana 7:39; II Tesaloniana 3:10). Mety hilaza anakampo toy izao ny sasany: ‘Koa satria tsy mety ho voaroaka aho raha tsy manaraka an’io torohevitra io, dia tsy tokony ho fitsipika lehibe ireo.’ Fiheverana mampiseho hadalana re izany! Heverin’Andriamanitra ho zava-dehibe tokoa ireo fitsipika ireo. Moa ve i Paoly tsy nilaza tamin’ny Tesaloniana mba ‘hanamarika’ ny kristiana kamo izay minia tsy manaraka ny baiko hiasa, ka ‘tsy hikambana aminy’ intsony? — II Tesaloniana 3:14, 15.b
20, 21. Inona moa no fantatsika ao amin’ny Baiboly ny amin’ireo fitsipika natao manokana ho an’ny kongregasiona? Ahoana no tokony hiheverantsika izany?
20 Ny fitsipika sasany dia natao hahasoa ny kongregasiona. Ohatra, tamin’ny fotoana nahaizan’ny kristiana niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra, dia nangataka azy ireny i Paoly mba ho roa na telo ihany no hiara-hiteny, mba hanao izay mifanesy sy mba hamantatra tsara raha misy mpandika teny eo, fitsipika nokendrena hitandroana ny fiadanana sy ny filaminana ao anatin’ny kongregasiona izany (I Korintiana 14:26-33). Amin’izao andro izao, ireo loholona ao amin’ny kongregasiona iray dia mangataka ny rahalahy sy anabavy indraindray mba tsy hanampina ny lalana fivoahana avy ao amin’ny Efitrano Fanjakana, mba tsy hamandri-toerana tsy amin’ny antony na hamela ny fiarakodian’izy ireo eo amin’ny toerana manembantsembana na mampidi-doza. Ireny fitsipika natao ho an’ny kongregasiona ireny dia tsy mifanohitra amin’ny Soratra Masina, satria mikendry zavatra iray ihany (ny fiadanana sy ny filaminana tsara) amin’ny nokendren’ny torohevitr’i Paoly ny amin’ny fampiasana ny fiteny tsy fantatra. Aoka hotadidiantsika koa izao fananarana ao amin’ny Baiboly izao: “Manekè ny mpitondra anareo.” (Hebreo 13:17). Koa satria ny fandavana tsy handainga na hangalatra dia fankatoavana an’Andriamanitra, eo i Paoly dia tsy maintsy ho nanisy fitenenana ny amin’ny fanarahantsika an’ireo torohevitry ny loholona ao anatin’ny faritry ny kongregasiona. Tsy ho sarotra izany fankatoavana izany raha toa ireo loholona ka tsy manao lalàna toy ny “mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana”. — I Petera 5:3.
21 Misy “fitsipika” hafa na fomba fanaovan-javatra mahasoa ny andian’ondry maneran-tany mpanompon’Andriamanitra. Ohatra, angatahina ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanao tsy tapaka filazana ny asa vitany tamin’ny fitoriana (jereo Asa. 2:41, 42; 8:14). Angamba tsy hanaiky io fomba io ireo izay mirona ho amin’ny fahafahan’ny isam-batan’olona. Eritrereto anefa ny vokatra tsara rehetra aterany: Noho ny filazana asa, dia mety ho fantatr’ireo mpiandraikitra ny ondry ny hoe nanao ahoana ny habetsahan’ny fanambarana vita, aiza no toerana mila fanampiana ary amin’ny fotoana inona ireo mpianatra vaovao no azo atambatra ho kongregasiona. Moa ve ny tenantsika tsy faly namaky fitantarana ny asa maneran-tany (Ezekiela 9:11; Marka 6:30; Asa. 14:21-23; 15:3; 19:1-6)? Noho isika matoky fa Andriamanitra no mitarika ny vahoakany, dia aoka isika haneho fitiavana fiaraha-miasa.
22. Nahoana moa no ilaina ny mbola handalinantsika ihany ny raharaha ny amin’ny fieritreretana?
22 Ny Soratra Masina dia tsy vitan’ny hoe mirakitra lalàna sy fitsipika hentitra, fa mirakitra koa fotopoto-pitsipika azon’ny kristiana hendry arahina raha tiany ny ‘hahitsy làlana’. (Salamo 119:1.) Ilaina indrindra ny fotopoto-pitsipika mba hahatonga ny fieritreretantsika ho mora andairan’ny hevitr’Andriamanitra. Milaza inona izany ho an’ireo tojo ‘raharaha ny amin’ny fieritreretana’? Misy milaza anakampo hoe: ‘Raha raharaha momba ny fieritreretana izany, dia tsy mahakasika afa-tsy ny tenako izay ataoko.’ Koa ny lahatsoratra manaraka dia hivaofy ny amin’io foto-kevitra io ary hampahafantatra antsika ny fomba azontsika ampiasana ny fieritreretantsika sy handraisan-tsoa feno avy aminy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny fizarana hoe “Fanontanian’ny mpamaky”, ao amin’ny pejy 30.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 martsa 1982, pejy faha-18, sy ny tamin’ny 15 septambra 1982, pejy faha-31.
Hazavao
◻ Inona no atao hoe fieritreretana? Amin’ny fomba ahoana no anampiany anao?
◻ Inona ireo hevitra mifanalavitra indrindra narahina teo amin’ny ara-pitondrantena?
◻ Ahoana no anampian’ny Baiboly antsika hanaraka fiheverana tsar any amin’izay tokony hitarika ny fanapahan-kevitra ataontsika?
◻ Inona moa no fiheverana arak any Baiboly ny amin’ny lalàna sy ny fitsipika?