FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/2 p. 17
  • Mampiasa izany ve ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampiasa izany ve ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Avereno Dinihina ny Hevi-dehibe
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitondra Valisoa ny Fianarana
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Soa Azo Amin’ny Fianarana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/2 p. 17

Mampiasa izany ve ianao?

Tamin’ny famakiana “Ny Tilikambo Fiambenana” tao anatin’ny taona lasa, moa ve ianao nahamarika zava-baovao tao amin’ireo lahatsoratra natao hianaran’ireo kongregasiona? Hitanao tao ny soratra nofefena manodidina, sahala amin’ireo hita ao amin’ny pejy faha-23 sy 29 amin’ity nomerao ity. Inona izany?

Ho azontsika atao ny hanome anarana azy hoe ‘tabilao famerenana’, satria ho amin’izany antony izany no nanaovana azy. Olona an-tapitrisany maro no manatrika ireo fianarana ny Baiboly ataon’ny kongregasiona amin’ny alalan’ny “Ny Tilikambo Fiambenana”. Mpitory maro izay mampianatra amin’ireny fivoriana ireny anefa no nitantara fa nisy sahirana nandry ireo hevitra lehibe tamin’ny lahatsoratra natao hianarana. Tsy mahagaga izany zava-misy izany, satria niaiky ny apostoly Petera fa, araka ny hevitry ny kristiana voahosotra maro tamin’ny taonjato voalohany, tao amin’ny taratasin’i Paoly dia nisy “zavatra saro-pantarina”. (II Petera 3:16.) Afa-tsy izany koa, dia nisy mpamaky hafa “Ny Tilikambo Fiambenana” nanamarika fa ny famerenana farany dia hanampy azy ireny hitadidy ny hevitra tena lehibe amin’ny fianarana. Ireny soratra voafefy manodidina ireny dia noforonina mba hanatanterahana izany zavatra ilaina izany.

Volana vitsivitsy no lasa hatramin’izay. Nankasitrahan ve ireny soratra voafefy manodidina ho amin’ny fampianarana ireny ka nampiasaina? Nanoratra izao manaraka izao ny vehivavy kristiana iray tany Etazonia: “Misaotra be dia be amin’ny hevitra famerenana hita ao amin’ny faran’ny lahatsoratra natao hianarana amin’ny ‘Ny Tilikambo Fiambenana’. Izany dia manampy ahy tokoa hamantatra an’ireo hevitra tena lehibe mendrika ny hotanana.”

Aoka hotononintsika koa izao fanazavana nataon’ny reny iray manana zanaka roa lahy izao: “Ho tiako ny hilaza aminareo fa ankasitrahanay tokoa ireo fanontaniana sy hevitra hita ao amin’ny tabilao famerenana ao amin’ny faran’ny lahatsoratra natao hianarana tsirairay avy. Tena mahasoa anay tokoa izany mba hamerenana ny fianarana amin’ny herinandro sy mba hitadidiana izany amin’ny herinandro manaraka rehefa mianatra ny tohiny izahay.” Ny kristiana iray any New York kosa dia tsy nianina tamin’ny fanomezana ny heviny momba izay efa navoaka. Izao no nambarany: “Manantena aho fa sitrapon’i Jehovah ny hahitana an’ireny fanontaniana ireny ao amin’ny nomerao rehetra mbola hivoaka. Izany dia tena manampy hampisongadina ny hevitry ny fianarana manontolo.”

Izao fanamarihana manaraka izao, avy amin’ny anankiray amin’ireo mpamaky mazoto any Angletera, dia angamba hanampy anao hahita ny fomba fampiasana ireny tabilao famerenana ireny: “Tsikaritro, hoy izy, fa ireo fianarana faramparany amin’ny ‘Ny Tilikambo Fiambenana’, izay nahita teo amin’ny faramparany, soratra voafefy manodidina mirakitra fanontaniana, dia nanampy ahy be dia be handray soa faran’izay betsaka amin’ny lahatsoratra tsirairay avy. Mahagaga ny mahatsapa fa azo tsara kokoa aoka izany ny hevitra. Rehefa avy namaky voalohany lahatsoratra iray manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany aho dia tsy nahavaly an’ireo fanontaniana foana, nefa ho nihevitra ny tenako fa hahay izany aho. Novakiko indray àry ny foto-kevitra mandra-pahaiko mamaly ny fanontaniana rehetra.”

Rehefa avy nianatra manokana lahatsoratra iray ianao, nahoana raha vakina misesy ireo fanontaniana voasoratra ao anatin’ny fefy manodidina? Raha mahay mamaly ny tsirairay avy amin’ny fanontaniana ianao ka mahatsiaro ny hevitra lehibe rehetra tsy mijery ny lahatsoratra, dia tsara tokoa izany. Nefa raha tsy mazava loatra ny anankiray amin’ireo valinteny ao an-tsainao na raha tsapanao fa tsy ampy ny fahazoanao ny foto-kevitra mba hanazavana azy amin’olon-kafa, dia miverena ao amin’ny fizarana amin’ny lahatsoratra mifanitsy aminy. Izany famerenana avy hatrany izany dia hampitombo be dia be ny fahazoanao ny foto-kevitra ary hanipika ireo hevitra tena lehibe, ka hanampy anao hahatsiaro izany. Tsy haka fotoana be dia be aminao izany, nefa hovalian-tsoa ny amin’izany ianao.

Raha mitarika fampianarana “Ny Tilikambo Fiambenana” ao anatin’ny kongregasiona ianao, dia manana antony amboniny tokony hampiasana tabilao famerenana. Rehefa manao ny fampianarana, dia ataovy izay hananana fotoana hanaovan famerenana alohan’ny famaranana, rehefa avy eo dia sintony ny sain’ny mpanatrika ho amin’ny soratra voafefy manodidina. Aza mianina amin’ny famakiana ireo fehezanteny ao na manasa ny mpanatrika handinika izany any an-tranony, fa miezaha mivaofy ny tsirairay avy amin’ny hevitra. Rehefa miseho amin’ny endrika fanontaniana izany, dia angamba ho tianao ny hanadina an’ireo mpandray anjara. Amin’ny fanasana azy hamaly an-kandrina. Araka izany, izay rehetra tonga dia hahamarika ireo hevitra tena lehibe ao amin’ny fianarana; izany dia hitondra tombontsoa hanampy anao, ianao sy ireo mpanatrika, hitadidy azy moramora kokoa.

Antenainay fa ireo famerenana ireo dia hanampy anao amin’ny fiezahana ataonao mba hahafantarana ny fahamarinana izay manana hery manafaka sy mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Jaona 8:32; 17:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara