Aoka isika hihaino tsara ny ‘fampitandremana atao eo anoloantsika’
1, 2. Inona moa no omen’ny taratasin’i Joda raha ny amin’ny fampianarana?
JEHOVAH dia Andriamanitra mampitandrina (II Mpanjaka 17:12-15; Ezekiela 3:1-21). Fantatry ny vahoakany fa tsy iriny ny hahita olona na iza na iza ho ringana noho ny nanarahana ny lalana izay mitarika ho amin’ny fandringanana (Ezekiela 18:23, 32). Koa velom-pankasitrahana ny Rainy any an-danitra ny Vavolombelon’I Jehovah noho ny fampitandremany, ny fitarihany an’ireo izay tia azy.
2 Ny taratasin’i Joda ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia sady manolotra fampitandremana no manolotra torohevitra. Tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, dia hitantsika fa Joda dia nananatra an’ireo rahalahiny mba ‘hiady mafy ho an’ny finoana’. Aoka izao hojerentsika ao amin’ny vavaka ireo fampitandremana omeny antsika avy amin’ny zavatra niseho tamin’ny lasa. — Romana 15:4.
Tandremo ny tsy fahampiam-pinoana!
3. Inona no tian’i Joda ‘hampahatsiarovana’ an’ireo rahalahiny kristiana?
3 Rehefa avy eo i Joda dia manome izao fampitandremana mifandray amin’ny finoana izao:
“Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ny Tompo [Jehovah, MN] ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian’izany izay tsy nino.” (Joda 5).
Raha tsy tonga amin’ny ‘fiadiana mafy ho an’ny finoana’ ny kristiana dia mety hamoy ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. Mba hanalavirana izany, dia ‘tian’i Joda ny hampahatsiaro’ an’ireo rahalahiny notandindomin-doza ny zavatra efa nianaran’izy ireo teo aloha sy ny fomba niasan’Andriamanitra tamin’ireo nivadika taloha.
4. Tamin’ny fomba ahoana ary nahoana moa Jehovah no ‘namonjy’ ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana?
4 Eo amin’ny andininy faha-5, Joda dia manomboka amin’ny fanaovana izay hanamarihana fa Jehovah Andriamanitra dia ‘namonjy’ na nanafaka ny Isiraelita andevo tany Egypta. Nanao toy izany izy rehefa avy nanaraka ny teniny ireo tamin’ny fitandremana ny Paska voalohany. Nanao izany fanafahana mahagaga izany Jehovah satria nanao zavatra tamim-pinoana izany vahoaka andevo teo aloha izany. — Eksodosy 12:1-14, 31.
5. a) Inona moa Egypta ara-panoharana, ary noho ny antony inona no anafahan’i Jehovah ny olony avy ao Egypta ara-panoharana? b) Inona moa no tokony hataon’ireo vavolombelona nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hananana anjara amin’ny famonjena farany?
5 Toy izany koa, Jehovah dia mamonjy amin’izao andro izao, vahoaka avy any Egypta ara-panoharana, dia izao tontolo izao lavitra azy (Apokalypsy 11:8). Manao izany izy amin’ireo izay manaiky azy amim-pinoana ho ny Andriamanitry ny famonjena azy ireo, ary Jesosy Kristy ho toy ny Zanak’ondrin’ny Paska tena izy izay ny rany dia mahatonga ho afaka hividy azy ireo sy hamoaka azy avy eo amin’izao tontolo izao (I Korintiana 5:7). Nefa mba hananana anjara amin’ny famonjena, na any an-danitra na eto an-tany, ny vavolombelona iray nanolo-tena ho an’i Jehovah dia tokony tsy hivadika aminy hatrany ary tsy hiala amin’ny fivavahana marina mihitsy na hiverina any amin’izao tontolo izao ratsy sy ny fanandevozan’ny ota, toy ny Isiraelita afaka tsy tokony hiverina any Egypta (Deoteronomia 17:16; Matio 24:13). Tena ilaina ny hananana finoana maharitra, satria na dia ‘namony’ vahoaka avy tany Egypta aza Jehovah “dia naringany ihany tao aorian’izany izay tsy nino”, dia ireo izay naniry hiverina tany Egypta na hanahaka indray ny Egyptiana (jereo I Korintiana 10:1-12; Eksodosy 32:4-6; Nomery 25:1-18; 21:4-9; 14:35-38). Tsy isalasalana mihitsy àry fa mba hahavonjy azy amin’ny farany, ireo vavolombelona nanolo-tena ho an’i Jehovah amin’izao andro izao dia tokony hiaro ny finoany. — Hebreo 3:12, 13.
Ireo vokatra mahatsiravin’ny fahalotoam-pitondrantena
6. a) Inona moa no “toerana tamin’ny voalohany” nananan’ireo anjely, ary inona no “fonenany”? b) Karazam-pahotana inona moa no nataon’ny anjely sasany? d) Amin’ny ahoana moa ny fahotan’ireo anjely nikomy no azo ampitahaina amin’ny an’ny “olona ratsy fanahy” resahin’i Joda?
6 Nanome ohatra faharoa natao hampiasaina ho fampitandremana i Joda ka nanoratra toy izao nanaraka izay:
“Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara fanapahany [ny toerany tamin’ny voalohany, MN] fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe.” (Joda 6).
Ireo anjely, zavaboary ara-panahy, dia noforonina nanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay any an-danitra (Salamo 103:20; 104:4; Hebreo 1:7). Izany no fiandohan’izy ireo, ny ‘toerany tamin’ny voalohany’. Ny “fonenany”, ny toerana nonenany voatokana ho azy, dia ny lanitra tsy hita maso. Nanambara ny apostoly Petera fa “nanota” izy ireny, avy eo dia notantarainy taorian’izany avy hatrany ireo zava-niseho tamin’ny andron’i Noa (II Petera 2:4, 5). Izany dia manintona ny saintsika ho amin’ny fotoana nialoha ny safodrano, rehefa tsy nankato ireo “zanak’Andriamanitra” [“ireo anjely” araka ny soratanana Alexandrinus amin’ny Fandikan-tenin’ny Septante, soratanana tamin’ny taonjato faha-5] ka naka vehivavy tsara tarehy tokoa ho azy, tsy isalasalana fa tamin’ny fisehoana vatana tao amin’ny tena nofo (Genesisy 6:1, 2). Koa satria ny fiaraha-niaina tamin’ny vehivavy dia tsy araka ny natiora ho an’ireny anjely ireny izay zavaboary ara-panahy, dia nanota izy ireny rehefa resin’izay, raha ny aminy, dia faniriana ratsy tanteraka (Jakoba 1:13-15). Toy izany koa, ireo “olona ratsy fanahy” noresahin’i Joda dia naniry hanana firaisana maloto tamin’ny vavy raha lahy ny tenany, na lahy raha vavy ny tenany.
7, 8. a) Inona no nitranga tamin’ireo anjely tsy nankato? b) Inona àry no tokony hatao mba hijanonana eo amin’ny lalan’ny famonjena?
7 Izay nitranga tamin’ireo anjely tsy nankato dia fampitandremana, tsy ho an’ny kristiana tamin’ny andron’i Joda ihany, fa ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao koa. Tamin’ny safodrano, ireny anjely ireny dia afaka nandositra ny fahafatesana tamin’ny fanariana ny vatany nefa nosakanana izy ireo tsy hahita indray ny “toerany tamin’ny voalohany”, ny an’ny zavaboary ara-panahy manana ho fahazavana ny torohevitra sy ny fankasitrahan’Andriamanitra. Izy ireny dia voatokana ho any amin’ny “fatorana mandrakizay”, voatana ho amin’ny “andro fitsarana lehibe” handringanana azy. Tsy misy na inona na inona milaza fa mandra-pahatongan’izay dia ho afaka hiseho vatana indray ao amin’ny tena nofo izy ireny. Tsy ampiasain’i Jehovah intsony izy ireny, fa ao anatin’ny haizim-pito ara-panahy atao hoe Tartare. — II Petera 2:4.
8 Toy ny anjely tsy nankato tsy afaka manalavitra ny fianjerana sy ny fandringanana, dia toy izany koa fa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia mahatakatra fa tsy afaka mijanona eo amin’ny lalan’ny famonjena izy ireo raha tsy amin’ny ‘fiadiana mafy ho an’ny finoana’. Tena tokony hotoherintsika izay rehetra mitady hihoatra ny faritra noferan’Andriamanitra ka hitady handoto ny nofo.
9, 10. a) Nanjary meloka ny amin’ny karazam-pahotana inona moa ireo mponina tany Sodoma sy ny tanàna teny amin’ny manodidina? b) Ohatra inona natao ho fampitandremana moa Sodoma, Gomora sy ireo tanàna teny amin’ny manodidina?
9 Nanome ohatra fahatelo natao ho fampitandremana i Joda ka nanampy teny toy izao:
“Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana [sazy ara-pitsarana, MN] amin’ny afo maharitra mandrakizay.” (Joda 7).
Amin’ny hoe Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna manodidina azy dia tsy isalasalana fa tiana holazaina koa Adma sy Zeboima, ary angamba tanàna hafa tao amin’ilay Distrika. Noho ny faharatsian’ny mponina tao aminy, dia nazeran’i Jehovah tamin’ny alalan’ny afo sy solofara nilatsaka avy tany an-danitra ireny tanàna rehetra ireny afa-tsy Zoara izay nandosiran’i “Lota marina” sy ireo zanany vavy (II Petera 2:6-10; Genesisy 14:2; 19:18-29; Deoteronomia 29:22, 23). Tamin’ny fampiasana ny fitenenana hoe “ary toy izany koa”, dia nampitahain’i Joda ny nanjo an’ireny tanàna ireny sy ny an’ireo anjely tsy nankato izay nanana fitondrantena tsy araka ny natiora tamin’ny firaisana tamim-behivavy. Izao no lazain’ny Testamenta Vaovao voadika amin’ny teny frantsay mahazatra: “Sodoma sy Gomora mbamin’ireo tanàna teny amin’ny manodidina izay ny mponina tao aminy dia nanao tahaka an’ireny anjely ireny (...) dia nitady firaisana tsy araka ny natiora.” Ny mponina tao aminy dia tsy nianina tamin’ny fijangajangana tamin’ny vehivavy, fa nanome fahafahampo ny faniriana maloto novelominy ho an’ny lehilahy ary angamba koa aza tamin’ny biby (jereo Levitikosy 18:22-25). Ny Sodomita maro be, lehilahy sy zazalahy, dia naniry hanana firaisana tamin’ireo vahinin’i Lota izay noheverin’izy ireo ho lehilahy, nefa voafitaka izy ireo rehefa nasian’ireo anjely roa tamin’ny fahajambana, talohan’ny hamoahana an’i Lota tsy ho ao amin’ilay tanàna voatokana ho amin’ny fandringanana. — Genesisy 19:1-17.
10 Sodoma, Gomora sy ireo tanàna teny amin’ny manodidina dia nanome ohatra natao ho fampitandremana rehefa ‘nampiharan’i Jehovah sazy ara-pitsarana amin’ny afo mandrakizay’, dia ny fandringanana mandrakizay. Heverina fa ny sisa tavela may amin’ny sasantsasany amin’ireto tanàna ireto fara faharatsiny: Sodoma, Gomora, Adma sy Zeboima, dia toa hoe mijanona ao ambany rano amin’ny faritra atsimo amin’ny ranomasina Be sira (na ranomasina Maty) na ao ho ao amin’io faritra io. Na ireo tanàna ireo na ny mponina ao aminy àry dia tsy mbola eo am-pirehetana akory. Azo inoana fa ireo tanàna mihitsy fa tsy ny mponina tao aminy no naringana mandrakizay, satria fara faharatsiny, ny sasany tamin’ny olona nonina tao amin’ireo tanàna ireo dia hatsangana (Matio 10:15; 11:24; Apokalypsy 20:12, 13). Nefa izay nitranga tamin’ireny tanàna ratsy ireny dia fampitandremana mahatahotra amin’ny fitondrantena maloto, dia fampitandremana tokony hohenoin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao.
Aza atao tsinontsinona ny fahefana voatendrin’Andriamanitra
11. Amin’ny ahoana moa ireo “olona ratsy fanahy” nitsofoka teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra no azo ampitahaina amin’ny mponina ratsy tany Sodoma sy ireo tanàna teny amin’ny manodidina?
11 Rehefa avy eo i Joda dia niresaka ny amin’ny “ratsy fanahy” tamin’ny filazana hoe:
“Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra.” (Joda 8).
“Toy izany koa” na, azo inoana fa toy ny nandotoan’ny mponina ratsy tany Sodoma sy ireo tanàna teny amin’ny manodidina ny nofony tamin’ny fananana firaisana maloto sy tsy araka ny natiora, dia toy izany koa fa ireo olona manana fikasan-dratsy izay nitsofoka teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra dia nandoto ny tena nofo. Tsy noraharahainy mihitsy ny torohevitry ny apostoly milaza mba ‘handositra ny fijangajangana’. — I Korintiana 6:18-20.
12. a) Tamin’ny heviny ahoana moa ireny “olona ratsy fanahy” ireny no ‘nanonofy’? b) Inona no miandry an’ireo zatra manao manao fitondrantena maloto tsy mibebaka?
12 Ireny olona mitsofotsofoka foana ireny, hoy koa i Joda, dia ‘nanonofy’, angamba amin’ny heviny hoe nitady hiaro ny fiheverany izy ireny tamin’ny fihamboana ho nanana nofy ara-paminaniana (jereo II Petera 2:1; Deoteronomia 13:1-5), izay nety ho fahitan’ny eritreritra maloto fotsiny. Na nety ho te-hilaza koa i Joda fa “rediredy” fotsiny ny fampianaran’izy ireo (TOB.) Na ahoana na ahoana, ireny “ratsy fanahy” ireny dia nitady fahafahana hafa mba hanaranam-po amin’ny fahalotoam-pitondrantena ka nieritreritra fa afaka nitondra tena tamin’ny fomba maloto nefa tsy ho voasazy. Enga anie mba tsy hisy mihitsy Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao ho latsaka ao amin’io fandrika io! Ilay Mpitsara tampony dia tsy maintsy hampihatra ny fanamelohany an’ireo izay manaraka fahalotoana nefa tsy mampiseho fibebahana na dia kely akory aza. — Genesisy 18:25.
13. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo ‘mpanonofy’ ratsy fitondrantena teo anoloan’ny fahefana voatendrin’Andriamanitra?
13 Etsy andaniny koa, ireny ‘mpanonofy’ maloto ireny dia ‘nanda ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra’. Amim-pieboeboana, dia tsy raharahainy ny fahefana voatendrin’Andriamanitra (ohabolana 21:4; II Petera 2:10). Sahala amin’ireo anjely tsy nankato, ireny olona ireny dia nanana saina nikomy; mendrika ny hotsaraina sy hohelohina izy ireny satria tsy miraharaha an’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao sy ny Zanaka malalany.
14. Iza moa izany “manana voninahitra” izany?
14 Ireny ratsy fanahy ireny dia niresaka zavatra ratsy koa ny amin’ireo “manana voninahitra” (ara-bakiteny, ny amin’ny “voninahitra”), azo inoana fa ny an’ireo izay nomen’i Jehovah sy Jesosy Kristy voninahitra sasany (Jaona 17:22; I Petera 4:12-14). Koa satria avy tamin’Andriamanitra izany voninahitra izany, na izany laza izany, dia miharihary fa tsy tokony hoheverina fa an’ila olona nahazo tombontsoa nandray izany ny dera. Na dia izany aza, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia tokony hanaja izany “voninahitra” izany ka hiresaka ny amin’izany amim-piheverana be dia be an’i Jehovah Andriamanitra. — I Samoela 2:30.
15. a) Tamin’ny fomba ahoana moa no niresahan’ireo ‘mpanonofy’ nandoto ny nofo ny amin’ireo “manana voninahitra”? b) Inona no tokony hataontsika raha manana fironana tsy ho ampy fanajana ny fahefana nomen’Andriamanitra isika?
15 Tsy isalasalana mihitsy fa ireo mpianatr’i Kristy voahosotra izay manompo amim-pahatokiana amin’ny maha-mpiandraikitra kristiana voatendry dia nahita fa nomena voninahitra nalaza sasany. Ireo Vavolombelona hafa, ireo rahalahiny, àry, dia tokony hiara-miasa amin’izy ireo ka hanohana azy amin’ny fanompoana ataony ho an’Andriamanitra. Aoka àry isika tsy ho sahala amin’ireny ‘mpanonofy’ tamin’ny andron’i Joda ireny izay nandoto ny nofo, izay tsy niraharaha ny fahalehibeazan’i Jehovah sy tsy nihevitra mihitsy ny voninahitra avy aminy, fa niteny zavatra ratsy ny amin’ireo izay nanana izany (jereo III Jaona 9, 10). Koa raha mirona tsy hiraharaha ny fahefana nomen’i Jehovah isika, dia aoka hampiasa ny vavaka mba hahazoana ny fanampian’Andriamanitra, mba hanitsiana ny fiheverantsika.
Ny ohatra tsara dia tsara nomen’i Mikaela
16. Inona no tsy fitovian’ny fihetsik’i Mikaela sy ny an’ireo ‘mpanonofy’ tsy manaja?
16 Rehefa avy eo i Joda dia manonona ohatra iray tsara dia tsara mba handraisantsika soa; izao no nolazainy:
“Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin’ny devoly ka nifanditra ny amin’ny fatin’i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: “Hananatra anao anie Jehovah.’” (Joda 9).
Endrey ny tsy fitovian’ny fihetsika tsy manaja ananan’ireny ‘mpanonofy’ ireny sy ny an’i Mikaela arikanjely izay tonga Jesosy Kristy Tompontsika (jereo Ohabolana 8:22-31; Jaona 6:62; Filipiana 2:5-11; I Tesaloniana 4:15, 16). Tamin’ny firesahana zavatra ratsy ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra, ireny ‘mpanonofy’ ratsy fanahy ireny dia nampiseho fahasahisahiana foana izay na dia ny Zanak’Andriamanitra aza tsy nampiseho azy rehefa nisy tsy fifanarahany tamin’i Satana ny amin’ny fatin’i Mosesy mpaminany hebreo. Tsy manana fitantarana araka ny Baiboly taloha momba an’io tsy fifanarahana io mihitsy isika. Nefa tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa tsy aharihary amintsika, Joda dia nahazo izany fanazavana izany izay nosoratany mba hahasoa antsika.
17. a) Rehefa nisy tsy fifanarahana teo amin’i Mikaela sy Satana ny amin’ny fatin’i Mosesy, inona no tsy nataony ary nahoana? b) Ahoana no nanomezan’i Mikaela oha-panajana ny fahefan’Andriamanitra ho an’ny olon’i Jehovah?
17 Angamba nirin’ny Devoly ny fatin’i Mosesy mba hampidirana karazam-panompoam-pivavahana mifantoka manodidina an’io faty io ka ho nanimbany ny olon’i Jehovah. Nofadian’i Mikaela ny nanao fitsarana ho fanoherana ny Devoly tamin’ny teny manevateva. “Tsy sahy” nanao toy izany izy noho ny tahotra an’i Jehovah. Tsy narosony koa ny fotoana voafetran’i Jehovah mba hanaovan-javatra ho fanoherana an’i Satana (Apokalypsy 12:7-9; 20:1-3, 7-10). Naneho fanajana an’ilay Mpitsara tampony kosa ny Zanaka malalan’Andriamanitra ary nanaiky fa zony ny hananatra ny Devoly. Koa izao no nolazain’i Mikaela tamin’i Satana: “Hananatra anao anie Jehovah.” Angamba tsy nampiasa fitenenana mafy i Mikaela, nefa nasehony ihany ny fahefany tamin’ny fijanonana ho tompon’ny fatin’i Mosesy, ary Jehovah dia nandevina an’ilay mpaminany tao amin’ny fasana iray izay tsy hita foana (Deoteronomia 34:1-6). Tamin’izany rehetra izany, ny Zanak’Andriamanitra dia tsy azo lavina fa nanome ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fanajana ny fahefan’Andriamanitra. Enga anie isika mba hanahaka azy!
18. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa tsy nanana fiainana ara-panahy ireo olona izay handoto ny nofo?
18 Rehefa avy eo dia mampiseho fifanoheran-javatra i Joda amin’ny filazana hoe:
“Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory: ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany.” (Joda 10).
Na dia ambany dia ambany noho Mikaela izay tsy sahy nitsara an’i Satana tamin’ny teny nanevateva aza ireny olona handoto ny nofo ireny, dia niteny nanaratsy, tsy ny “manana voninahitra” ihany, fa y ‘amin’izay zavatra [zavatra ara-panahy] rehetra tsy fantany akory’ na tsy azony. Noho izy “tsy nanana fiainana ara-panahy” (Joda 19), dia tsy afaka nahazo ny zavatra ara-panahy izy ireny (I Korintiana 2:6-16). Hafa tanteraka ho an’ireny “olona ratsy fanahy” ireny ny hevitra, ny lalana sy ny ataon’i Jehovah.
19. Tamin’ny heviny ahoana moa ireo “olona ratsy fanahy” no azo nampitahaina tamin’ny “biby tsy manan-tsaina”?
19 Ho fanajana an’i Jehovah Andriamanitra, na Mikaela arikanjely na ireo anjely marina hafa dia samy tsy miteny zavatra ratsy ny amin’ireo izay nomen’i Jehovah voninahitra sasany. Manaraka fihetsika mifamadika amin’izany kosa ireny “olona ratsy fanahy” ireny satria izy ireny resin’ny fahamaimaizam-biby nananany tanteraka. Tsy azony ny zavatra ara-panahy fa izay nanaitaitra ny filan’ny nofony ihany. Araka izany, sahala amin’ny biby izay tsy manan-javatra mitana afa-tsy ny nofo, izy ireny dia nitady izay hanomezana fahafahampo ny nofony simba. Ireny olona ireny, tapa-kevitra ny hanome fahafahampo ny filan-dratsiny maharikoriko, dia ‘nanimba tena’ tamin’ny fahotan’ny nofo. Nasehon’ny tenan’izy ireo tamin’izany fa tsy tsara noho ny “biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan-aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono” izy, tsy manana fanantenana fitsanganana amin’ny maty mihitsy. — II Petera 2:9-13.
20. Rehefa heverina amin’ny tenin’i Joda nojerentsika hatreo, tokony hanao ahoana moa ny fihetsik’ireo vavolombelon’i Jehovah mahatoky?
20 Tena ilaina àry ny hanoheran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao amin’ny heriny rehetra ny fampianaran-diso, ireo izay mitady handoto ny nofo na manamavo ny fahefana voatendrin’Andriamanitra. Na dia izany aza, raha toa ireo torohevitra nodinihintsika hatramin’izao tao amin’ny taratasin’i Joda ka mampiharihary fahadisoana sasany eo amin’ny fihetsika asehontsika na ny fitondrantenantsika manokana, dia aoka tsy hangataka andro isika hanao ny fanovana ilaina amin’ny fitadiavana ao amin’ny vavaka ny fanampian’ny Raintsika any an-danitra. Enga anie isika mba hahazo foana ny fitahiana ara-panahy amin’ny fihainoana an’ireo ‘fampitandremana atao eo anoloantsika’!
(Hofaranantsika ao amin’ny nomerao manaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny fandinihana ny taratasin’i Joda.)
Tadidinao ve izany?
◻ Ahoana no anaporofoan’ny nitranga tamin’ny Isiraelita fahiny fa ilaina ny hananana finoana maharitra mba handovana ny famonjena?
◻ Ohatra inona no natao ho fampitandremana moa no navelan’ireo anjely tsy nankato?
◻ Manome fampitandremana inona ho an’ny kristiana moa Sodoma sy Gomora ary ireo tanàna teny amin’ny manodidina?
◻ Nahoana moa isika no tsy tokony tsy hiraharaha ny fahefana voatendrin’Andriamanitra?
◻ Raha ny amin’ny fanajana ny fahefana, ohatra inona moa no nomen’i Mikaela arikanjely, ka ahoana no tokony hitondrantsika tena?
[Sary, pejy 26]
Izay nitranga tamin’i Sodoma sy ireo tanàna teny amin’ny manodidina dia fampitandremana amin’ny fahalotoam-pitondrantena.