Ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny “Testamenta Vaovao”
NY ANKAMAROAN’IREO fandikan-tenin’ny “Testamenta Vaovao” dia tsy manome anarana manokana an’ilay Andriamanitra Tsitoha. Nahoana? Moa ve noho izy maka tahaka amim-pitandremana fatratra ny soratra grika? Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia azo inoana fa tsy izany no zavatra ahiny voalohany indrindra, satria tsy ampiasainy koa ny anarana hoe Jehovah ao amin’ny “Testamenta Taloha”. Nefa, ankoatra ny teny adika hoe “Tompo” sy “Andriamanitra”, ny anarana manokan’Andriamanitra dia hita im-7000 ao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany.
Nefa, ny mpandika teny sasany dia nahatakatra fa ny anaran’Andriamanitra dia manana ny toerany ao amin’ny “Testamenta Vaovao”, na dia noho ny teny nalaina mivantana avy ao amin’ny andinin-teny sasany ao amin’ny Soratra hebreo izay ampiasana an’io anarana io fotsiny aza. Araka izany, dia mahaliana ny manamarika fa dimy fara fahakeliny amin’ny fandikan-teny alemana amin’ny “Testamenta Vaovao” no mirakitra ny anaran’Andriamanitra.
Ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower dia efa nanisy fitenenana ny amin’ny anankiray amin’ireny fandikan-teny ireny, dia ilay navoakan’i Dominicus von Brentano tamin’ny 1796 ka mampiasa indroa ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny soratra. Ny fandikan-teny hafa roa dia mampiasa koa an’io anarana io ao amin’ny Marka 12:29. Ny anankiray dia nataon’i Stolz, navoaka tany Zurich, Soisa, tamin’ny 1781, ary ny faharoa nataon’ny profesora Johann Babor, natonta tany Vienne, any Autriche, tamin’ny 1805. Etsy andaniny koa, ny Baiboly lazaina fa avy any Bonn, nadikan’ny profesora D. Dausch sy navoaka tany Bonn, any Alemaina, tamin’ny 1932, dia mampiasa ny anarana hoe “Jahve” ao amin’ny Lioka 20:37.
Ny fandikan-teny alemana hafa iray dia mampiasa impolo ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ao amin’ny “Testamenta Vaovao”. Izany dia fandikan-teny misy fizarana roa amin’ny Soratra grika kristiana natonta tamin’ny 1789 sy tamin’ny 1790 tany Munich, any Alemaina. Na dia tsy nilaza ny anarany aza ny mpandika teny tao amin’io soratra io, dia manambara toy izao ilay boky hoe Die Bibel in Deutschland (Ny Baiboly eto Alemaina), pejy faha-281: “Ny nahazoana an’io fandikan-teny io dia avy amin’i (Sébastien] Mutschelle. Teraka tamin’ny 18 janoary 1749 tany Allershausen bel Freising izy, ary niditra tao amin’ny Jesoita raha mbola kely dia kely.”
Ny anaran’Andriamanitra àry dia hita tao amin’ireo fandikan-tenin’ny “Testamenta Vaovao”, tsy amin’ny teny alemana ihany, fa amin’ny fiteny hafa koa eo amin’ny dimampolo, anisan’izany ny teny hebreo.
[Efajoro, pejy 6]
Amin’ny ahoana izany no manintona ny saina?
‘Na ahoana na ahoana, hoy angamba ny sasany, na mampiasa ny anaran’Andriamanitra isika na tsia, manova inona moa izany? Manova ny zavatra rehetra tokoa izany! Eritrereto ange: Ao amin’ny “Testamenta Vaovao”, dia vakintsika fa Andriamanitra dia tokony “hitsinjo ny jentilisa [ireo firenena, MN] hanalany olona aminy hankalazana ny anarany”. (Asa. 15:14.) Raha tsy mahafantatra sy mampiasa an’io anarana io ianao, moa ve ianao tena afaka ny ho anisan’ny vahoaka nofidin’Andriamanitra tokoa? Tsy vitan’ny hoe tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra isika, fa tokony hidera azy koa eo anatrehan’ny mpiara-belona amintsika, toy ny nataon’i Jesosy Kristy fony izy teto an-tany. — Matio 6:9; Jaona 17:6, 26.