FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/3 p. 7-10
  • Rehefa mankafy ny Tenin’Andriamanitra ny mpamboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rehefa mankafy ny Tenin’Andriamanitra ny mpamboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo taonany voalohandohany
  • Ny fanontana ny soratra grika voalohany
  • Erasme sy Luther
  • Didier Érasme
    Mifohaza!—2016
  • Ny Baiboly​—Ankamamina sy Rarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Fianarana Faha-6 — Ny Soratra Grika Kristiana ao Amin’ny Soratra Masina
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Wessel Gansfort sy ny Fanavaozana Protestanta
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/3 p. 7-10

Rehefa mankafy ny Tenin’Andriamanitra ny mpamboly

“HASAIKO hadika amin’ny fiteny rehetra ireo teny ireo,ka tsy ny Ekose sy ny Irlanday ihany, fa ny Tiorka sy ny ‘Sarrasins’ koa dia afaka hamaky azy (...). tsy andriko izay handrenesana ny mpamboly mihira azy manaraka ny angadin’ombiny, ny mpanenona mikalokalo azy miaraka amin’ny feon’ny famahanan-tenony, ny mpandeha manala sorisory aminy amin’ny diany.”

Izany no nosoratan’i Didier Erasme, mpandinika ny fomba aman-toetr’olombelona holanday, tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-16. Nanantena sy naniry fatratra io lehilahy io ny handikana izany “teny” izany, na ny Soratra masina, amin’ny fiteny rehetra, mba tsy hisy ho afaka hamaky ny Tenin’Andriamanitra ka hahita fahafinaretana amin’izany, hatramin’ny ‘mpamboly’.

Hatramin’izay ny Baiboly dia nadika be dia be. Amin’izao andro izao, ny 97 isan-jato amin’ny olona dia afaka mamaky azy amin’ny fiteniny. Raha tonga ny boky be mpamaky indrindra eo amin’izao tontolo izao anefa ny Baiboly, dia tsy hoe tsy misy antony. Noho ny fitaomany tokoa, dia nisy olona isan-karazany nahatsiaro ho voatosika hiasa ho an’ny fahafahana sy ny fahamarinana. Izany indrindra no hita tamin’ny fotoana Fanavaozana, tany Eoropa tamin’ny taonjato faha-16. Raha toa, tamin’izany fotoana izany, ny olo-nalaza toa an’i Martin Luther ka sahisahy ary tsy nitsitsy teny, ny hafa, toa an’i Erasme, dia niasa nanao fanovana tamin-kafetsena kokoa. Izany no antony nilazana fa i Luther dia namoha ny varavaran’ny Fanavaozana rehetra avy nanala hidy azy i Erasme.

Araka ny fiaiken’ny rehetra, Erasme dia lehilahy nahay tsy fahita firy. Raha ny amin’ny toetrany, dia nanambara toy izao ny Encyclopédie catholique (anglisy): “Izay dia (...) havanana tamin’ny fahaizana milaza hevitra tsy nanam-paharoa. Tsy nanan-tsahala izay tamin’ny lahateny nahery sy nampihetsi-po, ny fanarabiana namelively, ny esoeso ankolaka.” Indray andro Erasme dia nitsidika an’i Sir Thomas More, mpitahiry ny fanombohan-kasem-panjakana any Angletera; raha mbola tsy nitonona akory i Erasme, dia nahafinaritra an’i More aoka izany ny resaka nataony, hany ka notapahiny ny teniny tamin’ny filazana hoe: “Mety ho Erasme ianao na ny Devoly.”

Mety ho fantatra amin’ny ambangovangony ny toetran’i Erasme amin’ny valinteny nomeny an’i Fréderic, mpifidy tany Saxe, izay nanontany azy izay fiheverany ny amin’i Martin Luther. “Nanao hadaladalana roa i Luther, hoy ny nambarany. Nanao vy very ny ainy izy nikasika ny satroboninahitry ny papa sy ny kibon’ny moanina.”

Fa tamin’ny fomba ahoana no nanjary nampiharan’ny Baiboly fitaomana an’i Erasme? Raha ny aminy, inona no nataony mba hampitomboana ny fianarana ny Soratra masina sy mba hanaovana izay hahazoan’ny sarambambembahoaka, raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ny ‘mpamboly’, azy? Aoka horesahintsika aloha ny amin’ny niandohan’ny fiainany.

Ireo taonany voalohandohany

Teraka tamin’ny 1466 tany Rotterdam, any Pays-Bas, i Erasme. Zazasary nateraky ny pretra holanday iray izy, ka nandany ny fahazazany tao anatin’ny fahoriana mafy. Tokony ho fito ambin’ny folo taona izy fony maty ny reniny. Fotoana fohy taty aoriana, dia maty koa ny rainy. Na dia tao aza ny faniriany ho any amin’ny oniversite, tamin’ny farany izy dia resin’ny fitaoman’ireo mpitaiza azy ka niditra tao amin’ny monasteran’ny Augustins, tany Steyn. Any izy dia hanohy ny fianarana teny latina sy ny momba ny fomba aman-toetr’olombelona sy ireo Rain’ny Eglizy, nefa tsy ho ela izy dia hanjary hankahala ny fomba fiainany. Koa teo amin’ny fahenina amby roapolo taonany dia nanararaotra ny fahafahana handao ny monastera izy mba ho tonga mpitantsoratr’i Henri Berghes, evekan’i Cambrai, any Frantsa. Fotoana fohy taorian’izany izy dia ho afaka hanohy ny fianarany tany amin’ny oniversiten’i Paris. Nampalahelo anefa fa narary lava izy. Tamin’ny andro niainany rehetra tokoa dia hanana fahasalamana tsy metimety izy.

Tamin’ny 1499, dia nasaina ho any Angletera izy. Tany izy dia tafahaona tamin’i Thomas More, John Colet mbamin’ny teolojiana hafa tany Londres izay nanatanjaka azy tamin’ny fahavononany hanohy hianatra amim-paharisihana ny Soratra masina. Mba hahatakarana kokoa ny hafatra ao amin’ny Baiboly, dia nikely aina fatratra nianatra teny grika izy, mandra-pahampy fahaizana azy mba hampianarana izany.

Nandritra izany fotoana izany no nanoratany koa boky iray nitondra ny anarana hoe Fianaran’ny miaramila kristiana, izay nanoroany hevitra ny tanora kristiana hianatra ny Baiboly, tamin’ny filazana hoe: “Tsy misy na inona na inona azonareo inoana amin’ny fomba azo antoka kokoa noho izay vakinareo ao amin’ireny teny voasoratra ireny.”

Ny tsy fahampiam-pananana sy ny tahotra ny pesta dia nitarika azy tamin’ny 1504 ho any Louvain, any Belzika. Rehefa nitsidika ny monasteran’ny Parc izy dia nahita tao amin’ny fitehirizam-boky, soratanana tamin’ny Fanamarihana momba ny Testamenta Vaovao, nataon’ilay mpandinika toetra amim-pomban’olombelona italiana atao hoe Laurent Valla. Io fitambaram-panamarihana ny amin’ny Soratra grika kristiana araka ny Vulgate latina io dia nanaitra ny fahalianany tamin’ny fanakianan-tsoratra, fanakianana natao hitadiavana ny dikan-teny tamin’ny voalohany, tamin’ny fanangonana fandikan-teny sy soratanana tranainy. Nihatapa-kevitra hiasa ho an’ny famerenana amin’ny laoniny ny tenin’ny Baiboly tamin’ny voalohany i Erasme.

Nankany Italia i Erasme nony avy eo, ary dia niainga indray ho any Angletera taorian’izany. Tamin’ny fianihana an’i Alpa, dia tonga tao an-tsainy indray ny fihaonany tamin’i Thomas More, izay ny anarany (amin’ny teny grika, “adala” no dikan’ny hoe môros) dia nanome saina azy hanoratra lahateny fanesoesoana misompirana nampitondrainy ny anarana hoe Fiderana ny hadalana. Tao amin’io boky io, ny hadalana noharina tamin’ny olona dia miditra amin’ny lafim-piainana rehetra, vao mainka mahavaky vava kokoa eo amin’ireo teolojiana sy mpitondra fivavahana tsy toy ny any amin’ny toerana hafa rehetra. Tamin’izany no namotsipotsirany ny hadisoan-kevitry ny klerjy, dia hadisoan-kevitra nahaforona ny anankiray tamin’ireo antony tena lehibe nahatonga ny Fanavaozana efa nokotrehina. Araka ny filazany, ireo papa sy kardinaly dia “mety hieritreritra fa izy ireny dia mpandimby ny apostoly izay nandidy azy mba hanohy ny raharaha maha-apostoly azy ireny”. Amin’izy ireo anefa, dia “mamizana ny mampianatra ny vahoaka; anjaran’ireo sekoly ny milaza ny hevitry ny Soratra masina; tsy misy antony miavaka”. Tsy mahagaga loatra ny niresahana ny ‘fahaizany milaza hevitra tsy manam-paharoa’!

Ny fanontana ny soratra grika voalohany

Sady nampianatra teny grika nandritra ny fotoana kelikely tany amin’ny oniverisiten’i Cambridge, any Angletera, i Erasme, no nanohy ny fanitsiany ny tenin’ny Soratra grika kristiana. Nanandrana nampiaiky azy i Martin Dorpius, anankiray tamin’ireo namany, fa tsy nila velively ny hahitsy araka ny soratra grika ny fandikan-teny latina. Mety ho marina ve, hoy ny fanontanian’i Dorpius, “fa ny Eglizy katolika manontolo dia diso hevitra nandritra ny taonjato maro be toy izany, satria izy nampiasa sy nankasitraka foana an’io fandikan-teny io? Niandany tamin’i Erasma anefa i Thomas More mba hamaliana izany fanakianana izany, tamin’ny fanipihana ny ilàna soratra ao amin’ny Baiboly marina amin’ireo fiteny tany am-boalohany.

Niangavy an’i Erasme i Johannes Froben, mpanonta pirinty tany Bâle, mba hamita haingana an’io asa io. Reny tokoa fa ny kardinaly Ximènès avy any Tolède, any Espaina, dia nanao fanontana grika sy latina amin’ny Testamenta Vaovao tamin’ny 1514, nefa tapa-kevitra izy io ny tsy hamoaka izany alohan’ny hahavitan’ny Baiboly manontolo. Raha ny marina, io soratra io dia hivoaka amin’ny 1522 amin’ny anarana hoe Biblia Complutensis na Polyglotte Alcala. Ny fanontana nataon’i Erasme kosa anefa dia nivoaka tamin’ny 1516. Vao voalohany àry tamin’izay no nanontana ny “Testamenta Vaovao” tamin’ny teny grika tany am-boalohany.

Koa satria novitainy haingana io soratra io, dia tsy maintsy ho nirakitra fahadisoana maroa. Tsy nisy nahatsapa izany kokoa toa an’i Erasme mihitsy; hiezaka hanitsy izany araka izay azo atao tokoa izy ao amin’ireo fanontana aty aoriana. Samy hampiasa an’ireo fanontana ireo i Luther sy William Tyndale mba handikana ny Baiboly, amin’ny teny alemana sy amin’ny teny anglisy. Izany no fanantenana sy fanirian’i Erasme. Tao amin’ny sasin-teny amin’ny soratra grika nataony tokoa no nanoratany hoe: “Hasaiko hadika amin’ny fiteny rehetra ireo teny ireo (...) Tsy andriko izay handrenesana ny mpamboly mihira azy manaraka ny angadin’ombiny.” Na dia tsy tonga lafatra aza ny asa soratr’i Erasme, dia nanamarika ihany ny fahaterahan’ny fanakiana-tsoratra, asa tena nilaina izay nanokatra ny lalana ho an’ireo fandikan-teny marina azontsika ampiasaina amin’izao andro izao.

Tsy handray tsara an’io boky navoaka io daholo akory ny olona rehetra. Ny fanamarihana sasany nataon’i Erasme tokoa dia fanakianana ankarihary ny klerjy. Ho ohatra, dia aoka horaisintsika ny Matio 16:18, izay amakiantsika toy izao: “Ianao no Piera, ary eo amin’ity vato ity no haoriko ny Egliziko.” (Baibolin’i Crampon). Ny amin’izany, dia nilaza i Erasme fa gaga ny tenany raha ampiharina amin’ny papa irery ireo teny ireo, ary nolaviny tamin’ny fomba hentitra ny hevitra ny amin’ny fahambonian’i Petera. Vao mainka nampiseho fahasahisahiana be izany famoaboasan-kevitra izany, indrindra fa satria ilay boky natolotra ho an’ny tenan’ny papa mihitsy. Tsy mahagaga loatra raha voarara ny ankamaroan’ny soratr’i Erasme, na dia tany amin’ireo oniversite aza.

Nahaliana an’i Erasme ny fahazoana tsara ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra. Manamarina izany ny anankiray amin’ireo bokiny, navoaka tamin’ny 1519 ary nitondra ny anarana hoe Ratio Verae Theologiae (Foto-pototry ny tena teolojia). Novelabelariny ny fomba fianarany ny Baiboly mbamin’ny fitambaram-pitsipika izay tokony hitarika ny filazana ny heviny, ohatra, tsy fampisarahana mihitsy ny andinin-teny noraisina iray amin’ny teny manodidina azy na amin’ny fanjohian-kevitra tanan’ny mpanoratra. Noheveriny ho zavatra iray manontolo mifandrindra ny Soratra masina. Amin’izany, araka ny fanambarany, ny filazana hevi-teny dia tokony ho avy amin’ny Baiboly ihany ary tsy hety handidian’ny fahefana ivelany iray. — Jereo Genesisy 40:8.

Erasme sy Luther

Tamin’ny 1518 i Erasme dia nanoratra ny Resaka, boky filazan-javatra iray loha nanakianany indray ny faharatsian’ny Eglizy sy ireo monastera. Tamin’ny taloha talohan’io i Martin Luther dia nametaka tamin-kerim-po ireo heviny dimy amby sivifolo, teo amin’ny varavaran’ny eglizin’i Wittenberg mba hanoherana ny raharaha momba ny indolzansy, izay nitombo nahatafàtohina tany amin’ny tany maro. Nandritra ny fotoana kelikely dia nety ho ninoana fa hikambana Erasme sy Luther mba hitondra ireo fanavaozana nilaina. Namelona hevitra tsy nitovy tanteraka anefa izy ireo raha ny amin’ny fomba fanatanterahana izany. Tsy ela dia nanomboka nanameloka an’i Erasme ka naniry hiasa tamim-pilaminana avy ao anatin’ny Eglizy. Azo lazaina hoe nisaina sy nanoratra i Erasme, fa niasa kosa i Luther.

Tamin’ny farany dia nitranga ny fisarahan-kevitra tsy azo nosorohina tamin’ny 1524, fony Erasme nanoratra ny Filazana momba ny safidy. Tsy nihevitra ny olombelona ho afaka nampiasa safidy i Luther. Erasme anefa dia nanazava fa ny fanizingizinan’i Luther dia mahatonga hihevitra an’Andriamanitra ho tsy manao ny rariny, satria tamin’izany ny olona dia noheverina ho tsy nahay nanao zavatra mba hahavonjy ny tenany.

Raha mbola nitatra ny fanavaozana tany Eoropa, ireo toe-javatra niseho dia nitarika maro tamin’ny mpanohana azy hisaraka amin’ny Eglizy katolika. Na dia tsy tsinjo’izy ireo aza ny ho vokany, dia narahiny hatramin’ny farany ny lalana nofidin’izy ireo, ka matetika no namoizany ny aina izany. Erasma kosa anefa dia nihataka tamin’ny ady lahy fifandirana. Tetsy andaniny koa, dia tsy nety nandray ny satroky ny kardinaly izy fa niaiky indray hoe raha sedraina izy dia mety ho lavo sahala amin’i Petera (Matio 26:69-75). Nanandrana nifikitra tamin’ny lalana anelanelany àry izy. Araka izany, raha mbola nihevitra ny teny nosoratany ho nanohitra ny finoana i Roma ka tsy namela ny hamakiana izany tahaka ireo boky voarara, dia mpanavao maro no nanameloka izany koa ka nilaza azy ho vonona ny handika ny fieritreretana mba hamonjena ny ainy. Mora mahita fanakianana i Erasme nefa koa fatra-pitia dera ka matetika no malina loatra, satria natahorany ny mety ho vokatr’izay rehetra fisarahan-kevitra amin’i Roma.

Voafintina toy izao ny fifandraisana nisy tamin’i Erasme sy ny Fanavaozana: “Mpanavao izy mandra-pahatongan’ny Fanavaozana ho zavatra tena nisy naharaiki-tahotra, mpanaratsy teo anoloan’ny manda fiarovan’ny papa, mandra-panomboky ny firodanan’izany, mpampiely ny Soratra masina mandra-pifototry ny olona amin’ny fianarana sy ny fampiharana azy; mpanaraby ny endri-panompoam-pivavahana ivelany fotsiny, mandra-panombana izany araka ny tena vidiny tokoa; raha fintinina, dia lehilahy nahita fianarana, kinga, be fahamoram-panahy, nalemy fanahy, saro-tahotra sy be fisalasalana, izay namela ho an’ny hafa ny voninahitra hanafaka ny sain’olombelona amin’ny fanandevozana an’arivo taona sady niantsoroka ny andraikitra tamin’izany. Nihananalavitra ny an’i Luther ny lalany, hany ka tamin’ny farany ireo lehilahy roa dia nizotra tamin’ny lalana nifanipaka sy nifankahala.”—Edinburgh Review, LXVIII, 302.

Koa satria ireo mpanavao tsy afaka nifanaraka na tamin’ny fampianarana na tamin’ny fampiharana, ireo fanovana tamin’ny taonjato faha-16 dia tsy afaka nanaisotra sasany tamin’ireo lovantsofina lehibe nanakona ny Tenin’Andriamanitra hatramin’ny taonjato maro. Tsy nitsahatra nandroso kosa anefa ny fampielezana ny Baiboly teo amin’ny vahoaka hatramin’izao andro izao. Avy amin’ireny ady rehetra ireny, izay nandraisan’i Erasme anjara, no nivoahan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly marina sy azo antoka.

Araka izany, amin’izao andro izao ny ‘mpamboly’ dia afaka mahazo Baiboly, fara faharatsiny tapany amin’io boky io, saika ao amin’ny fiteny rehetra, ka mankafy ny fianarana ny fikasana mahatalanjona heverin’Andriamanitra fa hotanterahina ho an’ny olombelona. Izany rahateo moa no amporisihan’ny Soratra masina mafy antsika mba hatao. Aoka homarihintsika izay voasoratra ao amin’ny Salamo 1:2, 3, ny amin’ny marina: “Fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazao; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” Eny, aoka tsy havelantsika hisy andro iray monja tsy hankafizana ny Tenin’Andriamanitra!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha ny marina, noho ny kopian’ny Apokalypsy tsy feno. Erasme dia nianina tamin’ny fandikana indray ireo andininy tsy amby tamin’ny teny grika, avy amin’ny Vulgate latina.

[Sary, pejy 9]

Mpanao fanavaozana i Erasme mandra-pahatongan’ny Fanavaozana ho zavatra tena nisy naharaiki-tahotra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara