FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/4 p. 3-4
  • Inona moa ny fotoana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona moa ny fotoana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahalalana vitsivitsy ny amin’ny fotoana
  • Famantaranandro Fahiny
    Mifohaza!—2011
  • Nahoana no Tena Kely ny Fotoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • “Ny Mpanjakan’ny Famantaranandro”
    Mifohaza!—2010
  • Amin’ny Firy Izao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/4 p. 3-4

Inona moa ny fotoana?

AMIN’NY firy izao? Impiry impiry moa ianao no nametraka an’io fanontaniana io, sa tsy izany? Amin’ny foana amakianao an’ireto andalan-tsoratra ireto indrindra, dia angamba ianao mahatsapa fa mila ny manopy maso amin’ny famantaranandronao? Inona no antony? Satria mahatsapa mafy ny firimorimon’ny fotoana ny olombelona; toa tsy hainy aza ny miaina tsy mahazo an-tsaina ny amin’izany.​—Salamo 90:12; Mpitoriteny 3:11.

Isan’andro, ny fiainan’ny ankamaroan’olona dia tarihin’ny famantaranandro. Matory isika, mifoha, mihinana, miasa ary miala voly, tsy hoe tsy maintsy ho rehefa maniry hanao izany isika, fa rehefa mitarika antsika ho amin’izany ny famantaranandro. Etsy andaniny koa, hafahafa ihany, rehefa mijery ny famantaranandrontsika isika, dia angamba tsy hoe mba hahafantarana ny ora fotsiny fa mba hahazoana an-tsaina ny amin’ny fotoana sisa tavela mba hanaovana asa toy izao na izao.

Toa manana famantaranandro anaty daholo ny velona rehetra. Araka izany, dia zavamaniry sy biby maro no manana ao aminy karazam-pihetseham-pamantaranandro izay milaza amin’izy ireo ny fotoana famoniana na fifindra-monina arakaraka ny toe-javatra. Tsy tsapantsika akory fa ny famoahana zavatra shimika anaty sy ny fiasan’ny tenantsika isan-karazany dia samy voamarika amin’ny fipaipaika manginan’ny famantaranandro ara-piziolojia. Izany dia mampahatsiahy antsika ny ohabolana hoe: “Ny zavatra rehefa samy manana ny fotoany avy”.​—Mpitoriteny 3:1.

Ho hainao ve ny hanazava ny atao hoe fotoana? Araka ny filazan’ny sasany, izany dia hevitra fotsiny, fahitan-javatra manokana. Araka ny filazan’ny sasany, izany dia ho elanelana mampisaraka an’ireo zava-miseho. Raha tsy misy na inona na inona mitranga intsony mihitsy, dia hanjavona ny fotoana. Nefa rehefa tiana ny hanandrana hilaza ny tena toetoetrany, dia hita ho mahavery hevitra toy ny habakabaka eo amin’izao rehetra izao ny fotoana. Na dia izany aza dia fantatsika ihany ny lafiny madinika sasantsasany aminy.

Fahalalana vitsivitsy ny amin’ny fotoana

Fantatsika sahady ny hoe misosa mankaiza ny fotoana: manatona ny ho avy foana isika. Tsy azo avadika àry ny fotoana. Lasa tsy hiverina intsony mihitsy ny lasa. Ny fahadisoantsika sy ny asantsika kanto dia namela soritra tao amin’ny fasiky ny fotoana mikoriana. Miaina ao anatin’ny fotoana ankehitriny foana isika ary mizotra mankany amin’ny ho avy, nefa tsy afaka miverina ilalana intsony isika mba hikosoka ny fahadisoana nataontsika. Izany no maha-zava-dehibe ny hanaovana fanapahan-kevitra tsara amin’izao fotoana izao, mba hanokanana ho avy tsaratsara kokoa ho an’ny tena izay tsy ho voakikin’ny nenina.​—Ohabolana 3:1, 2.

Haintsika koa ny manisa ny fotoana. Taloha ela be, dia navelan’ny olombelona ny masoandro, ny volana sy ny kintana hanisa ho azy ny fotoana nandalo. Ho an’ny olona maro, rehefa niposaka ny maraina ny masoandro, dia izay no fotoana fandehanana miasa, ary rehefa nilentika izy ny hariva, dia tonga ny ora hatoriana.

Koa satria ny fitambaran’olona miha-tsy tsotra sy miovaova hatrany, dia niahy ny amin’ny hanisana ny fotoana ny olombelona. Noho ny fahakingan-tsainy dia niely tsikelikely ny famoronan-javatra: ny tavam-pamantaranandro avy amin’ny masoandro, ny labozia, ny famantaranandro fasika, ny fanaovana famantaranandro ataomika. Izany dia samy fiasana natao hanisana ny fandehan’ny fotoana tsy hita maso. Koa satria zavatra manesika ao amin’ny olombelona ny fanisana amin’ny fomba hentitra ny fotoana, dia olona maro no tsy miaina intsony ao anatin’ny fitambaran’olona iray mifantoka amin’ny asa, fa ao anatin’ny izao tontolo izao iray mifototra amin’ny fotoana.

Nahoana ny fotoana no toa mandalo haingana aoka izany amin’ny toe-javatra miseho sasany, ary nahoana izany no hita ho lava aoka izany amin’ny toe-javatra hafa? Satria arakaraka ny zava-miseho no anisana azy. Araka izany dia ho hita fa lava kokoa ny vanim-potoana tsy iasana noho ny fotoana iasana. Afa-tsy izany, arakaraka ny fahalianantsika amin’ny asantsika no toa andehanan’ny fotoana haingana. Nefa, kosa, raha heverintsika ho toy ny asa an-terivozona ny asantsika, dia ho hitantsika fa lava mahasorena aoka izany ny fotoana. Efa nisy ve fotoana niandrasanao olona sady tsy nanao na inona na inona? Toa tsy mety tapitra ny ora iray lany amin’izany fomba izany satria tsy mahafaoka afa-tsy zava-miseho iray monja. Nefa aoka atao hoe mandritra io ora io ianao dia tsy maintsy manao asa maro misesy, ohatra, manomana sakafo ho an’ny vahiny tsy nampoizina (mamaofy ovy, manatsatsika hena, mahandro “légumes”, mamelatra ny latabatra, mamafa haingana ny vovoka amin’ny fanaka ao an-trano manontolo ary miomana kely mba handray an’ireo nasainao). Amin’izay io ora io di ho nandalo nirimorimo tsy nisy toy izany, satria ho feno zava-niseho maro be.

Afa-tsy izany koa, ny fahalalantsika ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy dia mampiavaka antsika amin’ny biby. Miaina tsy ankijanona ao amin’ny ankehitriny tokoa ny biby. Nefa kosa, raha miaina ao amin’ny ankehitriny koa ny olombelona, dia azony atao kosa ny manovo amin’ny fanandramany tamin’ny lasa mba hitsinjovana izay hilainy amin’ny ho avy. Afa-tsy izany koa, arakaraka ny andalovan’ireo taona sy arakaraka ny anangonantsika fanandraman-javatra eo amin’ny fiainana, dia toa misosa haingana ny fotoana amintsika. Amin’izany, rehefa mandroso fahalehibeazana isika ka manjary mahatsapa amim-panaintainana ny toerantsika amin’ny maha-olona mety maty, moa ve isika tsy tokony hihevitra ho sarobidy kokoa ny fiainantsika sy ny fomba itondrantsika azy?​—Salamo 90:10.

Raha ny amin’ny fotoana, dia marina tsy misy toy izany ireto andalan-tononkalon’i Ronsard ireto:

“Mandeha ny fotoana, mandeha ny fotoana, Ramatoa;

Sasatra ve ny fotoana, tsia, fa isika no mandeha.”

Nefa, tsy maintsy ho toy izany foana ve ny zavatra? Tsy ho izany no ho hita raha tena fantatsika tokoa ny hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fotoana. Afaka manisa ny fotoana ny olombelona, mandinika ny aminy, manisa azy amin’ny fomba hentitra, nefa fantany ve hoe amin’ny firy izao araka ny famantaranandron’Andriamanitra? Azia ho aiza isika izao eo amin’ny fanisanandrony?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara