FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/4 p. 4-7
  • Miahy ny fotoana ve Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miahy ny fotoana ve Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no miahy ny amin’ny fotoana?
  • Ahoana no fomba fijery ny “filazana ora” avy amin’Andriamanitra?
  • Misy heriny eo amin’ny fiheverantsika ny amin’ny fotoana ny zavatra inoantsika
  • Izay hanampy antsika hamantatra ny fotoana
  • Matokia An’i Jehovah, Ilay Andriamanitra Manaja Fotoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Jehovah: ilay Andriamanitra mametra ny fotoana sy ny andro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mifono Heviny Lehibe ve ny Taona 2000?
    Mifohaza!—1998
  • Eo An-tanan’i Jehovah ny Andro sy ny Fotoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/4 p. 4-7

Miahy ny fotoana ve Andriamanitra?

NOHO izy Antony voalohany mahatonga ireo zava-miseho, Jehovah Andriamanitra dia Mpamorona ny fotoana koa. Izany no miharihary amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly.​—Genesisy 1:1, 14.

Tamin’izany no nampandehanan’i Jehovah fanamboarana famantaranandro goavana. Mihodina eo amin’ny tezany (axe) ny tany, mandeha manodidina ny tany ny volana, izy roa ireo dia samy manaraka ny lalany manodidina ny masoandro, mba hanomezana antsika ny andro, ny volana sy ny fizaran-taona. Ireny zavatra eny amin’ny lanitra ireny dia mampahafantatra antsika maimaimpoana ny amin’ny fotoana, nefa isika tsy notendrena hiantoka ny fandehanany na ny fampitoviana azy.

Nahoana no miahy ny amin’ny fotoana?

Mihevitra ny fotoana Jehovah ary iriny hiahy ny amin’izany koa isika. Ho amin’izany rahateo moa no namoronany antsika. Tsy naneho fahendrena daholo anefa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra teo amin’ny fampiasana ny fotoanany. Ny sasany tokoa dia tsy nampitombo firaikana ampy tamin’ny fanisanandron’Andriamanitra.

Ohatra, tamin’ny taonjato faha-7 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ny vahoaka voafidin’Andriamanitra dia tsy azo nalan-tsiny mihitsy raha tsy nahalala ny “ora” (Jeremia 8:7). Fantatry ny biby avy hatrany ny fotoana tokony hanaovan-javatra arakaraka ny fiovan’ny fizaran-taona. Nefa na dia nitady hanohina imbetsaka ny fony sy ny sainy aza Andriamanitra, dia tsy tian’ny Isiraelita ho fantatra, fa niaina tamin’ny fotoana noferan’Andriamanitra mba hitsarana azy izy ireo, na, ny marimarina kokoa, tsy nitana ny sainy izany.

Ary isika? Fantatsika ve hoe amin’ny firy “ora” izao? Nanambara foana ny sitrapony sy ny fikasany Jehovah tamin’ny fotoana voatendry. Niteny tamin’ny Ateniana ny apostoly Paoly ka nanambara toy izao: “Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andro’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny”. (Asa. 17:30, 31). Inoana ve fa ho hitantsika tsy ho ela izany ‘andro fitsarana’ izany? Sa kosa mieritreritra ianao fa mbola lavitra izany?

Tamin’ny taonjato voalohany dia naneno ny ora nahatongavan’ilay lehilahy hampiasain’Andriamanitra mba hitsara ny tany, teto an-tany. Ny fahatongavany dia nanamarika daty lehibe tokoa teo amin’ny fanisanandron’Andriamanitra. Izao tokoa no ambaran’ny Baiboly: “Fa rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalana.” (Galatiana 4:4). Marina tokoa fa Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, dia tonga tsy nisy diso tamin’ny fotoana voatendry.

Ny fahatongavan’i Kristy tamin’ny taonjato voalohany dia namoha vanim-potoam-pitsarana ho an’i Jerosalema. Tamin’ny taona 33, Jesosy dia nampiomana ny mponina tao amin’io tanàna io fa hisy tafika fahavalo handrava azy; izao no nambarany: “(Izy) hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.” (Lioka 19:44). Rehefa afaka fito amby telopolo taona taty aoriana, dia tanteraka ny faminaniany. Raha velona tamin’izany fotoana izany ianao, ho hainao ve ny nanavaka ny “ora”? Ho takatrao ve fa tamin’izay no fotoana nofidin’Andriamanitra mba hanirahana ny Zanany teto an-tany sy mba hitsarana an’i Jerosalema?

Ahoana no nety ho nahafantaranao izany? Toy izany koa, ahoana no azonao amantarana ny fotoana ankehitriny? Ahoana no mety hahitanao raha akaiky ny ‘andro fitsarana’ voambara?

Ahoana no fomba fijery ny “filazana ora” avy amin’Andriamanitra?

Toy ny ilàntsika hijery ny fanondroana ny fahatongavana sy ny fiaingana alohan’ny handraisana ny fiaramanidina na ny kelesin-dalamby, dia toy izany koa fa mila “filazana ora” isika mba hamantarana izay tadiavin’Andriamanitra amintsika sy hahazoana ny heviny rehefa iriny ny hahita antsika manao izany. Eny, manana izany anjara asa izany ny Baiboly. Amin’ny fandinihana fatratra an’io boky io, dia afaka mahafantatra ny fandaharan’ireo zava-miseho mahakasika ny olombelona isika. Ohatra, ny Jiosy rehetra tamin’ny taonjato voalohany dia tokony ho vonona ho amin’ny fahatongavan’i Kristy. Nahoana? Satria tamin’ny alalan’i Daniela mpaminany dia nambaran’Andriamanitra hatramin’ny ela be fa ho tonga ny Mesia na Kristy amin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana (Daniela 9:24-27). Fantatry ny Jiosy tokoa ny faminanian’i Daniela ary nantenainy ny hahita azy niseho tamin’io taona io (Lioka 3:1, 2, 15). Nanoratra toy izao i Abba Hilel Silver, manam-pahaizana jiosy: “Nandrasana ny Mesia tany amin’ny ampahefany faharoa amin’ny taonjato faharoa amin’ny fanisan-taona iraisana.”

Toy izany koa amin’izao andro izao. Amin’ny fampiasana ny “filazana ora” voarakitra ao amin’ny Baiboly, dia ho hitantsika fa ankehitriny isika dia miaina amin’ny fotoan’ny fanatrehan’i Kristy tsy hita maso amin’ny maha-Mpanjaka azy*. Afaka manatsoaka hevitra avy amin’izany àry isika fa ho avy haingana dia haingana izy hampihatra ny fanamelohan’Andriamanitra ny ratsy fanahy ka hanorina ny “andro” haharitra arivo taona izay ‘hitsarany ny tany amin’ny fahamarinana’.​—Asa. 17:31; Daniela 4:7-14; Matio 24:7-31; Lioka 21:24; Apokalypsy 20:4-15.

Misy heriny eo amin’ny fiheverantsika ny amin’ny fotoana ny zavatra inoantsika

Raha toa, tamin’ny taonjato sivy ambin’ny folo lasa izay, ka tsy nanana fiheverana marina ny amin’ny fanisanandron’Andriamanitra ny olona iray ary sasatra ny niandry ny fotoana voatendrin’i Jehovah mba hanaovana izay hahatongavan’ny Zanany, dia diso soa mahatalanjona izany olona izany. Toy izany koa amin’izao fotoana izao, raha tsy mahandry isika ka manontany hoe: “Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany?”, dia tsy hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra koa isika, satria tsy hahafantatra ny fotoana (II Petera 3:4). Ny fisamboaravoarana toy izany dia nihelohelo tamin’ny taonjato voalohany teo amin’ireo anisan’ny kongregasiona kristiana tany Efesosy, noho ny manodidina azy, ary nampiseho fandrahonana lehibe ho an’ny finoan’izy ireo izany. Tsikaritrao koa ve fa nihena ny finoana satria ianao niseho ho tsy naharitra teo anoloan’ny fandaharam-potoanan’Andriamanitra? Inona no azontsika tsoahina avy amin’ny torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny Efesiana?

Tsy nihevitra ny fotoana ho tsy azo avadika ireo Grika tsy kristiana tany Efesosy. Ny fianarana filozofia grika sasany dia nihevitra izany ho nihodinkodina kosa. Ho azy ireny, ireo zava-niseho dia niverimberina ara-dalàna, ary ny fiainana koa aza afaka niverimberina tsy nisy farany. Raha nandanilany foana ny fotoanany ny olona iray tao amin’ny anankiray tamin’ireo fiainany, dia ho afaka ny hahita izany tanteraka indray ao amin’ny anankiray hafa. Izany karazam-piheverana izany dia nety ho nanosika an’ireo kristiana tany Efesosy hanana fihetsika tsy nisy fanahiana teo anoloan’ny fanisanandron’Andriamanitra tamin’ny ankapobeny sy ny fitsarany manokana.

Ambonin’izany, ireny kristiana ireny dia voahodidin’ny fitambaran’olona izay ny fomba fiainany dia nifantoka tamin’ny fahafinaretana. Izany dia nisy heriny mafy teo amin’izy ireo, ka nikendry ny hanao izay tsy hahitany intsony ny fanisanandron’Andriamanitra. Raha nanjary nino izy ireny fa fahendrena ny ho velona ho an’ny ankehitriny amin’ny fanarahana fomba fiaina feno filibana sy amin’ny fitadiavana hanome fahafahampo ny fanirian’ny tenany, dia nanjary nampitovy ny tenany tamin’ny biby izay tsy mahalala ny lasa sy ny ho avy ka tsy mahatsapa afa-tsy ny fotoana ankehitriny, izy. Raha niriny àry ny hahita ho avy sambatra, dia tokony hiverina amin’ny zavatra tena misy voalazalaza amin’izao teny izao izy ireo: “Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).”​—Efesiana 5:5.

Tao anatin’ireo andininy manaraka, dia nananatra an’ireny kristiana ireny i Paoly mba hahatsapa amin’ny fomba feno ny fotoana niainany. Raha tsy izany no izy, dia nety nanaiky ho voafitaka izy ireny ka hino fa nanana fotoana ampy izy mba hampiasana tapany hanarahana fitondrantena tsy kristiana ka ho tafavoaka tamin’izany tsy hisy fatiantoka amin’ny heviny ara-panahy. Nanampy teny toy izao ilay apostoly: “Aza mety hofitahin’olona amin’ny teny foana hianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra (...), mamantatra [fantaro tsara hatran, MN] izay ankasitrahan’ny Tompo.” (Efesiana 5:6, 10). Araka izany àry, rehefa heverina amin’ny fanisanandron’Andriamanitra, ny fitondrantenantsika ankehitriny dia tena misy akony tokoa eo amin’ny ho avintsika.

Ahoana no nahafahan’ireny Efesiana ireny nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra? Ary isika, ahoana no mety hahazoantsika izany? Amin’ny ‘fanararaotana ny andro azo anaovan-tsoa’ sy amin’ny ‘famantarana ny sitrapon’i Jehovah’. (Efesiana 5:16, 17.) Ankehitriny no tokony hanaovana toy izany. Nahoana? Satria tena mety tsy hanana fahafahana ny hanao izany intsony isika. Marina tokoa fa zava-miseho maro voalazan’ny Baiboly fa tokony hampiavaka ny “andro farany” no nisesy nanomboka tamin’ny 1914, hany ka ny taranaka iray monja dia nety ho vavolombelon’izany. Izany dia mahatonga antsika hihevitra fa mihafaingana hatrany ny fandehan’ny fotoana. Azo antoka fa tsy ho tiantsika ny tsy hanam-potoana hamatorana fifandraisana tsara amin’i Jehovah sy ilay Mpitsara voatendriny, sa tsy izany?​—Matio 24; Marka 13; Lioka 21; II Timoty 3:1-5; II Petera 3:10, 11.

Izay hanampy antsika hamantatra ny fotoana

Andriamanitra dia namorona sy nanosotra tamin’ny fanahiny, antokon’olona nanolo-tena ho azy, mba hanampiana antsika hahafantatra ny fotoana. Izany dia ny “mpanompo mahatoky sy malina” izay mandroso “hanina” ara-panahy ho antsika “amin’ny fotoana mety” ka mananatra antsika ‘hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’. (Matio 24:45, MN; I Korintiana 15:58.) Amin’izany no mety hahatonga antsika hanao izay hilana antsika amin’ny asan’Andriamanitra, dieny izao sy amin’ny ho avy. Hila fotoana anefa isika amin’izany. Isika rehetra tokoa dia manana fitambaram-potoana mitovy azo ampiasaina isan-kerinandro, izany hoe 168 ora. Ampiasainao amim-pahendrena ve izany? Moa ve ny fomba ampiasanao ny fotoananao mampiharihary fa fantatrao ny “ora” araka ny famantaranandron’Andriamanitra?

Be dia be anefa no hilaza hoe: ‘Tsy manam-potoana aho.’ Izany indrindra no antony tokony hahavonona anao hanararaotra ny fotoana amin’ny fakana azy amin’ny asa hafa. Ny fanalana andro, ny mozika, ny fialam-boly sy ny asa tsy ara-pivavahana dia mifarombaka haka ny fotoananao. Ambonin’izany, ny “gadgets” vaovao toy ny lalao elektronika dia mety ho tonga mpandany fotoana be. Mazava ho azy fa mety hahafinaritra na hilaina mihitsy aza ny hanokanana fotoana hanaovana fialam-boly tsara. Nefa, moa ve ny fiainanao mampiharihary fa mandamina ny fotoananao araka ny fitadidianandron’Andriamanitra ianao?

Inona no andalan-tononkalo tianao kokoa ho anao?

Ireto ve:

“Mandeha ny fotoana, mandeha ny fotoana, Ramatoa;

Sasatra ve ny fotoana, tsia, fa isika no mandeha.”

Sa ireto:

Hankalaza Anao isan-andro aho

Sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.”—Salamo 145:2.

Anao ny misafidy, arakaraka ny ahatsapanao na tsia ny fotoana ankehitriny.

[Fanamarihana ambany pejy]

Hahita fanazavana fanampiny ianao ao amin’ny toko faha-14 amin’ilay boky hoe “Que ton royaume vienne!”, natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of New York, Inc.

[Efajoro, pejy 7]

IREO POROFON’NY FANATREHAN’I KRISTY AMIN’NY MAHA-MPANJAKA ANY AN-DANITRA

Voamarikao ve izany?

Ady maneran-tany Matio 24:3, 7

Fitomboan’ny ditra Matio 24:12

Mosary Marka 13:8

Fitoriana maneran-tany Marka 13:10

Horohorontany Lioka 21:11

Areti-mandringana Lioka 21:11

Tahotra ny ho avy Lioka 21:26

Fitiavan-tena II Timoty 3:2

Fitiavana fahafinaretana II Timoty 3:4

[Sary, pejy 5]

Ny filazana ora dia mampahafantatra ny mpandeha ny ora hahatongavan’ny fiaramanidina sy ny ora hiaingany.

Ny “filazana ora” ao amin’ny Baiboly dia manome fanazavana ho antsika ny amin’ny fotoana noferan’Andriamanitra mba hanaovan-javatra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara