FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/4 p. 20-25
  • “Aoka hitomban-dahy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Aoka hitomban-dahy”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay lehilahy izay sahala aminy no tokony hisehoantsika hitomban-dahy
  • Jesosy Kristy — nirahin’Andriamanitra ve?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Nahoana Isika no Tokony ho Tia An’i Jesosy?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Fisokafan’ny lalana mitondra indray ho ao amin’ny Paradisa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fianarana Faha-8 — Ny Tombon’ny “Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao”
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/4 p. 20-25

“Aoka hitomban-dahy”

“Miambena hianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza.”​—1 Korintiana 16:13.

1. Tamin’ny filazana hoe: “Indro, ny lehilahy!”, inona moa no nasehon’i Pilato ny amin’i Jesosy?

“INDRO ny lehilahy!” Tamin’ireo teny ireo, nanjary ara-tantara, no nanoloran’i Pontio Pilato, governora romana, tamin’ny vahoaka Jiosy feno fankahalana tafavory teo anoloan’ny lapany tany Jerosalema, an’ilay lehilahy nalaza indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona rehetra. Tsy iza izany fa Jiosy iray, Jesosy Kristy, izay nampitafina volomparasim-piandrianana sy nampisatrohana satroboninahitra tsilo. Ny nanaovana izany dia mba hanesoana azy izay nilaza ho ny Mpanjaka mesianika nampanantenaina (Jaona 19:5-15). Nefa tamin’ireo teny ireo: “Indro ny lehilahy!”, Pilato dia nanondro an’i Jesosy ho ny endrika nalaza indrindra teo amin’ny olombelona rehetra, noho izany dia lehilahy iray tsy mendrika ny holavina.

2. Noho ny lehilahy iza sy ny sorona inona moa no hananganana ny olona maty?

2 Ny apostoly Paoly dia nieritreritra an’io lehilahy io, ny mitovy amin’i Adama lehilahy tanteraka tamin’ny andro namoronana azy, rehefa nanoratra toy izao: “Ary satria ny olona iray [ny anthrôpos Adama] no nisehoan’ny fahafatesana, dia ny Olona iray [ny anthropos Jesosy Kristy] kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty.” (I Korintiana 15:21). Ny amin’io lehilahy io ihany koa no noresahin’i Paoly rehefa niteny tamin’ireo anisan’ny fitsarana ateniana tao amin’ny Areopago, havoan’i Marsa, izy, ka nanao hoe: “Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.” (Asa. 17:30, 31). Rehefa nanao sorona ny ain’olombelona tanteraka nananany ho an’ny olombelona rehetra Jesosy tafatsangana amin’ny maty dia afaka nanolotra avotra ho an’ny olombelona rehetra, hany ka na dia ny maty aza dia mety hatsangana ka hotolorana fiainana mandrakizay eo amin’ny tany paradisa hotapahin’ny Fanjakan’i Jesosy arivo taona.

3. Ny amin’ny fanolorana avotra mifanitsy inona moa no tokony hanaovana fanambarana amin’ny fotoana mety, ary nahoana no izao no fotoana tokony hanaovana izany?

3 Mifanaraka amin’izany toe-javatra mahafaly izany, dia nanoratra toy izao ho an’i Timoty mpiara-niasa taminy ny apostoly Paoly: “Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin’izao androny izao.” (I Timoty 2:5, 6). Amin’izao fotoana izao izay anatrehan’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra sy eo ankavanan’Andriamanitra, dia miaina amin’ny fotoana mety indrindra mba hanaovana izany fanambarana izany eo anatrehan’ny olona rehetra isika.

4. Rehefa nanolotra an’i Jesosy tamin’ny vahoaka i Pilato, tamin’ny ahoana moa ny fisehoan’i Jesosy no hafa noho ny fisehoany tany Jerosalema, andro vitsivitsy talohan’izay, ary nahoana no tsy maintsy ho nanaitra ny sain’i Pilato izany?

4 Aoka anefa isika hiverina any amin’ilay andro nanan-tantara tamin’ny Paska taona 33. Pontio Pilato, governora romana, àry dia nanolotra an’i Jesosy izay nokapohina sy naetry, tamin’ny vahoaka ratsy nitangorona teo anoloan’ny lapany ka nihiaka hoe: “Indro ny lehilahy!” Tsy isalasalana fa tsy hoe tsy nisy antony akory ny fahitana an’i Jesosy, satria ny fisehoany dia hafa lavitra noho ny fidirany tamim-pandresena tao Jerosalema taloha kelin’izay, tamin’io herinandro io ihany. Nitaingina boriky izy tamin’izay, sahala amin’ny fanaon’ny ho tonga mpanjaka izay mankao amin’ny renivohiny mba handray satroboninahitra ao. Izany dia fahatanterahana kelin’ny faminaniana ao amin’ny Zakaria 9:9, izay amakiantsika toy izao: “Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; indro, ny mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora.” (Matio 21:1-9; Jaona 12:12-16). Taty aoriana, tamin’ny andron’ny Paska, dia tsy maintsy nasehon’i Jesosy tamin’ny fomba hentitra ny maha-olon-dehibe azy, ny herin-tsainy, mba hizakana tsy misy fimenomenomana ny fitondrana ratsy sy ny fanevatevana, ka tamin’izany no nanekeny tanteraka ny sitrapon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, dia ny Rainy any an-danitra. Ahoana no tsy hahavoasintona mafy ny sain’i Pilato ho amin’io lehilahy navitrika io, io Jiosy narisika sy be herim-po io izay nitodihan’ny mason’izao rehetra izao manontolo tamin’izay?

5, 6. a) Nahoana moa ireo izay maniry fatratra ny fiainana ao amin’ny paradisa no manana ao amin’i Jesosy ny oha-pitondrantena faka tahaka tonga lafatra? b) Araka ny tenin’i Paoly, tamin’ny ahoana moa Adama sy Jesosy Kristy no nanaraka lalana mifanohitra tanteraka?

5 Izay rehetra maniry fatratra fiainana tonga lafatra ao amin’ny paradisa an-tany haorina indray tsy ho ela, dia mahita ao amin’ny tenan’io lehilahy mahery fo io, ohatra mendrika ny hotahafina, dia ohatra azon’izy ireo ampifantohana ny masony. Tsy misy hafa amin’i Adama lehilahy voalohany, tamin’ny fotoana nametrahan’ny Mpamorona azy tao amin’ny saha Edena, Jesosy lehilahy matotra dia olombelona tanteraka. Jesosy kosa anefa tsy mba nanimba ny endrik’Andriamanitra namoronana azy tamin’ny fotoana nahatongavany teto an-tany; tsy novany na oviana na oviana ny endriny tamin’ny naha-olona araka ny endrik’Andriamanitra tamin’ny nahaterahany (Genesisy 1:26, 27). Araka izany, ny tsy fankatoavan’i Adama tetsy andaniny, ary ny tsy fivadihana sy ny faneken’i Jesosy Kristy tetsy ankilany, dia nisy heriny nifanohitra tanteraka teo amin’ny olombelona rehetra.

6 Nanambara fohy izany toe-javatra izany ny apostoly Paoly ka nanoratra izao manaraka izao tamin’ny kongregasiona kristiana tany Korinto, tanàna grika sady foibe ara-tsaina: “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny fihaviany.” (I Korintiana 15:22, 23). Noho izany antony izany no tsy nahafoizan’Andriamanitra ny Zanany nahatoky tao amin’ny fahafatesana. Araka ny fampanantenany tsy miova, dia natsangan’Andriamanitra izy tamin’ny andro fahatelo, koa Jesosy no maty voalohany natsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Noho izany fananganana tamin’ny maty izany, dia nomen’Andriamanitra indray ny zanany nankato ny toerana notanany taloha teo anilany tany an-danitra tsy hita maso. Izany dia nahatonga hety ny fananganana olombelona maty, ho amin’ny fiainana eto an-tany, miaraka amin’ny fahafahan’izy ireo ho voatarika miandalana ho amin’ny fahatanterahana eo amin’ny tany paradisa, rehefa hampihatra ny fanjakany arivo taona tsy hita maso eo amin’ny faritra eto an-tany Jesosy Kristy.

7. Nahoana moa Jesosy no tsy olombelona tanteraka intsony, ary ho afaka hanome inona indray ho an’ny taranak’i Adama sy Eva izy?

7 Tsy maintsy ho tsapa tokoa ny ‘fanatrehana’ tsy hita maso nefa tsaroana, an’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka eo amin’ny olombelona navotana. Zava-boary ara-panahy indray Jesosy Kristy, nefa tsy mety maty izy izao; tsy ho faty intsony izy. Nanipika izany toe-javatra izany i Paoly raha nilaza toy izao tamin’ny kongregasiona tany Korinto: “Raha misy tena araka ny fomban’aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa. Ary araka izany koa ny voasoratra hoe: ‘Adama voalohan-dahy natao manan’aina’; Adama farany natao fanahy mahavelona.” (I Korintiana 15:44, 45; Genesisy 1:26, 27; 2:7). Noho izy tsy zavaboary olombelona nofo aman-dra intsony, fa fanahy (esprit) mahery any an-danitra, Jesosy Kristy nomem-boninahitra dia hahay hanome indray ny fiainana ao anatin’ny fahatanterahan’olombelona, ho an’ireo taranak’i Adama sy Eva, satria namoy ny ain’olombelona tanteraka nananany indrindra izy ho an’ny olombelona.

Ilay lehilahy izay sahala aminy no tokony hisehoantsika hitomban-dahy

8. Ho an’iza moa Jesosy Kristy no ohatra mendrika ny harahina, ary nahoana i Paoly no afaka nilaza tamin’ireo anisan’ny kongregasiona tany Korinto mba hanahaka azy?

8 Noho izy nanome ohatra tonga lafatra fony izy teto an-tany, Jesosy Kristy dia mendrika hotahafin’izay rehetra mitady hahazo ny fiainana mandrakizay amin’izao andro izao, na amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fanjakana any an-danitra na amin’ny maha-zanak’i Kristy, olombelona tanteraka ao amin’ny paradisa eto an-tany. Azon’i Paoly natao tanteraka àry ny nanoratra izao manaraka izao tamin’ireo mpianatr’i Kristy tany Korinto: “Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’Andriamanitra, dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy. Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.”​—I Korintiana 10:32 ka hatramin’ny 11:1.

9. Avy amin’ny anarana hoe inona moa ny matoanteny grika nadika hoe “aoka hitomban-dahy” ao amin’ny I Korintiana 16:13, ary milaza fanavahana inona io teny io?

9 Ireo teny ireo dia manampy antsika hahazo tsara ny fananarana nataon’i Paoly ho an’ny kongregasiona tany Korinto, eo amin’ny faran’ny taratasiny. Izao no nosoratany: “Miambena hianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza.” (I Korintiana 16:13). Eto, ny teny grika nadika hoe “aoka hitomban-dahy” dia matoanteny avy amin’ny anarana hoe anêr amin’ny endrika mampiseho fiankinana, izany hoe andros. Io anarana amin’ny teny grika io dia manondro olona iray, lahy, mifanohitra amin’ny vehivavy, olona vavy. Izao, ohatra, no vakintsika ao amin’ny Matio 14:21: “Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.” (Jereo koa Matio 15:38; Marka 6:44; Jaona 6:10). Tany Jerosalema dia nisy fitarainana fa hoe ny apostoly Petera dia “niantrano tany amin’ny olona tsy voafora (...) sady niara-nihinana taminy”. (Asa. 11:3.) Izao no vakintsika ao amin’ny I Korintiana 11:3: “Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.”

10. Ao amin’ny Asa. 17:31, inona no teny grika ampiasain’i Paoly mba hanondroana ilay amin’ny alalany no kasain’Andriamanitra hitsarana ny tany onenana?

10 Raha niteny tamin’ny tribonaly tao amin’ny Areopago any Atena, any Grisia, ny apostoly Paoly, dia nanambara toy izao ny amin’i Jesosy Kristy: “Izy [Andriamanitra] efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray [anêr] voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.”​—Asa. 17:31.

11. Ao amin’ny Asa. 14:15, ahoana no anavahan’ny soratra grika ny lehilahy, olona lahy, amin’ny olombelona amin’ny ankapobeny?

11 Ao amin’ny Asa. 14:15 i Paoly sy Barnabasy dia nihiaka hoe: “Raondriana (ry lehilahy, “MN”) [andrés amin’ny teny grika], ahoana no anaovanareo izao? Olona [anthropoï amin’ny teny grika] tahaka anareo ihany izahay”. Tsapantsika àry fa ny teny grika dia mampiseho ny tsy fitovian’ny lehilahy, olona lahy, sy ny olombelona tsy misy fanavahana ny lahy sy ny vavy.

12. a) Tamin’ny heviny ahoana moa ireo anabavy tao amin’ny kongregasiona tany Korinto no tokony “hitomban-dahy”, ary ahoana no fomba nandikan’ny fandikan-teny hafa an’io teny io? b) Impiry moa no ahitana ny matoanteny grika andrizô ao amin’ny Soratra grika kristiana, ary impiry ao amin’ny fandikan-teny grikan’ny Septante?

12 Nefa, rehefa nanoratra toy izao i Paoly ao amin’ny I Korintiana 16:13: “Aoka hitomban-dahy [andrizô]”, raha ny marina dia niteny tamin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona izy, tamin’ny anabavy toy ny tamin’ny rahalahy. Tokony hitomban-dahy àry ny vehivavy kristiana amin’ny fanehoana toetra izay lazaina mora foana kokoa fa ho an’ny lehilahy lehibe matotra, izany hoe miaraka amin’ny herim-po kristiana, ka hanahaka amin’izany an’i Kristy, Filohan’ny kongregasiona. Ao amin’ny teny tany am-boalohany amin’ny Soratra grika kristiana, ny matoanteny hoe andrizô dia tsy hita afa-tsy indray mandeha monja, ao amin’ny I Korintiana 16:13 izay adikan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao toy izao: “Manàna fihetsi-dehilahy.” Milaza toy izao ny Baibolin’ny mpanjaka Jacques (anglisy): “Mitondrà tena toy ny lehilahy.” Ny Baibolin’i Maredsous: “Manaova toy ny lehilahy.” Jerosalema: “Mbà lehilahy.” Nefa kosa, ao amin’ny fandikan-teny grikan’ny Septante, dia hita indraika amby roapolo ny matoanteny hoe andrizô.

13. Ahoana moa no andikan’i Charles Thomson ny matoanteny grika ampiasaina ao amin’ny Septante mba handikana ny Deoteronomia 31:6, 7, 23?

13 Ohatra, ny Deoteronomia 31:6, 7, 23, araka ny isehoany ao amin’ny Septante grika, dia nadikan’i Charles Thomson (amin’ny teny anglisy) toy izao: “Manaova zavatra amin-kerim-po ary matanjaha; (...) Dia niantso an’i Josoa i Mosesy ka nilaza taminy toy izao teo anatrehan’ny Isiraely rehetra: ‘Manàna herim-po sy matanjaha (...).’ Ary ny Tompo nandidy an’i Josoa ka nanao taminy hoe: ‘Manàna herim-po sy tanjaka, satria ianao no hampiditra ny zanak’Isiraely ao amin’ny tany nampanantenain’ny Tompo azy ireo ara-dalàna, dia homba anao izy.’”

14. Ahoana moa, ao amin’ny fandikany ny Septante, no andikan’i Charles Thomson ny matoanteny grika ao amin’ny Nahoma 2:2?

14 Ny farany amin’ireo indraika amby roapolo isehoan’io matoanteny grika io ao amin’ny Septante, dia ao amin’ny Nahoma 2:2 izay amakiantsika toy izao: “Misy mpanorotoro miakatra hamely anao; ambeno ny mànda, tazano ny làlana, hatanjaho ny valahanao, hetseho mafy ny herinao*.”

15. Araka ny fahazavan’izany voalaza eo aloha izany, ahoana no andikan’ny fandikan-teny hafa amin’ny andro ankehitriny ny matoanteny grika ao amin’ny I Korintiana 16:13 mba hahafahan’izany hihatra na amin’ny vehivavy na amin’ny lehilahy?

15 Rehefa jerena amin’ny fomba andikan’ny Septante ny teny grika hoe andrizô, dia takatra ny fomba andikan’ireo fandikan-tenin’ny Soratra masina amin’ny andro ankehitriny an’io matoanteny grika ampiasain’i Paoly ao amin’ny I Korintiana 16:13 io, izany hoe sahala amin’ireo mpandika tenin’ny Septante. Ohatra, toy izao no andikan’i Ostervald azy: “Manàna fahasahiana.” Amin’izany heviny izany, ny matoanteny grika dia nihatra tamin’ireo vehivavy kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa. Ara-drariny àry no nampiasan’i Paoly an’io matoanteny grika io ao amin’ny I Korintiana 16:13. Marina izany na dia “fanaka malemilemy kokoa” aza ny vehivavy amin’ny heviny ara-batana.​—I Petera 3:7.

16. Rehefa avy nilaza tamin’ireo kristiana mba hitomban-dahy i Paoly, ahoana no teny nanampiny, ary ahoana no azo anarahana an’io fananarana io?

16 Rehefa avy nananatra an’ireo kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa mba ‘hitomban-dahy’ ny apostoly Paoly dia nanampy teny toy izao: “Mahereza.” Araka izany tolo-tsaina izany ihany koa, dia izao no nosoratany ao amin’ny Efesiana 6:10: “Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany.” Jehovah Andriamanitra Tsitoha dia afaka manome antsika tanjaka mba ‘haherezana’, mba hanatanterahana “zava-bita” amin’ny fanompoana masina azy (Daniela 11:32, Authorized Version; American Standard Version). Notafiany fahamendrehana ny vahoakany nanolo-tena sy vita batisa tamin’ny fanankinana taminy ny fanompoana be voninahitra indrindra nety ho azo natao teto an-tany. Amin’ny sisa amin’ireo kristiana voahosotry ny fanahy sy amin’ny “ondry” namany, izany dia tokony ho fitaomana mahery hanaraka ny fananaran’i Paoly manao hoe: “Aoka hitomban-dahy”.

17. Amin’ny heviny ahoana moa ny sisa amin’ny kristiana voahosotra amin’izao andro izao no manana tombontsoa lehibe kokoa noho ny an’i Jaona Mpanao batisa?

17 Lehibe kokoa sy feno voninahitra kokoa ny tombontsoantsika amin’izao andro izao tsy toy ny an’i Jaona Mpanao batisa tamin’ny taonjato voalohany. Nanana voninahitra sy tombontsoa i Jaona satria mpialoha lalana an’i Jesosy Kristy, ilay ho Mpanjaka, ho fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Malakia 3:1, nefa amin’ny fomba misy ohatra na amin’ny ambaratonga kely (Marka 1:1, 2). Raha niresaka ny amin’io ‘iraka’ nirahina hanamboatra lalana eo anatrehan’i Jehovah io i Jesosy dia nanambara toy izao: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin’izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao batisa; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.” (Matio 11:7-11). Hatramin’ny fahataperan’ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1918, ny sisa amin’ny mpandova ny Fanjakana any an-danitra mitafy hosotra, dia manompo tsy amin’ny maha-ambasadaoron’ny fanapaham-piandrianana ho avy, fa an’ny fanjakana any an-danitra naorina tamin’ny 1914, tamin’ny faran’ny andron’ny Jentilisa, fony nandray fiandrianana Jesosy Kristy nomem-boninahitra. Nihatra tamin’izy ireny tamin’ny heviny mbola lehibe kokoa ihany ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Koa dia iraka solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: Mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo.”​—II Korintiana 5:20.

18. a) Nanomboka tamin’ny 1935, iza no namaly ny fanasana mba hihavana amin’Andriamanitra, dia fanasana nampitain’ny sisa amin’ireo “iraka solon’i Kristy”? b) Iza no niaraka tamin’ny olona mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, ary ahoana no ilazana izany ao amin’ny Salamo 68:11?

18 Hatramin’ny fahataperan’ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1918, ary tamin’ny fomba mbola niavaka kokoa ihany nanomboka tamin’ny taona 1935 nanan-tantara, dia olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra no mamaly an’io fitalahoan’ny sisa amin’ireo mpandova ny Fanjakana io. Ireny olona ireny dia nanao ny dingana voalazalazan’ny Soratra Masina mba hihavanana amin’ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika ary hatramin’izao izy ireny dia mihavana aminy. Mba hampisehoana ny fankasitrahan’izy ireo, dia miara-miasa amin’ny sisa amin’ny “iraka solon’i Kristy” izy ireny. Ny tenan’izy ireny àry dia azo heverina ho “iraka solon’i Kristy” mba hampita amin’ny “ondry” hafa ny fanasana hihavana amin’Andriamanitra. Amin’ny fitombanan-dahy, amin-kerim-po, ireny lehilahy sy vehivavy ireny dia milatsaka hanao ny fitoriana ‘ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity amin’ny tany onenana manontolo, ho vavolombelona’. (Matio 24:14, MN; Apokalypsy 7:9-17.) Izany dia tsy misy hafa amin’ny nanambaran’ny Salamo 68:11 azy manao hoe: “Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.”

[Fanamarihana ambany pejy]

Ny matoanteny grika andrizô dia hita koa ao amin’ny Septante ao amin’ny Josoa 1:6, 7, 9, 18; 10:25; II Samoela 10:12; 13:28; I Tantara 19:13; 22:13; 28:20; II Tantara 32:7; Salamo 26:14; 30:25; Jeremia 2:25; 18:12; Daniela 10:19; Mika 4:10; jereo ny fomba nandikana an’ireo soratra ireo mivantana avy amin’ny teny hebreo ao amin’ireo fandikan-teny amin’ny andro ankehitriny. Izao no vakintsika ao amin’ny Jeremia 2:25 (LXX): “Izao anefa no nolazainy: Hanao tahaka ny olona tonga amin’ny fahamasahana (andrizô) aho. Noho izy tia ny hafa firenena, dia lasa nanaraka azy ireny àry izy.” Charles Thomson.

Afaka mamaly ve ianao?

◻ Milaza inona moa ny nampisehoan’i Pilato an’i Jesosy tamin’ny vahoaka tamin’ny fiantsoana azy hoe “ny lehilahy”?

◻ Tamin’ny ahoana moa ny fisehoan’i Jesosy no hafa noho ny fisehoany taloha kelin’izay tamin’io herinandro io ihany?

◻ Karazana ohatra inona moa navelan’i Jesosy ho an’ny mpianany tamin’ny fitondrantenany teo amin’ny andro niainany farany teto an-tany?

◻ Natao ho an’iza moa ny fananaran’ilay apostoly mba “hitomban-dahy”?

◻ Ahoana moa no hahafahan’ny vehivavy kristiana “hitomban-dany”?

[Sary, pejy 21]

“Indro ny lehilahy”

Inona no dikan’ireo teny nampidiran’i Pilato an’i Jesosy ireo?

[Sary, pejy 24]

Ahoana no hahafahan’ny vehivavy ‘mitomban-dahy’?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara