FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/4 p. 16-17
  • Velona ny Tenin’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Velona ny Tenin’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena Misy ve ny Afobe? Inona no Atao hoe Afobe Raha ny Baiboly no Jerena?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Iza no Mankany Amin’ny Afobe?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Karazan-toerana manao ahoana moa ny fiainan-tsi-hita na afobe?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Inona Marina moa ny Afobe?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/4 p. 16-17

Velona ny Tenin’Andriamanitra

Aiza moa ireo maty?

IO LEHILAHY mitomany io dia i Jakoba. Tena ory tokoa izy satria mino fa i Josefa ilay zanany lahy tiany indrindra dia nisy namono. Ilay akanjo lava mihosin-dra tazoniny eny an-tanany dia an’i Josefa. “Efa lànin’ny biby masiaka izy, hoy ny fihiakan’i Jakoba. Voaviravira tokoa Josefa.”​—Genesisy 37:33.

Fa raha ireo tafavory manodidina an’i Jakoba kosa dia ireo zanany hafa. Miezaka tokoa mampionona ny rainy izy ireo, nefa ny fandikan-tenin’ny Baiboly katolika iray (ny fandikan-teny anglisin’i “Douay”) dia milaza toy izao momba azy: “Tsy nety nandray fampiononana izy fa nilaza kosa hoe: ‘Hidina ho any amin’ny zanako any amin’ny afobe amim-pitomaniana aho.’”​—Genesisy 37:35; jereo koa ny “Baibolin’i Glaire”.

Araka ny hevitr’i Jakoba, taiza moa Josefa? Nino ve i Jakoba fa lasa any amin’ny toeram-pijaliana iray mandrakizay i Josefa ary naniry ny hanaraka azy any ve izy? Tsy nihevitra kosa aza ve izy fa maty ny zanany malalany, ao am-pasana, hany ka naniry ny ho faty koa izy?

Jereo izao io lehilahy mijaly mafy io. Joba mahatoky io. Tao amin’ny fahoriany dia nivavaka tamin’Andriamanitra tamin’izao teny izao izy: “Iza no hanome ahy mba hiarovanao ahy any amin’ny afobe, ary hanafenanao ahy mandra-pahafaky ny fahatezerenao, ary hanendrenao fetr’andro ho ahy ka hahatsiarovanao ahy?”​—Joba 14:13, Baibolin’i Glaire.

Miharihary fa maniry ny ho faty Joba mba hialany amin’ny fijaliany. Taminy, hanao ahoana ny toetrany amin’ny fahafatesany? Eny, aiza ireo maty? Tsy mino Joba fa ho velona any amin’ny toerana iray antsoina hoe afobe aorian’ny fahafatesany izy, tahaka ny tsy nanantenany ny hampijaliana ao. Fantatr’i Joba fa rehefa mandeha any amin’izay antsoin’ny Baiboly katolika hoe afobe ny olona anankiray, dia any am-pasany fotsiny izy, izay tsy ahatsiarovany na inona na inona intsony, ary, manomboka eo dia tsy mijaly izy (Mpitoriteny 9:5, 10). Ny teny izay manondro ny toeran’ireo maty ao amin’ny soratra hebreo tany am-piandohana dia Sheola, ary mampiseho ny fasana iombonan’ny olona rehetra. Noho izany, ao amin’ireo andalan-teny voatonona etsy ambony kokoa, ny fandikan-tenin’i Ostervald dia mandika azy amin’ny hoe “toeram-pandevenana” fa tsy amin’ny hoe “afobe” fa ireo andinin-teny hafa kosa dia mandika azy amin’ny fomba mitovitovy amin’izany.

Misy fanantenana ve ho an’ireo mandry tsy mahatsiaro tena ao am-pasana? Afaka ny ho velona indray ve izy ireo? Izany tokoa. Milaza ny Baiboly hoe: “Namoaka ny azy ny Fahafatesana sy ny Afobe.” (Apokalypsy 20:13, 14, Baibolin’i Crampon 1905). Vaovao tsara re izany! Hamerina ireo maty ho amin’ny fiainana Andriamanitra, amin’ny fanatanterahana amin’izany ny fanantenan’ireo rehetra nino ny fitsanganana amin’ny maty sahala amin’i Joba.​—Joba 14:14, 15.

[Sary, pejy 16]

Rehefa nanambara tamin’ny fianakaviany i Jakoba fa tany amin’ny afobe ny zanany lahy, inona no tiany holazaina tamin’izany?

[Sary, pejy 17]

Ny afobe​—Nahoana i Joba no nitalaho mba hanafenana azy any?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara