FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/4 p. 19
  • Tia ireo fitsipika ve ny ankizy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tia ireo fitsipika ve ny ankizy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana Aho no Voafehifehy Loatra?
    Mifohaza!—2006
  • Maninona Aho no Voafehifehy Loatra?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Izaho ve dia Hofehifehezin’i Dada sy Neny Foana?
    Manontany ny Tanora
  • Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/4 p. 19

Tia ireo fitsipika ve ny ankizy

“NA manao ahoana na manao ahoana ambaratongam-pahamasahany ivelany, hoy ny nambaran’ny dokotera Harry Mendelsohn, talen’ny sampan-draharaha momba ny fitsaboam-pianakaviana any amin’ny hopitaly sy foibe ara-pitsaboana Montefiore any New York, ny zaza dia tsy inona fa zaza ihany.” Hila fitsipika foana àry izy. Manampy io mpitsabo io hoe: “Tokony handray ny fitarihana ny anankiray amin’ireo ray aman-dreny. Tsy demokrasia akory ny fianakaviana na dia tokony hamporisihana hitondra ny fanampiany aza ny ankizy tsirairay avy. Amin’ny farany dia anjaran’ny ray aman-dreny ny fanapahan-kevitra raikitra. Tsy maintsy misy fitsipika aorina izay tokony hazava sy haverimberina hatrany hatrany. Tsy anjaran’ny ankizy ny mametraka ireo fitsipiny manokana.”​—Daily News tany New York, 13 septambra 1981.

“Mahay mamitaka ny ankizy, hoy ilay talen’ny foiben’ny tanora. Manamafy izy ireo fa tsy mila fitsipika, nefa raha mijery mihoatra ny famitahan’izy ireo ianao dia mahita zavatra hafa. Raha ny tena izy dia mihevitra izy ireo fa ny fitsipika ara-drariny dia mariky ny fitiavana.”

Manaiky izany ve ny ankizy? Indreto misy sasantsasany amin’ireo fanamarihan’izy ireo, nangonina teo ambanin’ny lohateny hoe “Fitsipika natao ho an’ny ray aman-dreny araka izay nilazalazan’ireo zazalahy tao amin’ny trano fitaizana zaza maditra azy”:

“Tohero kely izahay. Aoka ianareo ho hentitra sy ho ara-dalàna amin’ny fampiharanareo ny fifehezana. Asehoy anay hoe iza no filoha. Mahatsiaro ho tsy manana ahiahy izahay rehefa fantatray fa mandray soa amin’ny fanohanana mafy.

“Ampianareo izahay; atoroy anay ny lalana. Lazao aminay fa tsy maty Andriamanitra, tsy matory na tsy miala sasatra. Mila ny mino zavatra lehibe kokoa sy mahery kokoa noho ny tenanay izahay.

“Raha tratranareo mandainga izahay, mangalatra na manao zavatra amin-kalozana, dia hazavao aminay hoe nahoana no ratsy izany. Raha mendrika ny ho voasazy izahay dia sazio; nefa ataovy izay hahatakaranay fa tia anay foana ianareo.

“Aza manaiky ho voafitakay Aza miseho ho malemy ary aza manaiky hampitahorina rehefa mandrahona ny handao ny sekoly na ny tokantrano izahay. Aoka ianareo ho hentitra. Tsy maniry tokoa izay rehetra angatahiny ny ankizy.”

Ireo hevitra rehetra ireo dia voafintin’ilay hendry indrindra amin’ny ray rehetra, ny mahay indrindra amin’ireo manam-pahaizana manokana amin’ny zava-manahirana ny ankizy, dia Jehovah Andriamanitra, amin’ny teny vitsivitsy. Ao amin’ny Baiboly Teniny, dia izao no vakintsika: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN] izy.” (Efesiana 6:4). Ny Mpamorona dia mahafantatra, tsy izay irin’ny ankizy fotsiny, fa izay ilain’ny ray aman-dreny koa. Na ankizy ianao, na ray na reny dia diniho ireo lahatsoratra roa manaraka izay mirakitra hevitra tena mahasoa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara