Ny taratasin’i Paoly ho an’ny Galatiana—hafatra iray misy vaovao tsara
REHEFA avy nanao teny fiarahabana ho fanokafana ny taratasiny ny apostoly Paoly dia nanoratra ho an’ny Galatiana toy izao: “Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao hianareo hiala amin’izay efa niantso anareo (...) ho amin’ny filazantsara hafa”. Ary taoriana kelin’izay dia nihiaka izy hoe: “Ry Galatiana adala, iza no nanimba anareo”? — Galatiana 1:6; 3:1.
Nahoana i Paoly no tezitra toy izany tamin’ireo Galatiana? Iza ireo olona ireo, ary tamin’ny fomba ahoana no nahitan’i Paoly azy ireo? Inona ilay hafatra misy vaovao tsara nozarainy tamin’izy ireo? Ary amin’ny ahoana no maha-azo ampiasaina azy io amintsika ankehitriny?
Ireo olona sy ny zava-nanahirana azy
Ireo Galatiana amin’ny ankapobeny dia “Indoeropeana” nanana razambe “Celtes” avy any Gaule. Nefa nisy olona avy amin’ny firenena hafa koa teo anivony. Ny Provansa roman’i Galatia dia voaforon’ny tanàna efatra ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly, fara faharatsiny, dia: Ikonioma, Lystra, Derbe ary Antiokia any Pisidia. Izy ireo dia notsidihin’i Paoly nandritra ny dia misionera nataony voalohany, ary nisy kongregasiona naorina tamin’ireo toerana ireo (Asan’ny apostoly 13:14 ka hatramin’ny 14:23). I Timoty tanora dia iray tamin’ireo kristiana Galatiana voalohany. — Asan’ny apostoly 16:1, 2.
Nanaraka an’io dia misionera voalohan’i Paoly tany Galatia io, ny kolejy foibe voaforon’ireo apostoly sy loholona dia nivory tany Jerosalema tamin’ny 49 amin’ny fanisan-taona iraisana ary nanapa-kevitra fa tsy takina amin’ny kristiana ny famorana (Asan’ny apostoly 15:1-29). Taorian’io fivoriana io i Paoly sy Silasy dia nampahafantatra io vaovao tsara io tamin’ireo kongregasiona tany Galatia. — Asan’ny apostoly 16:1-6.
Fotoana fohy taorian’izay anefa i Paoly dia taitra raha nahare fa ny sasany tamin’ireo tany Galatia dia nanantitrantitra fa tsy maintsy forana ny kristiana. Ireo olona ireo dia mpanaraka ny jodaisma ary nanandrana ny hitaona ireo kristiana tsy Jiosy mba hampihatra io tapany amin’ny Lalàn’i Mosesy io. Nampihena ny fahefan’i Paoly amin’ny maha-apostoly azy koa izy ireo.
Ka mba handaminana io tarehin-javatra mampalahelo io no nanoratan’i Paoly ho an’ny Galatiana, mba hamporisihana azy ireo mba hahatsiaro saina. Nanoratra io taratasy io izy na fony izy mbola nanao ny dia misionerany faharoa, mety ho tany Korinto, na taoriana kelin’ny nahatongavany tany Antiokia tany Syria. Ilay taratasy àry izany dia mety ho voasoratra tamin’ny fararanon’ny taona 50 amin’ny fanisan-taona iraisana raha aloha indrindra, na tamin’ny 52 amin’ny fanisan-taona iraisana raha tara indrindra.
Nolazain’i Paoly tamin’ireo Galatiana fa nanandrana ny hanimba ny vaovao tsara ireny mpanaraka ny jodaisma ireny. Ary, araka ny filazan’i Paoly, dia mikasika an’i Kristy Jesosy io vaovao tsara io. Eny, vaovao tsara ny amin’ny fahafahana entin’i Kristy izy io—fahafahana amin’ny fatoran’ny lalàn’i Mosesy koa. Noho izany no namerenan’i Paoly indroa ny fampitandremana izay fa izay rehetra, na dia anjely any an-danitra aza, manambara fa vaovao tsara ny zavatra hafa noho izay nolazain’ny tenany ho vaovao tsara, dia “aoka ho voaozona izy”. — Galatiana 1:7-9.
Ka inona àry no vitan’ny taratasin’i Paoly? Voalohany indrindra, mampitoetra mazava tsara ny fahefany amin’ny maha-apostoly azy izy io. Faharoa manaraka izany, manohana amin’ny fomba mahery ny fanapahan-kevitry ny kolejy foibe momba ny famorana izy io. Ary mampifanohitra ny asan’ny nofo amin’ny vokatry ny fanahy izy ka mifantoka amin’ny asa izay ankasitrahan’Andriamanitra.
Miaro ny maha-apostoly azy i Paoly
Eo am-boalohany i Paoly dia misarika ny sain’ny olona ho amin’ny fahefany, amin’ny filazana hoe: “Paoly Apostoly — tsy avy tamin’olona, na tamin’ny alalan’olona, fa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray (...) Ny filazantsara izay notoriko, (...) tsy araka ny fanaon’ny olona izany. Fa izaho tsy nandray azy tamin’olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin’ny fanambaran’i Jesosy Kristy ihany.” — Galatiana 1:1, 11, 12; Asan’ny apostoly 22:6-16.
Tantarain’i Paoly vetivety ny nananany fahefana teo amin’ny jodaisma teo aloha, nefa taorian’ny niovany tamim-pahagagana tamin’ny alalan’i Kristy, dia nandeha nanambara ny vaovao tsara tany Arabia sy tany Damaskosy izy. Avy eo i Paoly dia miresaka ny nitsidihany an’i Jerosalema niaraka tamin’i Petera nandritra ny dimy ambin’ny folo andro (tamin’ny 36 amin’ny fanisan-taona iraisana). Efatra ambin’ny folo taona taty aoriana, tamin’ny 49 amin’ny fanisan-taona iraisana, i Paoly vao niverina tany Jerosalema hanatrika ilay fivoriana momba ny famorana (Galatiana 1:13-24). Nantsoiny hoe “rahalahy sandoka” izay nanandrana ny “hanandevo” ireo kristiana nahatoky ireny mpanaraka ny jodaisma izay nitady hampihatra ny famorana ireny. Nefa hoy izy: “Tsy nety nikoy ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran’ny fahamarinan’ny filazantsara aminareo.” — Galatiana 2:1-5.
Raha eritreretintsika izany, i Paoly dia tena nanome ohatra tsara ny amin’ny fanetren-tena tokoa. Na dia apostoly nofidin’i Jesosy Kristy manokana aza izy, dia napetrany teo ambany fahefan’ny kolejy foibe ny vaovao tsara izay notoriny, ary nanaiky ny fahefan’io izy. Mampiseho fanajana araka ny izy an’ireo olona tendren’ny kolejy foibe ve isika ankehitriny ary miara-miasa amin’izy ireny amin’ny fitoriana ny vaovao tsara?
Taty aoriana i Paoly dia nampitoetra mafy ny fahefany amin’ny maha-apostoly azy fony izy nanohitra ny apostoly Petera nivantana. Nanao izany izy satria i Petera nijanona tsy niara-nisakafo tamin’ireo kristiana jentilisa noho ny tahotra olona. Namaky betroka ny fahadisoan’i Petera i Paoly ka nanontany azy hoe: “Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ny Jentilisa, nahoana ny Jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ny Jiosy?” — Galatiana 2:11-14.
Lehibe kokoa noho ny asan’ny lalàna ny finoana
Namporisika ny Galatiana mba hahatsiaro saina i Paoly ka manontany hoe: “Moa ny asan’ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana?” Koa satria mazava ho azy ny valiny, dia manontany izy hoe: “Rehefa nanomboka tamin’ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin’ny nofo va ankehitriny?” Ampahatsiahiviny azy ireo i Abrahama izay, na dia tsy teo ambanin’ny lalàna aza, dia “nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany”. Taty aoriana dia nampiana ny Lalàna mba hampiharihariana ny fahadisoana. Raha ny tena marina, izy io dia manameloka ho faty ireo izay manandrana ny hitandrina azy. Kanefa, araka ny anazavan’i Paoly azy, dia maty toy ny olona voaozona i Kristy mba hahafahan’ireo mpanaraka azy ho afaka amin’ny lalàna sy ho velona amin’ny finoana. Na dia izany aza anefa, ny lalàna dia nahatanteraka ny zava-nokendreny, tamin’ny naha’-mpitaiza azy ho amin’i Kristy’. — Galatiana 3:1-29.
Koa satria ireo Galatiana tonga zanaka ara-panahin’i Kristy sy nahazo ny fahafahana avy aminy, dia nanontany azy ireo i Paoly ny amin’ny antony itadiavany hiverenana ho andevon’ny lalàna indray, hitandremana andro sy volana sy fotoana ary taona. Ireo mpanaraka ny jodaisma, hoy izy, dia “mazoto mila fitia aminareo (...), nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany”. Kanefa mampiseho ny fiahiany feno fitiavana i Paoly amin’ny filazana hoe: “(Marary) indray amin’ny fiterahana (aho) mandra-paharin’i Kristy ao anatinareo.” — Galatiana 4:1-20.
Avy eo i Paoly dia mampiasa sary iray mba hampifanoherana ny fanandevozana amin’ny asan’ny lalàna sy ny tena fahafahana kristiana. I Hagara andevovavin’i Abrahama dia mampiseho ny faneken’ny lalàna ary “mifamaly amin’i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin’ny zanany”. I Saraha kosa, mampiseho ny fanekena natao tamin’i Abrahama, ary mifanitsy amin’ilay ‘Jerosalema any ambony, izay renintsika, izay tsy mba andevo’. Toy ny nanenjehan’i Isimaela an’Isaka, dia toy izany koa no anoheran’ireo Jiosy ny tena kristiana, izay zanaky ny tsy andevo. — Galatiana 4:21-31.
Tomoera tsara ao amin’ny fahafahana kristiana
Miorina amin’ilay fanoharana vao notononiny i Paoly ary mamporisika hoe: “Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony.” Manantitrantitra i Paoly fa, raha misy iray forana, dia tsy hahasoa na dia kely akory aza izany. Ny olona izay forana dia tsy maintsy mankato ny lalàna rehetra ary amin’izany izy dia tsy hahazo ny fahamarinana avy amin’ny alalan’ny finoana. Amim-pahatezerana àry no anambaran’i Paoly hoe: Enga anie ka hiesotra aza izy mampitabataba anareo”. — Galatiana 5:1-12.
Na dia nahazo fahafahana aza ny kristiana, mety hisy hampiasa io fahafahana io amin’ny fomba tafahoatra ho fanatanterahana ny fanirian’ny nofony tsy tanteraka. Koa mampitandrina i Paoly hoe: ”Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany fa mifampanompo amin’ny fitiavana. Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.’” — Galatiana 5:13, 14.
Kanefa marihin’i Paoly fa manana ady foana isika eo amin’ny fanatanterahana ny fanirian’ny nofontsika sy ny fandehanana araka ny fanahy. Ampifanoheriny ny asan’ny nofo sy ny vokatry ny fanahy. Ny asan’ny nofo dia “fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, (...) ary ny toy izany (...) Fa ny vokatry ny fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [finoana, MN], fahalemem-panahy, fahononam-po”. Asehon’i Paoly fa ny kristiana izay mandeha amim-pilaminana araka ny fanahy dia mila ny mitandrina mba “tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona”. — Galatiana 5:15-26.
Asa mahasoa
Ao amin’ny toko farany dia asehon’i Paoly ireo asa mahasoa azon’ny kristiana atao, toy ny fanampiana amin’ny fampiverenana olona nanota iray sy ny fifampitondrana izay mavesatra. Raha misy olona mamafy araka ny nofo, hoy i Paoly, dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony izy. Fa raha mamafy ho an’ny Fanahy izy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy. Amporisihina toy izao àry Galatiana: ”Aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” Avy eo, ao amin’ny famaranan-teniny, i Paoly dia manamarika ny antony nanosika ireo mpanaraka ny jodaisma izay nitady ny hamorana azy ireo. Izany dia mba “hireharehany amin’ny nofonareo”. Kanefa milaza i Paoly fa izy dia tsy hirehareha afa-tsy ny amin’ny hazo fijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika” ihany. — Galatiana 6:1-14.
Marina tokoa, ny taratasin’i Paoly ho an’ny Galatiana dia miavaka amin’ny fomba nanatrehany tamim-pahamarinana ireo zava-nanahirana tamin’ny androny. Ny isehoany ho mahasoa amintsika amin’izao fotoana izao dia miankina amin’ny fomba hanarahantsika ireo torohevitra tsara raketiny.