FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/6 p. 23-28
  • Aoka isika hitafy fitiavana sy hampiseho izany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka isika hitafy fitiavana sy hampiseho izany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka horesentsika ireo antony mampisaraka
  • Tafaray ho amin’ny asa manokana
  • Aoka isika hiray saina hatrany noho ny fitiavana
  • Ny fitiavana, “fatorana mampiray tanteraka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Miharihary fa “tanteraka” ilay “fatorana mampiray”, dia ny fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Aoka Hampiorina Anao ny Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • ‘Tia ny Namanao Tahaka ny Tenanao’ ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/6 p. 23-28

Aoka isika hitafy fitiavana sy hampiseho izany

1. Tokony hitafy inona moa isika, ary moa ve efa nitranga ny fitsapana mafy indrindra an’io toetra io?

NOHO izy “fatorana mampiray tanteraka”, dia ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ny toetra rehetra tokony hotafintsika tsy misy fihatsarambelatsihy. Tokony hampiseho izany amim-pahatsorana sy amin’ny fotoana rehetra isika, satria izy io tsy kapaoty natao hanafenana ny tena maha-isika antsika akory. Ho fanoroan-dalana antsika no nampitana amintsika ireto teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireto: “Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsi-fihatsarambelatsihy (...). Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy” (Romana 12:9, 10). Mbola vao ho avy ny fitsapana mafy indrindra ny fahatsoran’ny fitiavantsika, dia io “fatorana mampiray” io, nefa akaiky izany.

2. Mety ho azo atao ve ny haneho fitiavana nefa tsy nanao dingana sasany aloha?

2 Izao àry no fotoana mety mba hambolena an’io fitiavana io. Tokony hatao tsy misy hataka andro ny dingana ilaina rehetra mba hahatratrarana an’io zava-kendrena io. Noho izany antony izany, rehefa avy nilaza izay rehetra tokony hataon’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy nanolo-tena sy vita batisa ny apostoly Paoly dia namita ny toroheviny tamin’izao teny izao: “Ambonin’izany rehetra izany, mitafia fitiavana, satria fatorana mampiray tanteraka izany.” (Kolosiana 3:14, MN). Inona avy àry izany zavatra izany, “izany rehetra izany”, izay amboniny no tokony hitafiana fitiavana?

Aoka horesentsika ireo antony mampisaraka

3. Arak any Kolosiana 3:9-13, dingana inona avy moa no tokony hatao mba hahafahana maneho fitiavana?

3 Tamin’ny andron’ny apostoly Paoly sy Jaona, ny anton-javatra sasany dia nety ho nahatonga fisarahana. Tokony hohadinoina anefa izany hatramin’izao na dia azo nekena aza teo aloha, ka hoheverina ho tsy lehibe lavitra sy kely lanja kokoa. Ny kristiana rehetra niaraka dia nahaforona kongregasiona iray ihany, tena iray ihany k any hany Lohany na Filoha ara-panahy dia Jesosy Kristy. Ny antony ara-nofo rehetra miteraka fisarahana dia tokony hariana mba hampiharihariana ny anton-javatra ara-panahy mampiray. Raha niresaka ny amin’izany lafiny izany ny apostoly Paoly dia nanoratra toy izao: “Efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. Fa amin’izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora na tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo na tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra. Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no Malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany.” — Kolosiana 3:9-13.

4. Nahoana ireo anisan’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany no tsy maintsy nitady izay hifanarahana, ary inona no nety ho nitaona olona tsy hijery anton-javatra mampisaraka sasany?

4 Rehefa heverina amin’ireo tsy fitoviana voatonona eo ambony,— ny fiaviana ara-pirenena, ny fiainana ara-pivavahana taloha, ny laharana ara-tsosialy, ny firazanana na ny volon-koditra,— dia sarotra tamin’ny kristiana ny nifanaraka tao anatin’ny kongregasiona. Tsy maintsy naneho fahatakarana ny fihevitry ny hafa sy fifamindrampo izy ireo, satria raha nety ho nanana ny naha-zava-dehibe azy teo imason’ny olona araka ny nofo ireny anton-javatra ireny, dia azo antoka fa tsy toy izany mihitsy teo imason’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany izay maty indrindra ho an’ny olombelona tamin’ny fotoana nisian’izany tsy fitoviana rehetra izany ka nitomboany mihitsy aza. Mazava ho azy fa mety hisy olona mandefitra izay nanana fanahy niantra sy notarihin’ny fotopoto-pitsipika nanjavozavo, tsy nihevitra ny tsy fitoviana toy izany. Angamba aza izy nanaraka izany fihetsika izany satria nihevitra fa izany no tsara indrindra, raha tsy hoe noho ny fiantrana tsotra izao. Na ahoana na ahoana, dia nety ho tsy nananan’izy ireo ny fitiavana madio sy tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena.

5. Toetra araka ny olombelona fotsiny inona moa no tokony hihoaran’ny Vavolombelon’i Jehovah mba tsy hiheverana ny mahatonga fisarahana? Asehony amin’izany fa mifamatotra amin’iza izy?

5 Noho izany antony izany, isika izay mpianatra nanolo-tena sy vita batisa an’Ilay nanome ny ain’olombelona tanteraka nananany ho an’ny karazan’olona rehetra, dia tsy tokony hianina amin’ny fanehoana fiantrana isika na amin’ny fanajana fomba fanao sasany na ahalala fomba fotsiny. Tokony hatosiky ny fitiavana feno fahatsorana sy tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena izay vokatry ny fanahin’i Jehovah Andriamanitra isika. Izay maneho an’io vokatra io dia mitady izay hahasoa sy ho tombontsoan’ny hafa; faly izy mitondra fahasambarana sy fiadanana ara-panahy ho azy ireny; porofoiny ny firaisany amin’Andriamanitra izay mampiharihary ny fitiavana mihitsy. Misy heriny lehibe manintona izany karazam-pitiavana izany. Izao no vakintsika ny amin’izany ao amin’ny I Jaona 4:19: “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.”

6. Inona no mampifanatona an’ireo anisan’ny “andiany iray”, ary tsy miorina amin’inona io vokatry ny fanahin’Andriamanitra io?

6 Noho izany, rehefa mifaneho fitiavana toy izany ireo mpikambana samy hafa ao amin’ny “andiany iray” manaiky an’ilay ‘mpiandry iray ihany’, dia mampifanatona azy ireo sy mampiray azy mafy io toetra io; izany dia mifandanja amin’ny antony mety hiteraka fisaratsarahana vokatry ny fiainany tamin’ny lasa na ny fiaviany. Voasintona hifanatona izy ireo satria nitafy ny “toetra vaovao”. Izy rehetra dia manana ny “fanahy iray ihany” avy amin’ilay hany Loharano, ilay Andriamanitra sady Mpamorona ny rehetra. Ny vokatra mampaherin’ny fanahiny dia fitiavana tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny maha-lahy na maha-vavy na ny faniriana feno fitiavan-tena sy mihoapampana, fa miorina amin’ny fankasitrahana amim-pahatsorana ny toetra araka an’Andriamanitra izay mampiavaka ny “toetra vaovao”. Izany fitiavana izany ihany no mety hiasa ho “fatorana mampiray tanteraka” izay miaro ny fifanarahana sy ny fifanampiana.

Tafaray ho amin’ny asa manokana

7. Inona no tokony hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1914, ary noho ny asa inona?

7 Rehefa lasa lavitra ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” izay nanomboka tamin’ny 1914, ny Vavolombelon’i Jehovah izay tsy anisan’izany fandehan-javatra izany dia tokony hiray saina mba hanatontosa asa sasany. Izy ireo tokoa dia manana andraikitra ny hanao fanambarana ny amin’ilay zava-niseho lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona rehetra, ary izany dia maneran-tany (Matio 24:14; Marka 13:10). Ilaina ny ho tonga amin’ny tarehin-javatra niavaka sahala amin’ny azon’i Paoly nomarihina tamin’ny androny. Nanintona ny saintsika ho amin’izany toe-javatra izany izy ka nilaza toy izao ao amin’ny Kolosiana 1:23: “Ny fanantenana avy amin’ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny; fa izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.” Ary ianareo rehetra mpitory ny filazantsara, inona no lazainareo ankehitriny ny amin’ny fitoriana, eo amin’ny zavatra noforonina rehetra, ny vaovao tsara natokana ho an’ ny androntsika fanapahan-javatra?

8. Fahitana inona voalazalazan’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 14:6-12 no hitantsika tanteraka amin’izao andro izao?

8 Hitantsika tanteraka ny fahitana nomena ny apostoly Jaona izay nolazalazainy toy izao ao amin’ny Apokalypsy 14:6-12: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara [vaovao tsara, MN] mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin’ny feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ny fahatezerana noho ny fijangajangany. Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin’ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ny handriny na amin’ny tànany, dia izy koa no hisotro ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry izy; ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan’ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. Indro ny faharetan’ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy.”

9. Oviana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no nahatsapa fa tanteraka ny fahitan’i Jaona, ary nahoana izy ireo hatramin’izao no nanana fahafahana hanambara ny vaovao tsara hatraiza hatraiza?

9 Ny sisa amin’ny kristiana voahosotra nasehon’ny apostoly Jaona ve nahita maso, tamin’izao androntsika izao, fisehoan-javatra azo ampitahaina amin’ny fanidinan’ny anjely eo afovoan’ny lanitra nanana “vaovao tsara mandrakizay” tokony hambara amin’ny mponina rehetra amin’ny tany, eny, amin’ny fokom-pirenena rehetra, sy ny firenena rehetra, ny foko rehetra sy ny fiteny rehetra, na inona na inona firazanany? Izany dia izany tokoa, ary izany dia nanomboka tamin’ny lohataonan’ny 1919, rehefa nanomboka narahina ny baiko ara-paminanian’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 24:14. Moa ve ireo anisan’ny sisa mbola velona nanana “vaovao tsara mandrakizay” hambara amin’ny zavatra noforonina rehetra ety ambanin’ny lanitra? Eny, izany tokoa. Afa-tsy ny vaovao tsara hafa, izy ireo dia tsy maintsy niresaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy izay naorina tany an-danitra tamin’ny 1914, tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa na fotoana voafetra ho an’ireo firenena. Ary vaovao tsara mampihetsi-po toy inona moa izany ho an’ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy rehefa ren’izy ireo, tamin’ny fandinihana an’ireo zava-niseho taorian’ny ady, fa Babylona Lehibe, izay nampahory azy ireny indrindra, dia nianjera ka veriny ny fahefana rehetra teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah! Hatreo izy ireo dia nanana fahafahana nanambara io lafiny tena lehibe tamin’ny vaovao tsara io tamin’ny olona rehetra nandevozin’ny fivavahana, ka nanasa azy ireny handositra an’i Babylona Lehibe sy hanampy azy ireny hivoaka avy ao. — Apokalypsy 18:4.

10. Inona no niarahan’ireo izay tafavoaka avy ao Babylona Lehibe, ary fatorana inona no nampiray azy ireo?

10 “Olona betsaka” tia ny fahafahana àry no nandray tsara ny “vaovao tsara mandrakizay” ka namaly ny antso nety izay nanasa azy ireny hivoaka avy ao amin’ny empira babyloniana maneran-tany, dia ny fivavahan-diso. Nivory teo anilan’ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy efa afaka izy ireny. Niaraka tamin’ny fandaminana hita mason’Andriamanitra àry izy ireny ka mba tonga Vavolombelon’i Jehovah koa. Hatramin’izao izy ireo dia tafaray amin’ny alalan’io “fatorana mampiray tanteraka” io, dia ny fitiavana, vokatry ny fanahin’i Jehovah Andriamanitra. — Kolosiana 3:14; Galatiana 5:22.

11. Naneho fitiavana an’iza moa ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary rahoviana ny Vavolombelon’i Jehovah no handray indray amim-pifaliana ny teny ao amin’ny Apokalypsy 19:1, 2?

11 Ny fivavahana lazaina fa kristiana no tapany mahery indrindra amin’i Babylona Lehibe. Na dia ao aza ny anarany, dia tsy manaraka ny tena kristianisma izy, ary ireo mpiangona ao aminy an-jato tapitrisany maro dia tsy tafaray velively amin’ny “fatorana mampiray tanteraka”, araka ny porofoin’ny maha-voazarazara azy ho fivavahana sy Fiangonana an-jatony maro. Ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nitafy karazam-pitiavana, dia fitiavana ireo sakaiza ratsin’i Babylona Lehibe, izany hoe ireo mpitondra ara-politika sy ara-tsosialy eo amin’izao tontolo izao izay nijangajangany ara-pivavahana. Ho lehibe tokoa ny fifaliantsika rehefa hataon’ny Jehovah izay hahatonga, amin’ny fotoana voatendriny, tsy ny fianjerana fotsiny ihany, fa ny fandravana tanteraka koa an’i Babylona Lehibe, anisan’izany ny fivavahana lazaina fa kristiana, mba hampamoahana azy. Ho feno haravoana ny vavolombelon’Andriamanitra amin’izany ka handray indray ireto teny voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 19:1, 2, ireto: “Haleloia!” Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanitsika; fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; fa nitsara ilay vehvavy janga lehibe Izy — dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangana — ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.” Ho “mandrakizay mandrakizay” ny fandravana azy toy ny amin’ny afo. — Apokalypsy 19:3.

12. Inona moa no toetra tokony hasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah manomboka izao ka mandra-pandrava an’i Babylona Lehibe, ary ahoana no tokony hiadiany amin’ireo fahavalon’ny fahazavana?

12 Eo am-piandrasana izany, raha mbola leferin’i Jehovah ny fisian’i Babylona Lehibe, ny toeran’ireo izay “mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy [eto an-tany]” dia mitaky ny hanehoany “fiaretana”. (Apokalypsy 14:12.) Manana antony tsara izy ireny tokony hampiharana amin’ny tenany ny teny nampidirin’i Jesosy tao amin’ny faminaniany ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, manao hoe; “Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13). Talohan’izay indrindra, dia izao no nolazain’i Jesosy: “Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (Matio 24:12). Nefa ny fitiavana asehon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia hahatonga azy ireo ho afaka hiaritra hatramin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny. Arakaraka ny hampiharany an’io toetra io eo amin’izy samy izy sy eo amin’ireo izay mitady ny hampifamatotra fifandraisana amin’i Jehovah Andriamanitra, dia hihamafy kokoa io “fatorana mampiray tanteraka” io. Mandrosoa àry, ry Vavolombelon’i Jehovah mba hanao fanambarana maneran-tany ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny efa ataonareo sahady any amin’ny tany 205 sy irinareo hatao any amin’ny tany hafa koa! Izao no fotoana tokony hiaraha-mientana eo anoloan’ny fahavalo, hampifanatonana ny laharantsika sy hiadiana ao anatin’ny firaisan-tsaina amin’ireo herin’ny maizina eo amin’izao tontolo izao ankehitriny.

13. Fiasana ampiasain’Andriamanitra inona no mendrika ny fanohanantsika amim-pahatokiana?

13 Hatramin’ny taonjato iray teo ho eo izao, ny Watch Tower Bible and Tract Society any Pennsylvanie, any Etazonia, dia ampiasain’i Jehovah mba hampiraisana an’ireo vavolombelony. Izany dia fiasana mahery ampiasain’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” mba hanomezana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah “ny haniny [ara-panahy] amin’ny fotoana mety”. (Matio 24:45-47, MN.) Miharihary fa tahin’i Jehovah io fikambanana io sy ireo sampany 95 maneran-tany. Mendrika ny hiarahantsika miasa àry izy io ka hotohanantsika amim-pahatokiana raha mbola sitrak’i Jehovah Andriamanitra koa ny hampiasa azy. Tena lehibe tokoa ny trosa tokony haloantsika amin’io fiasana io.

Aoka isika hiray saina hatrany noho ny fitiavana

14. Fitafiana inona no tokony hanaovantsika hatrany, ary amin’ny toetra inona no ampisehoantsika fa tena vavolombelon’i Jehovah tokoa isika?

14 Hiezaka foana Satana Devoly sy izao tontolony feno fankahalana mba handrava ny laharantsika, nefa ny fitiavana, ny lehibe indrindra amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra, dia tsy hitsahatra ny hiharihary fa “fatorana mampiray tanteraka”. Rehefa mitafy ny “toetra vaovao” isika, araka ny asain’ny apostoly Paoly ataontsika, dia mitafy fitiavana koa isika. Izany fitiavana izany dia tokony hasehontsika foana, ho toy ny toetra mampiseho ny maha-isika antsika izay taratry ny endrik’Andriamanitra (Jaona 13:34, 35). Tena nety tokoa ny teniny, satria Jehovah Rainy any an-danitra dia fisehoan’ny fitiavana mihitsy, ary tokony hampahafantarintsika ny olona rehetra fa tena vavolombelony tokoa isika amin’ny fambolena ny vokatry ny fanahiny, dia ny fitiavana.

15. Mba hampisehoana fa tia an’Andriamanitra izy ireo, iza koa moa no tokony hotiavin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

15 Raha manao zavatra mifanaraka amin’ny lazaintsika isika, ny fitiavantsika an’i Jehovah dia hanosika antsika ho tia ny vavolombelona hafa, dia ireo rahalahintsika. Izany no asehon’ny I Jaona 4:20, 21 izay mampahatsiahy antsika toy izao: “Raha misy manao hoe: “Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.”

16. Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy afaka y tsy hifankatia, ary nahoana ny fitiavana no tsy hesorina na oviana na oviana amin’ny tany?

16 Mampiseho mazava an’io fotopoto-pitsipika io ny Vavolombelon’i Jehovah ka mifaneho fitiavana amim-pahatsorana, na anisan’ireo mpiray lova amin’i Jesosy Kristy Mpanjaka nateraky ny fanahy izy ireny na anisan’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izay manantena ny hiaina ao amin’ny paradisa an-tany. Ahoana no mety tsy hitiavantsika olona izay, sahala amintsika, dia tia an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany malala? Tia azy ireo tokoa isika ary mifamatotra aminy amin’io “fatorana mampiray tanteraka” io. Na dia ao aza izay rehetra mety hiezahan’i Satana Devoly sy izao tontolo izaony ratsy hatao mba hanafoanana an’io vokatry ny fanahin’i Jehovah io, dia tsy ho voaisotra eto an-tany na oviana na oviana ny fitiavana. Ireo izay nitafy hatrany an’io fitiavana io mandra-pandringana ny fandehan-javatry ny Devoly ankehitriny dia harovan’ilay Andriamaniny mahatoky mandritra ny “fahoriana lehibe”, dia fahoriana mbola tsy nisy toy izany mihitsy teto an-tany (Matio 24:21; Galatiana 5:22). Araka izany, dia ireo zavaboary tia an’Andriamanitra sy ny fianakaviany, izany hoe ny fandaminany, ihany, no ho afaka ny ho tafita velona ka hiditra ao amin’ny tany voadio izay hovana ho paradisa be voninahitra rehefa avy eo. Tsy ho foana na oviana na oviana io paradisa io. Honenana foana izy io ary hohatsarain’ny olona izay samy ho fisehoan’ny fitiavana. Amin’izany io fitiavana io dia hahazo fandresena mandrakizay ho voninahitr’i Jehovah, ilay Andriamanitra Loharanon’ny fitiavana.

Voamarikao ve?

□ Nahoana moa ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany no afaka nifanaraka, nefa tsy nitovy ny fiaviany sy ny fiainany tamin’ny lasa?

□ Ahoana moa no ananan’ny fitiavana hery eo amin’ireo antokon’olona roa mahaforona kristiana “andiany iray” ihany amin’izao fotoana izao?

□ Ahoana no ahatanterahan’ny Apokalypsy 14:6-12 amin’izao andro izao?

□ Inona moa no fiasana ampiasain’Andriamanitra mba hanampiana ny mpanompony?

□ Araka ny voalaza ao amin’ny Kolosiana 3:14, tokony ho vonona ny hanao inona moa ianao?

[Sary, pejy 24]

Eo ambany fitarihan’ny anjely . . .

[Sary, pejy 25]

. . . amin’izao andro ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana “vaovao tsara mandrakizay hambara”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara