FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/6 p. 30
  • Tadidinao ve izany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao ve izany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena fotoana tokony handosirana izao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • “Aoka ny Mpamaky Hampiasa Fahaiza-manavaka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mandosira ho Amin’ny Toeram-pialofana Alohan’ny “Fahoriana Lehibe”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • “Zavatra maloto” tsy hitondra fiadanana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/6 p. 30

Tadidinao ve izany?

Nahafinaritra anao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana”? Raha izany no izy, dia jereo raha afaka mahatadidy ireto hevitra manaraka ireto ianao:

◻ Moa ve ny aretina vokatry ny fahotana iray manokana nataontsika?

Tsia, tsy voatery ho izany. Ny aretina dia iray amin’ireo porofo mampiharihary fa isika rehetra dia nandova ota sy tsy fahatanterahana avy amin’i Adama (Romana 5:12). Ny fahotana atao an-tsitrapo anefa dia mety hitarika ho amin’ny fahotana amin’ny fanahy masin’Andriamanitra, zavatra izay ratsy lavitra noho ny aretina ara-batana (Matio 12:31, 32).

◻ Nahoana ny kristiana no tokony hihevitra ny amin’ny fotoana?

Andriamanitra dia manana fotoana voatendry foana hanatanterahana ny sitrapony sy ny fitsarany. Amin’ny fandinihana ny Baiboly dia mety ho takatsika ny fahatongavan’ny zava-mitranga mifandray amin’ny olombelona, toy ny fanatrehana tsy hita mason’i Kristy.

◻ Porofo lehibe inona amin’izao fotoana izao no mampiseho fa ny fanapahan’Andriamanitra dia zavatra tena misy?

Ny manaporofo fa tena misy tokoa ny fanapahan’Andriamanitra di any fisian’ireo Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro izay miaina sahady amin’ny maha-vahoaka manaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy mijery ny zavatra amin’ny lafiny ara-pirazanana na ara-pirenena intsony izy ireo fa miara-miasa amin’ny maha-mpirahalahy sy mpirahavavy miray saina azy. (Jaona 13:34-35).

◻ Inona ilay “fitoerana masina” izay tafihin’ny “fahavetavetan’ny fandravana”?

Ilay “fitoerana masina” dia Jerosalema any an-danitra “izay asehon’ireo kristiana voahosotra mahatoky eto an-tany. Kanefa ireo filoha ara-pivavahana, amin’ny fanaovana ny Firenena Mikambana ho mpisolo toerana ny Fanjakan’Andriamanitra dia nametraka an’io mpisolo toerana nataon’olombelona io teo amin’ilay “fitoerana masina”. Izy io dia “fahavetavetana” eo imason’Andriamanitra. Fanampin’izany, ny fivavahana lazaina fa kristiana dia milaza fa manana “fitoerana masina” iray izay mampiseho ireo asa aman-draharahany ara-pivavahana. Amin’izao andro izao, ny Firenena Mikambana dia mitsangana ho toy ny fandrahonana an’io ‘fitoerana masin’ny fivavahana lazaina fa kristiana io noho ny asa ataon’ireo firenena tsy mino an’Andriamanitra. Ny teny ara-paminanian’Andriamanitra dia mampiseho fa fandravana no ho vokatr’izany fifandonana izany. (Apokalypsy 17:16.)

◻ Inona ilay “Zava-miafina masina” resahin’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesiana?

Izany dia ny fikasan’Andriamanitra ny hamerina indray ny fiadanana sy ny firaisana manerana izao rehetra izao amin’ny alalan’ny “fitondrany”. (Efesiana 1:9, 10.)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara