Karazana mozika inona no tianao?
IZAO no lazain’ny mozika espaniola tranainy iray: “Mahay kely amin’ny mozika sy ny fitsaboana daholo ny olona rehetra.” Saika ny olona rehetra tokoa dia mahay mikalokalo, mihira na misiaka feon-kira tiany iray. Eny, ny mozika sy ny fitiava-mozika dia anisan’ny talenta voajanahary raikitra ao amin’ny olombelona. Ilay poeta atao hoe Longfellow dia lasa hatramin’ny fanambarana hoe: “FItenin’ny Olombelona hatraiza hatraiza ny mozika.”
Marina tokoa fa milomano ao anatin’ny mozika ny olombelona hatramin’ny taloha ela be. Araka izany, iza no tsy mbola nandre mihitsy ny hira mangan’ny voronkely iray? Mety hitampim-bava fotsiny isika eo anoloan’ny feo isan-karazany mivoaka avy amin’ny tena bitiky ny siomanga. Angamba isika hibitaka amin’ny fahasahisahian’ny goaika, amin’ny feo tsotran’ny kankafotra na ny kalon’ny voronkely mpihira mandehandeha mahafinaritra hafa.
Ny zazakely koa aza dia mampiseho ny fahafahampony rehefa mandre ny hira fandrotsirotsiana azy tiany indrindra. Araka ny fahitan-javatra vao haingana tokoa, na dia ny zaza any am-bohoka aza dia voatohina amin’ny mozika. Ny fihetsiketsehany tokoa dia mampiharihary na azoazony ny ainy na tsia arakaraka izay reny.
Hatramin’ny oviana no nisian’ny mozika?
Sarotra dia sarotra amin’ireo mpahay tantara ny mamaly io fanontaniana io. Izao no ambaran’ny Encyclopédie britannique: “Ireo sivilizasiona lehibe dia toa nandroso aoka izany teo amin’ny fanamboarana fitaova-mozika tany Azia sy tany Afrika Avaratra (...). Hatramin’ny taloha ela be dia nisy fitendrena valiha tany Mesopotamia [sy] tany Egypta.”
Ny Baiboly kosa anefa dia milaza zavatra mazava kokoa. Ampahafantariny antsika tokoa fa Jobala, anankiray tamin’ireo taranaka akaiky indrindra an’i Adama, lehilahy voalohany, dia “rain’ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra”. (Genesisy 4:21.) Jobala àry dia nety ho ny mpamorona ireo fitaova-mozika fitendry sy fitsoka voalohandohany, na mpanorina asa iray izay nampandroso ny mozika araka ny nilaina, ary izany dia efa ho 5 000 taona izao.
Ny mozika dia tsy nisaraka tamin’ny fiainan’ireo patriarka taorian’ny safodrano nitranga tamin’ny andron’i Noa. HO ohatra, dia aoka horaisintsika izao fitarainana nataon’i Labana tamin’i Jakoba vinantolahiny izao: “Nahoana no nandositra mangingina hianao (...) ary tsy nanambara tamiko hianao mba hanaterako anao amin’ny fifaliana sy ny hira, amin’ny ampongatapaka sy ny lokanga?”—Genesisy 31:27.
Taonjato maro taty aoriana, tamin’ireo izay nanompo tao amin’ny tempolin’Andriamanitra, dia nisaina ny “[Levita] efatra arivo ho mpidera an’i Jehovah amin’ny zavatra namboariko hiderana Azy”, hoy i Davida. (I Tantara 23:5). Ny tenan’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely koa aza dia mpahay mozika fatratra izay nitendry valiha tory folo, ary tena nety ho namorona zava-maneno vaovao izy.—Salamo 144:9; II Tantara 7:6; 29:26, 27; Amosa 6:5.
Ny mozika eo amin’izao tontolo izao ankehitriny
Tsy isalasalana fa mbola tsy niely toy ny amin’izao andro izao mihitsy ny mozika. Mitombo izany amin’ny alalan’ny radiao, ny televiziona, ny disika sy ny “cassettes”. Ary endrey ny hamaroan’ny karazany! “Folk, choral, classique, opéra, jazz, country, rythm and blues, disco, rock” amin’ny endriny rehetra, toa tsy misy farany ny lisitra ary miova foana. Vantany vao lany andro ny karaza-mozika iray dia efa naka ny toerany sahady ny hafa iray.
Inona àry no karaza-mozika tianao hohenoina? Raha ny marina, zava-dehibe ve ny fitiavanao manokana amin’io lafiny io? Moa ve izany mety hisy fifandraisana amin’ny fomba fijerinao zavatra na amin’ny ho avinao mihitsy aza?
[Sary, pejy 3]
Ny fomba nanitarana ny zava-maneno